LAHATSORATRA FIANARANA 15
HIRA 30 Jehovah no Raiko sy Namako
“Ny Manakaiky An’Andriamanitra no Tsara” Amintsika!
“Ny manakaiky an’Andriamanitra no tsara amiko.”—SAL. 73:28.
HEVITRA HODINIHINA
Inona no azontsika atao mba ho akaiky kokoa an’i Jehovah, ary inona no soa azontsika avy amin’izany?
1-2. a) Inona no tokony hataonao raha te ho mpinamana be amin’ny olona iray? b) Inona no hodinihintsika ato?
MANANA namana akaiky ve ianao? Ahoana no nahatonga anareo ho mpinamana? Azo inoana hoe niara-nanao zavatra ianareo. Lasa fantatrao ny zavatra niainany rehefa nandeha ny fotoana, ary ianao mihitsy no nahita hoe inona no tiany sy tsy tiany. Lasa hitanao koa hoe manana toetra tsara be dia be izy, ary tianao hotahafina izy ireny. Izany rehetra izany no nahatonga anao ho tia azy.
2 Mitaky fotoana sy ezaka ny hoe minamana be amin’ny olona iray. Hoatr’izany koa ny minamana be amin’i Jehovah Andriamanitra. Horesahintsika ato izay azonao atao raha te ho akaiky kokoa an’Andriamanitra ianao, sy hoe inona no soa azo avy amin’izany. Hojerentsika aloha ny mahatsara an’ilay hoe manakaiky an’i Jehovah, ilay Namana tsara indrindra.
3. Nahoana isika no tokony hisaintsaina ny soa azo avy amin’ilay hoe manakaiky an’i Jehovah? Hazavao amin’ny ohatra.
3 Azo antoka fa manaiky ianao hoe tsara ny manakaiky an’i Jehovah. Rehefa saintsaininao anefa hoe inona marina no tena mahatsara an’izany, dia te hiezaka ny ho akaiky azy foana ianao. (Sal. 63:6-8) Eritrereto ange izao e! Fantatsika hoe mahasoa antsika ny mitandrina ny sakafo hanintsika, manao fanatanjahan-tena, manao ampy torimaso, ary misotro rano ampy tsara. Betsaka anefa no tsy mieritreritra an’izany loatra dia lasa tsy mivaky loha amin’ny fahasalamany. Vao mainka isika hazoto hanohy an’ireny fahazarana tsara ireny, arakaraka ny hisaintsainantsika ny soa azo avy amin’izany. Hoatr’izany koa ilay manakaiky an’i Jehovah. Mety ho efa fantatsika ihany hoe mahasoa ilay izy nefa te hiezaka ny ho akaiky an’io Namantsika io foana isika, rehefa misaintsaina ny soa azo avy amin’izany.—Sal. 119:27-30.
4. Inona no tsapan’ilay mpanao salamo, araka ny Salamo 73:28?
4 Vakio ny Salamo 73:28. Levita mpitendry zavamaneno tao amin’ny tempolin’i Jehovah ilay mpanoratra ny Salamo faha-73. Azo inoana hoe mpanompon’i Jehovah tsy nivadika efa hatry ny ela izy. Tsapany ihany anefa fa nila nitadidy izy hoe tsara aminy “ny manakaiky an’Andriamanitra”, ary nila nampahatsiahivina an’izany koa ny olon-kafa. Nahoana izany no mahasoa?
MAHASAMBATRA “NY MANAKAIKY AN’ANDRIAMANITRA”
5. a) Nahoana no mahasambatra antsika ny manakaiky kokoa an’i Jehovah? b) Mahasoa sy miaro anao ny fahendren’i Jehovah, araka ny Ohabolana 2:6-16. Manomeza ohatra.
5 Ho sambatra kokoa isika arakaraka ny hanatonantsika an’i Jehovah. (Sal. 65:4) Betsaka ny antony fa anisan’izany ny hoe mahasoa antsika ny mampihatra ny torohevitra feno fahendrena ao amin’ny Teniny, izany hoe ny Baiboly. Miaro antsika tsy ho voatarika hanao ratsy sy tsy hanao fahadisoana lehibe ny fahendrena ao. (Vakio ny Ohabolana 2:6-16.) Marina mihitsy ilay lazain’ny Baiboly hoe: “Sambatra ny olona mahita fahendrena, sy ny olona lasa mahay mandinika.”—Ohab. 3:13.
6. Nahoana ilay mpanao salamo no tsy faly intsony?
6 Mazava ho azy hoe na ny naman’i Jehovah aza indraindray mba malahelo. Nieritreritra zavatra nahakivy, ohatra, ny mpanoratra ny Salamo faha-73 dia nalahelohelo. Tezitra izy sady nitsiriritra ny olon-dratsy, satria nilamina no fahitany ny fiainan’ny olona tsy niraharaha an’Andriamanitra sy ny fitsipiny. Hoatran’ny hoe manan-karena kokoa sy salama kokoa ary tsy mijaly mihitsy aza no fahitany ny olona mahery setra sy mirehareha. (Sal. 73:3-7, 12) Niady saina loatra ilay mpanao salamo, ka lasa saina mihitsy aza izy hoe mba misy dikany ihany ve ny ezaka ataony hanompoana an’i Jehovah. Nalahelo be izy dia niteny hoe: “Very maina fotsiny ny ezaka nataoko mba hananana fo madio foana, sy ny nanasako ny tanako mba ho porofo fa tsy manan-tsiny aho.”—Sal. 73:13.
7. Inona no azontsika atao rehefa malahelo be isika? (Jereo koa ny sary.)
7 Na dia nalahelo be aza ilay mpanao salamo dia tsy nipetra-potsiny izy fa nanao zavatra. ‘Niditra tao amin’ny toerana masin’Andriamanitra’ izy, ary tao i Jehovah no nanitsy ny toe-tsainy. (Sal. 73:17-19) Fantatr’i Jehovah, ilay tena Namantsika, rehefa malahelo isika. Hahazo hery hiatrehana an’izany anefa isika, raha mivavaka mba homen’i Jehovah tari-dalana sy manaiky ny fanampiana omeny amin’ny alalan’ny Teniny sy ny fiangonana. Na dia rehefa be dia be aza ny zavatra mampitebiteby antsika, dia mbola hampionona sy hampitony antsika i Jehovah.—Sal. 94:19.
Mitsangana eo amin’ny “toerana masin’Andriamanitra” ilay Levita nanoratra ny Salamo faha-73 (Fehintsoratra 7)
MAMPISY DIKANY NY FIAINANA SY MANOME FANANTENANA “NY MANAKAIKY AN’ANDRIAMANITRA”
8. Nahoana koa no tsara amintsika ny manakaiky an’Andriamanitra?
8 Misy zavatra roa lehibe koa mahatsara an’ilay hoe manakaiky an’Andriamanitra. Voalohany, lasa misy dikany ny fiainantsika. Faharoa, manana fanantenana mafy orina isika. (Jer. 29:11) Andao hojerentsika akaiky ireo.
9. Nahoana no lasa misy dikany ny fiainantsika rehefa manakaiky an’i Jehovah isika?
9 Lasa misy dikany ny fiainantsika rehefa manakaiky an’i Jehovah isika. Betsaka amin’ny olona tsy manaiky ny fisian’Andriamanitra no mieritreritra hoe tsy misy dikany ny fiainana, sady tsy hisy intsony ny olombelona atsy ho atsy. Mianatra ny Tenin’Andriamanitra anefa isika, dia resy lahatra hoe “misy izy sady mpamaly soa an’izay mitady mafy azy.” (Heb. 11:6) Na amin’izao aza dia sambatra kokoa isika satria manompo an’i Jehovah, ilay Raintsika any an-danitra, ary izany mihitsy no namoronana antsika.—Deot. 10:12, 13.
10. Inona no lazain’ny Salamo 37:29 momba ny hoavin’ny olona manantena an’i Jehovah?
10 Betsaka ny olona tsy manantena afa-tsy izao fiainana izao: Miasa ry zareo, manambady sy miteraka, ary manangom-bola mba hisy hivelomana rehefa misotro ronono. Tsy ao an-tsain-dry zareo mihitsy Andriamanitra. Ny mpanompon’i Jehovah kosa manantena azy. (Sal. 25:3-5; 1 Tim. 6:17) Matoky an’ilay Andriamanitra nataontsika Namana isika sady matoky an’izay nampanantenainy, anisan’izany ny hoe hanompo azy mandrakizay ao amin’ny Paradisa.—Vakio ny Salamo 37:29.
11. Rehefa manakaiky an’Andriamanitra isika dia inona no vokatr’izany eo amintsika sy eo aminy?
11 Misy antony hafa koa mahatsara an’ilay hoe manakaiky an’Andriamanitra. Mampanantena, ohatra, i Jehovah hoe hamela ny fahotan’izay akaiky azy raha mibebaka ry zareo. (Isaia 1:18) Tsy manamelo-tena be loatra noho ny fahotana nataontsika taloha àry isika. (Sal. 32:1-5) Faly koa i Jehovah rehefa manakaiky azy isika. (Ohab. 23:15) Vao santionany fotsiny ireo fa azo antoka hoe mbola mahita soa hafa koa ianao. Inona anefa no azontsika atao mba ho akaiky kokoa an’Andriamanitra foana isika?
AHOANA ILAY HOE “MANAKAIKY AN’ANDRIAMANITRA” FOANA?
12. Inona no nataonao mba ho akaiky kokoa an’Andriamanitra ianao?
12 Raha Kristianina vita batisa ianao, dia betsaka ny zavatra efa nataonao mba hifandraisana akaiky amin’i Jehovah. Nianatra fahamarinana be dia be momba an’i Jehovah Andriamanitra sy Jesosy Kristy ianao, nibebaka tamin’ny fahotanao, ary niezaka hanana finoana matanjaka an’Andriamanitra sy hanao ny sitrapony. Tsy maintsy manao an’ireo foana anefa ianao raha te ho akaiky kokoa an’Andriamanitra.—Kol. 2:6.
13. Milazà zavatra telo hanampy antsika hanakaiky kokoa an’i Jehovah foana.
13 Inona no hanampy antsika ho akaiky kokoa an’i Jehovah foana? 1) Tsy maintsy mamaky sy mianatra ny Baiboly foana isika. Tsy hoe ny hianatra zavatra tsotsotra momba an’Andriamanitra fotsiny no tanjontsika amin’izany. Tokony hiezaka hamantatra an’izay tiany hataontsika kosa isika, ary hanaraka ny torolalana lazainy ao amin’ny Teniny. (Efes. 5:15-17) 2) Tsy maintsy manatanjaka ny finoantsika isika, ka misaintsaina ny porofo be dia be ampisehoan’i Jehovah ny fitiavany antsika. 3) Tsy maintsy hankahalaintsika foana izay zavatra mampahatezitra an’i Jehovah, ary tsy minamana amin’ny olona manao an’izany isika.—Sal. 1:1; 101:3.
14. Milazà zavatra azontsika atao eo amin’ny fiainana andavanandro mba hampifaliana an’i Jehovah. (1 Korintianina 10:31) (Jereo koa ny sary.)
14 Vakio ny 1 Korintianina 10:31. Zava-dehibe ny hoe manao zavatra mampifaly an’i Jehovah foana. Tsy hoe mivory sy manompo fotsiny akory no tafiditra amin’izany. Tokony hampifaly an’i Jehovah koa izay ataontsika isan’andro, ohatra hoe manao ny marina amin’ny zava-drehetra sy mizara an’izay ananantsika. (2 Kor. 8:21; 9:7) Tian’i Jehovah hanaja ny aina koa isika. Ho akaiky kokoa an’ilay Mpanome aina isika raha mahay mandanjalanja rehefa mihinana sy misotro, ary manao zavatra hafa hitandroana fahasalamana. Vao mainka isika ho tian’i Jehovah isaky ny manao zavatra mampifaly azy, na amin’ny zavatra hoatran’ny hoe madinika aza.—Lioka 16:10.
Anisan’ny fomba hampifaliana an’i Jehovah ny hoe mitandrina tsara rehefa mitondra fiara, mikarakara fahasalamana dia manao fanatanjahan-tena sy mihinana sakafo mahasalama, ary mizara an’izay ananana (Fehintsoratra 14)
15. Ahoana no tian’i Jehovah hitondrantsika ny olon-kafa?
15 Tsara fanahy amin’ny marina sy ny tsy marina i Jehovah. (Mat. 5:45) Tiany hanao hoatr’izany koa isika rehefa mifandray amin’ny hafa. Tsy tokony “hanaratsy olona”, ohatra, isika, “tsy ho mpila ady, fa ... halemy fanahy tanteraka amin’ny olona rehetra.” (Tit. 3:2) Tsy tokony hanambanimbany olona àry isika satria fotsiny hoe tsy mitovy amin’ny antsika ny zavatra inoany. (2 Tim. 2:23-25) Raha tsara fanahy sy be fiahiana foana isika rehefa mifandray aman’olona dia ho akaiky kokoa an’i Jehovah.
AFAKA “MANAKAIKY AN’ANDRIAMANITRA” ISIKA NA DIA TAFINTOHINA AZA
16. Inona no tsapan’ny mpanoratra ny Salamo faha-73?
16 Ary ahoana raha manomboka mahatsapa ianao hoe tsy mendrika ny hotiavin’i Jehovah? Efa nitranga tamin’ny mpanoratra ny Salamo faha-73 koa izany, araka ny efa noresahintsika. Hoy izy: “Izaho kosa saika nivily lalana; saika nibolisatra ny tongotro.” (Sal. 73:2) Niaiky izy hoe “sosotra” ary “tsy nieritreritra” fa lasa “toy ny biby tsy misaina” teo anatrehan’i Jehovah. (Sal. 73:21, 22) Nieritreritra ve izy hoe noho ny fahadisoany dia tsy nisy nantenaina intsony ny aminy, ary tsy mendrika ny hotiavin’i Jehovah izy?
17. a) Inona no nataon’ilay mpanao salamo na dia kivy be aza izy? b) Inona no ianarantsika avy amin’izany? (Jereo koa ny sary.)
17 Raha nahatsapa ilay mpanao salamo hoe nailik’i Jehovah, dia tsy maintsy hoe vetivety ihany izany. Tao anatin’ilay kivy be iny mantsy izy no niaiky hoe nila nanakaiky kokoa an’Andriamanitra. Jereo ange ity teniny tamin’i Jehovah ity e! “Eo aminao foana anefa aho izao; nandray ny tanako ankavanana ianao. Ny torohevitrao no itarihanao ahy, ary homenao voninahitra aho avy eo.” (Sal. 73:23, 24) I Jehovah koa no tokony hataontsika vatolampintsika rehefa kivy isika, na mahatsapa hoe mihena ny finoantsika. (Sal. 73:26; 94:18) Na nivily lalana vetivety aza ny tongotsika, dia afaka miverina amin’i Jehovah isika sady matoky hoe “vonona hamela heloka” izy. (Sal. 86:5) Rehefa ilay kivy be iny mihitsy isika no tena tokony hanakaiky kokoa an’ilay Andriamanitsika.—Sal. 103:13, 14.
Raha tsapantsika hoe mihena ny finoantsika, dia tokony hanakaiky kokoa an’i Jehovah isika ka hanao zavatra ara-panahy bebe kokoa (Fehintsoratra 17)
“MANAKAIKY AN’ANDRIAMANITRA” MANDRAKIZAY
18. Nahoana no tsy misy farany ilay hoe manakaiky kokoa an’i Jehovah?
18 Tsy misy farany ilay hoe miezaka ny ho akaiky an’i Jehovah, ary tsy misy farany koa ny zavatra azo ianarana momba azy. Milaza ny Baiboly hoe “tsy misy fetrany” ny zavatra ataon’i Jehovah sy ny fahendreny ary ny fahalalany.—Rom. 11:33.
19. Inona no toky omen’ny Salamo antsika?
19 Izao no lazain’ny Salamo 79:13: “Hisaotra anao mandrakizay izahay vahoakanao sy ondry ao amin’ny kijananao, ary hidera anao hatramin’ny taranaka fara aman-dimby.” Raha miezaka ny ho akaiky kokoa an’Andriamanitra foana ianao, dia afaka matoky koa hoe hahazo fitahiana mandrakizay sady ho afaka hiteny hoe: “Andriamanitra ... no vatolampin’ny foko sy anjarako mandrakizay.”—Sal. 73:26.
HIRA 32 Miandania Amin’i Jehovah!