-
Efesianina 3:5Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
5 Tsy nampahafantarina an’io zava-miafina io ny taranaka tany aloha, nefa izao ilay izy naharihary tamin’ny apostoliny masina sy ny mpaminaniny, tamin’ny alalan’ny fanahy masina.+
-
-
2 Timoty 1:9, 10Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
9 Namonjy sy niantso antsika tamin’ny fiantsoana masina izy,+ tsy noho izay nataontsika anefa, fa noho ny fikasany sy ny hatsaram-panahiny miavaka.+ Naneho an’izany hatsaram-panahy izany tamintsika tamin’ny alalan’i Kristy Jesosy izy, efa hatramin’ny ela be. 10 Fa natao mazava tsara izany izao, tamin’ny nisehoan’i Kristy Jesosy+ Mpamonjy antsika. Izy no nanafoana ny fahafatesana+ sy nampahafantatra tamin’ny alalan’ny vaovao tsara+ hoe ahoana no hahazoana fiainana+ sy vatana tsy mety lo.+
-