Oktobra
Alarobia 1 Oktobra
Ny fahendrena avy any ambony ... dia ... vonona hankatò.—Jak. 3:17.
Sarotra aminao ve ny mankatò indraindray? Hoatr’izany i Davida Mpanjaka, dia nivavaka tamin’Andriamanitra izy hoe: “Ataovy izay hahatonga ahy haniry hankatò anao.” (Sal. 51:12) Tia an’i Jehovah i Davida. Na izany aza, dia sarotra taminy ny nankatò indraindray, hoatr’antsika ihany. Fa maninona? Voalohany, satria anisan’ny toetra nolovantsika ilay hoe tsy mora mankatò. Faharoa, miezaka foana i Satana mba hitarika antsika hikomy hoatr’azy. (2 Kor. 11:3) Fahatelo, olona manana toe-tsaina tia mikomy no manodidina antsika, izany hoe “toe-tsaina manjaka amin’izao ao amin’ny zanaky ny tsy fankatoavana.” (Efes. 2:2) Tsy maintsy miezaka mafy àry isika mba tsy ho resin’ny fakam-panahy hanota, sy mba tsy hotaomin’ny Devoly sy izao tontolo izao tsy hankatò koa. Tsy maintsy manao izay fara herintsika isika mba hankatoavana an’i Jehovah sy izay nomeny fahefana. w23.10 42:1
Alakamisy 2 Oktobra
Ny divay tsara no notehirizinao hatramin’izao.—Jaona 2:10.
Inona no ianarantsika avy amin’ilay fahagagana nataon’i Jesosy tamin’izy nanova ny rano ho divay? Hoe ilaina ny manetry tena. Tsy nirehareha tamin’ny fahagagana nataony i Jesosy. Raha ny marina aza, dia tsy mba dedadedaka tamin’ny zava-bitany mihitsy izy. Nanetry tena kosa izy, ka ny Rainy foana no nomeny ny dera sy voninahitra rehetra. (Jaona 5:19, 30; 8:28) Raha manetry tena hoatran’i Jesosy isika, dia tsy hidera tena amin’izay zava-bitantsika. Aleo mirehareha amin’ilay Andriamanitra miavaka tompointsika, toy izay mirehareha amin’ny tenantsika. (Jer. 9:23, 24) Andao àry izy no hoderaintsika, satria mendrika an’izany izy. Inona koa moa no ho vitantsika eo raha tsy eo izy? (1 Kor. 1:26-31) Raha manetry tena isika, dia tsy hitady dera amin’ny zavatra tsara nataontsika ho an’ny hafa. Efa afa-po isika mahafantatra hoe hitan’i Jehovah sy sarobidy aminy izay ataontsika. (Ampitahao amin’ny Matio 6:2-4; Heb. 13:16) Azo antoka fa mampifaly an’i Jehovah isika rehefa manetry tena hoatran’i Jesosy.—1 Pet. 5:6. w23.04 15:9, 11-12
Zoma 3 Oktobra
Aza mitady izay hahasoa ny tenanareo fotsiny, fa izay hahasoa ny hafa koa.—Fil. 2:4.
Nahazo fanahy masina ny apostoly Paoly, ka nampirisika ny Kristianina mba hitady izay hahasoa ny hafa. Ahoana no ampiharantsika an’izany mandritra ny fivoriana? Tadidio hoe mba te hamaly hoatr’antsika koa ry zareo. Saintsaino izao: Mibodo resaka ve ianao rehefa miaraka amin’ny namanao ka tsy misy handaharana mihitsy? Mazava ho azy fa tsia! Tianao raha mba mandray anjara amin’ilay resaka koa ry zareo. Hoatr’izany koa mandritra ny fivoriana. Tiantsika raha betsaka araka izay azo atao no mamaly. Avelantsika hanambara ny finoany ry zareo. Izany mantsy no anisan’ny fomba tsara indrindra hampaherezantsika ny rahalahy sy anabavintsika. (1 Kor. 10:24) Ataovy fohy ny valin-teninao mba ho betsaka kokoa no afaka mamaly. Na fohy aza ny valin-teninao, dia aza miresaka hevitra be loatra. Raha resahinao daholo mantsy ny hevitra ao amin’ilay fehintsoratra, dia inona intsony no horesahin’ny hafa? w23.04 18:11-13
Asabotsy 4 Oktobra
Ataoko noho ny vaovao tsara ny zava-drehetra, mba hitoriako azy io amin’ny hafa.—1 Kor. 9:23.
Tsy maintsy tadidintsika hoe tena ilaina ny manohy manampy ny hafa, indrindra amin’ny alalan’ny fanompoana. Mila mahay mampifanaraka ny fitoriantsika amin’izay mitranga eny amin’ny fanompoana isika. Mihaona amin’ny olona samihafa finoana sy toe-tsaina ary fiaviana mantsy isika eny. Nahay nampifanaraka ny fitoriany tamin’ny zava-misy, ohatra, ny apostoly Paoly ary afaka mianatra avy aminy isika. Notendren’i Jesosy ho “apostoly ho an’ny hafa firenena” izy. (Rom. 11:13) Izany no nahatonga an’i Paoly hitory tamin’ny Jiosy, Grika, avara-pianarana, tantsaha, olona ambony, ary mpanjaka. Inona no nanampy an’i Paoly hanohina ny fon’ny olona isan-karazany hoatr’izany? Niezaka ny ho “lasa zava-drehetra tamin’ny karazan’olona rehetra” izy. (1 Kor. 9:19-22) Nodinihiny tsara ny kolontsaina sy ny fiaviana ary ny finoan’ny olona nihaino azy, dia nampifanarahiny tamin’izany ny zavatra nolazainy. Handaitra kokoa hoatr’izany ny fitoriantsika raha mahay mitady hevitra isika, sady ampifanarahintsika amin’izay ilain’ny olona ny zavatra resahintsika. w23.07 32:11-12
Alahady 5 Oktobra
Tsy tokony hiady ... ny mpanompon’ny Tompo, fa halemy fanahy amin’ny rehetra kosa.—2 Tim. 2:24.
Tsy hoe tsy manana hazondamosina akory ny olona malemy fanahy. Mila herin-tsaina ianao vao hahavita ho tony rehefa ao anatin’ny sarotra. Anisan’ny “vokatry ny fanahy” ny fahalemem-panahy. (Gal. 5:22, 23) Nilazana soavalidia efa voafolaka ilay teny grika nadika hoe ‘malemy fanahy’ indraindray. Eritrereto hoe mahita soavalidia tsy mitrifatrifana intsony ianao, fa lasa tony. Tony izy fa mbola matanjaka ihany! Inona àry no hanampy antsika halemy fanahy, nefa koa hatanjaka? Tsy ho vitantsika irery izany! Tena ilaina ny mivavaka mba hahazoana ny fanahin’Andriamanitra. Angataho izy hanampy anao hanana an’io toetra tsara io. Betsaka no nahavita an’izany. Be dia be ny Vavolombelon’i Jehovah nalemy fanahy rehefa nisy nanohitra, dia lasa hitan’ny olona hoe mahafinaritra isika.—2 Tim. 2:24, 25. w23.09 39:3
Alatsinainy 6 Oktobra
[Nivavaka aho], dia nomen’i Jehovah ahy izay nangatahiko taminy.—1 Sam. 1:27.
Nahazo fahitana mahavariana ny apostoly Jaona. Nahita anti-panahy 24 tany an-danitra izy. Nivavaka tamin’i Jehovah ry zareo. Nidera an’Andriamanitra ireo anti-panahy ireo, ary nilaza fa mendrika ny homena “voninahitra sy haja ary hery” izy. (Apok. 4:10, 11) Manana antony be dia be hiderana sy hanomezana voninahitra an’i Jehovah koa ny anjely tsy mivadika. Any an-danitra miaraka aminy mantsy ry zareo, ary efa mahafantatra azy tsara. Mahita ny toetra tsarany ry zareo sady lasa te hidera azy rehefa mandinika an’izay ataony. (Joba 38:4-7) Tokony hidera an’i Jehovah koa isika rehefa mivavaka, izany hoe hilaza aminy an’izay itiavantsika azy sy izay ankasitrahantsika momba azy. Rehefa mamaky sy mianatra Baiboly ianao, dia ezaho karohina izay toetran’i Jehovah tena manintona anao. (Joba 37:23; Rom. 11:33) Lazao aminy avy eo izay tsapanao momba an’ireny toetrany ireny. Afaka midera an’i Jehovah koa isika noho izy manampy antsika sy ny mpiara-manompo amintsika maneran-tany.—1 Sam. 2:1, 2. w23.05 20:6-7
Talata 7 Oktobra
[Aoka] hanome voninahitra an’i Jehovah ny fitondran-tenanareo.—Kol. 1:10.
Tsy afaka nifehy ny vahoakan’Andriamanitra intsony i Babylona Lehibe, tamin’ny 1919. Tamin’io mantsy no nanomboka nisy ny “mpanompo mendri-pitokisana sy malina.” (Mat. 24:45-47; Isaia 35:8) Ara-potoana tsara izany satria handray an’ireo olona tso-po handeha amin’ilay lalana vao nisokatra ry zareo, izany hoe ilay “Lalan’ny Fahamasinana.” Soa ihany fa nisy olona tsy nivadika efa nanomana an’ilay lalana taloha, dia lasa afaka nahafantatra kokoa momba ny fikasan’i Jehovah ireo nanomboka nandeha tamin’io lalambe io. (Ohab. 4:18) Lasa afaka nampifanaraka ny fiainany tamin’izay notakin’i Jehovah koa ry zareo. Tsy nanantena anefa izy hoe hahavita hanova ny zava-drehetra indray mandeha ny vahoakany. Nodioviny tsikelikely kosa ry zareo rehefa nandeha ny fotoana. Ho sambatra erỳ isika rehefa mahavita mampifaly an’ilay Andriamanitsika amin’ny zava-drehetra ataontsika! Mila kojakojaina matetika ny lalana. Hoatr’izany koa ilay “Lalan’ny Fahamasinana.” Nohatsaraina foana izy io nanomboka tamin’ny 1919, amin’izay betsaka kokoa ny olona afaka miala ao amin’i Babylona Lehibe. w23.05 22:15-16
Alarobia 8 Oktobra
Tsy handao anao mihitsy aho.—Heb. 13:5.
Ny Filan-kevi-pitantanana mihitsy no mampiofana an’ireo mpanampy azy amin’ireo komity isan-karazany iandraiketany. Miantsoroka andraikitra mavesatra ireny mpanampy ny Filan-kevi-pitantanana ireny amin’izao, nefa vitany tsara ilay izy. Vonona tsara hanohy hikarakara ny ondrin’i Kristy ry zareo. Rehefa hakarina any an-danitra ny voahosotra farany amin’ny faramparan’ny fahoriana lehibe, dia mbola hisy foana ny fivavahana madio eto an-tany. Noho i Jesosy Kristy mitarika an-dry zareo, dia tsy hisy mpanompon’Andriamanitra hahatsapa hoe very. Marina hoe hanafika antsika ny firenena maromaro mitambatra antsoina hoe Goga avy any Magoga amin’izay fotoana izay. (Ezek. 38:18-20) Ho vetivety ihany anefa izany sady tsy hahomby, ary tsy hahasakana ny vahoakan’Andriamanitra tsy hanompo an’i Jehovah. Tena hamonjy an-dry zareo mantsy izy! Rehefa nahazo fahitana i Jaona, dia nahita “vahoaka be” anisan’ny ondry hafan’i Kristy. Nolazaina taminy hoe “avy tamin’ny fahoriana lehibe” io “vahoaka be” io. (Apok. 7:9, 14) Ho voaro àry ry zareo! w24.02 5:13-14
Alakamisy 9 Oktobra
Aza vonoina ny afon’ny fanahy.—1 Tes. 5:19.
Inona no azontsika atao mba hahazoana ny fanahy masina? Afaka mangataka azy io amin’ny vavaka isika, mianatra ny Tenin’Andriamanitra nomeny tamin’ny alalan’ny fanahiny, ary miaraka amin’ilay fandaminana tarihin’io fanahy io. Hanana “ny vokatry ny fanahy” isika raha manao an’ireo. (Gal. 5:22, 23) Izay madio saina foana sy tsara fitondran-tena ihany mantsy no omeny azy io. Tsy omeny ny fanahiny intsony isika, raha manana eritreri-dratsy sy manatanteraka an’izany. (1 Tes. 4:7, 8) Tsy tokony ‘hanao tsinontsinona ny faminaniana’ koa isika, raha te hahazo fanahy masina foana. (1 Tes. 5:20) Ny hafatra avy amin’ny fanahin’Andriamanitra ilay hoe “faminaniana” eto, anisan’izany ny momba ny andron’i Jehovah sy ilay hoe efa akaiky ny farany. Tsy hahemotsika ao an-tsaina io andro io, ka hieritreritra isika hoe tsy ho tonga amin’ny androntsika ny Aramagedona. Ataontsika an-tsaina foana kosa izy io. Ahoana no anaovantsika an’izany? Miezaka manana fitondran-tena tsara foana isika, ary ‘mahafoy tena ho an’Andriamanitra.’—2 Pet. 3:11, 12. w23.06 26:13-14
Zoma 10 Oktobra
Ny fahatahorana an’i Jehovah no fiandohan’ny fahendrena.—Ohab. 9:10.
Inona no tokony hataontsika Kristianina raha misy sary vetaveta mipoitra ao amin’ny fitaovana elektronika ampiasaintsika? Tonga dia tsy mijery an’ilay izy isika! Hahavita an’izany isika raha mitadidy hoe ny fifandraisantsika amin’i Jehovah no sarobidy indrindra amintsika. Fa ahoana raha tsy tena sary vetaveta ilay izy, nefa manaitaitra ny faniriana hanao firaisana ihany? Mbola tsy tokony hijery an’ireny koa ve isika? Ie, satria na zavatra kely mahatonga antsika hanitsakitsa-bady ao am-pontsika aza, dia efa tsy tiantsika hatao. (Mat. 5:28, 29) Izao no nolazain’i David, anti-panahy any Tailandy: “Manampy ahy hanapa-kevitra tsara ny mieritreritra hoe: ‘Na tsy vetaveta aza ilay sary, dia ho faly ve i Jehovah raha manohy mijery an’ilay izy aho?’” Ho hendry isika rehefa manao zavatra, raha miezaka mba hatahotra sao tsy hampifaly an’i Jehovah. Ny fahatahorana an’i Jehovah mantsy no ‘fiandohana’ na fototry ny “fahendrena.” w23.06 28:12-13
Asabotsy 11 Oktobra
Mandehana miditra ao amin’ny efitranonareo anatiny, ry vahoakako.—Isaia 26:20.
Mety ho ny fiangonantsika no tiana holazaina amin’ilay hoe ‘efitrano anatiny’ eo. Harovan’i Jehovah isika mandritra ny fahoriana lehibe, araka ny efa nampanantenainy, raha miray saina amin’ny mpiara-manompo foana. Tsy maintsy miezaka mafy àry isika dieny izao mba ho tia an’ireny rahalahy sy anabavintsika ireny, fa tsy hoe hizaka ny toetra ratsiny fotsiny. Mety hiankina amin’izany no hahatafavoaka velona antsika! Hitondra fahoriana ho an’ny olombelona “ny andro lehiben’i Jehovah.” (Zef. 1:14, 15) Hiatrika zava-tsarotra koa ny vahoakan’i Jehovah. Raha izao anefa isika dia efa miomana, dia hahavita ho tony foana sy hanampy ny hafa. Hiaritra an’izay olana rehetra mitranga isika. Rehefa mijaly ny mpiara-manompo amintsika, dia hanao izay fara herintsika isika mba hanampiana an-dry zareo, ka hangoraka azy sy hanome izay ilainy. Tsy hahafoy an’ireo rahalahy sy anabavintsika koa isika, satria efa lasa tiantsika kokoa ry zareo. Hamaly soa antsika i Jehovah amin’izay, ka hanome antsika fiainana mandrakizay. Tsy hotsaroana intsony amin’izay ny loza sy ny fahoriana rehetra.—Isaia 65:17. w23.07 29:16-17
Alahady 12 Oktobra
Hanampy anareo ho mafy orina [i Jehovah], sady hanatanjaka anareo, ary hataony mifototra tsara ianareo.—1 Pet. 5:10.
Matetika ny olona manam-pinoana no lazain’ny Tenin’Andriamanitra hoe matanjaka. Na ny matanjaka indrindra amin’izy ireny aza anefa nahatsapa hoe tsy matanjaka indraindray. Nisy fotoana, ohatra, i Davida Mpanjaka nahatsapa hoe “mafy orina toy ny tendrombohitra”, nefa nisy fotoana koa izy “nihorohoro.” (Sal. 30:7) Niavaka ny herin’i Samsona rehefa niasa taminy ny fanahin’Andriamanitra. Niaiky koa anefa izy hoe “halemy, ary ho lasa hoatran’ny olon-drehetra ihany”, rehefa tsy eo intsony io hery avy amin’Andriamanitra io. (Mpits. 14:5, 6; 16:17) Rehefa nomen’i Jehovah hery ihany àry ireny lehilahy nanam-pinoana ireny vao natanjaka. Niaiky ny apostoly Paoly hoe nila hery avy amin’i Jehovah koa izy. (2 Kor. 12:9, 10) Fa maninona? Tsy salama izy. (Gal. 4:13, 14) Nisy fotoana koa mafy taminy ny nanao ny tsara. (Rom. 7:18, 19) Indraindray izy nanahy be, ary tsy fantany izay hitranga aminy. (2 Kor. 1:8, 9) Na nalemy aza anefa i Paoly, dia lasa nahery. Nahoana? Nomen’i Jehovah ny hery nilainy izy. Nanatanjaka azy i Jehovah. w23.10 43:1-2
Alatsinainy 13 Oktobra
I Jehovah ... mijery ny fo.—1 Sam. 16:7.
Raha mahatsiaro ho tsy misy vidiny ianao indraindray, dia tadidio fa i Jehovah mihitsy no nitaona anao hanatona azy. (Jaona 6:44) Mahita zavatra tsara ao aminao izy, na dia tsy mahita an’ilay izy aza ianao. Fantany ny ao am-ponao. (2 Tan. 6:30) Raha miteny àry izy hoe sarobidy ianao, dia ianao indray ve no hisalasala? (1 Jaona 3:19, 20) Mety mbola hahatsiaro tena ho meloka foana ny sasany amintsika, noho izay nataontsika talohan’ny nianarana ny fahamarinana. (1 Pet. 4:3) Na ny Kristianina tsy mivadika aza mbola miady amin’ny fahalemeny ihany. Manameloka anao ve ny fonao? Raha izany, dia hampahery anao ny mahafantatra hoe na ny mpanompon’i Jehovah tsy nivadika aza nanana fihetseham-po hoatr’izany koa. Nalahelo be, ohatra, ny apostoly Paoly rehefa nisaintsaina ny fahalemeny. (Rom. 7:24) Mazava ho azy fa efa nibebaka tamin’ny fahotany izy ary natao batisa. Mbola nilaza foana anefa izy hoe izy no “kely indrindra amin’ny apostoly” ary “lohany” amin’ny mpanota.—1 Kor. 15:9; 1 Tim. 1:15. w24.03 13:5-6
Talata 14 Oktobra
Nafoin’izy ireo ny tranon’i Jehovah.—2 Tan. 24:18.
Misy lesona iray azontsika ianarana avy amin’ny fanapahan-kevitra ratsy noraisin’i Joasy Mpanjaka. Inona izany? Hoe namana hanampy antsika hanao ny tsara no mila fidintsika, izany hoe namana tia an’i Jehovah sy te hampifaly azy. Tsy voatery hoe izay mitovy taona aminao ihany no azonao atao namana. Tadidio fa zokin’i Joasy lavitra be i Joiada, nefa ry zareo mpinamana. Ary ny namanao? Eritrereto izao: ‘Manampy ahy hino kokoa an’i Jehovah ve ry zareo? Mampirisika ahy hanaraka ny fitsipik’Andriamanitra ve ry zareo? Ry zareo ve miresaka momba an’i Jehovah sy ny fahamarinana sarobidy? Asehony ve hoe manaja ny fitsipik’Andriamanitra izy? Izay tiako ho heno ihany ve no teneniny, sa izy sahy manitsy ahy rehefa manao ny tsy mety aho?’ (Ohab. 27:5, 6, 17) Raha tsorina aloha, dia tsy misy ilanao an’ireo namanao ireo raha tsy tia an’i Jehovah ry zareo. Fa raha tia an’i Jehovah kosa ny namanao, dia aza avotsotra mihitsy! Hanampy anao foana mantsy ny namana hoatr’izany.—Ohab. 13:20. w23.09 38:6-7
Alarobia 15 Oktobra
Izaho no Alfa sy Omega.—Apok. 1:8.
Alfa no voalohany amin’ny abidy grika, ary omega no farany. Inona àry no tian’i Jehovah holazaina tamin’ilay hoe izy no “Alfa sy Omega”? Hoe rehefa manomboka zavatra iray izy, dia vitainy hatramin’ny farany izany. Rehefa avy namorona an’i Adama sy Eva i Jehovah, dia niteny tamin’izy mivady hoe: “Miteraha maro, dia mihabetsaha ka mamenoa ny tany. Anjakao ny tany.” (Gen. 1:28) Hoatran’ny nilaza i Jehovah tamin’izay hoe “Alfa.” Noteneniny mazava tsara mantsy ny fikasany hoe: Hisy olombelona lavorary sy mankatò taranak’i Adama sy Eva hameno ny tany, ary hanova azy io ho Paradisa. Rehefa tonga izay fotoana izay, dia hoatran’ny hilaza indray i Jehovah hoe “Omega.” Nanome antoka ny amin’izany izy, taorian’ny namoronany “ny lanitra sy ny tany ary ny zava-drehetra eo aminy.” Nanome antoka izy fa ho tanteraka an-tsakany sy an-davany izay nokasainy momba ny olombelona sy ny tany amin’ny faran’ny andro fahafito.—Gen. 2:1-3. w23.11 46:13-14
Alakamisy 16 Oktobra
Omano ny lalana halehan’i Jehovah! Manaova lalambe mahitsy mamakivaky ny tany karakaina, mba handehanan’ilay Andriamanitsika.—Isaia 40:3.
Sarotra ny dia avy any Babylona nankany Israely, ary naharitra efa-bolana teo ho eo. Nampanantena anefa i Jehovah hoe hesoriny izay mety hanakantsakana ny fiverenan’ny Israelita any. Fantatry ny Jiosy nanam-pinoana hoe betsaka lavitra noho izay hafoiny ny soa ho azony, raha miverina any Israely izy. Nifandray tamin’ny fanompoana an’i Jehovah ny fitahiana lehibe indrindra tamin’izany. Tsy nisy tempolin’i Jehovah tany Babylona na iray aza. Tsy nisy alitara azon’ny Israelita nanolorana sorona nifanaraka tamin’ny Lalàn’i Mosesy koa tany, sady tsy nisy mpisorona afaka nanolotra an’izany. Ankoatra izay, dia betsaka lavitra noho ny vahoakan’i Jehovah ny mpanompo sampy tany. Tsy niraharaha an’i Jehovah sy ny fitsipiny anefa izy ireny. Tsy andrin’ireo Jiosy an’arivony natahotra an’Andriamanitra àry ny hiverina any an-tanindrazany, satria ho afaka hamerina amin’ny laoniny ny fivavahana madio ry zareo. w23.05 22:3-4
Zoma 17 Oktobra
Asehoy eo amin’ny fiainanareo foana fa zanaky ny mazava ianareo.—Efes. 5:8.
Mila ny fanampian’ny fanahy masin’Andriamanitra isika mba hahafahantsika hitondra tena foana hoatran’ny “zanaky ny mazava.” Fa maninona? Satria tsy mora mihitsy ny hoe madio foana eto amin’izao tontolo ratsy fitondran-tena izao. (1 Tes. 4:3-5, 7, 8) Ampian’ny fanahy masina isika mba hiady amin’ny toe-tsain’izy io, anisan’izany ny filozofiany sy ny fomba fiheviny mifanohitra amin’ny fisainan’Andriamanitra. Ampiany koa isika mba hanana an’izay “rehetra atao hoe hatsaran-toetra sy fanaovana ny marina.” (Efes. 5:9) Hahazo ny fanahy masina, ohatra, isika raha mangataka azy io amin’ny vavaka. Nilaza i Jesosy fa “tena hanome ny fanahy masina ho an’izay mangataka aminy” i Jehovah. (Lioka 11:13) Mahazo fanahy masina koa isika rehefa miara-midera an’i Jehovah any am-pivoriana. (Efes. 5:19, 20) Misy heriny tsara amintsika izy io ka hanampy antsika hanana fomba fiaina mampifaly an’Andriamanitra. w24.03 12:13-15
Asabotsy 18 Oktobra
Mangataha foana, dia homena ianareo. Mitadiava foana, dia hahita ianareo. Dondòny foana, dia hovohana ianareo.—Lioka 11:9.
Mila manam-paharetana kokoa ve ianao? Raha izany, dia mivavaha momba an’ilay izy. Anisan’ny vokatry ny fanahy ny faharetana. (Gal. 5:22, 23) Mivavaha àry mba hahazo fanahy masina, ary angataho i Jehovah mba hanampy anao hanana ny vokatry ny fanahy. Rehefa sarotra amintsika ny hanam-paharetana, dia “mangataha foana” fanahy masina mba hanampy antsika. (Lioka 11:13) Afaka mangataka amin’i Jehovah koa isika mba hitovy amin’ny azy ny fomba fahitantsika ny zava-mitranga. Rehefa avy mivavaka isika, dia mila manao izay tsara indrindra vitantsika mba hanam-paharetana isan’andro. Arakaraka ny ivavahantsika sy iezahantsika hanam-paharetana no hahatonga an’io toetra io hamaka ao am-pontsika, ka ho lasa maha izy antsika mihitsy. Manampy koa ny misaintsaina an’ireo ohatra ao amin’ny Baiboly. Miresaka olona be dia be nanam-paharetana ny Baiboly. Hahita fomba anehoana an’io toetra io isika raha misaintsaina an’ireny tantara ireny. w23.08 35:10-11
Alahady 19 Oktobra
Alatsaho ny haratonareo dia hahazo trondro ianareo!—Lioka 5:4.
Nomen’i Jesosy toky ny apostoly Petera hoe hikarakara azy i Jehovah. Rehefa avy natsangana tamin’ny maty izy, dia nataony nahazo trondro tamin’ny fomba mahagaga indray i Petera sy ny apostoly hafa. (Jaona 21:4-6) Azo antoka fa nanome toky an’i Petera iny fahagagana iny hoe mora amin’i Jehovah ny hanome an’izay ilainy. Tadidin’io apostoly io angamba ny tenin’i Jesosy hoe homen’i Jehovah an’izay ilainy ireo ‘mikatsaka foana an’ilay Fanjakana’ alohan’ny zavatra hafa. (Mat. 6:33) Nampihatra an’izany àry i Petera, ka ny fanompoana no tena nifantohany fa tsy ny fanaratoana. Sahy nitory izy tamin’ny Pentekosta taona 33, ka an’arivony no nanaiky ny vaovao tsara. (Asa. 2:14, 37-41) Nanampy ny Samaritanina sy ny hafa firenena hanaiky an’i Kristy koa izy taorian’izay. (Asa. 8:14-17; 10:44-48) Tena nampiasa be an’i Petera i Jehovah mba hitaomana olona isan-karazany ho anisan’ny fiangonana. w23.09 40:1, 11
Alatsinainy 20 Oktobra
Hotetitetehina ianareo ... raha tsy ampahafantarinareo ahy ilay nofy sy ny dikany.—Dan. 2:5.
Roa taona teo ho eo taorian’ny nandravan’ny Babylonianina an’i Jerosalema, dia nanonofy momba ny sarivongana ngezabe i Nebokadnezara mpanjakan’i Babylona, ary nampiady saina azy ilay izy. Norahonany hoe hovonoina daholo ny olon-kendry, anisan’izany i Daniela, raha tsy nolazain-dry zareo hoe inona ilay nofy sy ny dikany. (Dan. 2:3-5) Nila nanao zavatra haingana àry i Daniela, satria raha tsy izany dia betsaka no ho faty. “Nankao amin’ny mpanjaka [izy] ka nangataka mba homena fotoana fanampiny, fa holazainy amin’ny mpanjaka ny dikan’ilay nofy.” (Dan. 2:16) Nila herim-po sy finoana izany. Tsy misy porofo mantsy hoe efa nilaza ny dikan’ny nofin’olona i Daniela talohan’izay. Nasainy “nivavaka tamin’ilay Andriamanitry ny lanitra” ireo namany, “mba hangataka famindram-po taminy, dia hampahafantatra azy ireo an’ilay zava-miafina.” (Dan. 2:18) Namaly ny vavak’izy ireo i Jehovah. Nampian’Andriamanitra i Daniela, ka nahavita nilaza ny dikan’ny nofin’i Nebokadnezara. Avotra àry ny ain’i Daniela sy ny namany. w23.08 33:4
Talata 21 Oktobra
Izay miaritra hatramin’ny farany no hovonjena.—Mat. 24:13.
Diniho ny soa azontsika raha manam-paharetana isika. Vao mainka ho faly sy ho tony isika, ka ho salama kokoa ny saintsika sy ny vatantsika. Raha manam-paharetana amin’ny hafa koa isika, dia hihatsara ny fifandraisantsika amin-dry zareo ary hiray saina kokoa ny fiangonana. Ary ahoana raha misy mahasosotra antsika? Tsy ho mora tezitra isika ka tsy hitatra ilay olana. (Sal. 37:8, f.a.p.; Ohab. 14:29) Ny tena zava-dehibe anefa dia hoe hanahaka an’ilay Raintsika any an-danitra isika sady hifandray akaiky kokoa aminy. Tena toetra tsara sy mahasoa tokoa ny faharetana! Marina aloha hoe tsy mora amintsika ny maneho an’io toetra io indraindray. Hahavita hiezaka foana hanana azy io anefa isika rehefa ampian’i Jehovah. Mandra-piandry ny tontolo vaovao, dia matoky isika hoe “ny mason’i Jehovah mitsinjo an’izay matahotra azy, dia ireo miandry ny hanehoany fitiavana sy tsy fivadihana.” (Sal. 33:18) Enga anie isika rehetra ho tapa-kevitra ny ‘hitafy faharetana’ foana! w23.08 35:7, 16-17
Alarobia 22 Oktobra
Maty [ny finoana] raha tsy aseho amin’ny atao.—Jak. 2:17.
Noresahin’i Jakoba hoe mety hilaza ny lehilahy iray hoe manam-pinoana izy. Mifanaraka amin’izany ve anefa ny zavatra ataony? (Jak. 2:1-5, 9) Noresahin’i Jakoba koa ny momba ny olona iray nahita “rahalahy na anabavy tsy manana akanjo sady tsy ampy sakafo”, nefa tsy mba nanampy. Na dia nilaza aza io olona io hoe nanam-pinoana, dia tsy nasehony tamin’ny nataony izany ka tsy nisy dikany ny finoany. (Jak. 2:14-16) Niresaka momba an’i Rahaba i Jakoba mba hampisehoana hoe mila aseho amin’ny atao ny finoana. (Jak. 2:25, 26) Naheno momba an’i Jehovah izy, dia niaiky hoe nanohana ny Israelita io Andriamanitra io. (Jos. 2:9-11) Nasehony tamin’ny nataony ny finoany. Narovany mantsy ireo mpitsikilo israelita roa, rehefa natahorana ny ain-dry zareo. Nambara ho olo-marina hoatran’i Abrahama àry io vehivavy tsy lavorary sady tsy Israelita io. Hita amin’ny modely nomeny hoe tena mila aseho amin’ny atao ny finoana. w23.12 50:12-13
Alakamisy 23 Oktobra
Enga anie ianareo mba hamaka tsara sy hiorina mafy eo amin’ny fototra!—Efes. 3:17.
Kristianina isika, ka tsy ampy raha hoe mahafantatra ny Baiboly amin’ny ambangovangony fotsiny. Ampian’ny fanahy masina kosa isika, ka mazoto mianatra “na dia ny zava-dalin’Andriamanitra aza.” (1 Kor. 2:9, 10) Maninona àry raha mifidy hevitra hanampy anao hifandray kokoa amin’i Jehovah rehefa mianatra samirery? Karohy, ohatra, hoe ahoana no nampisehoany fitiavana tamin’ny mpanompony taloha, ary nahoana izany no manaporofo fa tia anao koa izy. Azonao dinihina koa ny fomba nandaminan’i Jehovah ny fanompoana azy tany Israely, dia ampitahao amin’ny fomba anompoan’ny Kristianina azy amin’izao izany. Na maninona raha mandalina ny faminaniana notanterahin’i Jesosy nandritra ny fiainany sy ny fanompoany tetỳ an-tany? Ho faly be ianao raha mianatra hevitra hoatr’ireny. Hanampy anao hianatra an’ireny ny Fanondroana Bokin’ny Vavolombelon’i Jehovah na ny Fitaovana Fikarohana ho An’ny Vavolombelon’i Jehovah. Hihamatanjaka ny finoanao rehefa mandalina ny Baiboly ianao, sady “ho hitanao ny fahalalana an’Andriamanitra.”—Ohab. 2:4, 5. w23.10 44:3-5
Zoma 24 Oktobra
Ambonin’ny zavatra rehetra, dia mifankatiava lalina, satria manarona fahotana maro be ny fitiavana.—1 Pet. 4:8.
Midika ara-bakiteny hoe “miitatra” ilay teny nampiasain’ny apostoly Petera tamin’ilay hoe “lalina.” Miresaka ny mety ho vokatr’ilay fitiavana lalina kosa ny tapany faharoa amin’ilay andininy. Manarona ny fahotan’ireo rahalahintsika izy io. Azo oharina amin’ny lamba afaka miitatra ny fitiavantsika. Toy ny hoe raisintsika amin’ny tanana anankiroa ny fitiavantsika, dia itarintsika ary tsy ajanontsika raha tsy mahavita manarona “fahotana maro be”, fa tsy hoe fahotana iray na roa fotsiny. Fomba hafa ilazana an’ilay hoe mamela heloka ilay hoe manarona. Manarona ny toetra ratsy sy ny zavatra mandratra fo ataon’ny olona àry ny fitiavana, hoatran’ny lamba manarona tasy ihany. Tokony ho tia be an’ireo rahalahy sy anabavy isika, amin’izay mahavita mamela ny tsy mety ataony, na dia mitaky ezaka be aza izany indraindray. (Kol. 3:13) Rehefa mahavita mamela an-dry zareo anefa isika, dia ho hita hoe be fitiavana sy te hampifaly an’i Jehovah. w23.11 47:13-15
Asabotsy 25 Oktobra
Novakin’i Safana teo anatrehan’ny mpanjaka ilay izy.—2 Tan. 34:18.
Nanomboka nanavao ny tempoly i Josia Mpanjaka rehefa lehibe. Tamin’izay no hita “ny boky misy ny Lalàn’i Jehovah izay nomena tamin’ny alalan’i Mosesy.” Novakina tamin’i Josia ilay izy, dia lasa te hanao zavatra nifanaraka tamin’izay voalaza tao izy. (2 Tan. 34:14, 19-21) Ianao koa ve mba te hamaky Baiboly tsy tapaka? Raha efa manao an’izany ianao, dia manao ahoana izao ilay izy? Raisinao naoty ve izay andinin-teny mety hanampy anao? Nanao fahadisoana namoizany ny ainy i Josia tamin’izy 39 taona teo ho eo. Natoky tena izy, fa tsy nangataka ny tari-dalan’i Jehovah. (2 Tan. 35:20-25) Misy lesona ho antsika eo. Na firy taona isika na firy taona, ary na efa ela na vao haingana no nianatra Baiboly, dia tsy maintsy mitady an’i Jehovah foana. Mila mivavaka tsy tapaka, ohatra, isika mba hahazo ny tari-dalany, dia mianatra ny Teniny, ary manaraka ny torohevitry ny Kristianina matotra. Azo inoana hoe tsy dia hanao fahadisoana lehibe isika amin’izay, ary ho sambatra kokoa.—Jak. 1:25. w23.09 38:15-16
Alahady 26 Oktobra
Manohitra ny olona manambony tena Andriamanitra, fa maneho hatsaram-panahy miavaka amin’ny manetry tena kosa.—Jak. 4:6.
Miresaka vehivavy miavaka be dia be ny Baiboly. Tia an’i Jehovah ry zareo sady nanompo azy. ‘Nahay nandanjalanja tamin’izay zavatra fanaony’ ry zareo, ary ‘mendri-pitokisana tamin’ny zava-drehetra.’ (1 Tim. 3:11) Mahita vehivavy kristianina matotra azony tahafina koa ny anabavy, ao amin’ny fiangonany. Ry anabavy tanora, mahalala vehivavy kristianina matotra vitsivitsy azonareo tahafina ve ianareo? Mariho ny toetra tsarany, dia diniho hoe ahoana no azonareo anehoana an’izany. Tena ilain’ny Kristianina matotra ny manetry tena. Hifandray tsara amin’i Jehovah sy amin’ny hafa ny vehivavy manetry tena. Raha tia an’i Jehovah, ohatra, izy dia hanetry tena ka hanaiky an’ilay torolalana nomen’ny Rainy any an-danitra hoe “ny lehilahy no lohan’ny vehivavy.” (1 Kor. 11:3) Azo ampiharina tsara eo anivon’ny fiangonana sy ny fianakaviana io torolalana io. w23.12 52:3-5
Alatsinainy 27 Oktobra
Tokony ho tia ny vadiny ny lehilahy, hoatran’ny itiavany ny tenany.—Efes. 5:28.
Manantena i Jehovah hoe ho tia ny vadiny ny lehilahy dia hamelona azy, sy ho namana tsara ho azy, ary hanampy azy hatanjaka ara-panahy foana. Hanampy anao ho vady tsara koa ny miezaka hahay hisaina sy hanaja vehivavy ary ho azo ianteherana. Mety ho lasa dada ianao rehefa manambady. Inona no azonao ianarana avy amin’i Jehovah, raha te hahay hitaiza ianao? (Efes. 6:4) I Jehovah, ohatra, tsy nisalasala nilaza tamin’i Jesosy Zanany hoe tiany izy ary nankasitrahany. (Mat. 3:17) Raha lasa dada àry ianao, dia omeo toky foana ny zanakao hoe tianao ry zareo. Derao foana koa ry zareo amin’izay zavatra tsara ataony. Manampy ny zanany ho lasa lehilahy sy vehivavy kristianina matotra ny raim-pianakaviana manahaka an’i Jehovah. Afaka miomana ho amin’izany andraikitra izany ianao dieny izao. Ahoana no atao? Miezaha ho be fitiavana rehefa mikarakara ny olona ao amin’ny fianakavianao sy ny fiangonana, dia mianara mampiseho fitiavana sy fankasitrahana an-dry zareo.—Jaona 15:9. w23.12 53:17-18
Talata 28 Oktobra
[I Jehovah] no mahatonga anao hilamina sy tsy hitebiteby.—Isaia 33:6.
Na dia manompo an’i Jehovah sy tsy mivadika aminy aza isika, dia mbola miatrika zava-tsarotra sy marary hoatran’ny rehetra ihany. Mety hanohitra na hanenjika antsika koa ny olona mankahala ny vahoakan’Andriamanitra. Marina hoe tsy miaro antsika amin’ireny i Jehovah, nefa mampanantena izy fa hanampy antsika. (Isaia 41:10) Hahavita ho faly foana sy handray fanapahan-kevitra tsara ary tsy hivadika aminy isika rehefa ampiany, na dia ao anatin’ny mangidy indrindra aza. Mampanantena i Jehovah fa hanome antsika an’ilay antsoin’ny Baiboly hoe “ny fiadanan’Andriamanitra.” (Fil. 4:6, 7) Tony sy milamina ny fo sy ny sain’ny olona manana azy io, noho izy mifandray tsara amin’i Jehovah. “Mihoatra lavitra noho izay rehetra takatry ny sain’olombelona” io fiadanana io, izany hoe tsara lavitra noho izay eritreretintsika. Efa nisy fotoana ve ianao gaga be satria tony rehefa avy nivavaka mafy tamin’i Jehovah? Izay tsapanao izay ilay “fiadanan’Andriamanitra.” w24.01 3:2, 4
Alarobia 29 Oktobra
Hidera an’i Jehovah aho! Aoka hidera ny anarany masina ny tenako manontolo.—Sal. 103:1.
Tia an’Andriamanitra ny olona tsy mivadika, ka te hidera ny anarany amin’ny fo manontolo. Fantatr’i Davida Mpanjaka hoe midera an’i Jehovah ihany izy rehefa midera ny anarany. Tafiditra amin’ny anaran’ i Jehovah ny lazany, ka mampahatsiahy antsika an’ireo toetra tsarany rehetra sy ny zavatra mahatalanjona nataony. Te hanamasina ny anaran’ny Rainy i Davida, sady te hidera azy io. Te hanao an’izany tamin’ny ‘tenany manontolo’ izy, izany hoe tamin’ny fony manontolo. Nitarika ny fiderana an’i Jehovah koa ny Levita. Nanetry tena izy ireo dia niaiky hoe tsy misy teny tena mahalaza ny fiderana mendrika ny anarana masin’i Jehovah. (Neh. 9:5) Azo antoka hoe nahafaly ny fon’i Jehovah izany teny fiderana feno fanetren-tena sy vokatry ny fo izany. w24.02 6:6
Alakamisy 30 Oktobra
Efa misy fandrosoana vitantsika ..., ka andao isika hiezaka handroso hoatr’izany foana.—Fil. 3:16.
Aza manahy fa tsy hieritreritra i Jehovah hoe tsy mahomby ianao, raha tsy mahatratra tanjona sarotra loatra aminao. (2 Kor. 8:12.) Tadidio izay efa vitanao. Milaza ny Baiboly hoe ‘tsy mba manao ny tsy rariny Andriamanitra, ka hanadino an’izay nataonareo.’ (Heb. 6:10) Tsy tokony hanadino an’izany koa àry ianao. Saintsaino izay tsara efa vitanao, ohatra hoe ninamana kokoa tamin’i Jehovah, niresaka momba azy tamin’ny olona, na natao batisa. Efa nandroso sy nanatratra tanjona ara-panahy ianao taloha, dia mbola afaka mandroso sy miezaka manatratra an’ilay tanjonao amin’izao koa. Rehefa ampian’i Jehovah ianao, dia afaka ny hanatratra ny tanjonao. Rehefa miezaka manatratra an’ilay tanjonao ianao, dia ankafizo ny fanampiana sy ny fitahiana omen’i Jehovah anao eny an-dalana eny. (2 Kor. 4:7) Raha tsy kivy ianao fa miezaka foana, dia vao mainka hotahiny.—Gal. 6:9. w23.05 24:16-18
Zoma 31 Oktobra
Tia anareo ... ny Ray, satria ianareo efa tia ahy ka nino fa avy tamin’ny Ray aho sady solontenan’Andriamanitra.—Jaona 16:27.
Tia mampiseho amin’ireo akaikin’ny fony i Jehovah hoe ankasitrahany ry zareo. Resahin’ny Soratra Masina fa indroa Izy no niteny tamin’i Jesosy hoe Zanany malala sy ankasitrahany izy. (Mat. 3:17; 17:5) Tianao ve ny haheno an’i Jehovah hanome toky anao fa ankasitrahany ianao? Tsy miresaka amintsika mivantana izy, fa amin’ny alalan’ny Teniny. Rehefa mamaky ny tenin’i Jesosy ao amin’ny Filazantsara isika, dia hoatran’ny maheno an’i Jehovah miteny hoe: ‘Ankasitrahako ianao.’ Nanahaka tanteraka ny toetran’ny Rainy i Jesosy. Nisy fotoana, ohatra, izy nampiseho tamin’ireo mpanara-dia azy tsy nivadika hoe mankasitraka an-dry zareo izy, na dia tsy lavorary aza ry zareo. Rehefa mamaky an’izany àry isika, dia afaka maka sary an-tsaina an’i Jehovah milaza an’ireo teny ireo amintsika koa. (Jaona 15:9, 15) Tsy hoe tsy ankasitrahan’Andriamanitra intsony anefa isika rehefa miaritra fitsapana. Amin’ireny kosa isika no afaka manaporofo hoe tia be an’Andriamanitra sady tena matoky azy.—Jak. 1:12. w24.03 13:10-11