HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA
Arovy ny Lovanao Sarobidy
Nandroaka fahavalo matanjaka i Kaleba mba hiarovana ny lovany (Js 15:14; it “Hebrona” § 6)
Tsy niaro ny lovany tamin’ny olona tsy nanompo an’i Jehovah ny Israelita sasany (Js 16:10; it “Asa An-terivozona” § 1)
Nampian’i Jehovah izay tena te hiaro ny lovany (De 20:1-4; Js 17:17, 18; it “Kanana”: “Azon’ny Israelita i Kanana” § 5)
Lova sarobidy omen’i Jehovah ho an’ny Kristianina rehetra ny fiainana mandrakizay. Miaro an’io lova io isika raha mianatra Baiboly, mivory, manompo, ary mivavaka. Ireo mantsy no manampy antsika tsy ho resin’ny fakam-panahy.
SAINTSAINO IZAO: ‘Miaro ny lovako ve aho?’