LAHATSORATRA FIANARANA 18
HIRA 65 Mandrosoa Foana!
Ry Rahalahy Tanora, Tahafo i Marka sy Timoty
“Ento miaraka aminao i Marka fa ilaiko amin’ny fanompoana izy.”—2 TIM. 4:11.
HEVITRA HODINIHINA
Misy toetra maromaro ilain’ny rahalahy tanora mba hahatonga an-dry zareo ho te hanompo ny hafa bebe kokoa. Hanampy an-dry zareo amin’izany ny ohatr’i Marka sy Timoty.
1-2. Inona ny olana natrehin’i Marka sy Timoty ka azony natao fialan-tsiny tsy hanompoana ny hafa bebe kokoa?
RY RAHALAHY tanora, te hanompo bebe kokoa an’i Jehovah ve ianareo, sady te hanao misimisy kokoa ho an’ny fiangonana? Azo antoka izany. Mahafinaritra ny mahita rahalahy tanora be dia be vonona hanompo ny hafa. (Sal. 110:3) Tsy mora foana anefa izany. Matahotra ve ianao hampitombo ny fanompoanao satria tsy fantatrao izay miandry anao? Efa nisy fotoana koa ve ianao nanda fanendrena satria tsy natoky tena? Tsy vao ianao no nahatsapa hoatr’izany.
2 Hoatroatr’izany koa ny olana natrehin’i Marka sy Timoty. Mbola vonona hanompo ny hafa foana anefa ry zareo na dia tsy fantany aza ny zavatra niandry azy, sady mbola tsy ampy traikefa ry zareo. I Marka izao mety ho mbola niara-nipetraka tamin’ny mamany tao amin’ny trano tsara tarehy, tamin’izy nasaina niaraka tamin’ny apostoly Paoly sy Barnabasy, tamin’ny dia misionera voalohany nataon-dry zareo. (Asa. 12:12, 13, 25) Niala tamin’ny toerana nahazatra azy i Marka mba hanitarana ny fanompoany. Nankany Antiokia aloha izy, dia avy eo nanao dia lavitra imbetsaka niaraka tamin’i Paoly sy Barnabasy. (Asa. 13:1-5) Azo inoana koa hoe mbola tao amin’ny ray aman-dreniny i Timoty, tamin’izy nasain’i Paoly ho namany amin’ny fanompoana. Mbola tanora sy tsy ampy traikefa i Timoty tamin’izany, dia azony natao ny nanda an’ilay izy satria tsy natoky tena izy. (Ampitahao amin’ny 1 Korintianina 16:10, 11 sy ny 1 Timoty 4:12.) Nanaiky ny fanasan’i Paoly anefa izy dia nahazo fitahiana be dia be.—Asa. 16:3-5.
3. a) Hoatran’ny ahoana ny fitiavan’i Paoly an’i Marka sy Timoty? (2 Timoty 4:6, 9, 11) (Jereo koa ny sary.) b) Inona ny fanontaniana hodinihintsika ato?
3 Nitombo ny traikefan’i Marka sy Timoty nandritra ny fahatanorany, sady nianatra niantsoroka andraikitra mavesatra ry zareo. Tena faly i Paoly nanana azy roa lahy matoa tiany ho teo akaikiny teo ry zareo rehefa fantany hoe efa akaiky ho faty izy. (Vakio ny 2 Timoty 4:6, 9, 11.) Inona no toetran’i Marka sy Timoty nahatonga an’i Paoly ho tia be an-dry zareo? Ahoana no anahafan’ny rahalahy tanora ny toe-tsain’izy roa lahy? Ary inona no tokony hataon’ny rahalahy tanora raha te handray soa avy amin’ny torohevitra feno fitiavana nomen’i Paoly ry zareo?
Mbola tanora i Marka sy Timoty dia efa nandray andraikitra ka lasa tsy foin’i Paoly (Fehintsoratra 3)b
AOKA IANAO HO VONONA HANOMPO HOATRAN’I MARKA
4-5. Ahoana no nampisehoan’i Marka hoe vonona hanompo ny hafa izy?
4 Inona no tafiditra amin’ny hoe manompo ny hafa? Araka ny boky iray, dia tafiditra amin’izany ny hoe “mazoto sy manana fikirizana” rehefa mitady hevitra hanampiana ny hafa. Hoatr’izany mihitsy i Marka. Azo inoana hoe nalahelo sy diso fanantenana izy rehefa tsy nety nitondra azy tamin’ny dia misionerany faharoa i Paoly. (Asa. 15:37, 38) Tsy nanakana an’i Marka tsy hanompo ny rahalahiny sy ny anabaviny anefa izany.
5 Nanaiky i Marka rehefa notendrena hiaraka hanompo tamin’i Barnabasy, zanak’olo-mpiray tam-po aminy. Tamin’i Paoly nogadraina voalohany tany Roma koa, 11 taona teo ho eo tatỳ aoriana, dia anisan’ny nanohana azy i Marka. (Filem. 23, 24) Tena nankasitraka ny fanohanany i Paoly dia nilaza mihitsy hoe “tena nanampy sy nankahery” azy i Marka.—Kol. 4:10, 11.
6. Inona no soa azon’i Marka rehefa ninamana tamin’ny Kristianina matotra izy? (Jereo ny fanamarihana ambany pejy.)
6 Nahasoa an’i Marka ny ninamana akaiky tamin’ny Kristianina matotra. Rehefa avy niaraka kelikely tamin’i Paoly tany Roma izy, dia namonjy an’ny apostoly Petera tany Babylona. Lasa mpinamana be ry zareo dia nantsoin’i Petera hoe “Marka zanako” mihitsy izy. (1 Pet. 5:13) Azo inoana hoe rehefa niara-niasa teny ry zareo, dia notantarain’i Petera tamin’io namany tanora io ny tsipiriany mahaliana tamin’ny fiainan’i Jesosy sy ny fanompoany. Nosoratan’i Marka tao amin’ny Filazantsarany ireny, tatỳ aoriana.a
7. Ahoana no nataon’ny rahalahy tanora atao hoe Seung-Woo mba hanahafana an’i Marka? (Jereo koa ny sary.)
7 Niezaka ho be atao tamin’ny fanompoana sy ninamana akaiky tamin’ny rahalahy matotra foana i Marka. Ahoana no anahafanao azy? Raha misy tombontsoam-panompoana tsy azonao dia manàna faharetana amin’ny tenanao, ary mitadiava foana fomba hafa hanompoana an’i Jehovah sy ny fiangonana. Hoatr’izany no nataon’i Seung-Woo. Anti-panahy izy izao. Zatra nampitaha ny tenany tamin’ny rahalahy tanora hafa efa nahazo tombontsoam-panompoana izy, tamin’izy tanora. Nahatsapa i Seung-Woo hoe tsy misy mahita, dia noresahiny tamin’ny rahalahy matotra izany tatỳ aoriana. Nisy anti-panahy nanoro hevitra azy hoe ataovy izay azonao atao mba hanompoana ny hafa, na dia tsy misy mahamarika aza izany indraindray. Nahatonga an’i Seung-Woo ho vonona hanampy ny be taona sy ny olona mila alaina hivory izany. Hoy izy rehefa mieritreritra an’ireny: “Lasa azoko ny dikan’ny hoe manompo ny hafa bebe kokoa. Tena tsapako ilay hoe faly ianao rehefa manome tanana ho an’ny hafa.”
Inona no soa azon’ny rahalahy tanora rehefa miaraka matetika amin’ny rahalahy matotra? (Fehintsoratra 7)
ASEHOY HOE BE FITIAVANA SY MIAHY NY HAFA HOATRAN’I TIMOTY IANAO
8. Nahoana i Paoly no nifidy an’i Timoty mba hiaraka taminy? (Filipianina 2:19-22)
8 Hiverina any amin’ny tanàna nisy nanohitra azy i Paoly dia nila namana be herim-po. I Silasy no nofidiny voalohany. Kristianina efa ela izy. (Asa. 15:22, 40) Nofidiny ho namany koa i Timoty tatỳ aoriana. Anisan’ny nampiavaka an’i Timoty mantsy ny hoe tsara laza izy. (Asa. 16:1, 2) Izy koa tena be fiahiana sy tia mikarakara olona.—Vakio ny Filipianina 2:19-22.
9. Ahoana no nampisehoan’i Timoty hoe tena be fiahiana izy?
9 Vao nanomboka niara-nanompo tamin’i Paoly mihitsy i Timoty, dia efa nasehony hoe ny olon-kafa no zava-dehibe kokoa taminy fa tsy ny tenany. Izany no nahatonga an’i Paoly tsy nisalasala namela azy tany Beria, mba hampahery ny mpianatra vaovao tany. (Asa. 17:13, 14) Nijanona tany Beria koa i Silasy tamin’izay, dia azo antoka hoe nahasoa an’i Timoty ny modeliny. Nirahin’i Paoly handeha irery tany Tesalonika anefa i Timoty tatỳ aoriana, mba hampahery ny Kristianina tany. (1 Tes. 3:2) Tao anatin’ny 15 taona teo ho eo taorian’izay, dia lasa hain’i Timoty ilay hoe ‘miara-mitomany amin’izay mitomany’ ka nangoraka an’izay nijaly izy. (Rom. 12:15; 2 Tim. 1:4) Ahoana no azon’ny rahalahy tanora anahafana an’i Timoty?
10. Lasa nahay niahy ny hafa kokoa ny rahalahy antsoina hoe Woo Jae. Ahoana no nataony?
10 Nianatra ny ho be fiahiana kokoa ny rahalahy antsoina hoe Woo Jae. Sarotra taminy ny niresaka tamin’ny olon-dehibe, tamin’izy mbola tanora. Arahabainy fotsiny ry zareo rehefa any am-pivoriana dia izay. Nisy anti-panahy nampirisika an’i Woo Jae hanombo-dresaka amin’ny mpiara-manompo, dia hiteny amin-dry zareo hoe inona no mahafinaritra azy amin’ilay rahalahy na anabavy. Nasainy nieritreritra koa i Woo Jae hoe inona no mety hahaliana an’ilay olona. Nampihariny ireo torohevitra ireo. Efa anti-panahy i Woo Jae izao, dia izao no lazainy: “Mahay miresaka kokoa amin’ny olona samy hafa taona aho izao. Faly aho satria lasa fantatro kokoa ny zavatra iainan’ny mpiara-manompo dia mora amiko ny manampy an-dry zareo.”
11. Inona no azon’ny rahalahy tanora atao mba hanehoana fiahiana ny mpiara-mivory aminy? (Jereo koa ny sary.)
11 Afaka mianatra ny ho be fiahiana hoatr’izany koa ianareo rahalahy tanora. Ezaho fantarina tsara ny karazan’olona rehetra rehefa any am-pivoriana, na firy taona izy na firy taona. Anontanio hoe manao ahoana ry zareo dia henoy tsara izy. Rehefa mandeha ny fotoana dia mety ho fantatrao hoe inona no azonao anampiana an-dry zareo. Mety ho hitanao, ohatra, hoe sahirana ny mpivady be taona iray mampiasa JW Library®, na mila namana ry zareo eny amin’ny fanompoana. Sao dia azonao ampiana hikirakira fitaovana elektronika ry zareo? Mety ho afaka mandamina fotoana koa ianao mba hiarahana manompo amin-dry zareo. Ho modely ho an’ny rehetra ianao raha tonga dia manampy olona hoatr’izany.
Betsaka no azon’ny rahalahy tanora atao mba hanampiana ny fiangonana (Fehintsoratra 11)
MAHASOA ANAO NY TOROHEVITRA FENO FITIAVANA NOMEN’I PAOLY
12. Inona no azon’ny rahalahy tanora atao mba handraisany soa avy amin’ny torohevitr’i Paoly ho an’i Timoty?
12 Nanoro hevitra an’i Timoty i Paoly mba hanampiana azy hahomby eo amin’ny fiainany sy ny fanompoany. (1 Tim. 1:18; 2 Tim. 4:5) Afaka mandray soa avy amin’ny torohevitr’i Paoly koa ianareo rahalahy tanora. Inona no azonareo atao? Vakio ireo taratasy roa nosoratan’i Paoly ho an’i Timoty, ary ataovy hoatran’ny hoe nosoratana ho anao ilay izy. Jereo avy eo izay azonao ampiharina. Ireto misy ohatra.
13. Inona no hanampy antsika tsy hivadika amin’i Jehovah?
13 “Zaro foana ... ny tenanao mba hahafoy tena ho an’Andriamanitra.” (1 Tim. 4:7b) Ahoana izany hoe mahafoy tena ho an’Andriamanitra? Tsy mivadika amin’i Jehovah sady te hampifaly azy. Mila ezahina izany satria tsy hoe vao teraka isika dia efa hoatr’izany. Mariho ange ny teny nampiasain’i Paoly e! Matetika no ilazana ny fanazaran-tena be ataon’ny atleta alohan’ny fifaninanana ilay teny grika nadika hoe “zaro foana ny tenanao.” Nila namola-tena ireny atleta ireny. Mila mamola-tena koa isika raha te hanana fahazarana tsara hanampy antsika ho akaiky kokoa an’i Jehovah.
14. Inona no tokony ho tanjontsika rehefa mamaky Baiboly isika? Manomeza ohatra.
14 Tadidio hoe ny ho akaiky kokoa an’i Jehovah no tanjonao rehefa mizatra mamaky Baiboly ianao. Inona, ohatra, no ianaranao rehefa mamaky ny tantaran’i Jesosy sy ilay tovolahy mpanankarena? (Mar. 10:17-22) Nino ilay tovolahy hoe i Jesosy no Mesia nefa tsy nahavita nanara-dia azy izy satria tsy ampy finoana. “Tia azy” i Jesosy na izany aza. Tsy manohina ny fonao ve ny fomba niresahan’i Jesosy tamin’io tovolahy io? Hita mihitsy hoe tiany ilay tovolahy sady tiany hahay hanapa-kevitra. Hoatr’izany mihitsy no tsapan’i Jehovah tamin’io tovolahy io. (Jaona 14:9) Rehefa mieritreritra an’io tantara io sy ny zavatra iainanao ianao, dia saintsaino hoe: ‘Inona no tokony hataoko mba hahatonga ahy ho akaiky kokoa an’i Jehovah sy hanompo ny hafa bebe kokoa?’
15. Nahoana ny rahalahy tanora no tokony hieritreritra ny modely omeny? Manomeza ohatra. (1 Timoty 4:12, 13)
15 “Miezaha ... ho modely ho an’ny olona tsy mivadika.” (Vakio ny 1 Timoty 4:12, 13.) Tsy hoe nampirisika an’i Timoty hanatsara ny fahaizany fotsiny i Paoly, ohatra hoe amin’ny vakiteny sy ny fampianarana. Nampirisihiny koa izy mba hanana toetra tsara, ohatra hoe fitiavana, finoana, ary fahadiovam-pitondran-tena. Fa maninona? Satria ny atao no misy lanjany kokoa raha oharina amin’izay tenenina. Eritrereto hoe voatendry hanao lahateny ianao, ary miresaka ilay izy hoe ahoana no atao mba hazoto kokoa amin’ny fanompoana. Hahazo aina kokoa ianao hanao an’ilay anjara, raha ianao mihitsy no mazoto manompo. Handaitra kokoa ilay anjaranao satria ianao modely tsara.—1 Tim. 3:13.
16. a) Inona avy ireo lafiny dimy tokony hiezahan’ny rahalahy tanora mba hahatonga azy ireo ho modely? b) Inona no azon’ny rahalahy tanora atao mba ho modely “amin’ny teny” izy ireo?
16 Misy zavatra dimy noresahin’i Paoly ao amin’ny 1 Timoty 4:12. Afaka miezaka ny ho modely amin’ireo lafiny ireo ny rahalahy tanora. Maninona raha misaintsaina momba an’ireo rehefa manao fianarana samirery ianao? Ahoana, ohatra, raha te ho modely tsara kokoa “amin’ny teny” ianao? Eritrereto hoe inona no azonao atao mba hampahery ny hafa ny zavatra lazainao. Raha mbola miara-mipetraka amin’ny ray aman-dreninao ianao, dia maninona raha misaotra azy ireo matetika kokoa noho izay ataony ho anao? Rehefa misy manao anjara koa any am-pivoriana, dia azonao resahina aminy izay tianao tamin’ilay anjarany. Azonao atao koa ny miezaka mamaly teny amin’ny fomba fiteninao. Asehonao hoe mandroso ara-panahy ianao rehefa miezaka ho modely amin’ny teny.—1 Tim. 4:15.
17. Inona no hanampy ny rahalahy tanora hanatratra ny tanjony ara-panahy? (2 Timoty 2:22)
17 “Andosiro ... ny faniriana mpitranga amin’ny tanora, fa miezaha foana kosa hanao ny marina.” (Vakio ny 2 Timoty 2:22.) Nampirisika an’i Timoty i Paoly mba hiady amin’ny faniriana mety hanelingelina ny tanjony ara-panahy sy mety hanimba ny fifandraisany amin’i Jehovah. Mety ho tsapanao koa hoe tsy dia manana fotoana hanaovana zavatra ara-panahy ianao satria variana amin-javatra hafa, na dia tsy ratsy aza ilay izy. Eritrereto, ohatra, ny fotoana laninao anaovana spaoro, ikarokarohana ao amin’ny Internet, na anaovana lalao video. Sao dia azonao ahena ireo mba hahafahanao manao zavatra mifandray amin’ny fanompoana? Afaka manolo-tena hikojakoja ny Efitrano Fanjakana, ohatra, ianao, na handray anjara amin’ny fampirantiana. Raha manao an’izany ianao, dia azo inoana hoe hahazo namana vaovao hanampy anao hanana tanjona sy hanatratra an’izany.
MAHAZO FITAHIANA BE DIA BE IZAY MANOMPO NY HAFA
18. Nahoana isika no afaka milaza hoe nahafa-po sy nahafinaritra be ny fiainan’i Marka sy Timoty?
18 Namoy zavatra be dia be i Marka sy Timoty mba hahafahany manompo ny hafa bebe kokoa. Nahafa-po sy nahafinaritra be ny fiainan-dry zareo, vokatr’izany. (Asa. 20:35) I Marka izao nitety tany maromaro mba hanampiany ny mpiara-manompo. Nanoratra tantara mampientanentana momba ny fiainan’i Jesosy sy ny fanompoany koa izy. I Timoty indray nanampy an’i Paoly dia lasa nisy fiangonana vaovao maromaro niforona, sady afaka nampahery ny rahalahy sy anabavy izy. Nahafaly an’i Jehovah ny nahita an’i Marka sy Timoty nahafoy tena hoatr’izany.
19. Nahoana ny rahalahy tanora no tokony handray tsara ny torohevitr’i Paoly ho an’i Timoty, ary inona no ho vokatr’izany?
19 Hita tamin’ireo taratasy nosoratan’i Paoly ho an’i Timoty hoe niraiki-po tamin’io namany tanora io izy. I Jehovah no nampanoratra an’ireo taratasy ireo an’i Paoly, ka hita amin’izany hoe tia be anareo rahalahy tanora koa i Jehovah. Tiany hahafinaritra ny fiainanareo. Raiso tsara àry ny torohevitr’i Paoly, dia miezaha ho tia manompo ny hafa bebe kokoa. Raha manao an’izany ianao dia hahafinaritra be mihitsy ny fiainanao dieny izao, ary ‘hifikitra mafy amin’ilay tena fiainana’ amin’ny hoavy ianao.—1 Tim. 6:18, 19.
HIRA 80 “Andramo ka Jereo fa Tsara i Jehovah”
b FANAZAVANA SARY: Mikarakara an’i Paoly sy Barnabasy i Marka mandritra ny dia misionera ataon-dry zareo. Manaiky hitsidika fiangonana i Timoty mba hanatanjahana sy hampaherezana ny mpiara-manompo.