LAHATSORATRA FIANARANA 10
HIRA 31 Miaraha Mandeha Amin’Andriamanitrao!
Tahafo ny Fomba Fisainan’i Jehovah sy Jesosy
“Nijaly tao amin’ny nofo i Kristy, ka ataovy koa izay hanananareo toe-tsaina toy ny azy.”—1 PET. 4:1.
HEVITRA HODINIHINA
Nianatra ny fomba fisainan’i Jesosy ny apostoly Petera ary afaka mianatra an’izany koa isika.
1-2. Inona no tafiditra amin’ny hoe tia an’i Jehovah ary ahoana no nampisehoan’i Jesosy hoe tia an’i Jehovah tamin’ny sainy manontolo izy?
“TIAVO i Jehovah Andriamanitrao amin’ny fonao manontolo sy ny tenanao manontolo sy ny herinao manontolo ary ny sainao manontolo.” (Lioka 10:27) Neken’i Jesosy hoe izany no didy lehibe indrindra tao amin’ny Lalàn’i Mosesy. Mariho fa tafiditra amin’ilay hoe tia an’i Jehovah amin’ny fo ny faniriantsika sy ny fihetseham-pontsika. Tia azy amin’ny tenantsika sy ny herintsika manontolo koa isika ka mahafoy tena ho azy. Tia an’i Jehovah amin’ny saintsika koa anefa isika ka asehontsika amin’ny fomba fisainantsika izany. Marina fa tsy afaka mahatakatra ny fomba fisainan’i Jehovah amin’ny fomba feno isika. Hahatakatra kokoa ny fomba fisainan’Andriamanitra anefa isika raha mianatra “ny sain’i Kristy” satria tena nanahaka tanteraka ny fomba fisainan’ny Rainy i Jesosy.—1 Kor. 2:16.
2 Tia an’i Jehovah tamin’ny sainy manontolo i Jesosy. Fantany ny sitrapon’Andriamanitra ho azy dia tapa-kevitra ny hanaraka an’izany izy na dia tsy maintsy hijaly noho ny fahamarinana aza. Ny hanao ny sitrapon’ny Rainy no masaka tao an-tsainy ka tsy nanaiky hohelingelenin’ny zavatra hafa mihitsy izy.
3. Inona no nianaran’ny apostoly Petera avy tamin’i Jesosy, ary nampirisihin’i Petera hanao inona ny Kristianina namany? (1 Petera 4:1)
3 Tombontsoa be ny an’i Petera sy ny apostoly namany satria niaraka tamin’i Jesosy ry zareo, dia afaka nianatra mivantana avy amin’ny fomba fisainany. Rehefa nanoratra ny taratasiny voalohany i Petera dia nampirisika ny Kristianina hanana toe-tsaina hoatran’ny an’i Kristy. (Vakio ny 1 Petera 4:1.) Teny ilazana miaramila mitondra fitaovam-piadiana entina miady ilay nampiasain’i Petera teo amin’ilay hoe ‘ataovy izay hanananareo.’ Raha manahaka ny toe-tsain’i Jesosy àry ny Kristianina dia hanana fitaovam-piadiana matanjaka be mba hiadiana amin’ny faniriana hanota sy ny tontolon’i Satana.—2 Kor. 10:3-5; Efes. 6:12.
4. Nahoana ity lahatsoratra ity no hanampy antsika hanaraka ny torohevitr’i Petera?
4 Handinika ny fomba fisainan’i Jesosy isika dia hijery hoe ahoana no azo anahafana azy. Hojerentsika ny fomba hanaovana an’ireto: 1) Manahaka ny fomba fisainan’i Jehovah satria izany no hanampy antsika hiray saina, 2) manetry tena, ary 3) misaina tsara sy miantehitra amin’i Jehovah amin’ny alalan’ny vavaka.
TAHAFO NY FOMBA FISAINAN’I JEHOVAH
5. Tsy nanana ny fomba fisainan’i Jehovah i Petera indray mandeha. Tantarao.
5 Nisy fotoana i Petera tsy nanana ny fomba fisainan’i Jehovah. Niteny tamin’ny apostoliny i Jesosy hoe tsy maintsy ho any Jerosalema izy, hatolotra ny mpitondra fivavahana any, hampijalijalina, dia avy eo hovonoina ho faty. (Mat. 16:21) Sarotra tamin’i Petera angamba ny nanaiky hoe i Jesosy ve dia havelan’i Jehovah ho faty, nefa izy no fanantenan’ny Israely sady Mesia nampanantenaina! (Mat. 16:16) Nentiny nihataka kely àry i Jesosy dia noteneniny hoe: “Mba jereo ihany izay hahasoa anao, Tompo ô! Tsy hanjo anao mihitsy izany.” (Mat. 16:22) Tsy nitovy hevitra tamin’i Jesosy i Petera satria tsy nanana ny fomba fisainan’i Jehovah.
6. Ahoana no nampisehoan’i Jesosy hoe mitovy amin’ny an’i Jehovah ny fomba fisainany?
6 Nifanaraka tsara tamin’ny an’ilay Rainy any an-danitra ny fomba fisainan’i Jesosy. Hoy izy tamin’i Petera: “Mankanesa ato aorianako, ry Satana! Vato mahatafintohina eto anoloako ianao, satria tsy fomba fisainan’Andriamanitra ny anao, fa fomba fisainan’olombelona.” (Mat. 16:23) Te hanampy an’i Jesosy angamba i Petera nefa nolavin’i Jesosy ny toroheviny. Tsy ny hampiadan-tena no sitrapon’i Jehovah ho an’i Jesosy. Nianatra lesona sarobidy i Petera tamin’izay, hoe mila ampitoviny amin’ny an’Andriamanitra ny fomba fisainany. Lesona ho antsika koa izany.
7. Ahoana no nampisehoan’i Petera hoe nanaiky hahitsy izy mba hitovy amin’ny an’i Jehovah ny fomba fisainany? (Jereo ny sary.)
7 Nasehon’i Petera, tatỳ aoriana, hoe tiany hifanaraka amin’ny an’i Jehovah ny fomba fisainany. Efa tian’Andriamanitra ho anisan’ny mpanompony ny hafa firenena tsy voafora tamin’izay. Nasaina nitory tamin’i Kornelio àry i Petera. Anisan’ny voalohandohany tamin’ny hafa firenena lasa mpanompon’i Jehovah i Kornelio. Zara raha nifandray tamin’ny hafa firenena ny Jiosy, dia tsy mahagaga raha nila fanampiana i Petera mba hahavitany an’ilay iraka. Nanova ny fomba fijeriny izy raha vao fantany ny sitrapon’Andriamanitra. “Tsy nanda” àry izy rehefa nampanantsoin’i Kornelio. (Asa. 10:28, 29) Nitory tamin’i Kornelio sy ny fianakaviany izy dia natao batisa ry zareo.—Asa. 10:21-23, 34, 35, 44-48.
Petera miditra ao an-tranon’i Kornelio (Fehintsoratra 7)
8. Ahoana no ampisehoantsika hoe mitovy amin’ny an’i Jehovah ny fomba fisainantsika? (1 Petera 3:8 sy ny fanamarihana ambany pejy)
8 Nampirisika ny Kristianina namany mba “hifanara-tsaina” i Petera, taona maro tatỳ aoriana. (Vakio ny 1 Petera 3:8 sy ny fanamarihana ambany pejy.) Asehon’i Jehovah ao amin’ny Teniny ny fomba fisainany. Hifanara-tsaina isika vahoakany raha manahaka an’izany fomba fisainany izany. Nampirisika ny mpanara-dia azy mba hanao loha laharana an’ilay Fanjakana, ohatra, i Jesosy. (Mat. 6:33) Dia ahoana izany no hataontsika raha misy mpitory te hanomboka hanompo manontolo andro ao amin’ny fiangonantsika? Mila mitandrina isika sao dia hanakivy azy ny tenintsika ka tsy te hiezaka hanatratra ny tanjony intsony izy. Tokony hanohana azy kosa isika dia hilaza zavatra tsara momba an’ilay ezaka ataony.
MANETRE TENA
9-10. Ahoana no nampisehoan’i Jesosy hoe tena nanetry tena be mihitsy izy?
9 Nampianarin’i Jesosy lesona lehibe momba ny fanetren-tena i Petera sy ny apostoly hafa, ny alina talohan’ny namonoana azy. Io no sakafo hariva farany niarahany tamin-dry zareo. Nirahiny hanomana an’ilay toerana i Petera sy Jaona. Azo inoana hoe nataon’izy roa lahy vonona tao ny koveta sy servieta, mba hanasana ny tongotry ny vahiny alohan’ny hisakafo. Iza amin-dry zareo anefa no hanetry tena hanao an’izany?
10 Tsy nisalasala i Jesosy nampiseho hoe tena nanetry tena be mihitsy izy. Gaga be ny apostoliny hoe zavatra fanaon’ny mpanompo no nataony. Nesoriny ny akanjony ivelany, nisikina servieta izy, nasiany rano tao anatin’ilay koveta, dia nanomboka nanasa ny tongotr’izy ireo izy. (Jaona 13:4, 5) Mety ho elaela ihany vao vita ny nanasa ny tongotry ny apostoly 12, anisan’izany ny an’i Jodasy, ilay hamadika azy. Nanetry tena anefa i Jesosy dia novitainy hatramin’ny farany ilay izy. Nanam-paharetana izy avy eo nanazava hoe: “Azonareo ve ilay nataoko taminareo teo? Ianareo miantso ahy hoe ‘Mpampianatra’ sy ‘Tompo’, ary marina izany satria izany tokoa aho. Koa raha izaho Tompo sy Mpampianatra aza nanasa ny tongotrareo, dia ianareo koa mba tokony hifanasa tongotra.”—Jaona 13:12-14.
Ny any an-tsaintsika lalina any no ahitana hoe tena manetry tena isika
11. Ahoana no ahitana hoe efa nanetry tena amin’izay i Petera? (1 Petera 5:5) (Jereo koa ny sary.)
11 Nianatra avy tamin’i Jesosy i Petera dia nanetry tena. Taorian’ny niakaran’i Jesosy tany an-danitra dia nanao fahagagana i Petera, ka nanasitrana lehilahy iray nalemy tongotra hatrany an-kibon-dreniny. (Asa. 1:8, 9; 3:2, 6-8) Ara-dalàna raha nitangorona teo amin’izy ireo ny olona. (Asa. 3:11) Olona tia sehoseho sy te hoderaina ny nanodidina an’i Petera hatramin’izy mbola kely. Dia nirehareha be ve izy rehefa nahavita an’ilay fahagagana? Tsy izany mihitsy! Nanetry tena izy dia i Jehovah sy Jesosy no nasainy noderain’ny olona. Hoy izy: “Tamin’ny alalan’ny [anaran’i Jesosy] sy ny finoanay ny anarany no nampahatanjaka an’io lehilahy hitanareo sy fantatrareo io.” (Asa. 3:12-16) Rehefa nampirisika ny Kristianina hanetry tena i Petera, tao amin’ny taratasiny, dia mampahatsiahy antsika an’ilay Jesosy nisikina servieta sy nanasa ny tongotry ny apostoly ilay teny nampiasainy.—Vakio ny 1 Petera 5:5 sy ny fanamarihana ambany pejy.
Nanetry tena i Petera rehefa avy nanao fahagagana, dia i Jehovah sy Jesosy no nasainy noderain’ny olona. Manetry tena koa isika raha manao zavatra tsara nefa tsy manantena hoe hahazo valisoa na hankasitrahan’ny olona (Fehintsoratra 11-12)
12. Ahoana no ampisehoantsika hoe miezaka manetry tena foana isika, hoatran’i Petera?
12 Afaka mianatra ny hanetry tena hoatran’i Petera isika. Tadidio fa tsy izay lazaintsika ihany no ahitana hoe tena manetry tena isika. Mahatafiditra ny any an-tsaintsika lalina any ilay teny nampiasain’i Petera tamin’ilay hoe “manetry tena.” Manao zavatra ho an’ny hafa isika satria tia an’i Jehovah sady tia olona, fa tsy hoe te hoderaina. Hita hoe manetry tena isika raha mahafaly antsika ny manao an’izay azontsika atao mba hanompoana an’i Jehovah sy hanampiana ny mpiara-manompo, na misy mahita ny ezaka ataontsika na tsia.—Mat. 6:1-4.
‘MISAINA TSARA’
13. Inona avy no tafiditra amin’ny hoe ‘misaina tsara’?
13 Inona no tafiditra amin’ilay hoe ‘misaina tsara’? (1 Pet. 4:7) Manao an’izay azony atao ny Kristianina misaina tsara mba ho hita eo amin’ny fanapahan-kevitra raisiny hoe manana ny fomba fisainan’i Jehovah izy. Fantany hoe ny fifandraisany amin’i Jehovah no zava-dehibe indrindra eo amin’ny fiainany. Tsy manambony tena loatra izy fa miaiky hoe misy zavatra tsy hainy. Asehony koa hoe matoky an’Andriamanitra izy ka mivavaka amim-panetren-tena matetika.
14. Tsy nitoky tamin’i Jehovah i Petera indray mandeha. Tantarao.
14 Nampitandrina ny mpianany i Jesosy, ny alina talohan’ny nahafatesany, hoe: “Hahafoy ahy daholo ianareo anio alina, noho ny zavatra hanjo ahy.” Natoky tena be i Petera namaly hoe: “Na hahafoy anao daholo aza izy rehetra noho izay hanjo anao, dia izaho tsy hahafoy anao izany mihitsy!” Nandidy ny mpianany sasany i Jesosy tamin’io alina io hoe: “Miambena sy mivavaha foana.” (Mat. 26:31, 33, 41) Raha nanaraka an’izany torohevitra izany i Petera, dia mety ho nanana herim-po hilazana hoe mpianatr’i Jesosy izy. Nolazainy fa tsy fantany anefa ilay Tompony dia nanenina tongotra aman-tanana izy.—Mat. 26:69-75.
15. Inona no nanampy an’i Jesosy hisaina tsara foana, ny alina talohan’ny nahafatesany?
15 Nitoky tanteraka tamin’i Jehovah i Jesosy. Nivavaka foana izy na dia lavorary aza. Izany no nahatonga azy hanana herim-po hanaovana zavatra mifanaraka amin’ny sitrapon’i Jehovah. (Mat. 26:39, 42, 44; Jaona 18:4, 5) Tsy hadinon’i Petera mihitsy izao ilay Jesosy nivavaka imbetsaka, ny alina talohan’ny nahafatesany.
16. Ahoana no nampisehoan’i Petera hoe efa lasa misaina tsara izy? (1 Petera 4:7)
16 Nianatra nitoky kokoa tamin’i Jehovah tamin’ny alalan’ny vavaka i Petera rehefa nandeha ny fotoana. Rehefa avy natsangana tamin’ny maty i Jesosy dia nanome toky an’i Petera sy ny apostoly hafa hoe hahazo fanahy masina ry zareo, amin’izay hahavita an’ilay iraka hitory. Nasain’i Jesosy niandry tany Jerosalema anefa aloha ry zareo. (Lioka 24:49; Asa. 1:4, 5) Ahoana no nataon’i Petera mandra-piandry? “Tsy nitsahatra nivavaka” izy sy ny Kristianina hafa. (Asa. 1:13, 14) Nampirisika ny Kristianina namany izy tatỳ aoriana, tao amin’ny taratasiny voalohany, mba hisaina tsara sy hitoky amin’i Jehovah amin’ny alalan’ny vavaka. (Vakio ny 1 Petera 4:7.) Nianatra niantehitra tamin’i Jehovah i Petera dia lasa andrin’ny fiangonana.—Gal. 2:9.
17. Inona no tokony hataontsika foana, na inona na inona fahaizantsika? (Jereo koa ny sary.)
17 Tsy maintsy mivavaka matetika amin’i Jehovah isika raha te hisaina tsara. Miaiky isika hoe mila mivavaka amin’i Jehovah foana, na inona na inona fahaizana ananantsika. Rehefa misy fanapahan-kevitra lehibe mila raisina dia vao mainka isika mivavaka mba hahazo ny tari-dalan’i Jehovah, ary matoky hoe izy no mahafantatra an’izay mety indrindra amintsika.
Afaka ny hisaina tsara hoatran’i Petera isika raha mianatra miantehitra amin’i Jehovah amin’ny alalan’ny vavaka, indrindra rehefa handray fanapahan-kevitra lehibe (Fehintsoratra 17)a
18. Inona no hanampy antsika hanahaka kokoa ny fomba fisainan’i Jehovah?
18 Velom-pisaorana an’i Jehovah isika satria nataony afaka manahaka ny toetrany. (Gen. 1:26) Marina hoe tsy ho vitantsika ny hanahaka azy tanteraka. (Isaia 55:9) Afaka miezaka foana anefa isika, hoatran’i Petera, mba hanahaka ny fomba fisainan’i Jehovah sy hanetry tena ary hisaina tsara.
HIRA 30 Jehovah no Raiko sy Namako
a FANAZAVANA SARY: Anabavy ao amin’ny toerana itadiavany asa. Manao vavaka mangina izy eo am-piandrasany ny fanadinadinana azy.