LAHATSORATRA FIANARANA 29
HIRA 121 Mila Mifehy Tena Isika
Mitandrema Foana mba Tsy ho Resin’ny Fakam-panahy
“Miambena sy mivavaha foana mba tsy ho resin’ny fakam-panahy.”—MAT. 26:41.
HEVITRA HODINIHINA
Ho hitantsika ato hoe inona no hanampy antsika tsy hanota sy hanalavitra an’ireo dingana mety hitarika ho amin’izany.
1-2. a) Inona no nampitandreman’i Jesosy ny mpianany? b) Nahoana ny mpianatra no resin’ny fahalemena? (Jereo koa ny sary.)
“MAZOTO ihany ny saina, saingy ny nofo no malemy.”a (Mat. 26:41b) Nasehon’i Jesosy tamin’ireo teny ireo fa azony tsara hoe tsy lavorary isika. Te hampitandrina koa anefa izy hoe tsy tokony hatoky tena be loatra isika. Ora vitsivitsy talohan’io mantsy, tamin’io alina io ihany, dia natoky tena erỳ ny mpianany nilaza fa tsy handao ny Tompony mihitsy. (Mat. 26:35) Hita hoe te hanao ny tsara ry zareo! Tsy tsapany anefa hoe vetivety eo ry zareo dia mety tsy hahavita hanao an’izany, rehefa ao anatin’ny sarotra. Nampitandrina àry i Jesosy hoe: “Miambena sy mivavaha foana mba tsy ho resin’ny fakam-panahy.”—Mat. 26:41a.
2 Nampalahelo fa tsy nahavita niambina foana ny mpianatra. Inona no nataony rehefa nosamborina i Jesosy? Tsy nandao azy ve ry zareo? Sa nanaiky ho resin’ny fakam-panahy dia nandositra? Tratran’ny tsy nampoizina ny mpianatra, dia izay nolazainy hoe tsy hataony mihitsy no nataony. Nandao an’i Jesosy ry zareo!—Mat. 26:56.
Nampirisihin’i Jesosy ny mpianany mba hiambina foana ary hitandrina mba tsy ho resin’ny fakam-panahy. Nandao azy anefa ry zareo (Fehintsoratra 1-2)
3. a) Nahoana isika no tsy tokony hatoky tena loatra raha tsy te hivadika amin’i Jehovah? b) Inona no hodinihintsika ato?
3 Tsy tokony hatoky tena be loatra isika. Marina aloha hoe tapa-kevitra isika fa tsy hamela na inona na inona hampisaraka antsika amin’i Jehovah. Tsy lavorary koa anefa isika sady mora resin’ny fakam-panahy. (Rom. 5:12; 7:21-23) Tsy ampoizintsika akory dia mety ho lasa mahafinaritra be antsika indray ny manao an’ilay zavatra fantatsika hoe tsy mety. Raha tsy te hivadika amin’i Jehovah sy ny Zanany mihitsy àry isika, dia tsara raha arahintsika ilay torohevitr’i Jesosy hoe mila mitandrina foana isika mba tsy ho resin’ny fakam-panahy hanota. Hanampy antsika hanao an’izany ity lahatsoratra ity. Amin’ny lafiny inona avy àry isika no tena tsy maintsy mitandrina? Ahoana no itandremantsika mba tsy ho resin’ny fakam-panahy? Ary ahoana no hatao mba hahafahantsika mitandrina foana? Handinika an’izany isika ato.
IREO LAFINY MILA ITANDREMANTSIKA
4-5. Nahoana isika no mila mitandrina foana, na dia amin’ny fahotana madinika aza?
4 Na fahotana heverina hoe madinika aza, dia mety hanimba ny fifandraisantsika amin’i Jehovah. Tsy izay ihany, fa mety hitarika antsika hanao fahotana lehibe kokoa izany.
5 Alaim-panahy hanota daholo isika. Samy manana ny lafiny mampahalemy azy anefa ny tsirairay. Misy alaim-panahy hanao fahotana lehibe, na haloto fitondran-tena, na ho voafandriky ny toe-tsain’izao tontolo izao. Mety hiady mafy, ohatra, ny olona iray mba tsy hijangajanga. Ny hafa indray mety ho sarotra aminy ny manohitra ny fanao maloto, ohatra hoe mikasikasika ny filahiany na ny fivaviany na mijery zavatra vetaveta. Misy koa miady mafy mba tsy hatahotra olona, tsy hanao izay saim-pantany fotsiny, tsy ho mora tezitra, sy ny sisa. Marina mihitsy ilay tenin’i Jakoba hoe: ‘Tsapaina ny tsirairay rehefa voasariky ny faniriany sy manaiky ho resin’izany.’—Jak. 1:14.
6. Inona no tsy maintsy ekentsika amim-pahatsorana?
6 Fantatrao ve hoe amin’ny lafiny inona avy ianao no tena mora resin’ny fakam-panahy? Tsy handray soa isika raha mamita-tena ka hihevitra fa tsy manana fahalemena, na hoe mafy be ka tsy hanao ratsy mihitsy. (1 Jaona 1:8) I Paoly rahateo nilaza fa na ny olona “matotra” aza mety ho resin’ny fakam-panahy raha tsy mitandrina. (Gal. 6:1) Tsy maintsy mandini-tena amim-pahatsorana isika, dia hiaiky fa misy lafiny mampahalemy antsika.—2 Kor. 13:5.
7. Inona no tokony hitandremantsika tsara? Hazavao amin’ny ohatra.
7 Inona no tokony hataonao rehefa fantatrao hoe amin’ny lafiny inona avy ianao no tena mora resin’ny fakam-panahy? Hamafiso ny fiarovana! Intỳ misy ohatra. Ny vavahady no tena mora nidiran’izay nanafika tanàna nisy manda, fahiny. Ireny àry no tena nambenana mafy. Hoatr’izany koa fa izay lafiny fantatrao hoe tena mampahalemy anao no mila itandremanao tsara.—1 Kor. 9:27.
AHOANA NO ITANDREMANTSIKA?
8-9. Inona no nety ho azon’ilay tovolahy resahin’ny Ohabolana toko faha-7 natao mba tsy hahatonga azy hanao fahotana lehibe? (Ohabolana 7:8, 9, 13, 14, 21)
8 Ahoana no ampisehoantsika hoe mitandrina isika? Andao hodinihintsika izay azo ianarana avy amin’ny tovolahy iray resahin’ny Ohabolana toko faha-7. Nijangajanga tamin’ny vehivavy iray ratsy fitondran-tena izy. Resahin’ny andininy faha-22 fa “tampoka teo”, dia lasa nanaraka an’ilay vehivavy izy. Hita amin’ireo andininy eo aloha anefa fa efa nisy dingana maromaro nataony, dia izany no nitarika azy tsikelikely hanota.
9 Inona no nataony ka nahatonga azy hanota? Voalohany, “nandalo teo amin’ilay zoron-dalana teny akaikin’ny tranon’ilay vehivavy [ratsy fitondran-tena] izy” rehefa harivariva. Nandeha tamin’ny lalana mankany amin’ny tranon’ilay vehivavy izy avy eo. (Vakio ny Ohabolana 7:8, 9.) Nahita an’ilay vehivavy izy taorian’izay, nefa tsy mba nivily lalana. Nanaiky horohany kosa izy, dia nihaino azy nitantara momba ny sorona iombonana nataony. Tian’ilay vehivavy hieritreritra angamba ilay tovolahy hoe mba olona tsara ihany izy. (Vakio ny Ohabolana 7:13, 14, 21.) Ho nahavita nitandrina ilay tovolahy ka tsy ho resin’ny fakam-panahy sady tsy ho nanota, raha nanalavitra an’ireo loza nitarika azy ho amin’izany.
10. Ahoana no mety hahatonga ny olona iray hanao fahadisoana hoatran’ny nataon’ilay tovolahy?
10 Mety hitranga amin’ny mpanompon’i Jehovah rehetra ny zavatra notantarain’i Solomona. Mety ho nanao fahotana lehibe ny olona iray, dia avy eo hieritreritra hoe nitranga “tampoka” ny zava-drehetra. Na mety hilaza izy hoe: “Tsy nampoiziko iny!” Raha mandinika an’izay tena nitranga anefa izy, dia azo inoana fa ho hitany hoe nisy dingana maromaro nataony ka nahatonga azy hanota. Niaraka tamin’ny naman-dratsy angamba izy, nanao fialam-boly tsy mahasoa, nandeha tany amin’ny toerana tsy mety amin’ny Kristianina, na nikarokaroka tao amin’ny Internet. Mety ho tsy nanao an’ireto intsony koa izy: Nivavaka, namaky Baiboly, nivory, na nanompo. Tsy hoe nanota “tampoka” àry izy raha ny marina, hoatran’ny an’ilay tovolahy tao amin’ny Ohabolana ihany.
11. Inona no tokony hohalavirintsika raha tsy te hanota isika?
11 Inona ny lesona ho antsika? Tsy ilay fahotana ihany no mila halavirintsika, fa ireo dingana mitarika antsika hanao an’ilay izy koa. Izany mihitsy no nasongadin’i Solomona rehefa avy niresaka momba an’ilay tovolahy sy ilay vehivavy ratsy fitondran-tena izy. Hoy izy: ‘Aza mandehandeha eny amin’ny lalan’ilay vehivavy.’ (Ohab. 7:25) “Ialao lavitra be ny vehivavy [maditra] toy izany, ary aza manakaiky ny fidirana mankao an-tranony.” (Ohab. 5:3, 8) Hahavita hitandrina isika ka tsy hanota, raha manalavitra an’izay mitarika ho amin’izany.b Mety ho anisan’ireny ny zavatra na toe-javatra tsy voatery hoe tsy mety amin’ny Kristianina, nefa fantatsika fa hahatonga antsika ho resin’ny fakam-panahy.—Mat. 5:29, 30.
12. Tapa-kevitra hanao inona i Joba, ary nahoana izany no nanampy azy tsy ho resin’ny fakam-panahy? (Joba 31:1)
12 Mila mandray fanapahan-kevitra hentitra isika, raha te hanalavitra an’izay toe-javatra mety hahatonga antsika hanota. Izany no nataon’i Joba. ‘Nanao fifanekena tamin’ny masony’ izy mba tsy hijerijery vehivavy hafa, ka hoe haniry hanao firaisana aminy. (Vakio ny Joba 31:1.) Tsy hatahorana hanitsakitsa-bady izy, raha nifikitra tamin’io fanapahan-keviny io. Tokony ho tapa-kevitra koa isika hanalavitra an’izay rehetra mety hahatonga antsika ho resin’ny fakam-panahy.
13. Nahoana isika no tsy maintsy mitandrina ny amin’izay zavatra eritreretintsika? (Jereo koa ny sary.)
13 Tsy maintsy mitandrina amin’izay eritreretintsika koa isika. (Eks. 20:17) Misy mino hoe tsy maninona ny manonofy manao zava-dratsy, raha mbola tsy manatanteraka an’ilay izy. Diso anefa izany! Mampitombo ny fanirian-dratsy ao aminy mantsy ny olona mieritreritra zava-dratsy foana. Hoatran’ny hoe izy indray no maka fanahy ny tenany, dia tsy maintsy miady amin’ilay izy avy eo. Mazava ho azy fa hisy eritreri-dratsy handalo ao an-tsaintsika indraindray. Dia ahoana no hatao? Tena mila esorina avy hatrany ilay izy, dia soloana zavatra tsara. Raha manao an’izany isika, dia tsy ho lasa faniriana mahery ao anatintsika ilay eritreri-dratsy. Ho sarotra amintsika mantsy ny hiady amin’ilay faniriana, ary mety hitarika antsika hanao fahotana lehibe mihitsy aza.—Fil. 4:8; Kol. 3:2; Jak. 1:13-15.
Mila halavirintsika izay rehetra mety hitarika ho amin’ny fakam-panahy (Fehintsoratra 13)
14. Inona koa no hanampy antsika hitandrina mba tsy ho resin’ny fakam-panahy?
14 Inona koa no mila ataontsika, raha tiantsika ny hitandrina mba tsy ho resin’ny fakam-panahy? Mila resy lahatra tanteraka isika hoe handray soa foana rehefa mankatò ny lalàn’i Jehovah. Mety ho sarotra indraindray ny hampifanaraka ny eritreritsika sy ny faniriantsika amin’izay tian’Andriamanitra. Hilamin-tsaina anefa isika raha manao an’izany, ka tsy ho very maina ny ezaka nataontsika.
15. Nahoana no hanampy antsika tsy ho resin’ny fakam-panahy ilay hoe miezaka hanana faniriana tsara?
15 Mila miezaka hanana faniriana tsara isika. Raha mianatra ‘hankahala ny ratsy sy ho tia ny tsara’ isika, dia vao mainka ho tapa-kevitra hanao ny tsara ary hanalavitra an’izay toe-javatra mitarika antsika hanota. (Amosa 5:15) Ny faniriana tsara koa no hanome hery antsika, amin’izay isika hentitra foana rehefa sendra fakam-panahy tampoka na toe-javatra tsy azontsika nosorohina.
16. Nahoana no manampy antsika hitandrina foana ny manao zavatra ara-panahy? (Jereo koa ny sary.)
16 Inona no hanampy antsika hanana faniriana tsara? Tokony hiezaka araka izay tratra isika mba ho be atao amin’ny ara-panahy. Tsy mora alaim-panahy hanao ratsy mantsy isika rehefa mivory na manompo. Hitombo kosa ny faniriantsika hampifaly an’i Jehovah. (Mat. 28:19, 20; Heb. 10:24, 25) Vao mainka isika ho tia ny tsara ary hankahala ny ratsy, rehefa mamaky sy mianatra ary misaintsaina ny Tenin’Andriamanitra. (Jos. 1:8; Sal. 1:2, 3; 119:97, 101) Tadidio fa nilaza tamin’ny mpianany i Jesosy hoe: “Mivavaha foana mba tsy ho resin’ny fakam-panahy.” (Mat. 26:41) Rehefa manokana fotoana hivavahana amin’ilay Raintsika any an-danitra isika, dia afaka mahazo ny fanampiany sady vao mainka tapa-kevitra ny hampifaly azy.—Jak. 4:8.
Vao mainka isika hahavita hanohitra fakam-panahy raha zatra manao zavatra ara-panahy (Fehintsoratra 16)c
MITANDREMA FOANA
17. Inona ilay fahalemena niadian’i Petera mihoatra ny indray mandeha?
17 Mety ho resintsika tanteraka ny fahalementsika sasany. Misy kosa tsy maintsy iadiantsika eny foana. Diniho izay nitranga tamin’ny apostoly Petera. Natahotra olona izy, dia nanda an’i Jesosy intelo. (Mat. 26:69-75) Hoatran’ny hoe efa nandresy an’izany i Petera, tamin’izy sahy nitory teo anatrehan’ny Fitsarana Avo Jiosy. (Asa. 5:27-29) Taona vitsivitsy tatỳ aoriana anefa, dia “natahotra ny voafora” izy, ka tsy niara-nisakafo tamin’ny Kristianina hafa firenena nandritra ny fotoana kelikely. (Gal. 2:11, 12) Niverina indray ilay tahotr’i Petera! Angamba tsy resiny tanteraka mihitsy izy io.
18. Mety hanao ahoana ny fahalemena sasany?
18 Mety hahazo antsika koa izany. Amin’ny fomba ahoana? Nisy fahalemena noeritreretintsika hoe efa resy tanteraka, nefa mety haka fanahy antsika indray. Niaiky hoatr’izao ny rahalahy iray: “Nahavita tsy nijery sary vetaveta mihitsy aho nandritra ny folo taona, ary resy lahatra aho tamin’izay hoe tsy manana olana amin’izany intsony. Hoatran’ny bibidia namitsaka tao anaty miafina anefa ilay fahazaran-dratsiko, dia efa vonona hanafika ahy raha vao nisy hirika.” Soa ihany fa tsy nilavo lefona izy. Tsapany hoe tsy maintsy miezaka isan’andro izy mba handresena an’io fahalemeny io, angamba mandritra ny androm-piainany mihitsy raha mbola eto amin’izao tontolo izao. Nampian’ny vadiny sy ny anti-panahin’ny fiangonany izy, dia nandray fepetra hentitra kokoa mba tsy hahatonga azy hijery zavatra vetaveta intsony.
19. Inona no hanampy antsika raha misy fahalemena tsy mety resintsika?
19 Raha misy fahalemena tsy mety resinao, dia inona no hanampy anao tsy hanatanteraka an’ilay izy? Araho ilay torohevitr’i Jesosy momba ny fakam-panahy hoe: ‘Miambena foana.’ Na dia amin’ilay fotoana eritreretinao hoe matanjaka be iny aza ianao, dia halaviro foana izay toe-javatra mety hitarika anao amin’ny fakam-panahy. (1 Kor. 10:12) Ampiharo foana ny paikady hitanao hoe nahomby. Hoy ny Ohabolana 28:14: “Sambatra izay olona miambina foana.”—2 Pet. 3:14.
HAHAZO VALISOA IZAY MITANDRINA FOANA
20-21. a) Inona avy ny valisoa ho azontsika raha mitandrina foana isika mba tsy ho resin’ny fakam-panahy? b) Inona no hataon’i Jehovah ho antsika raha manao ny anjarantsika isika? (2 Korintianina 4:7)
20 Matokia fa tsy ho very maina ny ezaka ataonao, rehefa mitandrina foana ianao mba tsy ho resin’ny fakam-panahy. Marina hoe mety ‘hahafaly vetivety’ ny fahotana. Ho sambatra lavitra anefa isika raha manaraka ny fitsipik’i Jehovah. (Heb. 11:25; Sal. 19:8) Noforonina hiaina mifanaraka amin’ny lalany mantsy isika. (Gen. 1:27) Hadio àry ny feon’ny fieritreretantsika sady ho afaka hanantena hiaina mandrakizay isika.—1 Tim. 6:12; 2 Tim. 1:3; Joda 20, 21.
21 Ekena aloha hoe ‘malemy ny nofo.’ Tsy midika anefa izany fa tsy afa-manoatra isika. Vonona hanome antsika an’izay hery ilaintsika i Jehovah. (Vakio ny 2 Korintianina 4:7.) Mariho anefa fa ilay hery mihoatra noho ny an’ny olombelona no omeny. Andraikitsika kosa ny mampiasa an’ilay herin’olombelona efa ananantsika, izany hoe mila miady isan’andro isika mba tsy ho resin’ny fakam-panahy. Rehefa manao ny anjarantsika isika, dia afaka matoky hoe hamaly ny vavaka ataontsika i Jehovah ka hanome antsika an’izay hery fanampiny ilaintsika. (1 Kor. 10:13) Ho vitantsika àry ny hitandrina foana mba tsy ho resin’ny fakam-panahy, satria manampy antsika i Jehovah!
HIRA 47 Mivavaha Isan’andro
a FANAZAVANA: Ny fahavononantsika hanao ny tsara no tian’i Jesosy holazaina amin’ilay hoe “ny saina”, ao amin’ny Matio 26:41. “Ny nofo” kosa dia ilay isika tsy lavorary sady mpanota. Mety hanana faniriana hanao ny tsara ihany àry isika, nefa raha tsy mitandrina dia mety halaim-panahy hanao an’izay lazain’ny Baiboly hoe ratsy.
b Misy fanazavana hanampy an’izay nanao fahotana lehibe ao amin’ny boky Ankafizo Mandrakizay ny Fiainana! lesona 57, hevitra 1-3 sy ilay hoe “Ny Hoavy Banjinina!” ao amin’ny Tilikambo Fiambenana Novambra 2020, p. 27-29, feh. 12-17.
c SARY: Rahalahy iray mamaky ny andinin-teny ho an’ny andro amin’ny maraina, mamaky Baiboly mandritra ny fiatoana amin’ny antoandro, ary mamonjy fivoriana andavanandro amin’ny hariva.