LAHATSORATRA FIANARANA 33
HIRA 4 “Jehovah no Mpiandry Ahy”
Matokia hoe Tia Anao i Jehovah
‘Nitaona anao hanatona ahy aho, satria tia anao sy tsy mivadika aminao.’—JER. 31:3.
HEVITRA HODINIHINA
Nahoana isika no mila matoky hoe tia antsika i Jehovah? Inona no hanampy antsika ho resy lahatra kokoa hoe tia antsika izy?
1. Nahoana ianao no nanokan-tena ho an’i Jehovah? (Jereo koa ny sary.)
TSAROANAO ve ny fotoana nanokananao tena ho an’i Jehovah? Nanapa-kevitra hanao an’izany ianao satria lasa nahafantatra azy sy tia azy. Nampanantena azy ianao hoe ny sitrapony no hataonao loha laharana eo amin’ny fiainanao, ary ho tianao amin’ny fonao, tenanao, sainao, ary ny herinao manontolo foana izy. (Mar. 12:30) Nitombo foana ny fitiavanao azy taorian’izay. Dia ahoana rehefa misy manontany ianao hoe: “Tena tia an’i Jehovah ve ianao?” Tsy misalasala mihitsy ianao mamaly hoe: “Tsy misy tiako hoatr’azy.”
Tadidinao ve hoe hoatran’ny ahoana ny fitiavanao an’i Jehovah tamin’ianao nanokan-tena sy natao batisa? (Fehintsoratra 1)
2-3. Inona no tian’i Jehovah hatokisantsika, ary inona no hodinihintsika ato? (Jeremia 31:3)
2 Ahoana anefa raha misy manontany ianao hoe: “Tena tia anao ve i Jehovah?” Hisalasala ve ianao hamaly? Mety hieritreritra ianao hoe tsy mendrika ny hotiavin’i Jehovah. Mafy be, ohatra, ny niainan’ny anabavy iray tamin’ny mbola kely. Hoy izy: “Fantatro hoe tiako i Jehovah. Tsy misalasala ny amin’izany mihitsy aho. Ny mampisalasala ahy matetika dia hoe tia ahy ve i Jehovah.” Inona marina no tsapan’i Jehovah aminao?
3 Tian’i Jehovah ho resy lahatra ianao hoe tia anao izy. (Vakio ny Jeremia 31:3.) I Jehovah no nitaona anao hanatona azy. Tamin’ianao nanokan-tena sy natao batisa, dia lasa tia anao sy tsy mivadika aminao izy. Sarobidy be izany. Midika mantsy izany hoe tena tia be anao izy ary tsy handao anao mihitsy. Io fitiavana io no mahatonga an’i Jehovah hihevitra ny mpanompony ho ‘fananany sarobidy,’ ary tafiditra amin’izany ianao. (Mal. 3:17, f.a.p.) Tiany hatoky hoatran’ny apostoly Paoly ianao hoe tia anao izy. Tsy nisalasala mihitsy i Paoly nanoratra hoe: “Matoky aho fa na fahafatesana, na fiainana, na anjely, na fanjakana, na zavatra amin’izao fotoana izao, na zavatra ho avy, na hery, na ny ambony, na ny ambany, na zavaboary hafa, dia tsy hisy hahavita hampisaraka antsika amin’Andriamanitra ka hahatonga azy tsy ho tia antsika intsony.” (Rom. 8:38, 39) Hodinihintsika ato hoe nahoana isika no tokony hiezaka ny ho resy lahatra kokoa hoe tia antsika i Jehovah, ary inona no hanampy antsika hanao an’izany.
NAHOANA ISIKA NO MILA MATOKY HOE TIA ANTSIKA I JEHOVAH?
4. Ahoana no hiadiana amin’ny iray amin’ny tetik’i Satana?
4 Hahavita hanohitra ny iray amin’ny ‘teti-dratsin’i’ Satana isika raha matoky hoe tia antsika i Jehovah. (Efes. 6:11) Hanao izay ho afany i Satana mba hanakanana antsika tsy hanompo an’i Jehovah. Anisan’ny tetika ratsy indrindra ampiasainy ilay lainga hoe tsy tia antsika i Jehovah. Tadidio hoe mpanararaotra i Satana. Matetika izy no mamely rehefa ilay malemy iny isika. Mety hahakivy antsika ny zava-nitranga taloha, na ny olana atrehintsika amin’izao, na ny fanahiana momba ny hoavy. (Ohab. 24:10) Hoatran’ny liona manararaotra remby tsy mahavita miaro tena i Satana. Rehefa ilay kivy iny isika, dia vao mainka hataony izay hahatonga antsika tsy te hanompo an’i Jehovah intsony. Raha miezaka ny ho resy lahatra kokoa anefa isika hoe tia antsika i Jehovah, dia ho ampy fitaovana kokoa isika mba ‘hanoherana’ an’i Satana sy ny teti-dratsiny.—1 Pet. 5:8, 9; Jak. 4:7.
5. Nahoana isika no mila mahatsapa hoe tian’i Jehovah?
5 Ho akaiky kokoa an’i Jehovah isika raha matoky hoe tia antsika izy. Diniho izao: Mila mampiseho fitiavana sy mahatsapa hoe tiana isika. Nataon’i Jehovah hoatr’izany mihitsy isika rehefa noforoniny. Rehefa misy maneho fitiavana amintsika dia lasa tiantsika ilay olona. Vao mainka àry isika ho tia an’i Jehovah rehefa mahatsapa hoe tia antsika sy miraiki-po amintsika izy. (1 Jaona 4:19) Rehefa mitombo indray ny fitiavantsika azy dia vao mainka izy ho tia antsika. Izany mihitsy ilay lazain’ny Baiboly hoe: “Manatòna an’Andriamanitra, dia hanatona anareo izy.” (Jak. 4:8) Ahoana anefa no hahatonga antsika ho resy lahatra kokoa hoe tia antsika i Jehovah?
INONA NO HANAMPY ANTSIKA HATOKY HOE TIA ANTSIKA I JEHOVAH?
6. Inona no azontsika angatahina amin’ny vavaka raha te hatoky isika hoe tian’i Jehovah?
6 Angataho foana i Jehovah mba hanampy anao hahatakatra hoe tia anao izy. (Lioka 18:1; Rom. 12:12) Mivavaha mba ho hoatran’ny fijerin’i Jehovah anao ny fahitanao ny tenanao. Ataovy imbetsaka isan’andro ny vavaka hoatr’izany raha ilaina. Marina hoe sarotra ny mandresy lahatra ny fo manamelo-tena. Tadidio anefa hoe lehibe noho ny fonao i Jehovah. (1 Jaona 3:19, 20) Izy no mahafantatra anao kokoa noho ny tenanao. Hitany izay zavatra mety tsy ho hitanao. (1 Sam. 16:7; 2 Tan. 6:30) Aza misalasala àry fa “aborahy” aminy ny fihetseham-ponao, ary angataho izy mba hanampy anao hatoky hoe tiany ianao. (Sal. 62:8) Manaova zavatra mifanaraka amin’ilay vavaka nataonao avy eo ka araho ireto soso-kevitra ireto:
7-8. Ahoana no anampian’ny bokin’ny Salamo antsika hatoky hoe tian’i Jehovah isika?
7 Matokia an’izay lazain’i Jehovah. Nomeny ny fanahiny ny mpanoratra Baiboly mba hilaza ny marina momba azy. Eritrereto ny fomba nilazan’i Davida mpanao salamo an’i Jehovah. Hoy izy: “Akaiky an’izay torotoro fo i Jehovah, ary mamonjy an’izay kivy.” (Sal. 34:18) Mety ho manirery be ianao rehefa torotoro fo. Mampanantena anefa i Jehovah hoe amin’ireny mihitsy izy no akaiky anao satria hitany hoe tena mila azy ianao. Hoy koa i Davida any amin’ny salamo hafa: “Angony ao anaty sininao ny ranomasoko.” (Sal. 56:8) Hitan’i Jehovah ianao rehefa miady mafy. Tena miahy anao izy ary hitany ny zavatra iainanao. Sarobidy amin’ny olona mandeha any an-tany efitra ny rano ao anaty siny hoditra. Sarobidy hoatr’izany koa ny ranomasonao amin’i Jehovah, ka hoatran’ny hoe angoniny sy tehiriziny. Hoy ny Salamo 139:3 momba an’i Jehovah: “Hainao tsara ny lalako rehetra.” Hitan’i Jehovah izany ny lalanao rehetra nefa izay tsara ataonao no ifantohany. (Heb. 6:10) Nahoana? Satria sarobidy aminy daholo ny ezaka ataonao mba hampifaliana azy.a
8 Hoatran’ny miteny amintsika i Jehovah amin’ireny andininy mampahery ireny hoe: “Tiako ho tsapanao hoe hoatran’ny ahoana ny fitiavako anao sy ny fiahiako anao.” Efa hitantsika teo anefa fa manely lainga i Satana hoe tsy tia anao i Jehovah. Raha misalasala àry ianao indraindray hoe tia anao i Jehovah sa tsia, dia saintsaino hoe: ‘Iza no inoako: Ilay “rain’ny lainga” sa ilay “Andriamanitry ny fahamarinana”?’—Jaona 8:44; Sal. 31:5.
9. Inona no toky omen’i Jehovah ho an’ny olona tia azy? (Eksodosy 20:5, 6)
9 Saintsaino hoe inona no tsapan’i Jehovah amin’ny olona tia azy. Jereo ilay tenin’i Jehovah tamin’i Mosesy sy ny Israelita. (Vakio ny Eksodosy 20:5, 6 sy ny fanamarihana ambany pejy.) Mampanantena izy hoe ho tiany foana sy tsy hivadihany mihitsy izay tia azy. Manome toky antsika izany hoe tsy mivadika ilay Andriamanitsika, ka rehefa tia azy ny mpanompony dia ho tiany foana. (Neh. 1:5) Rehefa te hatoky àry ianao hoe tia anao i Jehovah dia makà fotoana hisaintsainana hoe: ‘Izaho ve tia an’i Jehovah?’ Raha tia azy ianao sady manao an’izay azonao atao mba hampifaliana azy, dia matokia hoe tena tia anao izy. (Dan. 9:4; 1 Kor. 8:3) Raha tsy misalasala àry ianao hoe tia an’i Jehovah dia tsy misy antony hisalasalanao mihitsy hoe tia anao izy. Azo antoka tanteraka hoe tia anao sy tsy mivadika aminao izy.
10-11. Ahoana no tian’i Jehovah hiheveranao ny vidim-panavotana? (Galatianina 2:20)
10 Saintsaino ny vidim-panavotana. Ny sorom-panavotan’i Jesosy Kristy no fanomezana lehibe indrindra nataon’i Jehovah ho an’ny olombelona. (Jaona 3:16) Fanomezana ho anao manokana koa anefa ilay izy. Eritrereto ange ny apostoly Paoly e! Izy izao nanao fahotana lehibe maromaro tamin’ny mbola tsy kristianina, ary mbola nila niady tamin’ny tsy fahalavorariany foana izy taorian’izay. (Rom. 7:24, 25; 1 Tim. 1:12-14) Na izany aza, dia lasa noraisiny hoe fanomezana nataon’i Jehovah ho azy ny vidim-panavotana. (Vakio ny Galatianina 2:20.) Tadidio hoe nomen’i Jehovah fanahy masina i Paoly mba hanoratra an’ireo teny ireo, ary natao hampianarana antsika daholo izay voalaza ao amin’ny Baiboly. (Rom. 15:4) Ireo tenin’i Paoly ireo no ahitana hoe ahoana no tian’i Jehovah hiheveranao ny vidim-panavotana. Tiany horaisinao hoe fanomezany ho anao ilay izy. Vao mainka ianao ho resy lahatra hoe tia anao i Jehovah rehefa hoatr’izany no fiheveranao ny vidim-panavotana.
11 Misaotra an’i Jehovah isika satria nirahiny ho etỳ an-tany i Jesosy mba ho faty ho antsika. Misy antony hafa koa nandehanan’i Jesosy tetỳ: Hilaza amin’ny olona ny marina momba an’Andriamanitra. (Jaona 18:37) Tafiditra amin’izany ny fomba fiheveran’i Jehovah ny zanany.
AMPIAN’I JESOSY HATOKY ISIKA HOE TIA ANTSIKA I JEHOVAH
12. Nahoana isika no afaka mino an’izay nolazain’i Jesosy momba an’i Jehovah?
12 Tian’i Jesosy ny niresaka momba an’i Jehovah, tamin’izy tetỳ an-tany. (Lioka 10:22) Azo antoka izay nolazain’i Jesosy momba Azy satria efa niaraka tamin’i Jehovah ela be tany an-danitra izy, talohan’ny nahatongavany tetỳ an-tany. (Kol. 1:15) Rehefa nandinika an’i Jehovah izy dia fantany tsara hoe hoatran’ny ahoana ny fitiavany ny zanany tsy mivadika. Izy mihitsy koa no efa nahatsapa ny fitiavan’i Jehovah. Ahoana no anampian’i Jesosy ny olon-kafa hatoky hoe tia an-dry zareo Andriamanitra?
13. Ahoana no tian’i Jesosy hiheverantsika an’i Jehovah?
13 Tian’i Jesosy hitovy amin’ny azy ny fiheverantsika an’i Jehovah. In-160 mahery i Jesosy no niantso an’i Jehovah hoe “Ray” ao amin’ny Filazantsara. Rehefa niresaka tamin’ny mpanara-dia azy, ohatra, izy dia nampiasa teny hoe “Rainareo” na hoe “Rainareo any an-danitra.” (Mat. 6:8, 26) Niantso an’i Jehovah hoe ‘Mahery Indrindra’, ‘Avo Indrindra’, ary ‘Mpamorona Be Voninahitra’ ny mpanompony fahiny. Rehefa nampiasa matetika an’ilay teny tsotra sy mahazatra hoe ‘Ray’ anefa i Jesosy, dia asongadin’izany hoe akaikin’ny mpanompony Andriamanitra. Hita mihitsy hoe tian’i Jesosy ho hoatran’ny azy ny fiheverantsika an’i Jehovah, izany hoe Ray be fitiavana tia antsika zanany. Andao isika handinika ohatra roa amin’ny fomba nampiasan’i Jesosy an’ilay hoe “Ray.”
14. Ahoana no nampisehoan’i Jesosy hoe sarobidy amin’ilay Raintsika any an-danitra isika tsirairay? (Matio 10:29-31) (Jereo koa ny sary.)
14 Voalohany, diniho ny tenin’i Jesosy ao amin’ny Matio 10:29-31. (Vakio.) Voronkely tsy ho afaka ny hitia na hanompo an’i Jehovah mihitsy ny fody. Sarobidy amin’ilay Raintsika anefa ny fody iray matoa voamariny rehefa latsaka amin’ny tany. Mbola sarobidy lavitra noho izany ny fiheveran’i Jehovah ny mpanompony tsy mivadika tsirairay, izay tia sy manompo azy. Hoy koa i Jesosy: “Na ny volon-dohanareo aza dia voaisa daholo.” Raha ny tsipiriany madinika hoatr’izany aza fantatr’i Jehovah, dia azo antoka hoe tena mahaliana azy izay mitranga amintsika tsirairay. Tena tian’i Jesosy hatoky izany isika hoe sarobidy amin’ilay Raintsika any an-danitra isika tsirairay!
Sarobidy amin’i Jehovah ny fody iray matoa voamariny rehefa milatsaka amin’ny tany. Tsy sarobidy lavitra noho izany ve no fahitany anao? Mpanompony tsy mivadika mantsy ianao sady tia azy! (Fehintsoratra 14)
15. Inona no ianaranao avy amin’ilay tenin’i Jesosy ao amin’ny Jaona 6:44 momba an’ilay Rainao?
15 Jereo indray ny ohatra faharoa nampiasan’i Jesosy an’ilay hoe “Ray.” (Vakio ny Jaona 6:44.) Ilay Rainao any an-danitra no nitaona anao ho amin’ny fahamarinana, izany hoe nitarika anao tsimoramora. Hitany mantsy hoe nanana toe-po tsara ianao. (Asa. 13:48) Rehefa nilaza ny teniny ao amin’ny Jaona 6:44 i Jesosy, dia mety ho ilay tenin’i Jehovah ao amin’ny Jeremia 31:3 no tao an-tsainy. Nilaza tamin’ny mpanompony i Jehovah tao hoe: ‘Nitaona anao hanatona ahy aho, satria tia anao sy tsy mivadika aminao.’ (Ampitahao amin’ny Hosea 11:4.) Saintsaino ange e! Mbola hitan’ilay Raintsika any an-danitra foana izay tsara ao aminao na dia mety tsy ho hitanao aza.
16. a) Inona no tian’i Jesosy holazaina amintsika, ary nahoana isika no tokony hino azy? b) Inona no hanampy anao ho resy lahatra kokoa hoe i Jehovah ilay Ray ilainao? (Jereo ilay hoe “Ilay Ray Ilaintsika Rehetra.”)
16 Rehefa mihevitra an’i Jehovah ho Raintsika i Jesosy, dia te hilaza amintsika izy hoe: “Tsy Raiko irery i Jehovah fa Rainareo koa. Matokia hoe tena tia anareo izy dia mahaliana azy ianareo tsirairay.” Raha misy fotoana àry ianao misalasala hoe tia anao i Jehovah sa tsia, dia saintsaino hoe: ‘Izaho ve dia tsy hatoky an’ilay Zanaka tena mahalala an’ilay Raintsika sy milaza ny marina foana?’—1 Pet. 2:22.
ATAOVY FOANA IZAY HAHARESY LAHATRA ANAO HOE TIAN’I JEHOVAH IANAO
17. Nahoana isika no tsy maintsy miezaka ny ho resy lahatra foana hoe tia antsika i Jehovah?
17 Mila miezaka ny ho resy lahatra foana isika hoe tia antsika i Jehovah. Tadidio hoe hanao an’izay ho afany i Satana mba tsy hanompoantsika an’i Jehovah intsony. Ataony foana izay tsy hatokisantsika hoe tia antsika Andriamanitra, amin’izay isika ho kivy. Aza avela handresy mihitsy i Satana!—Joba 27:5.
18. Inona no hanampy anao hatoky kokoa hoe tia anao i Jehovah?
18 Inona no hanampy anao hatoky kokoa hoe tia anao i Jehovah? Mivavaha foana mba hitovy amin’ny fahitany anao ny fiheveranao ny tenanao. Saintsaino ny fomba nilazan’ny mpanoratra Baiboly hoe tsara fanahy sy be fitiavana i Jehovah. Tadidio hoe valiny fitiavana foana ny olona tia azy. Saintsaino hoe nahoana ianao no afaka mihevitra ny vidim-panavotana hoe fanomezana ho anao. Matokia koa hoe Rainao any an-danitra i Jehovah, araka ny tenin’i Jesosy. Raha misy manontany àry ianao hoe: “Tena tia anao ve i Jehovah?” dia tsy hisalasala mihitsy ianao hamaly hoe: “Ie, tiany aho! Izaho koa manao izay azoko atao isan’andro mba hampisehoako hoe tiako izy!”
HIRA 154 Tia Anao Foana
a Misy andinin-teny hafa manome toky antsika momba ny fitiavan’i Jehovah ao amin’ilay boky hoe Andinin-teny Manampy Amin’ny Fiainantsika Kristianina, eo ambanin’ilay hoe “Mihevi-tena ho tsy misy dikany.”