LAHATSORATRA FIANARANA 34
HIRA 3 Ianao no Tokinay
Matokia hoe Mamela Heloka i Jehovah
“Namela ny fahadisoako sy ny fahotako ianao.”—SAL. 32:5.
HEVITRA HODINIHINA
Nahoana isika no mila matoky hoe mamela heloka i Jehovah? Ary ahoana no anomezan’ny Baiboly toky antsika hoe mamela ny mpanota mibebaka izy?
1-2. Inona no tsapantsika rehefa fantatsika hoe mamela heloka i Jehovah? (Jereo koa ny sary.)
AZON’I Davida Mpanjaka tsara ilay hoe mahatsiaro tena ho meloka noho ny fahotana natao, satria efa nanao fahadisoana lehibe izy. (Sal. 40:12; 51:3; teny mampiditra azy) Tena nibebaka anefa izy dia namela azy i Jehovah. (2 Sam. 12:13) Azony tsara koa àry ilay hoe maivamaivana rehefa avelan’i Jehovah heloka.—Sal. 32:1.
2 Afaka ny ho maivamaivana hoatran’i Davida koa isika rehefa mahazo famindram-po avy amin’i Jehovah. Mampahery ilay hoe rehefa tena mibebaka isika, miaiky ny fahotantsika, ary miezaka mafy mba tsy hamerina intsony, dia vonona hamela heloka i Jehovah na dia fahotana lehibe aza no vitantsika. (Ohab. 28:13; Asa. 26:20; 1 Jaona 1:9) Mampahery antsika koa ny mahalala hoe mamela heloka tanteraka izy, ka ataony hoatran’ny hoe tsy nisy mihitsy ilay fahotana.—Ezek. 33:16.
Nanoratra salamo be dia be miresaka momba ny famelan-kelok’i Jehovah i Davida Mpanjaka (Fehintsoratra 1-2)
3-4. Inona no tsapan’ny anabavy iray taorian’ny batisany, ary inona no hodinihintsika ato?
3 Sarotra amin’ny olona sasany anefa ny matoky hoe mamela heloka i Jehovah. Diniho ny tantaran’i Jennifer. Notezaina tao amin’ny fahamarinana izy. Nanomboka naditra izy tamin’izy tanora nefa nanafina. Niverina tamin’i Jehovah izy, taona maro tatỳ aoriana, dia nahafeno fepetra hatao batisa. Hoy izy: “Naloto fitondran-tena aho taloha, nisotro toaka be, tsy nahafehy ny hatezerako, ary tena tia nitady vola. Nanaiky aho tao an-tsaiko tao hoe efa nanadio ahy ny soron’i Kristy rehefa nangataka famelan-keloka sy nibebaka aho. Tsy tena resy lahatra anefa ny foko hoe voavela ny heloko.”
4 Sarotra aminao koa ve indraindray ny mandresy lahatra ny fonao hoe namela ny fahadisoanao i Jehovah? Tian’i Jehovah hahatsapa hoatran’i Davida ianao hoe tena mamindra fo izy. Hodinihintsika ato hoe nahoana isika no mila matoky hoe mamela heloka i Jehovah, ary inona no hanampy antsika hanaiky an’izany.
NAHOANA ISIKA NO MILA MATOKY HOE MAMELA HELOKA I JEHOVAH?
5. Inona no tian’i Satana hinoantsika? Manomeza ohatra.
5 Voaro amin’ny iray amin’ny fandrik’i Satana isika rehefa matoky hoe mamela heloka i Jehovah. Tadidio hoe hanao izay ho afany i Satana mba hanakanana antsika tsy hanompo an’i Jehovah intsony. Mety hataony, ohatra, izay inoantsika hoe tsy ho voavela mihitsy ny fahotantsika. Jereo ny tantaran’ilay lehilahy tany Korinto. Nijangajanga izy dia nesorina tsy ho anisan’ny fiangonana. (1 Kor. 5:1, 5, 13) Rehefa nibebaka izy, tatỳ aoriana, dia tian’i Satana hasiaka be taminy ny olona tao amin’ny fiangonana ka tsy handray tsara azy, izany hoe tsy hamela heloka. Tian’i Satana ho “difotry ny alahelo be loatra” koa ilay lehilahy, amin’izay izy tsy hanompo an’i Jehovah intsony. Tiany hieritreritra izy hoe tsy ho voavela mihitsy ny helony. Tsy miova ny tetik’i Satana sy ny tanjony. “Fantatsika [anefa] ny teti-dratsiny.”—2 Kor. 2:5-11.
6. Inona no hanampy antsika ho maivamaivana fa tsy hanamelo-tena intsony?
6 Lasa maivamaivana isika fa tsy manamelo-tena intsony rehefa matoky hoe mamela heloka i Jehovah. Ara-dalàna raha manamelo-tena isika rehefa nanao fahotana. (Sal. 51:17) Misy mahatsara azy izany satria afaka mandrisika antsika hanitsy an’izay tsy mety ny feon’ny fieritreretantsika. (2 Kor. 7:10, 11) Mety ho kivy anefa isika raha mbola manamelo-tena foana nefa efa nibebaka. Rehefa matoky isika hoe namela antsika i Jehovah dia tsy hanamelo-tena be intsony isika. Afaka manompo an’i Jehovah araka ny itiavany azy isika amin’izay, izany hoe madio ny eritreritsika sady faly be isika manompo azy. (Kol. 1:10, 11; 2 Tim. 1:3) Ahoana anefa no handresentsika lahatra ny fontsika hoe efa namela antsika Andriamanitra?
INONA NO HANAMPY ANTSIKA HATOKY HOE MAMELA HELOKA I JEHOVAH?
7-8. Inona no nolazain’i Jehovah momba azy tamin’i Mosesy, ary inona no toky ananantsika avy amin’izany? (Eksodosy 34:6, 7)
7 Saintsaino ny fomba ilazan’i Jehovah ny tenany. Mariho, ohatra, izay nolazainy tamin’i Mosesy teo amin’ny Tendrombohitra Sinay.a (Vakio ny Eksodosy 34:6, 7.) Naleon’i Jehovah nilaza hoe “Andriamanitra mamindra fo sy mangoraka” izy, na dia be dia be aza ny toetra tsarany. Andriamanitra hoatr’izany ve dia tsy hamela ny heloky ny mpanompony tena mibebaka? Tsy maintsy hamela heloka izy satria izy tsy mba mafy fo.
8 Tsy mandainga mihitsy i Jehovah rehefa miresaka momba ny tenany satria Andriamanitry ny fahamarinana izy. (Sal. 31:5) Afaka matoky an’izay lazainy àry isika. Raha mbola manamelo-tena foana ianao dia saintsaino izao: ‘Mino ve aho hoe tena mamindra fo sy mangoraka i Jehovah dia tsy maintsy hamela an’izay mpanota mibebaka?’ Raha mino an’izany ianao dia matokia hoe efa navelan’i Jehovah ny helokao.
9. Inona no dikan’ilay hoe voavela ny helotsika? (Salamo 32:5)
9 Saintsaino izay nasain’i Jehovah nolazain’ny mpanoratra Baiboly mahakasika ny fomba amelany heloka. Diniho, ohatra, izay nolazain’i Davida. (Vakio ny Salamo 32:5.) Hoy izy: “Namela ny fahadisoako sy ny fahotako ianao.” Ilay teny hebreo nadika hoe “mamela” dia mety hidika hoe “manainga”, “maka”, na “mitondra.” Rehefa namela an’i Davida izany i Jehovah dia hoatran’ny hoe ningainy ny fahotany, dia nentiny niala teo. Lasa maivamaivana i Davida fa tsy novesaran’ilay fahatsapana ho meloka intsony. (Sal. 32:2-4) Afaka ny ho maivamaivana hoatr’izany koa isika rehefa tena mibebaka. Hoatran’ny hoe ingain’i Jehovah sy esoriny amintsika mantsy ilay enta-mavesatra entintsika. Tsy mila mitondra an’ilay izy intsony àry isika.
10-11. Inona no dikan’ilay hoe “vonona hamela heloka” i Jehovah? (Salamo 86:5)
10 Vakio ny Salamo 86:5. Milaza i Davida ao hoe “vonona hamela heloka” i Jehovah. Manazava an’izany ny boky iray. Izao no lazainy momba an’i Jehovah: “Mpamela heloka [izy]. Efa hoatr’izany mihitsy izy.” Nahoana no hoe efa mpamela heloka mihitsy izy? Izao no tohin’ilay andininy: “Be fitiavana sy tsy mivadika amin’izay rehetra miantso anao ianao.” Hitantsika tao amin’ny lahatsoratra teo aloha hoe io karazana fitiavana io no mahatonga an’i Jehovah ho tia be ny mpanompony tsy mivadika sy tsy handao azy ireo mihitsy. Izany koa no mahatonga azy ‘hamela tanteraka ny heloky’ ny mpanota rehetra mibebaka. (Isaia 55:7) Raha sarotra aminao ny matoky hoe namela ny helokao i Jehovah dia saintsaino izao: ‘Mino ve aho hoe mpamela heloka i Jehovah dia vonona hamela ny heloky ny olona rehetra mibebaka sy mangataka famindram-po aminy?’ Raha mino an’izany ianao dia matokia hoe namela anao izy tamin’ianao niangavy ny famindram-pony.
11 Takatr’i Jehovah tsara hoe mpanota isika ary mampahery ny mahafantatra an’izany. (Sal. 139:1, 2) Ahitantsika an’izany ny salamo hafa nosoratan’i Davida. Manampy antsika koa io salamo io mba hatoky hoe mamela heloka i Jehovah.
INONA NO TSY HADINON’I JEHOVAH?
12-13. Inona no tsy hadinon’i Jehovah, ary mahatonga azy hanao inona izany? (Salamo 103:14)
12 Vakio ny Salamo 103:14. Hoy i Davida momba an’i Jehovah: “Tsy hadinony hoe vovoka ihany isika.” Inona izany no anisan’ny mahatonga an’i Jehovah ho vonona hamela ny mpanompony mibebaka? Tsy hadinony mihitsy hoe mpanota isika. Andao hodinihintsika akaiky ireo tenin’i Davida ireo mba hahazoana tsara an’izany.
13 Nilaza i Davida hoe fantatr’i Jehovah tsara ny nanaovana antsika. “Avy tamin’ny vovoky ny tany” no namoronan’i Jehovah an’i Adama. (Gen. 2:7) Fantany tsara àry ny mombamomba ny olombelona sy ny zavatra ilain’izy ireo. Mila misakafo sy matory ary mifoka rivotra, ohatra, na dia ny olombelona lavorary aza. Rehefa nanota anefa i Adama sy Eva dia lasa nisy heviny fanampiny ilay hoe vovoka isika. Mpanota mantsy isika taranany dia lasa mora manao zavatra ratsy. Fantatr’i Jehovah tsara izany. Ilay teny hebreo nampiasain’i Davida tamin’ilay hoe “tsy hadinony” anefa dia midika hoe mangoraka i Jehovah dia te hanao zavatra. Azo fintinina hoatr’izao àry ilay tenin’i Davida: Fantatr’i Jehovah hoe tsy maintsy hanao fahadisoana isika, nefa vonona hamindra fo sy hamela antsika izy rehefa tena mibebaka isika.—Sal. 78:38, 39.
14. a) Inona koa no lazain’i Davida mahakasika ny fomba amelan’i Jehovah heloka? (Salamo 103:12) b) Nahoana ny ohatr’i Davida no ahitana hoe mamela heloka tanteraka i Jehovah? (Jereo ilay hoe “Mamela Heloka i Jehovah dia Manadino.”)
14 Hatraiza ny famelan-kelok’i Jehovah? (Vakio ny Salamo 103:12.) Nilaza i Davida hoe “toy ny halavitry ny atsinanana amin’ny andrefana” no anesoran’i Jehovah ny fahotantsika rehefa mamela heloka izy. Ny atsinanana no lavitra indrindra amin’ny andrefana dia tsy hihaona mihitsy ireo. Hoatran’ny ahoana izany ny fahotana rehefa avelan’i Jehovah? Hoy ny boky iray: “Raha esorina lavitra be hoatr’izany ny fahotana dia tsy maintsy hoe tsy heno intsony ny fofony, tsy hita intsony na ny diany aza, ary tsy misy mahatadidy an’ilay izy intsony.” Eritrereto ange izany e! Mety hampahatsiaro antsika zavatra ny fofona. Rehefa mamela heloka anefa i Jehovah dia hoatran’ny hoe tsy misy tafajanona intsony na dia fofona kely fotsiny aza mba hampahatsiaro azy an’ilay fahotana ka hoe mbola hataony ampamoaka amin’iny indray isika.—Ezek. 18:21, 22; Asa. 3:19.
15. Inona no azontsika atao raha manamelo-tena foana isika noho ny fahadisoana nataontsika taloha?
15 Ahoana no anampian’ny Salamo faha-103 antsika mba hatoky hoe mamela heloka i Jehovah? Raha mbola mahatsiaro ho meloka foana ianao dia saintsaino izao: ‘Efa tsy hadinon’i Jehovah hoe mpanota aho ary hamela ny mpanota mibebaka hoatr’ahy izy, dia izaho indray ve no hanadino an’izany? Efa navelan’i Jehovah koa ny heloko ary tsy hanameloka ahy amin’iny intsony izy, dia izaho indray ve no tsy hanadino an’ilay izy?’ Tsy mifantoka amin’ny fahotana nataontsika taloha i Jehovah, dia tsy tokony hifantoka amin’ireny koa isika. (Sal. 130:3) Raha matoky isika hoe namela antsika i Jehovah dia tsy hanamelo-tena intsony isika sady ho faly manompo azy indray.
16. Hazavao amin’ny ohatra hoe nahoana no mampidi-doza ny manamelo-tena foana. (Jereo koa ny sary.)
16 Diniho ity ohatra ity: Raha manamelo-tena foana ianao noho ny fahadisoana nataonao taloha, dia hoatran’ny hoe mitondra fiara nefa mijery ny fitaratra fijerena ny any aoriana foana. Tsara ny mijery tsindraindray an’ilay fitaratra mba hahitana an’izay zavatra mety hampidi-doza. Raha tsy te ho tratran’ny loza anefa ianao dia mila mifantoka amin’ny lalana eo aloha. Tsara koa indraindray ny mieritreritra ny fahadisoana nataontsika mba handraisantsika lesona sy hitandremana. Raha ilay fahadisoana foana anefa no ifantohantsika dia mety tsy ho faly intsony isika sady tsy hahavita hanome ny tsara indrindra ho an’i Jehovah. Aleo mifantoka amin’ny lalana eo alohantsika. Mandeha eo amin’ilay lalana mankany amin’ny tontolo vaovao ampanantenain’Andriamanitra mantsy isika, ary “tsy hotsaroana intsony” ny zavatra mahakivy rehefa any.—Isaia 65:17; Ohab. 4:25.
Ny lalana eo aloha no tena mila ifantohan’ny mpamily fa tsy ny fitaratra fijerena ny any aoriana. Mila mifantoka amin’ny fitahian’i Jehovah amin’ny hoavy koa isika fa tsy amin’ny fahadisoana nataontsika taloha (Fehintsoratra 16)
RESEO LAHATRA FOANA NY FONAO
17. Nahoana isika no mila mandresy lahatra ny fontsika foana hoe tia antsika i Jehovah sady mamela heloka?
17 Mila mandresy lahatra ny fontsika foana isika hoe tia antsika i Jehovah sady mamela heloka. (1 Jaona 3:19, f.a.p.) Nahoana? Satria tsy hanaiky mihitsy i Satana fa hiezaka handresy lahatra antsika foana hoe tsy mendrika ny hotiavina isika sady tsy ho voavela ny fahotantsika. Ny tanjony mantsy dia hoe tsy hanompo an’i Jehovah intsony isika. Vao mainka izy hiezaka hanao an’izany satria fantany fa fohy ny fotoana ananany. (Apok. 12:12) Aza avela handresy mihitsy izy!
18. Ahoana no handresenao lahatra ny fonao hoe tia anao i Jehovah sady mamela heloka?
18 Araho ny soso-kevitra tao amin’ilay lahatsoratra teo aloha raha tianao ny hatoky kokoa hoe tia anao i Jehovah. Saintsaino hoe inona no lazain’i Jehovah momba azy raha te handresy lahatra ny fonao ianao hoe mamela heloka izy. Saintsaino koa izay nasainy nosoratan’ny mpanoratra Baiboly mahakasika ny fomba amelany heloka. Aza hadinoina hoe fantatr’i Jehovah fa mpanota ianao ary hamindra fo aminao izy. Tadidio hoe rehefa mamela heloka i Jehovah dia mamela tanteraka. Hatoky ny famindram-pon’i Jehovah hoatran’i Davida ianao amin’izay ka hilaza hoe: “Misaotra, Jehovah, namela ‘ny fahadisoako sy ny fahotako’ a!”—Sal. 32:5.
HIRA 1 Ireo Toetran’i Jehovah
a Jereo ilay lahatsoratra hoe “Manatòna An’Andriamanitra—Nampahafantatra ny Mombamomba Azy i Jehovah”, ao amin’ny Tilikambo Fiambenana 1 Mey 2009.