LAHATSORATRA FIANARANA 11
HIRA 57 Mitoria Amin’ny Karazan’olona Rehetra
Miezaha Hafana Fo Hoatran’i Jesosy Rehefa Mitory
“Naniraka azy ireo tsiroaroa hialoha azy any amin’ny tanàna sy ny toerana rehetra izay mbola halehany [ny Tompo].”—LIOKA 10:1.
HEVITRA HODINIHINA
Zavatra efatra hanampy antsika hafana fo hoatran’i Jesosy rehefa manompo.
1. Inona no anisan’ny mampiavaka ny vahoakan’i Jehovah amin’ny olon-kafa?
ANISAN’NY mampiavaka ny mpanompon’i Jehovah amin’ny olon-kafa milaza ho Kristianina ilay ry zareo mafana fo amin’ny fanompoana. (Tit. 2:14) Indraindray anefa ianao mety ho kamo hitory. Niaiky hoatr’izao ny anti-panahy iray miasa mafy: “Misy fotoana aho kamo tsotra izao handeha hitory.” Efa nahatsapa hoatr’izany koa angamba ianao.
2. Inona no mety hahatonga antsika tsy hafana fo hitory?
2 Mety hahafinaritra antsika kokoa noho ny mitory ny manao karazana fanompoana masina hafa. Fa maninona? Satria mahita vokatra eo no ho eo isika sady mahatsapa hoe nahavita zavatra rehefa manorina sy mikojakoja tranon’ny fandaminana, na manampy tra-boina, na mampahery ny hafa. Mahafinaritra koa ny miara-miasa amin’ny mpiara-manompo be fitiavana sy tia fihavanana, dia haintsika hoe ankasitrahan-dry zareo ny zavatra ataontsika. Ahoana kosa ny amin’ny fitoriana? Mety ho zara raha mandray ny olona ao amin’ny faritaninareo nefa efa an-taonany maro ianao no nitory tao. Mety hisy olona hasiaka aminao koa rehefa mitory ianao. (Mat. 10:22) Fantatsika koa hoe arakaraka ny hanatonan’ny farany dia vao mainka tsy ho tian’ny olona ny hafatra torintsika. Inona izany no hanampy antsika hafana fo hitory foana, na hampitombo ny hafanam-pontsika mihitsy aza?
3. Ahoana no hahitana hoe mafana fo i Jesosy rehefa jerena ilay fanoharana ao amin’ny Lioka 13:6-9?
3 Mampianatra antsika hafana fo hitory ny ohatr’i Jesosy. Tsy nihena mihitsy ny hafanam-pony nandritra ny fanompoany tetỳ an-tany. Vao mainka aza izy niasa mafy rehefa nandeha ny fotoana. (Vakio ny Lioka 13:6-9.) Mitovy amin’ny mpikarakara tanimboaloboka tao amin’ny fanoharana iray i Jesosy. Nandritra ny telo taona ilay lehilahy no nikarakara an’ilay aviavy tsy namoa. Telo taona teo ho eo koa i Jesosy no nitory tamin’ny Jiosy nefa tsy nihaino azy ny ankamaroany. Nitory tamin-dry zareo foana anefa izy ary tsy nihena mihitsy ny hafanam-pony, hoatran’ilay mpikarakara tanimboaloboka tsy kivy tamin’ilay aviavy mihitsy. Vao mainka aza i Jesosy niezaka nanohina ny fon’ireny olona ireny.
4. Inona ny zavatra efatra hianarantsika avy amin’i Jesosy?
4 Hodinihintsika ato hoe ahoana no nampisehoan’i Jesosy fa nafana fo izy, indrindra nandritra an’ireo enim-bolana farany nanompoany. Hafana fo foana koa isika raha mandinika ny zavatra nampianariny sy manahaka azy. Andao isika handinika zavatra efatra azontsika ianarana avy amin’i Jesosy: 1) Nifantoka tamin’ny sitrapon’i Jehovah izy, 2) nanao zavatra nifanaraka tamin’ny faminanian’ny Baiboly izy, 3) niantehitra tamin’ny fanampian’i Jehovah izy, ary 4) nanantena foana izy hoe hisy olona hihaino azy.
NIFANTOKA TAMIN’NY SITRAPON’I JEHOVAH IZY
5. Ahoana no nampisehoan’i Jesosy hoe nifantoka tamin’ny fanaovana ny sitrapon’Andriamanitra izy?
5 Nafana fo nitory ‘ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana’ i Jesosy satria fantany hoe izay no asa tian’Andriamanitra hataony. (Lioka 4:43) Ny fitoriana no zava-dehibe indrindra tamin’i Jesosy. “Nitety tanàna sy vohitra” izy mba hampianarana olona na dia tamin’ny faramparan’ny fanompoany tetỳ an-tany aza. (Lioka 13:22) Nampiofana mpianatra hafa hitory koa izy mba hiara-miasa aminy.—Lioka 10:1.
6. Mifandray amin’ny fitoriana daholo ny zavatra hafa ataontsika ho an’i Jehovah. Hazavao. (Jereo koa ny sary.)
6 Ny fitoriana ny vaovao tsara koa no asa lehibe indrindra tian’i Jehovah sy Jesosy hataontsika amin’izao. (Mat. 24:14; 28:19, 20) Mifandray mivantana amin’ny fitoriana ny zavatra hafa ataontsika ho an’i Jehovah. Rehefa manorina tranon’ny fandaminana, ohatra, isika na manompo any amin’ny Betela, dia manohana an’izay ilain’ny eny amin’ny saha. Rehefa manampy tra-boina koa isika dia tsy hoe manome an’izay ilain’ny rahalahy sy anabavintsika fotsiny fa manampy an-dry zareo hanana fahazarana ara-panahy indray, anisan’izany ny hoe mitory. Lasa te handray anjara tsy tapaka amin’ny fanompoana isika raha miaiky hoe zava-dehibe ny fitoriana, sady mitadidy hoe io no asa lehibe indrindra tian’i Jehovah hataontsika. Hoy i János, anti-panahy any Hongria: “Miezaka mitadidy aho hoe na inona na inona ataontsika ho an’i Jehovah dia tsy misy mahasolo ny fitoriana mihitsy satria izay no tena andraikitsika.”
Ny fitoriana ny vaovao tsara no asa lehibe indrindra tian’i Jehovah sy Jesosy hataontsika amin’izao (Fehintsoratra 6)
7. Nahoana isika no tian’i Jehovah hitory foana? (1 Timoty 2:3, 4)
7 Hafana fo kokoa hitory isika raha mitovy amin’ny an’i Jehovah ny fahitantsika ny olona. Tiany ho betsaka araka izay azo atao ny olona haheno ny vaovao tsara sy hanaiky azy io. (Vakio ny 1 Timoty 2:3, 4.) Ahoana no hahavitana an’izany? Ampiofaniny isika mba hahomby kokoa rehefa miresaka an’ilay hafatra mamonjy aina. Misy soso-kevitra hanampy antsika hanombo-dresaka, ohatra, ao amin’ilay bokikely hoe Tiavo ny Olona ka Ampianaro. Ho tratrantsika, amin’izay, ilay tanjona hoe hampianatra Baiboly sy hanampy olona ho lasa mpanara-dia an’i Jesosy. Na dia misy olona tsy mihaino antsika aza amin’izao dia mbola afaka miova ry zareo alohan’ny faran’ny fahoriana lehibe. Izay zavatra lazaintsika amin’izao no mety handrisika an-dry zareo hanompo an’i Jehovah amin’ny hoavy. Mila mitory foana izany isika.
NANAO ZAVATRA NIFANARAKA TAMIN’NY FAMINANIAN’NY BAIBOLY IZY
8. Ahoana no nampiasan’i Jesosy ny fotoanany rehefa takany tsara ny faminanian’ny Baiboly?
8 Takatr’i Jesosy hoe ahoana no hahatanterahan’ny faminaniana ao amin’ny Baiboly. Hainy hoe telo taona sy tapany fotsiny izy no hanompo etỳ an-tany. (Dan. 9:26, 27) Fantany koa izay nolazain’ny faminaniana momba ny fotoana sy ny fomba hahafatesany. (Lioka 18:31-34) Nampiasa tsara ny fotoanany i Jesosy rehefa nahafantatra an’izany rehetra izany. Nafana fo nitory àry izy mba hamitana an’ilay asa nasaina nataony.
9. Nahoana no mandrisika antsika hafana fo hitory ny faminanian’ny Baiboly?
9 Raha azontsika tsara ny faminaniana ao amin’ny Baiboly dia handrisika antsika hafana fo hitory izany. Fantatsika hoe efa kely sisa dia horavana izao tontolo izao. Miaiky isika hoe mitovy amin’izay resahin’ny Baiboly momba ny andro farany ny zava-mitranga amin’izao sy ny toe-tsain’ny olona. Hitantsika koa hoe manatanteraka an’ilay faminaniana momba ny mpanjakan’ny atsimo sy ny mpanjakan’ny avaratra “amin’ny fotoanan’ny farany” ny ady ataon’ny Firenena Matanjaka Anglisy-Amerikanina amin’i Rosia sy ny mpanohana azy. (Dan. 11:40) Fantatsika koa hoe mifanitsy amin’ny Firenena Matanjaka Anglisy-Amerikanina ny tongotr’ilay sarivongana ao amin’ny Daniela 2:43-45. Resy lahatra isika hoe efa tena kely sisa dia handringana ny fanjakan’olombelona ny Fanjakan’Andriamanitra, rehefa jerena ny faminaniana. Ireny faminaniana ireny no hahitantsika hoe aiza ho aiza amin’ny fotoana isika, ka mahatonga antsika hihevitra ny fitoriana ho asa maika.
10. Amin’ny fomba ahoana koa no mandrisika antsika hafana fo ny faminanian’ny Baiboly?
10 Mirakitra hafatra mampite hizara koa ny faminanian’ny Baiboly. Izao no lazain’i Carrie, anabavy any amin’ny Repoblika Dominikanina: “Te hiresaka be ny fahamarinana amin’ny olona aho satria tsara be ny zavatra ampanantenain’i Jehovah amin’ny hoavy. Rehefa mahita ny olana atrehin’ny olona amin’izao aho, dia tonga saina hoe tsy natao ho ahy ihany ireny fampanantenana ireny fa ho an-dry zareo koa.” Manampy antsika hanohy hitory foana ny faminanian’ny Baiboly, satria hitantsika avy amin’izy ireny hoe manohana antsika i Jehovah. Hoy i Leila, mipetraka any Hongria: “Na ny olona hoatran’ny tsy te hihaino aza tiako hiresahana ny vaovao tsara, rehefa mieritreritra ny Isaia 11:6-9 aho. Haiko hoe afaka miova daholo na iza na iza rehefa ampian’i Jehovah.” Izao indray no resahin’i Christopher, rahalahy any Zambia: “Torina maneran-tany izao ny vaovao tsara, araka ny efa noresahin’ny Marka 13:10, dia faly be mihitsy aho satria anisan’ny manatanteraka an’izany.” Ary ianao? Inona ny faminanian’ny Baiboly mandrisika anao hitory foana?
NIANTEHITRA TAMIN’NY FANAMPIAN’I JEHOVAH IZY
11. Nahoana no nila niantehitra tamin’i Jehovah i Jesosy mba hafana fo foana rehefa mitory? (Lioka 12:49, 53)
11 Niantehitra tamin’ny fanampian’i Jehovah i Jesosy mba hahatonga azy hafana fo hitory foana. Marina hoe nahay nandanjalanja i Jesosy rehefa niresaka, nefa fantany hoe hampisy adihevitra be ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana sady hisy hanohitra mafy. (Vakio ny Lioka 12:49, 53.) Imbetsaka ny mpitondra fivavahana no nitady hamono an’i Jesosy noho izy nitory. (Jaona 8:59; 10:31, 39) Nitory foana anefa izy satria fantany hoe manohana azy i Jehovah. Izao no nolazainy: “Tsy nandao ahy ho irery izy, satria manao zavatra mahafaly azy foana aho.”—Jaona 8:29.
12. Ahoana no nataon’i Jesosy mba ho vonona hitory foana ny mpianany na dia misy manohitra aza?
12 Nampahatsiahy ny mpianany i Jesosy hoe afaka miantehitra amin’ny fanampian’i Jehovah ry zareo. Imbetsaka izy no nanome toky hoe hanampy an-dry zareo i Jehovah na dia rehefa enjehina aza ry zareo. (Mat. 10:18-20; Lioka 12:11, 12) Nampirisika azy ireo ho malina koa i Jesosy. (Mat. 10:16; Lioka 10:3) Nomeny toromarika ry zareo hoe tsy terena ny olona rehefa tsy te hihaino ny vaovao tsara. (Lioka 10:10, 11) Nasainy nandositra koa ry zareo rehefa nisy fanenjehana. (Mat. 10:23) Tsy nisangy loza i Jesosy na dia nafana fo sy natoky an’i Jehovah aza.—Jaona 11:53, 54.
13. Nahoana ianao no afaka matoky hoe hanampy anao i Jehovah?
13 Misy manohitra koa isika amin’izao ka mila ny fanampian’i Jehovah mba hafana fo hitory foana. (Apok. 12:17) Nahoana ianao no afaka matoky hoe hanohana anao i Jehovah? Diniho ilay vavaka nataon’i Jesosy ao amin’ny Jaona toko faha-17. Nangataka an’i Jehovah izy ao mba hiaro ny apostoly, dia izay tokoa no nataon’i Jehovah. Resahin’ny bokin’ny Asan’ny Apostoly hoe ahoana no nanampiany ny apostoly mba hafana fo hitory na dia nenjehina aza. Nivavaka koa i Jesosy mba harovan’i Jehovah ny olona hino ny fitorian’ny apostoly. Anisan’ny nino an’izany ianao. Mbola mamaly an’ilay vavak’i Jesosy foana i Jehovah hatramin’izao. Nanampy ny apostoly izy dia hanao hoatr’izany aminao koa.—Jaona 17:11, 15, 20.
14. Ahoana no hahalalantsika hoe ho vitantsika ny hafana fo foana rehefa mitory? (Jereo koa ny sary.)
14 Na dia mihasarotra aza ilay hoe hafana fo hitory foana, arakaraka ny hanatonan’ny farany, dia hahazo an’izay fanampiana ilaintsika foana isika. (Lioka 21:12-15) Avelantsika hifidy ny olona hoe hihaino antsika sa tsia, hoatran’ny nataon’i Jesosy sy ny apostoliny. Tsy miady hevitra amin-dry zareo koa isika. Mahavita mitory ny vaovao tsara foana ny mpiara-manompo amintsika, na dia any amin’ny tany anakantsakanana ny asantsika aza, satria miantehitra amin’i Jehovah ry zareo fa tsy amin’ny heriny. Nanome hery ny mpanompony i Jehovah tamin’ny taonjato voalohany, dia hanome hery antsika koa izy amin’izao mba ho “vita tsara” araka izay itiavany azy “ny asa fitoriana.” (2 Tim. 4:17) Matokia fa ho vitanao ny hafana fo hitory foana raha miantehitra amin’i Jehovah ianao.
Mahita fomba hitoriana ny vaovao tsara foana ny mpitory mafana fo na dia any amin’ny tany anakantsakanana ny asantsika aza (Fehintsoratra 14)a
NANANTENA IZY HOE HISY OLONA HIHAINO AZY
15. Ahoana no ahitana hoe natoky i Jesosy fa hisy vokany tsara ny fitoriana?
15 Natoky i Jesosy hoe hisy olona hihaino ny hafatra toriny dia izany no nahatonga azy hazoto hitory foana. Hitan’i Jesosy, ohatra, tamin’ny faramparan’ny taona 30 hoe be dia be ny olona vonona hihaino ny hafatra toriny, ary nampitoviny tamin’ny saha efa masaka hojinjaina ry zareo. (Jaona 4:35) Nilaza hoatr’izao tamin’ny mpianany izy, herintaona teo ho eo tatỳ aoriana: “Be ny vokatra.” (Mat. 9:37, 38) Nohamafisiny ihany tatỳ aoriana hoe: “Be ny vokatra ... Iangavio ... ny Tompon’ny vokatra haniraka mpiasa hijinja ny vokatra.” (Lioka 10:2) Tsy nesorin’i Jesosy tao an-tsainy mihitsy hoe mbola hisy olona hihaino ny vaovao tsara, ary faly izy rehefa izay tokoa no nitranga.—Lioka 10:21.
16. Nahoana ny fanoharan’i Jesosy no manampy antsika hanantena vokatra tsara amin’ny fanompoana? (Lioka 13:18-21) (Jereo koa ny sary.)
16 Nampahatsiahy ny mpianany i Jesosy hoe hisy vokany tsara ny fitorian-dry zareo. Izany no nanampiany an-dry zareo hafana fo foana. Nampiasa fanoharana roa, ohatra, izy. (Vakio ny Lioka 13:18-21.) Nanao fanoharana momba ny voan-tsinapy izy mba hanazavana hoe be dia be ny olona hanaiky ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana, ary hitombo foana izany fa tsy hisy hahasakana mihitsy. Nampiasa fanoharana momba ny lalivay koa izy mba hanasongadinana hoe hiparitaka be ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana, ary tsy voatery ho hita eo no ho eo ny vokatr’ilay izy. Izany no nanampian’i Jesosy ny mpianany hitadidy hoe tena hahomby ny fitorian-dry zareo.
Manahaka an’i Jesosy isika ka manantena foana hoe hisy hihaino ny hafatra torintsika (Fehintsoratra 16)
17. Nahoana isika no manantena vokatra tsara foana rehefa manompo?
17 Vao mainka isika hafana fo hitory foana rehefa misaintsaina ny vokatry ny fitoriana maneran-tany. An-tapitrisany izao isan-taona ny olona liana tonga manatrika ny Fahatsiarovana sy mianatra Baiboly. Ana hetsiny koa no atao batisa sy miara-mitory amintsika. Tsy fantatsika hoe firy ny olona hiova rehefa hitoriantsika. Fantatsika kosa hoe eo am-panangonana ny vahoaka be i Jehovah izao ary ho tafavoaka velona amin’ny fahoriana lehibe ry zareo. (Apok. 7:9, 14) Manohy mitory foana àry isika satria ilay Tompon’ny vokatra mahita hoe mbola misy olona mandray ny vaovao tsara foana.
18. Inona no tiantsika ho voamariky ny olona rehefa mandinika antsika?
18 Nalaza hoe nafana fo nitory ny mpianatr’i Jesosy hatramin’izay. Rehefa nahita ny fahasahian’ny apostoly ny olona dia “fantany fa niaraka tamin’i Jesosy” ry zareo. (Asa. 4:13) Enga anie ka ho hitan’ny olona hoe mafana fo hoatran’i Jesosy koa isika rehefa mandinika antsika eny amin’ny fanompoana ry zareo!
HIRA 58 Tadiavo Ireo Zanaky ny Fiadanana
a FANAZAVANA SARY: Mitandrina tsara ny rahalahy iray mitory amin’ny lehilahy iray eo amin’ny tobin-dasantsy.