FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • 1 Korintianina 2
  • Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

1 Korintianina: Topy Maso

      • Fitorian’i Paoly tany Korinto (1-5)

      • Tena miavaka ny fahendren’Andriamanitra (6-10)

      • Ny tsy itovizan’ny olona araka ny fanahy sy ny olona araka ny nofo (11-16)

1 Korintianina 2:1

Fanondroana Andininy Hafa

  • +1Ko 1:17
  • +Ef 3:5, 6; Kl 2:2

1 Korintianina 2:2

Fanondroana Andininy Hafa

  • +Ga 6:14

1 Korintianina 2:4

Fanondroana Andininy Hafa

  • +Ro 15:18, 19; 1Ko 4:20; 1Te 1:5

1 Korintianina 2:6

Fanamarihana Ambany Pejy

  • *

    Na: “amin’izao vanim-potoana izao.” Jereo F.T.

Fanondroana Andininy Hafa

  • +1Ko 14:20; Ef 4:13; He 5:14
  • +1Ko 15:24

1 Korintianina 2:7

Fanondroana Andininy Hafa

  • +Ro 16:25, 26; Ef 3:8, 9

1 Korintianina 2:8

Fanamarihana Ambany Pejy

  • *

    Na: “tamin’izany vanim-potoana izany.” Jereo F.T.

  • *

    Na: “tsy ho novonoiny teo amin’ny tsato-kazo.”

Fanondroana Andininy Hafa

  • +Jn 7:48; As 13:27, 28

1 Korintianina 2:9

Fanondroana Andininy Hafa

  • +Is 64:4

1 Korintianina 2:10

Fanondroana Andininy Hafa

  • +Mt 16:17; Mr 4:11; Ef 3:5; 2Ti 1:9, 10; 1Pe 1:12
  • +Jn 14:26; 1Jn 2:27
  • +Ro 11:33

1 Korintianina 2:12

Fanamarihana Ambany Pejy

  • *

    Abt: “fanahin’izao tontolo izao.”

Fanondroana Andininy Hafa

  • +Jn 15:26

1 Korintianina 2:13

Fanondroana Andininy Hafa

  • +Kl 2:8
  • +Jn 16:13

1 Korintianina 2:14

Fanamarihana Ambany Pejy

  • *

    Na: “tsy mandray.”

1 Korintianina 2:15

Fanondroana Andininy Hafa

  • +Ro 8:5

1 Korintianina 2:16

Fanamarihana Ambany Pejy

  • *

    Jereo F.F. A5.

Fanondroana Andininy Hafa

  • +Is 40:13
  • +Ro 15:5

Ankapobeny

1 Kor. 2:11Ko 1:17
1 Kor. 2:1Ef 3:5, 6; Kl 2:2
1 Kor. 2:2Ga 6:14
1 Kor. 2:4Ro 15:18, 19; 1Ko 4:20; 1Te 1:5
1 Kor. 2:61Ko 14:20; Ef 4:13; He 5:14
1 Kor. 2:61Ko 15:24
1 Kor. 2:7Ro 16:25, 26; Ef 3:8, 9
1 Kor. 2:8Jn 7:48; As 13:27, 28
1 Kor. 2:9Is 64:4
1 Kor. 2:10Mt 16:17; Mr 4:11; Ef 3:5; 2Ti 1:9, 10; 1Pe 1:12
1 Kor. 2:10Jn 14:26; 1Jn 2:27
1 Kor. 2:10Ro 11:33
1 Kor. 2:12Jn 15:26
1 Kor. 2:13Kl 2:8
1 Kor. 2:13Jn 16:13
1 Kor. 2:15Ro 8:5
1 Kor. 2:16Is 40:13
1 Kor. 2:16Ro 15:5
  • Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
  • 1
  • 2
  • 3
  • 4
  • 5
  • 6
  • 7
  • 8
  • 9
  • 10
  • 11
  • 12
  • 13
  • 14
  • 15
  • 16
Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
1 Korintianina 2:1-16

Korintianina Voalohany

2 Koa rehefa tonga tany aminareo aho, ry rahalahy, dia tsy nampiasa teny mipoapoaka be+ na niseho ho be fahendrena rehefa nitory taminareo ny zava-miafina+ masin’Andriamanitra. 2 Fa rehefa tany aminareo aho, dia tapa-kevitra ny tsy hiresaka zavatra hafa mihitsy, afa-tsy ny momba an’i Jesosy Kristy sy ny namonoana azy teo amin’ny tsato-kazo.+ 3 Nalemy sy natahotra ary nangovitra be aho tamin’izaho tonga tany aminareo. 4 Ary rehefa niresaka sy nitory taminareo aho, dia tsy nampiasa tenim-pahendrena maharesy lahatra, fa nampiseho kosa hoe mahery ny fanahy masina.+ 5 Amin’izay dia tsy ny fahendren’olombelona no hahatonga anareo hanam-pinoana, fa ny herin’Andriamanitra.

6 Ary miresaka momba ny fahendrena amin’izay matotra+ isika, saingy tsy ny fahendrena eto amin’izao tontolo izao* na ny an’ny mpitondrany izay tsy hisy intsony.+ 7 Ny resahintsika kosa, dia ny momba ny fahendren’Andriamanitra ao amin’ny zava-miafina masina,+ izany hoe ilay fahendrena nafenina. Efa nomanin’Andriamanitra mialoha izy io, talohan’ny nisian’ny tontolon’ny olombelona, mba hahazoantsika voninahitra. 8 Tsy nisy nahafantatra an’izany fahendrena izany ny mpitondra teto amin’izao tontolo izao.*+ Raha fantatr’izy ireo mantsy izany, dia tsy ho novonoiny* ny Tompo be voninahitra. 9 Fa araka ny voasoratra hoe: “Mbola tsy hitan’ny maso na henon’ny sofina, na nitsiry tao am-pon’ny olona ny zavatra nomanin’Andriamanitra ho an’izay tia azy.”+ 10 Fa tamintsika no nampihariharian’Andriamanitra an’izany+ tamin’ny alalan’ny fanahiny.+ Ny fanahy mantsy mikaroka ao anatin’ny zava-drehetra, na dia ny zava-dalin’Andriamanitra aza.+

11 Fa iza no mahafantatra ny mombamomba ny olona afa-tsy ny tenany ihany? Hoatr’izany koa fa tsy misy mahafantatra ny mombamomba an’Andriamanitra, afa-tsy ny fanahin’Andriamanitra ihany. 12 Isika tsy nandray ny toe-tsain’izao tontolo izao,* fa ny fanahy avy amin’Andriamanitra,+ mba hahafantarantsika ny zavatra nomen’Andriamanitra antsika noho izy tsara fanahy. 13 Miresaka an’izany zavatra izany koa isika, nefa tsy mampiasa teny ampianarin’olon-kendry,+ fa mampiasa teny ampianarin’ny fanahy.+ Teny araka ny fanahy mantsy no anazavantsika zavatra araka ny fanahy.

14 Ny olona araka ny nofo anefa dia tsy manaiky* an’izay zavatra avy amin’ny fanahin’Andriamanitra, satria hadalana izany aminy. Ary tsy afaka ny hahafantatra an’izany izy, satria ilaina ny fanahin’Andriamanitra rehefa mandinika an’izany. 15 Ny olona araka ny fanahy kosa mandinika ny zava-drehetra,+ nefa tsy misy olona mandinika azy. 16 Fa “iza no lasa mahafantatra ny sain’i Jehovah,* ka afaka mampianatra azy?”+ Isika kosa anefa manana ny sain’i Kristy.+

Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2025)
Hiala
Hiditra
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara