LAHATSORATRA FIANARANA 21
HIRA 21 Katsaho Foana Aloha Ilay Fanjakana
Tadiavo Ilay Tanàna Maharitra
“Ilay [tanàna] ho avy no tena tadiavintsika.”—HEB. 13:14.
HEVITRA HODINIHINA
Nahoana no mahasoa antsika dieny izao sy amin’ny hoavy ny Hebreo toko faha-13?
1. Inona no nolazain’i Jesosy hoe hanjo an’i Jerosalema?
NILAZA faminaniana be tsipiriany i Jesosy Kristy, andro vitsivitsy talohan’ny nahafatesany. Tanteraka voalohany io faminaniana io rehefa akaiky ho rava i Jerosalema sy ny tempoliny. Nampitandrina i Jesosy hoe hisy ‘miaramila hitoby manodidina’ an’i Jerosalema. (Lioka 21:20) Hita tatỳ aoriana hoe ny tafika romanina ireo miaramila ireo. Nilaza tamin’ny mpanara-dia azy i Jesosy hoe raha vao mahita an’ireo miaramila ireo ry zareo dia tsy maintsy miala ao amin’ilay faritra avy hatrany.—Lioka 21:21, 22.
2. Inona no nampahatsiahivin’i Paoly ny Kristianina hebreo tany Jodia sy Jerosalema?
2 Taona vitsivitsy talohan’ny nitobian’ny miaramila romanina nanodidina an’i Jerosalema, dia nanoratra taratasy misy hafatra mafonja ny apostoly Paoly. Ny bokin’ny Hebreo izy io. Niankinan’ny ain’ny Kristianina tany Jodia sy Jerosalema ny torohevitra nomen’i Paoly tao, ary nanampy an-dry zareo hiomana. Horavana mantsy i Jerosalema. Tsy maintsy vonona hamoy ny tranony sy ny fivelomany ireo Kristianina ireo raha tsy te ho faty. Izao àry no nolazain’i Paoly an-dry zareo momba an’i Jerosalema: “Tsy manana tanàna maharitra eto isika.” Hoy koa izy: “Ilay ho avy no tena tadiavintsika.”—Heb. 13:14.
3. Inona ilay “tanàna manana fototra tena izy”, ary nahoana isika no mitady azy io?
3 Azo inoana hoe nisy nanaratsy sy naneso izay Kristianina nanapa-kevitra ny hiala tao Jerosalema sy Jodia. Raha tsy nanao an’izany anefa ireo Kristianina ireo dia maty. Misy maneso hoatr’izany koa isika. Isika mantsy tsy miantehitra amin’ny olombelona sady tsy manao izay hampilamindamina sy hampiadana antsika amin’izao. Fa maninona isika no mifidy an’izany? Satria fantatsika hoe mandalo ihany izao tontolo izao. Ilay “tanàna manana fototra tena izy” no tadiavintsika, izany hoe “ilay [tanàna] ho avy”, dia ny Fanjakan’Andriamanitra.a (Heb. 11:10; Mat. 6:33) Hiresaka an’ireto hevitra ireto ny lohatenikely tsirairay ato: 1) Nahoana ny torohevitr’i Paoly no nanampy ny Kristianina tamin’ny taonjato voalohany mba hitady foana an’ilay tanàna “ho avy”? 2) Ahoana no nataon’i Paoly mba ho vonona hiatrika an’izay hitranga ry zareo? Ary 3) nahoana no manampy antsika ny torohevitra nomeny?
MATOKIA AN’ILAY TSY HAHAFOY ANAO MIHITSY
4. Nahoana ny Kristianina no niraiki-po tamin’i Jerosalema?
4 Niraiki-po tamin’i Jerosalema ny Kristianina. Tao mantsy no niforona ny fiangonana kristianina tamin’ny taonjato voalohany, tamin’ny taona 33, ary tao ny filan-kevi-pitantanana. Be dia be koa ny Kristianina nanana trano sy nahangona fananana tao. Nampitandrina ny mpanara-dia azy anefa i Jesosy hoe tsy maintsy hiala ao Jerosalema ry zareo, ary hiala ao Jodia mihitsy aza.—Mat. 24:16.
5. Ahoana no nataon’i Paoly mba ho vonona hiatrika an’izay hitranga ny Kristianina?
5 Ahoana no nataon’i Paoly mba ho vonona hiatrika an’izay hitranga ireo Kristianina ireo? Nampiany ry zareo mba hifantoka amin’ny fomba fahitan’i Jehovah ny tanànan’i Jerosalema. Nampahatsiahy an-dry zareo i Paoly hoe efa tsy masina intsony ny fahitan’i Jehovah ny tempoly sy ny asan’ny mpisorona ary ny sorona atao ao. (Heb. 8:13) Nanda ny Mesia ny ankamaroan’ny mponina tao amin’io tanàna io. Tsy foiben’ny fivavahana madio intsony ny tempolin’i Jerosalema ary horavana.—Lioka 13:34, 35.
6. Nahoana no tonga ara-potoana ilay fampahatsiahivan’i Paoly ao amin’ny Hebreo 13:5, 6?
6 Nandroso be ny tanànan’i Jerosalema tamin’i Paoly nanoratra ho an’ny Hebreo. Nilaza ny mpanoratra romanina iray niaina tamin’izany fotoana izany fa i Jerosalema no “malaza indrindra amin’ny tanàna rehetra manodidina azy.” Nisy Jiosy avy any amin’ny tany maro nivezivezy tany Jerosalema isan-taona mba hanao fety, ary nampiroborobo ny toe-karena tany izany. Azo antoka hoe nisy Kristianina nanankarena koa vokatr’izany. Izay angamba no nahatonga an’i Paoly hiteny tamin-dry zareo hoe: “Asehoy amin’ny fomba fiainanareo hoe tsy tia vola ianareo, ary miezaha hianina amin’izay efa eo.” Naka teny avy ao amin’ny Soratra Masina izy avy eo, ary ahitana ny toky omen’i Jehovah ny mpanompony tsirairay ilay izy, hoe: “Tsy handao anao mihitsy aho, ary tsy hahafoy anao mihitsy.” (Vakio ny Hebreo 13:5, 6; Deot. 31:6; Sal. 118:6) Nila an’izany fanomezan-toky izany ny Kristianina tany Jerosalema sy Jodia. Fa maninona? Satria taoriana kelin’ny nahazoan-dry zareo an’io taratasy io dia voatery nandao ny tranony sy ny fivelomany ary ny ankamaroan’ny fananany ry zareo, dia hiatrika fiainam-baovao.
7. Nahoana isika no tokony hatoky kokoa an’i Jehovah dieny izao?
7 Lesona: Inona no hitranga atsy ho atsy? Hifarana izao tontolo izao amin’ny “fahoriana lehibe.” (Mat. 24:21) Tsy maintsy vonona sy miambina hoatran’ny Kristianina tamin’ny taonjato voalohany koa isika. (Lioka 21:34-36) Mety hafointsika ny fananantsika sasany, na izy rehetra mihitsy, mandritra ny fahoriana lehibe. Matoky tanteraka anefa isika hoe tsy hahafoy ny vahoakany mihitsy i Jehovah. Na amin’izao mbola tsy manomboka izao aza ny fahoriana lehibe dia afaka mampiseho isika hoe iza no atokisantsika. Saintsaino izao: ‘Hita amin’ny ataoko sy ny tanjoko ve hoe tsy miantehitra amin’ny vola aman-karena aho fa matoky an’ilay Andriamanitra nampanantena hoe hikarakara ahy?’ (1 Tim. 6:17) Marina fa afaka mandray lesona avy amin’izay nitranga tamin’ny taonjato voalohany isika. Mbola ho mafy be tsy misy hoatr’izany anefa ny “fahoriana lehibe.” Ahoana àry no hahafantarantsika an’izay tokony hatao rehefa manomboka ilay izy?
ANKATOAVY IREO MITARIKA
8. Inona ny toromarika nomen’i Jesosy ny mpianany?
8 Nahita ny miaramila romanina nitoby nanodidina an’i Jerosalema ny Kristianina hebreo, taona vitsivitsy taorian’ny nahazoan-dry zareo ny taratasin’i Paoly. Tokony handositra amin’izay àry ry zareo satria efa horavana ny tanànan’i Jerosalema. (Mat. 24:3; Lioka 21:20, 24) Fa aiza anefa no hitsoaka? Izao fotsiny no nolazain’i Jesosy: “Mila mandositra any an-tendrombohitra izay any Jodia.” (Lioka 21:21) Be dia be ny tendrombohitra tany amin’io faritra io dia iza amin’ireny no handosirana?
9. Nahoana ny Kristianina no mety ho lasa saina hoe aiza no handositra? (Jereo koa ny sarintany.)
9 Eritrereto daholo ny tendrombohitra azon’ny Kristianina nandosirana: Ireo tendrombohitra any Samaria sy any Galilia, ny Tendrombohitra Hermona, ireo tendrombohitra any Libàna, ary ireo any ampitan’i Jordana. (Jereo ny sarintany.) Hoatran’ny hoe tsy misy atahorana ny fahitana ny tanàna sasany any amin’ireo faritra be tendrombohitra ireo. Hoatr’izany ny tanànan’i Gamla. Eo amin’ny tehezan’ny tendrombohitra iray avo be no misy azy, ary faran’izay sarotra ny mankany. Nisy Jiosy nieritreritra hoe azo andosirana tsara any. Nafotaka anefa ny ady teo amin’ny Jiosy sy ny Romanina tao Gamla, dia betsaka tamin’ny mponina tao no maty.b
Be dia be ny tendrombohitra azon’ny Kristianina nandosirana nefa tsy izy rehetra no azo antoka (Fehintsoratra 9)
10-11. a) Ahoana no mety ho nanomezan’i Jehovah tari-dalana? (Hebreo 13:7, 17) b) Inona no soa azon’ny Kristianina rehefa nankatò an’ireo nitarika ry zareo? (Jereo koa ny sary.)
10 Toa nampiasa an’ireo nitarika tao amin’ny fiangonana i Jehovah mba hitarihana ny Kristianina. Hoy i Eusèbe mpahay tantara, tatỳ aoriana: “Noho ny fitarihan’Andriamanitra dia nahazo fanambarana tamin’ny alalan’ireo lehilahy voatendry ny fiangonana tao Jerosalema. Nomena didy ry zareo ... mba hiala tao amin’ilay tanàna sy hipetraka any Pela, tanàna any Pere.” Hita hoe nety tsara handosirana i Pela. Tsy lavitra an’i Jerosalema mantsy izy io dia tsy tena sarotra ny nankany. Tanànan’ny hafa firenena i Pela, ary tsy nisy Jiosy nafana fo niady ho an’ny fahafahana tany sady tsy nisy fifandonana tamin’ny Romanina.—Jereo ny sarintany.
11 Narahin’ny Kristianina nitsoaka tany an-tendrombohitra ilay torohevitr’i Paoly hoe ‘ankatoavy ireo mitarika’ ao amin’ny fiangonana. (Vakio ny Hebreo 13:7, 17.) Inona no vokany? Tsy maty ry zareo. Hita avy amin’izany hoe tsy nafoin’Andriamanitra ireo “niandry foana an’ilay tanàna manana fototra tena izy”, izany hoe ny Fanjakan’Andriamanitra.—Heb. 11:10.
Tsy lavitra i Pela ary tena azo antoka (Fehintsoratra 10-11)
12-13. Ahoana no nitarihan’i Jehovah ny vahoakany hatramin’izay rehefa ao anatin’ny fotoan-tsarotra ry zareo?
12 Lesona: Mampiasa an’ireo mitarika ao amin’ny fiangonana i Jehovah mba hanomezana toromarika voafaritra tsara ho an’ny vahoakany. Be dia be ny tantara ao amin’ny Soratra Masina mampiseho hoe nanendry mpiandry i Jehovah mba hitari-dalana ny vahoakany, tao anatin’ny fotoan-tsarotra. (Deot. 31:23; Sal. 77:20) Be dia be koa ny porofo hitantsika hoe mbola manao hoatr’izany izy amin’izao.
13 Rehefa nanomboka, ohatra, ny COVID-19 dia nanome tari-dalana tena ilaina “ireo mitarika.” Nahazo toromarika ny amin’ny fomba hikarakarana ny ara-panahin’ireo rahalahy sy anabavy ny anti-panahy. Vao nanomboka kelikely ilay valanaretina dia nanao fivoriambe iray manan-tantara isika. Nalefa tamin’ny Internet sy tele ary radio, tamin’ny fiteny 500 mahery, ilay izy. Niray saina foana isika satria nahazo sakafo ara-panahy tsy tapaka. Afaka matoky isika hoe na inona na inona olana hatrehintsika amin’ny hoavy, dia hanampy an’ireo mitarika foana i Jehovah mba hahaizan-dry zareo manapa-kevitra. Ankoatra ny hoe matoky an’i Jehovah sy mankatò ny didiny, dia inona koa ny toetra ilaintsika mba ho vonona hiatrika ny fahoriana lehibe sy tsy hanaonao foana mandritra an’io fotoana tena sarotra io?
MIFANKATIAVA HOATRAN’NY MPIRAHALAHY ARY MAHAIZA MANDRAY VAHINY
14. Inona avy ny toetra nilain’ny Kristianina talohan’ny nandravana an’i Jerosalema, araka ny Hebreo 13:1-3?
14 Vao mainka isika mila mifankatia mihoatra noho ny hatramin’izay rehefa manomboka ny fahoriana lehibe. Mila manahaka ny Kristianina tany Jerosalema sy Jodia isika amin’izay. Efa nampiseho foana ry zareo hoe mifankatia. (Heb. 10:32-34) Tsy maintsy niezaka mafy kokoa anefa ry zareo mba ‘hifankatia hoatran’ny mpirahalahy’ sy ho tia “mandray vahiny”, arakaraka ny nanatonan’ny fotoana handravana an’i Jerosalema.c (Vakio ny Hebreo 13:1-3.) Hoatr’izany koa no tokony hataontsika amin’izao farany efa tena akaiky izao.
15. Nahoana ny Kristianina hebreo no nila nampiseho hoe nifankatia hoatran’ny mpirahalahy sy tia nandray vahiny, taorian’ny nandosirany?
15 Nitoby nanodidina an’i Jerosalema ny miaramila romanina dia avy eo niala tampoka. Kely ihany ny zavatra azon’ny Kristianina nentina nandositra tamin’izay. (Mat. 24:17, 18) Tsy maintsy nifanampy àry ry zareo teny an-dalana ho any an-tendrombohitra sy rehefa nipetraka tao amin’ny fonenany vaovao. Azo antoka hoe imbetsaka no nisy ‘zavatra nilaina maika’, dia afaka nampiseho ry zareo hoe tena nifankatia hoatran’ny mpirahalahy sady tia nandray vahiny ka nifanohana sy nifampizara an’izay nananany.—Tit. 3:14.
16. Ahoana no azontsika ampisehoana hoe tia an’ireo mpiara-manompo amintsika mila fanampiana isika? (Jereo koa ny sary.)
16 Lesona: Ny fitiavana no mahatonga antsika te hanampy ny mpiara-manompo amintsika rehefa mila fanampiana ry zareo. Lasa mpitsoa-ponenana, ohatra, ny rahalahy sy anabavy sasany vokatry ny ady sy ny loza araka ny natiora tato ho ato. Be dia be ny vahoakan’Andriamanitra vonona hanome an’izay ilain-dry zareo sy hampahery an-dry zareo. Nandao ny fonenany ny anabavy iray any Ukraine noho ny ady. Izao no lazainy: “Tsapanay hoe nitari-dalana anay ny tanan’i Jehovah dia nampiasa ny mpiara-manompo izy. Nandray tsara anay ry zareo sady nanampy anay na tany Ukraine, na tany Hongria, na amin’izao izahay eto Alemaina izao.” Hoatran’ny fitaovana eny an-tanan’i Jehovah ny olona tia mandray vahiny sy manome an’izay ilain’ny mpiara-manompo.—Ohab. 19:17; 2 Kor. 1:3, 4.
Mila ny fanampiantsika ny Kristianina mpitsoa-ponenana (Fehintsoratra 16)
17. Nahoana no iankinan’ny aina ilay hoe miezaka mifankatia hoatran’ny mpirahalahy sy tia mandray vahiny dieny izao?
17 Azo antoka hoe vao mainka isika mila mifanampy be mihoatra noho ny hatramin’izay, rehefa aoriana ao. (Hab. 3:16-18) Dieny izao i Jehovah dia efa mampiofana antsika mba hifankatia hoatran’ny mpirahalahy sy ho tia mandray vahiny. Tena iankinan’ny aintsika mantsy ireo toetra ireo, amin’izay.
INONA NO HITRANGA ATSY HO ATSY?
18. Ahoana no azontsika anahafana ny Kristianina hebreo tamin’ny taonjato voalohany?
18 Asehon’ny tantara hoe nieren-doza ireo Kristianina nitsoaka tany an-tendrombohitra rehefa noravana i Jerosalema. Nandao an’ilay tanàna ry zareo fa i Jehovah tsy nandao an-dry zareo mihitsy. Ary ahoana ny amintsika? Tsy haintsika aloha hoe inona marina no hitranga atsy ho atsy e! Fantatsika anefa ilay fampitandreman’i Jesosy hoe tokony ho vonona hankatò isika. (Lioka 12:40) Efa haintsika koa ilay torohevitr’i Paoly ao amin’ny taratasiny ho an’ny Hebreo. Mbola azontsika ampiharina amin’izao izany, hoatran’ny tamin’ny taonjato voalohany ihany. Eo koa ny toky omen’i Jehovah ny mpanompony tsirairay hoe tsy handao antsika mihitsy izy ary tsy hahafoy antsika. (Heb. 13:5, 6) Enga anie àry isika hitady foana an’ilay tanàna maharitra, izany hoe ny Fanjakan’Andriamanitra, ary hankafy ny fitahiana be dia be hoentin’izy io!—Mat. 25:34.
HIRA 157 Fiadanana Ihany Eran-tany!
a Mpanjaka matetika no nifehy ny tanàna taloha. Azo lazaina hoe fanjakana ihany ny tanàna hoatr’izany.—Gen. 14:2.
b Tamin’ny taona 67 izany no nitranga, taoriana kelin’ny nialan’ny Kristianina tao Jodia sy Jerosalema.
c Azo ilazana ny fitiavana eo amin’ny mpihavana akaiky ilay teny nadika hoe ‘mifankatia hoatran’ny mpirahalahy.’ Nampiasa an’io teny io anefa i Paoly mba hilazana ny fifankatiavana lalina eo amin’ny mpiara-manompo.