LAHATSORATRA FIANARANA 16
HIRA 87 Andao Haka Fampaherezana
Mahasoa Antsika ny Mifandray Akaiky!
“Tsara sy mahafinaritra erỳ rehefa miara-monina sady miray saina ny mpirahalahy!”—SAL. 133:1.
HEVITRA HODINIHINA
Soso-kevitra hanampy antsika hifandray akaiky kokoa amin’ny mpiara-manompo, sy ny fitahiana be dia be ho azontsika rehefa minamana amin-dry zareo isika.
1-2. Inona no anisan’ny zava-dehibe amin’i Jehovah, ary tiany hanao inona isika?
TENA zava-dehibe amin’i Jehovah ny fomba itondrantsika ny hafa. Nampianatra i Jesosy hoe tsy maintsy tia ny namantsika tahaka ny tenantsika isika. (Mat. 22:37-39) Tafiditra amin’izany ny hoe tsara fanahy na dia amin’ny olona tsy mitovy zavatra inoana amintsika aza. Manahaka an’i Jehovah Andriamanitra isika rehefa tsara fanahy hoatr’izany. Izy mantsy “mampiposaka ny masoandrony amin’ny ratsy fanahy sy ny tsara fanahy, ary mandatsaka orana amin’ny marina sy ny tsy marina.”—Mat. 5:45.
2 Marina hoe ny olona rehetra no tian’i Jehovah. Tena mamin’ny fony anefa ny olona manao ny marina. (Jaona 14:21) Tiany hanahaka azy isika. Mampirisika antsika izy mba ho ‘tia lalina’ ny rahalahy sy anabavintsika, sy hampiseho hoe ‘miraiki-po’ amin-dry zareo. (1 Pet. 4:8; Rom. 12:10) Hoatran’ny ahoana ilay hoe tia olona iray sy miraiki-po be aminy? Hoatr’antsika ilay miraiki-po be amin’ny havana na namana tena tiantsika.
3. Inona no tsy maintsy tadidintsika momba ny fitiavana?
3 Hoatran’ny voninkazo ny fitiavana. Mila karakaraina tsara ilay izy raha tiana hitombo. Nampirisika ny Kristianina ny apostoly Paoly hoe: “Mifankatiava foana hoatran’ny mpirahalahy.” (Heb. 13:1) Tian’i Jehovah hokolokolointsika foana àry ny fitiavantsika ny olon-kafa. Hodinihintsika ato hoe maninona isika no tokony hifandray akaiky kokoa amin’ny mpiara-manompo, ary ahoana no atao mba hitohy foana izany.
NAHOANA ISIKA NO TOKONY HIFANDRAY AKAIKY KOKOA?
4. Inona no hanampy antsika hitadidy foana hoe sarobidy ny firaisan-tsaina eo amintsika? (Salamo 133:1) (Jereo koa ny sary.)
4 Vakio ny Salamo 133:1. Mitovy hevitra amin’ilay mpanao salamo isika hoe “tsara sy mahafinaritra” ny minamana amin’ny olona tia an’i Jehovah. Mety ho hadinodinontsika anefa izany. Ny hazo tsara tarehy be anankiray, ohatra, rehefa hitantsika isan’andro dia mety tsy ho tsara be intsony ny fahitantsika an’ilay izy. Mety ho lasa hoatr’izany koa ny fahitantsika ny firaisan-tsaina eo amintsika, satria imbetsaka isan-kerinandro angamba isika no mihaona amin’ny mpiara-manompo. Ahoana àry no hahatonga an-dry zareo ho sarobidy amintsika foana? Mila maka fotoana isika mba hisaintsainana hoe nahoana no sarobidy amiko sy amin’ny fiangonana ny rahalahy sy anabavy tsirairay, amin’izay hitombo ny fitiavantsika an-dry zareo.
Aza atao tsinontsinona mihitsy ny firaisan-tsaina eo amintsika (Fehintsoratra 4)
5. Inona no mety ho vokany eo amin’ny olon-kafa rehefa mifankatia isika?
5 Misy vokany be amin’ny olona sasany sambany vao mivory ny mahita antsika mifankatia be. Izay fotsiny dia efa mety haharesy lahatra an-dry zareo hoe nahita ny fahamarinana izy. Nilaza i Jesosy hoe: “Raha mifankatia ianareo, dia izany no hahafantaran’ny olona rehetra fa mpianatro ianareo.” (Jaona 13:35) Diniho ny tantaran’ny vehivavy iray atao hoe Chaithra, mpianatry ny oniversite. Nianatra tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah izy ary nanaiky hanatrika fivoriamben’ny vondrom-paritra. Rehefa tapitra ny andro voalohany tamin’ilay fivoriambe, dia izao no nolazainy tamin’ilay mpampianatra Baiboly azy: “Mbola tsy namihina ahy izany mihitsy ny ray aman-dreniko. Androany fotsiny anefa dia olona 52 be izao no namihina ahy tany amin’ilay fivoriambe. Tsapako hoe nampiasa ny mpanompony i Jehovah mba hampisehoana hoe tiany aho. Tiako aho raha mba anisan’io fianakaviana io.” Nandroso tsara i Chaithra dia natao batisa tamin’ny 2024. Rehefa mahita ny asa tsara ataontsika tokoa ny olona, anisan’izany ilay hoe mifankatia isika, dia matetika ry zareo no te hanompo an’i Jehovah.—Mat. 5:16.
6. Nahoana no miaro antsika ny mifandray akaiky kokoa amin’ny rahalahy sy anabavintsika?
6 Miaro antsika ny mifandray akaiky amin’ny rahalahy sy anabavintsika. Nampirisika ny Kristianina namany i Paoly hoe: “Miezaha foana ... hifampahery isan’andro, ... sao hisy ho lasa mafy fo ianareo satria mahavita mamitaka anareo ny ota.” (Heb. 3:13) Raha kivy loatra isika ka manomboka mivily lalana miala amin’ny fahamarinana mihitsy ny tongotsika, dia mety hampiasa mpiara-manompo mahamarika an’ilay izy i Jehovah mba hanampy antsika. (Sal. 73:2, 17, 23) Ilaintsika mihitsy ny fampaherezana hoatr’izany.
7. Inona no ifandraisan’ny fitiavana sy ny firaisan-tsaina? (Kolosianina 3:13, 14)
7 Anisan’ireo olona miezaka mafy mba hifankatia isika, ka mahazo fitahiana be dia be. (1 Jaona 4:11) Ny fitiavana, ohatra, no mandrisika antsika ‘hifandefitra foana’, ary anisan’ny mampiray saina antsika izany. (Vakio ny Kolosianina 3:13, 14; Efes. 4:2-6) Izany no mahatonga ny hoe mahafinaritra be foana ny rivo-piainana any am-pivoriana, ary tsy hahita hoatr’izany mihitsy isika na aiza na aiza eto an-tany.
MIFANOMEZA VONINAHITRA
8. Inona no ataon’i Jehovah mba hanampiana antsika hiray saina?
8 Fahagagana ilay hoe miray saina isika vahoakan’i Jehovah eran-tany. Vitan’i Jehovah izany na dia tsy lavorary aza isika. (1 Kor. 12:25) Milaza ny Baiboly hoe “ampianarin’Andriamanitra hifankatia” isika. (1 Tes. 4:9) Raha lazaina amin’ny teny hafa, dia faritan’i Jehovah mazava tsara ao amin’ny Soratra Masina hoe inona no mila ataontsika raha tiantsika ny hifandray akaiky kokoa. Manaiky “ampianarin’Andriamanitra” isika raha mandinika ny fampianarany sy mampihatra an’izay ianarantsika. (Heb. 4:12; Jak. 1:25) Miezaka mafy manao an’izany mihitsy ny Vavolombelon’i Jehovah.
9. Inona no ianarantsika avy amin’ny Romanina 12:9-13 momba ny hoe mifanome voninahitra?
9 Mampianatra antsika hifandray akaiky kokoa ny Tenin’Andriamanitra. Diniho ange ilay tenin’i Paoly ao amin’ny Romanina 12:9-13 e! (Vakio.) Mariho ilay hoe “mifanomeza voninahitra, ka aoka ianareo no ho voalohany hanome voninahitra ny hafa.” Ahoana izany? Isika no tokony hampiseho voalohany hoe ‘miraiki-po’ amin’ny hafa. Betsaka ny azontsika anaovana an’izany, ohatra hoe mamela heloka, tia mandray vahiny, malala-tanana. (Efes. 4:32) Aza miandry ny mpiara-manompo hanatona anao fa ‘aoka ianao no ho voalohany’ hanao an’izany. Tsy diso mihitsy i Jesosy niteny hoe: “Mahasambatra kokoa ny manome noho ny mandray.”—Asa. 20:35.
10. Ahoana no ampisehoantsika hoe mazoto manampy ny hafa isika? (Jereo koa ny sary.)
10 Mahaliana fa rehefa avy nilaza i Paoly hoe aoka ianareo no ho voalohany hanome voninahitra ny hafa, dia nampirisika antsika izy hoe: “Mazotoa miasa fa aza kamokamo.” Mafana fo sy miasa mafy ny olona mazoto miasa. Vitainy tsara izay ampanaovina azy. Milaza ny Ohabolana 3:27, 28 hoe: “Aza misalasala manao soa amin’izay tokony hanaovan-tsoa, raha mbola azonao atao ihany ny manampy.” Rehefa mahita olona mila fanampiana izany isika dia manao an’izay azontsika atao mba hanampiana azy. Tsy mangataka andro isika sady tsy mieritreritra hoe tsy maintsy misy mikarakara foana eo.—1 Jaona 3:17, 18.
Tokony ho mailaka hanampy ny rahalahy sy anabavy mila fanampiana isika (Fehintsoratra 10)
11. Inona no hanampy antsika hifandray akaiky kokoa?
11 Manome voninahitra ny hafa koa isika raha mora mamela heloka rehefa nisy nahasosotra antsika. Milaza ny Efesianina 4:26 hoe: “Aza avela ho tratran’ny masoandro milentika ny fahatezeranareo.” Fa maninona? Satria milaza ny andininy faha-27 hoe ‘manome hirika ny Devoly’ isika raha manao an’izany. Imbetsaka i Jehovah, ao amin’ny Teniny, no mampirisika antsika mba hifamela heloka. Hoy ny Kolosianina 3:13: “Mahaiza foana ... mifamela heloka tanteraka.” Raha manadino ny fahadisoana nataon’ny hafa isika, dia izany no anisan’ny hanampy antsika hifandray akaiky kokoa amin-dry zareo. “Ho tafaray foana” isika amin’izay “sady hihavana, satria efa nampiraisin’ny fanahy masina.” (Efes. 4:3) Anisan’ny mahatonga antsika hiray saina sy hihavana izany ny famelan-keloka.
12. Ahoana no anampian’i Jehovah antsika hahay hamela heloka?
12 Mety ho sarotra aloha ny mamela ny heloky ny olona nandratra ny fontsika e! Ho vitantsika anefa izany rehefa ampian’ny fanahy masin’Andriamanitra isika. Rehefa avy nampirisika antsika ny Soratra Masina hoe “ataovy izay hampiraiki-po anareo samy ianareo” sy hoe “mazotoa miasa”, dia mbola nampirisihiny koa isika hoe: “Aoka ianareo harehitry ny fanahy.” Hoatran’ny ahoana izany olona “arehitry ny fanahy” izany? Tena mazoto be izy sady mafana fo be satria nahazo fanahy masina. Vitan’ny fanahy masin’Andriamanitra izany ny manampy antsika hampiseho firaiketam-po amin’ny hafa sy hifamela heloka tanteraka. Iangavio àry i Jehovah mba hanampy anao.—Lioka 11:13.
“AZA AVELA HISY FISARATSARAHANA EO AMINAREO”
13. Inona no mety hampisaratsaraka antsika?
13 Ahitana ny “karazan’olona rehetra” ao amin’ny fiangonana. (1 Tim. 2:3, 4) Mety tsy hitovy àry ny safidintsika, ohatra hoe amin’ny resaka paozy, fikarakarana fahasalamana, na fialam-boly. Raha tsy mitandrina isika dia mety hampisaratsaraka antsika ny zavatra hoatr’ireny. (Rom. 14:4; 1 Kor. 1:10) Efa nampianarin’Andriamanitra hifankatia anefa isika, dia tsy maintsy mitandrina mba tsy hanizingizina hoe ny safidintsika no tsara kokoa noho ny an’ny hafa.—Fil. 2:3.
14. Inona no tokony hiezahantsika foana, ary nahoana?
14 Tsy mampisy fisaratsarahana eo amin’ny fiangonana koa isika raha miezaka foana mba hampahery sy hamelombelona ny hafa. (1 Tes. 5:11) Betsaka tamin’ireo tsy nitory intsony na nesorina tsy ho anisan’ny fiangonana no niverina tamin’i Jehovah tato ho ato. Raisintsika tsara ry zareo. (2 Kor. 2:8) Mariho izay nitranga tamin’ny anabavy iray. Nivory tao amin’ny Efitrano Fanjakana indray izy, rehefa tsy nitory nandritra ny folo taona. Izao no nolazainy: “Nitsikitsiky sy nandray ny tanako ny olona rehefa niarahaba ahy.” (Asa. 3:19) Inona no vokatr’ireny hatsaram-panahy kely ireny taminy? Hoy ihany ilay anabavy: “Hoatran’ny hoe tantanan’i Jehovah aho dia izy mihitsy no manampy ahy ho falifaly indray.” Raha tia mampahery ny hafa isika, dia azon’i Kristy ampiasaina mba hamelombelona ny olona “miasa mafy sy mitondra enta-mavesatra.”—Mat. 11:28, 29.
15. Inona koa no azontsika atao mba hampiray saina antsika? (Jereo koa ny sary.)
15 Afaka mampisy firaisan-tsaina koa isika amin’izay lazaintsika. Milaza ny Joba 12:11 hoe: “Tsy ny sofina ve no mamantatra teny, toy ny lela mamantatra tsiron-kanina?” Ahoana, ohatra, no ataon’ny mpahandro mahay? Andramany aloha ny sakafo andrahoiny mba ho azo antoka tsara hoe matsiro, izay vao harosony. Tokony havaditsika impito koa ny lelantsika vao miteny isika. (Sal. 141:3) Tokony hataontsika azo antoka foana hoe hampahery sy hamelombelona ary ‘hahasoa an’izay mihaino’ ny zavatra holazaintsika.—Efes. 4:29.
Avadiho impito aloha ny lela (Fehintsoratra 15)
16. Iza avy no tena tokony hiezaka hampahery rehefa miteny?
16 Ny lehilahy manambady sy ny ray aman-dreny no tena tokony hiezaka hampahery rehefa miteny. (Kol. 3:19, 21; Tit. 2:4) Tokony hiezaka koa ny anti-panahy mba hamelombelona sy hampionona ny hafa satria mpiandry ny andian’ondrin’i Jehovah ry zareo. (Isaia 32:1, 2; Gal. 6:1) Misy ohabolana iray ao amin’ny Baiboly mampahatsiahy antsika hoe: “Tsara erỳ ny teny lazaina amin’ny fotoana mety!”—Ohab. 15:23.
TIA “AMIN’NY ATAO SY AMIN’NY FAHAMARINANA”
17. Inona no azontsika atao mba ho azo antoka hoe avy amin’ny fo ny fitiavantsika ny rahalahy sy anabavintsika?
17 Mampirisika antsika ny apostoly Jaona hoe: “Tsy tokony ho tia amin’ny teny na amin’ny lela fotsiny isika, ... fa amin’ny atao sy amin’ny fahamarinana koa.” (1 Jaona 3:18) Tiantsika raha avy amin’ny fo ny fitiavantsika ny rahalahy sy anabavy. Ahoana no hahatonga an’ilay izy hoe avy amin’ny fo? Mila manokana fotoana bebe kokoa isika mba hiarahana amin-dry zareo. Hifandray am-po sy hifankatia kokoa isika amin’izay. Mitadiava àry hirika mba hiarahana amin’ny mpiara-manompo, ohatra hoe any am-pivoriana sy eny amin’ny fanompoana. Mba tsiditsidiho koa ry zareo. Asehontsika hoe “ampianarin’Andriamanitra hifankatia” isika raha manao an’izany. (1 Tes. 4:9) Ho tsapantsika foana koa ilay hoe “tsara sy mahafinaritra erỳ rehefa miara-monina sady miray saina ny mpirahalahy!”—Sal. 133:1.
HIRA 90 Andao Isika Hifampahery