LAHATSORATRA FIANARANA 35
HIRA 121 Mila Mifehy Tena Isika
Vitanao ny Handresy Fanirian-dratsy
“Aza avela hanjaka foana amin’ny vatanareo mety maty ... ny ota, mba tsy hanatanterahanareo ny fanirian’ny vatanareo.”—ROM. 6:12.
HEVITRA HODINIHINA
Inona no hanampy antsika tsy ho kivy rehefa manana fanirian-dratsy isika? Ary ahoana no handresena fakam-panahy?
1. Inona no itovizan’ny olombelona tsy lavorary rehetra?
NISY fotoana ve ianao tena te hanao zavatra tsy tian’i Jehovah? Aza mieritreritra hoe mafy kokoa noho ny an’ny olon-drehetra ny fitsapana mahazo anao. Milaza mantsy ny Baiboly hoe: “Tsy misy fakam-panahy mahazo anareo, afa-tsy izay mpahazo ny olona.” (1 Kor. 10:13) Raha misy fanirian-dratsy iadianao izany dia misy olon-kafa miady amin’iny koa. Tsy irery ianao fa eo i Jehovah hanampy anao. Ho vitanao ny hiady amin’ilay fanirian-dratsy!
2. Inona avy ny fakam-panahy mety hahazo ny Kristianina sy ny mpianatra Baiboly sasany? (Jereo koa ny sary.)
2 Hoy koa ny Baiboly: “Tsapaina ... ny tsirairay rehefa voasariky ny faniriany sy manaiky ho resin’izany.” (Jak. 1:14) Tsy mitovy ny zavatra mety hitsapa antsika. Misy Kristianina, ohatra, alaim-panahy hijangajanga amin’olona mitovy fananahana aminy. Ny hafa indray te hijangajanga amin’olona tsy mitovy fananahana aminy. Mety hiady mafy tsy hijery sary vetaveta koa ny olona efa afaka tamin’io fanao io. Hoatr’izany koa no tsapan’ny olona maro efa niala tamin’ny zava-mahadomelina sy ny fisotroana tafahoatra. Santionany amin’ny zavatra atrehin’ny Kristianina sy ny mpianatra Baiboly sasany ireo. Azo inoana hoe efa nahatsapa an’ity tenin’ny apostoly Paoly ity isika rehetra: “Rehefa te hanao ny tsara aho, dia ato anatiko ihany ny ratsy.”—Rom. 7:21.
Mety hisy fakam-panahy tampoka na aiza na aiza ary na rahoviana na rahoviana (Fehintsoratra 2)c
3. Inona no vokany eo amin’ny olona iray raha misy fanirian-dratsy iadiany foana?
3 Raha misy fanirian-dratsy iadianao foana, dia mety hieritreritra ianao hoe tsy afa-manoatra. Hoatran’ny hoe tsy ho vitanao mihitsy ny handresy an’ilay fakam-panahy. Mety hieritreritra koa ianao hoe tsy misy antenaina intsony ny aminao. Hoatran’ny hoe tsy maintsy homelohin’i Jehovah ianao satria fotsiny hoe manana fanirian-dratsy. Matokia hoe tsy misy marina ireo. Hamaly an’ireto fanontaniana roa ireto isika ato mba hanazavana an’izany: 1) Inona no mahatonga antsika hahatsapa hoe tsy afa-manoatra sy hoe tsy misy antenaina intsony ny amintsika? 2) Ahoana no atao mba handresena fanirian-dratsy?
INONA NO TIAN’ILAY “RATSY” HOERITRERETINTSIKA?
4. a) Nahoana isika no tian’i Satana hieritreritra hoe tsy afa-manoatra? b) Nahoana no tsy marina ilay hoe tsy afa-manoatra isika rehefa misy fakam-panahy?
4 Tian’i Satana hieritreritra isika hoe tsy afa-manoatra rehefa misy fakam-panahy. Fantatr’i Jesosy hoe hiezaka haka fanahy antsika i Satana, matoa izy nampianatra ny mpanara-dia azy hivavaka hoe: “Aza avela ho resin’ny fakam-panahy izahay, fa afaho amin’ilay ratsy.” (Mat. 6:13) Lazain’i Satana fa tsy hankatò an’i Jehovah ny olona rehefa misy fakam-panahy. (Joba 2:4, 5) Ny tena marina anefa dia hoe i Satana no nanaiky ho resin’ny faniriany, dia nivadika tamin’i Jehovah. Heveriny fa hoatr’azy isika, hoe tonga dia hiala amin’i Jehovah raha vao misy fakam-panahy. Ilay Zanak’Andriamanitra lavorary aza moa noheveriny fa hanaiky ho resin’ny fakam-panahy koa! (Mat. 4:8, 9) Fa tena tsy afa-manoatra tokoa ve isika rehefa manana fanirian-dratsy? Tsy izany mihitsy! Miara-miaiky amin’ny apostoly Paoly isika hoe: “Manana ny hery hiatrehana an’izay rehetra mitranga aho, noho ilay manome hery ahy.”—Fil. 4:13.
5. Matoky i Jehovah fa handresy fanirian-dratsy isika. Nahoana isika no milaza an’izany?
5 Tsy mitovy amin’i Satana mihitsy i Jehovah. Matoky izy hoe ho vitantsika ny handresy fanirian-dratsy. Ahoana no hahalalantsika an’izany? Efa nilaza mialoha izy hoe hisy vahoaka be tsy mivadika aminy ho tafavoaka velona amin’ny fahoriana lehibe. Eritrereto ange izany e! Milaza i Jehovah hoe tsy olona vitsy fa olona be dia be no ho ao amin’ilay tontolo vaovao nampanantenainy, ary tsy mahay mandainga izy. Madio no fiheverany an-dry zareo satria efa ‘nosasan-dry zareo sy nofotsiany tamin’ny ran’ny Zanak’ondry ny akanjony.’ (Apok. 7:9, 13, 14) Rehefa manana fanirian-dratsy àry isika dia tsy hoe tsy afa-manoatra no fahitan’i Jehovah antsika.
6-7. Inona koa no tian’i Satana hoeritreretintsika?
6 Tian’i Satana hieritreritra koa isika hoe tsy misy antenaina intsony ny amintsika, fa tsy maintsy melohin’i Jehovah isika satria fotsiny hoe manana fanirian-dratsy. Ny tena marina anefa dia izao: I Satana no tsy misy antenaina intsony. Efa nivoaka ny didy hoe tsy mendrika ny hiaina mandrakizay izy. (Gen. 3:15; Apok. 20:10) Isika anefa tsy hoatr’izany dia mialona antsika i Satana. Isika mantsy mbola afaka mahazo an’ilay fitahiana tsy ho azony intsony. Ny Baiboly koa manome toky antsika hoe te hanampy antsika i Jehovah fa tsy te hanameloka antsika. “Tsy tiany hisy ho ringana ny olona fa tiany hibebaka daholo.”—2 Pet. 3:9.
7 Tadidio àry hoe ho tratran’i Satana ny tanjony raha mieritreritra isika hoe tsy afa-manoatra na hoe tsy misy antenaina intsony ny amintsika rehefa manana fanirian-dratsy. Raha azontsika tsara izany dia vao mainka isika ho tapa-kevitra hanohitra azy.—1 Pet. 5:8, 9.
INONA NO TSAPANTSIKA NOHO ISIKA MPANOTA?
8. Ankoatra ny fanaovana zavatra ratsy dia inona koa no tafiditra amin’ny hoe ota? (Salamo 51:5) (Jereo koa ny “Fanazavana.”)
8 Ankoatra an’i Satana, dia misy antony hafa koa mety hahatonga antsika hahatsapa hoe tsy afa-manoatra na hoe tsy misy antenaina intsony ny amintsika rehefa manana fanirian-dratsy isika. Inona izany? Ny ota nolovantsika avy amin’ny ray aman-drenintsika voalohany.a—Joba 14:4; vakio ny Salamo 51:5.
9-10. a) Inona no vokatry ny ota teo amin’i Adama sy Eva? (Jereo koa ny sary.) b) Inona no vokatry ny ota eo amintsika?
9 Diniho ny vokatry ny ota teo amin’i Adama sy Eva. Rehefa tsy nankatò an’i Jehovah ry zareo dia niafina sady niezaka nanarontsarona ny vatany. Izao no lazain’ny boky Fandalinana ny Soratra Masina momba an’izany: “Rehefa nanota izy ireo, dia nahatsiaro ho meloka, nitebiteby, natahotra, ary menatra.” Hoatran’ny hoe voahidy tao amin’ny trano iray tsy nisy afa-tsy efitra efatra i Adama sy Eva. Afaka nivezivezy tao ry zareo fa tsy afaka nivoaka an’ilay trano. Mpanota ry zareo dia tsy afa-miala amin’izay intsony.
10 Isika aloha tsy mitovy tanteraka amin’i Adama sy Eva e! Afaka manadio antsika amin’ny ota mantsy ny vidim-panavotana sady afaka manampy antsika hanana feon’ny fieritreretana madio. (1 Kor. 6:11) Izy mivady kosa tsy afaka mandray soa avy amin’ny vidim-panavotana. Nandova ota anefa isika na izany aza. Tsy mahagaga àry raha mahatsiaro ho meloka isika, mitebiteby, matahotra, ary menatra. Milaza ny Baiboly hoe misy vokany be amin’ny olona ny ota, na dia amin’izay “tsy nanao fahotana hoatran’ny nataon’i Adama” aza. (Rom. 5:14) Na dia hoatran’ny mahakivy aza izany, dia tsy tokony hahatonga antsika hieritreritra hoe tsy afa-manoatra na hoe tsy misy antenaina intsony ny amintsika. Inona no hanampy antsika tsy hieritreritra hoatr’izany?
Rehefa nanota i Adama sy Eva dia nahatsiaro ho meloka, nitebiteby, natahotra, ary menatra (Fehintsoratra 9)
11. Inona no tokony hataontsika raha mahatsiaro ho tsy afa-manoatra isika, ary nahoana? (Romanina 6:12)
11 Rehefa ilay mahatsapa ho tsy afa-manoatra iny ianao, dia hoatran’ny hoe misy feo miteny any an-tsainao hoe tsy ho vitanao mihitsy ny hanohitra fanirian-dratsy. Tsy tokony hihaino an’io feo io ianao. Milaza ny Baiboly fa azontsika sakanana tsy “hanjaka” amintsika ny ota. (Vakio ny Romanina 6:12.) Midika izany fa afaka mifidy ny tsy hanatanteraka ny fanirian-dratsy isika. (Gal. 5:16) Matoa i Jehovah nampirisika anao hanohitra fakam-panahy dia matoky izy hoe vitanao izany. (Deot. 30:11-14; Rom. 6:6; 1 Tes. 4:3) Tsy marina àry ilay hoe tsy afa-manoatra isika rehefa manana fanirian-dratsy.
12. Inona no tokony hataontsika raha mieritreritra isika hoe tsy misy antenaina intsony ny amintsika, ary nahoana?
12 Rehefa mahatsapa koa ianao hoe tsy misy antenaina intsony ny aminao, dia hoatran’ny misy feo any an-tsainao miteny hoe homelohin’i Jehovah ianao satria fotsiny hoe manana fanirian-dratsy. Tsy tokony hihaino an’io feo io ianao. Milaza ny Baiboly fa azon’i Jehovah tsara hoe mpanota isika. (Sal. 103:13, 14) “Mahalala ny zava-drehetra” momba antsika izy. (1 Jaona 3:19, 20) Fantany hoe mirona hanao inona isika tsirairay satria mpanota. Raha mbola tsy tanterahintsika anefa ilay fanirian-dratsy dia madio eo imason’i Jehovah isika. Nahoana isika no matoky an’izany?
13-14. Vao manana fanirian-dratsy ve isika dia tsy ankasitrahan’i Jehovah? Hazavao.
13 Avahan’ny Baiboly ilay hoe manao ratsy, izay miankina amintsika ihany, sy ilay hoe maniry hanao ratsy, izay tonga ho azy fa tsy fanahy iniana. Lehilahy mpiray amin’ny lehilahy, ohatra, taloha ny Kristianina sasany tao Korinto. Nanoratra i Paoly hoe: “Efa hoatr’izany ihany ny sasany taminareo taloha.” Midika ve izany hoe tsy nanana faniriana hiray tamin’ny lehilahy intsony ireny olona ireny? Sarotra inoana izany. Matetika mantsy no efa latsa-paka be ny faniriana hoatr’izany. Nankasitrahan’i Jehovah anefa ry zareo rehefa nifehy tena sy tsy nanatanteraka ny fanirian-dratsiny. “Voasasa madio tsara” no fahitan’i Jehovah azy ireo. (1 Kor. 6:9-11) Afaka ny ho hoatr’izany koa ianao.
14 Na inona na inona fanirian-dratsy iadianao dia afaka mandresy ianao. Na dia tsy azonao ialana tanteraka aza izy ireny dia afaka miezaka mifehy tena ianao, ary tsy ‘hanao izay tian’ny nofonao sy izay saim-pantatrao fotsiny.’ (Efes. 2:3) Inona àry no azonao atao mba tsy hanatanterahana fanirian-dratsy?
AHOANA NO HANDRESENA FAKAM-PANAHY?
15. Nahoana isika no mila miaiky hoe manana fahalemena raha te handresy fanirian-dratsy?
15 Raha tianao ny handresy fanirian-dratsy dia mila miaiky ianao hoe inona avy ny fahalemenao. Aza mamita-tena amin’ny “hevi-diso.” (Jak. 1:22) Vao mainka ianao ho mora resin’ny fakam-panahy raha hamaivaninao ilay olana na ailikao amin’ny hafa. Mety hieritreritra, ohatra, ianao hoe: ‘Ny hafa aza mbola misotro be noho izaho!’ na hoe: ‘Izaho ange tsy mieritreritra ny hijery sary vetaveta izany raha be fitiavana kokoa ny vadiko e!’ Aza manala tsiny ny fanaovan-dratsy mihitsy na dia any an-tsainao aza. Ekeo hoe tompon’andraikitra amin’izay hataonao ianao.—Gal. 6:7.
16. Inona no hanampy anao ho tapa-kevitra kokoa hanao ny tsara?
16 Ankoatra an’ilay hoe miaiky ny fahalemenao, dia mila miezaka koa ianao mba ho tapa-kevitra ny hiady mafy kokoa. (1 Kor. 9:26, 27; 1 Tes. 4:4; 1 Pet. 1:15, 16) Jereo hoe inona no tena mahatonga anao ho mora resy, ary rehefa inona ilay izy no tena mafy. Mety ho karazana fakam-panahy iray ilay izy, na mety hoe fotoana voafaritra tsara ao anatin’ny andro. Mafy kokoa aminao ve, ohatra, ny miady amin’ny fakam-panahy rehefa reraka ianao, na rehefa alina be ny andro? Miomàna mialoha dia averimbereno ao an-tsaina izay hataonao mba hiadiana amin’ilay izy. Alohan’ny hisian’ny fakam-panahy no tena tsara indrindra anaovana an’izany.—Ohab. 22:3.
17. Inona no ianarantsika avy amin’i Josefa? (Genesisy 39:7-9) (Jereo koa ny sary.)
17 Diniho izay nataon’i Josefa rehefa nitaona azy hanao firaisana ny vadin’i Potifara. Tonga dia nanda i Josefa fa tsy nisalasala mihitsy. (Vakio ny Genesisy 39:7-9.) Matoa izy nahavita nanda hoatr’izany dia efa tapa-kevitra ny hanao ny tsara izy talohan’izay. Afaka manahaka azy koa ianao dia miezaka ho tapa-kevitra ny hanao ny tsara, alohan’ny hisian’ny fakam-panahy. Rehefa alaim-panahy ianao, amin’izay, dia ho mora aminao ny hanao ny tsara.
Tahafo i Josefa ka tonga dia andosiro ny fakam-panahy! (Fehintsoratra 17)
“MIEZAHA HANDINI-TENA FOANA”
18. Inona no hanampy anao handresy fanirian-dratsy? (2 Korintianina 13:5)
18 Mila ‘mandini-tena foana’ ianao raha te handresy fanirian-dratsy. (Vakio ny 2 Korintianina 13:5.) Diniho tsindraindray ny zavatra eritreretinao sy ataonao, dia ahitsio izay tsy mety. Eritrereto, ohatra, izao na dia nahavita nanohitra fakam-panahy aza ianao: ‘Elaela ve aho vao nahavita nanda?’ Raha eny ny valiny, dia aza manamelo-tena fa ataovy izay azonao atao mba ho vonona kokoa ianao amin’ny manaraka. Saintsaino izao: ‘Azoko esorina haingana kokoa ve izay eritreri-dratsy ao an-tsaiko? Sao dia tsy mety ny fialam-boly ataoko matoa sarotra amiko ny manohitra fakam-panahy? Tonga dia aviliko ve ny masoko rehefa mahita sary maloto aho? Takatro ve hoe maninona ny fitsipik’i Jehovah no mahasoa foana na dia tsy maintsy mifehy tena aza aho mba hankatoavana an’ilay izy?’—Sal. 101:3.
19. Nahoana no sarotra ny hiady amin’ny fanirian-dratsy raha tsy mahay manapa-kevitra amin’ny zavatra hoatran’ny hoe madinika isika?
19 Aza mitady fialan-tsiny koa. Hoy ny Baiboly: “Mamitaka mihoatra noho ny zava-drehetra ny fo, sady sarotra fehezina.” (Jer. 17:9) Nilaza i Jesosy hoe avy ao am-po ny “eritreri-dratsy.” (Mat. 15:19) Mety ho efa tsy nijery sary vetaveta intsony, ohatra, ny olona iray nefa rehefa mandeha ny fotoana dia mety hieritreritra izy hoe “tsy maninona” ny mijery sary manaitaitra satria tsy tena olona miboridana no asehon’ilay izy. Mety hieritreritra koa izy hoe: ‘Inona moa no maharatsy an’ilay hoe manonofinofy manao ratsy? Izaho ange tsy manao an’ilay izy e!’ Efa voafitaky ny fony izy raha izany ka “manao tetika hanomezana fahafaham-po ny fanirian’ny nofo.” (Rom. 13:14) Ahoana no hisorohana an’izany? Mitandrema sao mandray fanapahan-kevitra ratsy na dia amin’ny zavatra madinidinika aza. Ireny mantsy no mahatonga anao tsy hahay hanapa-kevitra amin’ny zavatra lehibe, ohatra hoe tsy mahavita miady amin’ny fanirian-dratsy.b Esory koa izay “eritreri-dratsy” mahatonga anao hanala tsiny ny fanaovan-dratsy.
20. Inona no antenaintsika amin’ny hoavy, ary inona no fanampiana azontsika dieny izao?
20 Nianarantsika hoe hahavita hanohitra fakam-panahy isika rehefa ampian’i Jehovah. Mamindra fo koa izy dia afaka manantena ny hiaina mandrakizay ao amin’ny tontolo vaovao isika. Ho maivamaivana isika amin’izay, satria hanompo an’i Jehovah amin’ny fo sy eritreritra madio! Mandra-pahatongan’izay anefa dia afaka matoky isika fa tsy hoe tsy afa-manoatra na hoe tsy misy antenaina intsony ny amintsika rehefa manana fanirian-dratsy isika. Mitahy ny ezaka ataontsika i Jehovah dia afaka ny handresy isika!
HIRA 122 Hatanjaho ny Finoanao!
a FANAZAVANA: Matetika ilay teny hoe “ota” ao amin’ny Baiboly no ilazana zavatra tsy mety atao, ohatra hoe mangalatra, manitsakitsa-bady, ary mamono olona. (Eks. 20:13-15; 1 Kor. 6:18) Any amin’ny andinin-teny sasany kosa ilay teny hoe “ota” dia manondro an’ilay isika tsy lavorary hatramin’isika vao teraka na dia mbola tsy nanao zava-dratsy mihitsy aza.
b Hoatr’izany ilay tovolahy resahin’ny Ohabolana 7:7-23. Nandray fanapahan-kevitra tsy nety madinidinika izy dia lasa nandray fanapahan-kevitra lehibe tena tsy nety, ka nijangajanga.
c FANAZAVANA SARY: Ankavia: Misakafo ao amin’ny hotely ny rahalahy tanora iray dia mahita lehilahy roa mifaneho fitiavana. Ankavanana: Anabavy iray mahita olona roa mifoka sigara.