FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2026)
Hiala
Hiditra
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tonga soa.
Fitaovana natao hikarohana ao amin'ireo boky amin’ny fiteny samihafa navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah izy ity.
Jereo ao amin'ny jw.org raha te haka boky.
Fampandrenesana
Fiteny vaovao misy: Betsimisaraka (Northern), Betsimisaraka (Southern), Konkomba, Matses, Mi'kmaq
  • Androany

Zoma 10 Oktobra

Ny fahatahorana an’i Jehovah no fiandohan’ny fahendrena.​—Ohab. 9:10.

Inona no tokony hataontsika Kristianina raha misy sary vetaveta mipoitra ao amin’ny fitaovana elektronika ampiasaintsika? Tonga dia tsy mijery an’ilay izy isika! Hahavita an’izany isika raha mitadidy hoe ny fifandraisantsika amin’i Jehovah no sarobidy indrindra amintsika. Fa ahoana raha tsy tena sary vetaveta ilay izy, nefa manaitaitra ny faniriana hanao firaisana ihany? Mbola tsy tokony hijery an’ireny koa ve isika? Ie, satria na zavatra kely mahatonga antsika hanitsakitsa-bady ao am-pontsika aza, dia efa tsy tiantsika hatao. (Mat. 5:28, 29) Izao no nolazain’i David, anti-panahy any Tailandy: “Manampy ahy hanapa-kevitra tsara ny mieritreritra hoe: ‘Na tsy vetaveta aza ilay sary, dia ho faly ve i Jehovah raha manohy mijery an’ilay izy aho?’” Ho hendry isika rehefa manao zavatra, raha miezaka mba hatahotra sao tsy hampifaly an’i Jehovah. Ny fahatahorana an’i Jehovah mantsy no ‘fiandohana’ na fototry ny “fahendrena.” w23.06 28:12-13

Fandinihana ny Soratra Masina Isan’andro—2025

Asabotsy 11 Oktobra

Mandehana miditra ao amin’ny efitranonareo anatiny, ry vahoakako.​—Isaia 26:20.

Mety ho ny fiangonantsika no tiana holazaina amin’ilay hoe ‘efitrano anatiny’ eo. Harovan’i Jehovah isika mandritra ny fahoriana lehibe, araka ny efa nampanantenainy, raha miray saina amin’ny mpiara-manompo foana. Tsy maintsy miezaka mafy àry isika dieny izao mba ho tia an’ireny rahalahy sy anabavintsika ireny, fa tsy hoe hizaka ny toetra ratsiny fotsiny. Mety hiankina amin’izany no hahatafavoaka velona antsika! Hitondra fahoriana ho an’ny olombelona “ny andro lehiben’i Jehovah.” (Zef. 1:14, 15) Hiatrika zava-tsarotra koa ny vahoakan’i Jehovah. Raha izao anefa isika dia efa miomana, dia hahavita ho tony foana sy hanampy ny hafa. Hiaritra an’izay olana rehetra mitranga isika. Rehefa mijaly ny mpiara-manompo amintsika, dia hanao izay fara herintsika isika mba hanampiana an-dry zareo, ka hangoraka azy sy hanome izay ilainy. Tsy hahafoy an’ireo rahalahy sy anabavintsika koa isika, satria efa lasa tiantsika kokoa ry zareo. Hamaly soa antsika i Jehovah amin’izay, ka hanome antsika fiainana mandrakizay. Tsy hotsaroana intsony amin’izay ny loza sy ny fahoriana rehetra.​—Isaia 65:17. w23.07 29:16-17

Fandinihana ny Soratra Masina Isan’andro—2025

Alahady 12 Oktobra

Hanampy anareo ho mafy orina [i Jehovah], sady hanatanjaka anareo, ary hataony mifototra tsara ianareo.​—1 Pet. 5:10.

Matetika ny olona manam-pinoana no lazain’ny Tenin’Andriamanitra hoe matanjaka. Na ny matanjaka indrindra amin’izy ireny aza anefa nahatsapa hoe tsy matanjaka indraindray. Nisy fotoana, ohatra, i Davida Mpanjaka nahatsapa hoe “mafy orina toy ny tendrombohitra”, nefa nisy fotoana koa izy “nihorohoro.” (Sal. 30:7) Niavaka ny herin’i Samsona rehefa niasa taminy ny fanahin’Andriamanitra. Niaiky koa anefa izy hoe “halemy, ary ho lasa hoatran’ny olon-drehetra ihany”, rehefa tsy eo intsony io hery avy amin’Andriamanitra io. (Mpits. 14:5, 6; 16:17) Rehefa nomen’i Jehovah hery ihany àry ireny lehilahy nanam-pinoana ireny vao natanjaka. Niaiky ny apostoly Paoly hoe nila hery avy amin’i Jehovah koa izy. (2 Kor. 12:9, 10) Fa maninona? Tsy salama izy. (Gal. 4:13, 14) Nisy fotoana koa mafy taminy ny nanao ny tsara. (Rom. 7:18, 19) Indraindray izy nanahy be, ary tsy fantany izay hitranga aminy. (2 Kor. 1:8, 9) Na nalemy aza anefa i Paoly, dia lasa nahery. Nahoana? Nomen’i Jehovah ny hery nilainy izy. Nanatanjaka azy i Jehovah. w23.10 43:1-2

Fandinihana ny Soratra Masina Isan’andro—2025
Tonga soa.
Fitaovana natao hikarohana ao amin'ireo boky amin’ny fiteny samihafa navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah izy ity.
Jereo ao amin'ny jw.org raha te haka boky.
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara