Septambra
Alatsinainy 1 Septambra
Hisy mazava hiposaka ho antsika avy any amin’ny avo.—Lioka 1:78.
Nomen’Andriamanitra hery hamahana ny olana rehetra mahazo ny olombelona i Jesosy. Nasehon’i Jesosy tamin’ireny fahagagana ireny, fa manana hery hamahana olana tsy ho voavahantsika samirery mihitsy izy. Afaka manafaka antsika amin’ny fototry ny olana mahazo ny olombelona, ohatra, izy. Inona izany? Ny ota sy ny vokatr’izy io, izany hoe ny aretina sy ny fahafatesana. (Mat. 9:1-6; Rom. 5:12, 18, 19) Voaporofo tamin’ny fahagagana nataony hoe afaka manasitrana ny “karazan’aretina rehetra” izy, ary afaka manangana ny maty mihitsy aza. (Mat. 4:23; Jaona 11:43, 44) Mahafehy tafio-drivotra mahery koa izy sady maharesy fanahy ratsy. (Mar. 4:37-39; Lioka 8:2) Lasa feno toky àry isika mahafantatra hoe hoatr’izany ny hery nomen’i Jehovah an’ilay Zanany! Afaka matoky tanteraka isika hoe tena hitranga ny zavatra tsara be dia be ampanantenain’Andriamanitra rehefa mitondra ny Fanjakany. Hita amin’ireny fahagagana nataon’i Jesosy tamin’izy tetỳ an-tany ireny hoe mbola hanao an’izany maneran-tany izy, rehefa lasa Mpanjakan’ny Fanjakan’Andriamanitra any an-danitra. w23.04 15:5-7
Talata 2 Septambra
Ny fanahy ... mikaroka ao anatin’ny zava-drehetra, na dia ny zava-dalin’Andriamanitra aza.—1 Kor. 2:10.
Raha ao amin’ny fiangonana lehibe ianao, dia matetika ianao no tsy voatondro. Angamba ianao tsy te hanangan-tanana intsony. Aza milavo lefona anefa. Inona no azonao atao? Manomàna valin-teny maromaro isaky ny fivoriana. Amin’izay rehefa tsy voatondro ianao any am-piandohan’ny fianarana, dia mety mbola ho afaka hamaly ihany any aoriana. Rehefa manomana ny Fianarana Ny Tilikambo Fiambenana ianao, dia saintsaino hoe inona no ifandraisan’ny fehintsoratra tsirairay amin’ny foto-kevitr’ilay lahatsoratra. Ho afaka hanome valin-teny tsara foana ianao amin’izay, mandritra an’ilay fianarana. Ankoatra izay, dia miomàna mba hamaly amin’ireo fehintsoratra miresaka fahamarinana lalina sarotsarotra hazavaina. Mety ho vitsy kokoa mantsy no manangan-tanana amin’ireny. Ahoana anefa raha mbola tsy voatondro ihany ianao mandritra ny fivoriana maromaro? Manatòna an’ilay mpitarika alohan’ny anombohan’ny fivoriana, dia resaho aminy hoe aiza ho aiza ianao no te hamaly. w23.04 18:9-10
Alarobia 3 Septambra
Nanao an’izay nasain’ilay anjelin’i Jehovah nataony [i Josefa], dia nentiny tany an-tranony ny vadiny.—Mat. 1:24.
Tonga dia nampihatra ny tari-dalan’i Jehovah i Josefa, ka lasa vady tsara kokoa. Intelo izy, fara fahakeliny, no nahazo toromarika avy amin’Andriamanitra momba ny fianakaviany. Tonga dia nankatò foana izy, na dia tsy maintsy nisy fiovana lehibe nataony aza. (Mat. 1:20; 2:13-15, 19-21) Rehefa nanaraka ny tari-dalan’Andriamanitra izy, dia nahavita niaro an’i Maria, nikarakara azy, ary nanome an’izay nilainy. Azo antoka fa vao mainka lasa tia sy nanaja azy i Maria! Manahaka an’i Josefa ianareo ry lehilahy manambady, raha mikaroka torohevitra avy ao amin’ny Baiboly rehefa mikarakara ny fianakavianareo. Asehonareo hoe tia ny vadinareo ianareo sady manamafy ny tokantranonareo, rehefa mampihatra an’izany torohevitra izany, na dia misy fiovana lehibe tsy maintsy ataonareo aza. Izao no nolazain’ny anabavy iray avy any Vanuatu, izay efa nanambady nandritra ny 20 taona mahery: “Rehefa mikaroka ny tari-dalan’i Jehovah ny vadiko sady mampihatra an’izany, dia lasa manaja kokoa azy aho. Milamin-tsaina aho sady matoky hoe mety ny fanapahan-keviny.” w23.05 23:5
Alakamisy 4 Septambra
Hisy lalambe any, dia lalana hatao hoe Lalan’ny Fahamasinana.—Isaia 35:8.
Ho lasa “vahoaka masina” ho an’ny Andriamaniny ireo Jiosy tafaverina tany an-tanindrazany. (Deot. 7:6) Midika ve izany hoe tsy nila nanao fanovana izy ireo mba hampifaliana an’i Jehovah? Teraka tany Babylona ny ankamaroan’ny Jiosy, ary toa lasa zatra ny fomba fisainana babylonianina sy izay noheverin’izy ireny ho zava-dehibe. Am-polony taona taorianan’ny niverenan’ny Jiosy voalohany tany Israely, dia gaga be i Nehemia Governora, satria tsy nianatra ny fiteny jiosy akory ny zaza teraka tao Israely. (Deot. 6:6, 7; Neh. 13:23, 24) Ahoana moa no hianaran’ireny ankizy ireny ho tia sy hanompo an’i Jehovah, nefa ny teny hebreo aza tsy azony? Ny teny hebreo mantsy no tena nanoratana ny Tenin’Andriamanitra. (Ezra 10:3, 44) Nila nanao fiovana lehibe àry ireo Jiosy ireo. Ho mora kokoa aminy anefa ny hanao an’izany satria efa tany Israely ry zareo, sady efa naverina tamin’ny laoniny tsikelikely ny fivavahana madio tany.—Neh. 8:8, 9. w23.05 22:6-7
Zoma 5 Septambra
Manohana an’izay rehetra lavo i Jehovah, ary mampitraka an’izay rehetra mitanondrika.—Sal. 145:14.
Mampalahelo fa mety hisy ihany ny olana, na dia maniry hanatratra tanjona hoatran’ny inona aza isika, na hoe mahafehy tena be mihitsy. Mety ho “tratran’ny sampona”, ohatra, isika ka lasa tsy manam-potoana hanatratrarana an’ilay tanjona. (Mpito. 9:11) Na mety hiatrika zava-tsarotra isika, dia lasa kivy sy kely hery. (Ohab. 24:10) Mety hanao zavatra tsy hanampy antsika hanatratra an’ilay tanjontsika koa isika, noho isika tsy lavorary. (Rom. 7:23) Na koa isika reraka fotsiny. (Mat. 26:43) Inona àry no hanampy antsika tsy ho kivy loatra rehefa misy olana na vato misakana? Tsy voatery hilavo lefona ianao rehefa misy olana. Milaza ny Baiboly fa mety hiatrika olana na zava-tsarotra imbetsaka isika. Resahiny mazava koa anefa hoe afaka ny ho tafarina isika. Porofoinao amin’i Jehovah hoe te hampifaly azy ianao, rehefa miezaka foana na eo aza ny olana. Tsy maintsy hoe faly be izy mahita anao mikely aina manatratra ny tanjonao! w23.05 24:14-15
Asabotsy 6 Septambra
[Miezaha] ho modely ho an’ny andian’ondry.—1 Pet. 5:3.
Lasa mahay miara-miasa amin’ny olona isan-karazany ny tovolahy iray, rehefa manao mpisava lalana. Manampy azy hanao teti-bola sy hahay hitsitsy koa izany. (Fil. 4:11-13) Ahoana no atao raha te hanompo manontolo andro? Manaova aloha mpisava lalana mpanampy. Manampy anao ho vonona hanao mpisava lalana maharitra tsinona izany. Mety ho afaka hanao karazana fanompoana manontolo andro hafa ianao rehefa manao mpisava lalana, ohatra hoe mpanao fanorenana na Betelita. Tokony ho tanjon’ny lehilahy kristianina ny hahafeno fepetra ho anti-panahy, ka hanompo ny rahalahy sy anabaviny ao amin’ny fiangonana. Milaza ny Baiboly hoe “maniry hanao asa tsara” izay miezaka hahazo an’izany andraikitra izany. (1 Tim. 3:1) Tsy maintsy mahafeno fepetra ho mpikarakara fiangonana anefa aloha izy. Manampy be an’ireo anti-panahy ny mpikarakara fiangonana. Samy manetry tena ry zareo ka manompo ny rahalahy sy anabaviny, ary mazoto mitory sy mampianatra. w23.12 53:14-16
Alahady 7 Septambra
Nanomboka nitady an’ilay Andriamanitr’i Davida razambeny izy. ... Mbola ankizilahy izy tamin’izay.—2 Tan. 34:3.
Mbola tanora i Josia Mpanjaka tamin’izy nanomboka nitady an’i Jehovah. Te hianatra momba an’i Jehovah sy hanao ny sitrapony mantsy izy. Tsy mora anefa ny fiainan’io mpanjaka tanora io. Nila sahy niaro ny fivavahana marina izy, nefa ny ankamaroan’ny olona nanaraka fivavahan-diso. Dia vitany ve izany? Ie! Tsy ampy 20 taona akory izy, dia efa nanomboka nanala ny fivavahan-diso tao amin’ilay tany. (2 Tan. 34:1, 2) Na mbola kely aza ianao, dia efa afaka manahaka an’i Josia, ka manapa-kevitra hitady an’i Jehovah sy hianatra momba ny toetrany. Lasa te hanokan-tena ho an’azy ianao amin’izay. Ary rehefa manokan-tena ianao, dia inona no vokatr’izany eo amin’ny fiainanao andavanandro? Eritrereto i Luke, rahalahy natao batisa tamin’izy 14 taona. Izao no nolazainy rehefa nanokan-tena ho an’i Jehovah izy: “Ny fanompoana an’i Jehovah no hataoko voalohany eo amin’ny fiainana manomboka izao, dia hiezaka aho mba hampifaly azy.” (Mar. 12:30) Te hanao hoatr’izany koa ve ianao? Tena mahafinaritra izany! w23.09 38:12-13
Alatsinainy 8 Septambra
Mba hajao izay miasa mafy eo aminareo, sy mitarika anareo eo amin’ny asan’ny Tompo—1 Tes. 5:12.
Mbola tsy ampy herintaona ny fiangonana tany Tesalonika tamin’ny apostoly Paoly nanoratra an’io taratasy io. Azo inoana àry hoe mbola tsy ampy traikefa ireo rahalahy voatendry tao, ary mety ho nanao fahadisoana. Mendrika ny hohajaina anefa ry zareo. Mihamanakaiky ny fahoriana lehibe, ka mety hoe mila miantehitra amin’ny anti-panahy ao amin’ny fiangonantsika mihoatra noho ny hatramin’izay isika, mba hahazoana tari-dalana. Mety tsy ho afaka hifandray amin’ny Foibe sy ny biraon’ny sampana intsony mantsy isika. Tena ilaina àry ny mianatra ho tia sy hanaja ny anti-panahy ao amin’ny fiangonantsika dieny izao. Na inona na inona mitranga, dia andao isika hisaina tsara foana ka tsy hifantoka amin’izay tsy mety ataony, fa hifantoka amin’ny hoe mitarika an’ireo lehilahy manam-pinoana ireo i Jehovah amin’ny alalan’i Kristy. Niaro ny lohan’ny miaramila ny fiarovan-doha. Miaro ny saintsika koa ny fanantenana famonjena. Tsapantsika hoe tsy misy dikany izay atolotr’ity tontolo ity. (Fil. 3:8) Manampy antsika ho tony sy hilamin-tsaina ny fanantenantsika. w23.06 26:11-12
Talata 9 Septambra
Petsam-bava ny vehivavy tsisy saina, dondrona izy.—Ohab. 9:13.
Misy safidy tsy maintsy ataon’izay maheno an’ilay “vehivavy tsisy saina”: Hanaiky ny fanasany ve sa handa? Misy antony tsara maromaro mahatonga antsika hanalavitra ny fitondran-tena ratsy. Milaza ilay “vehivavy tsisy saina” hoe “mamy ny rano nangalarina.” (Ohab. 9:17) Inona izany? Oharin’ny Baiboly amin’ny rano mamelombelona ny firaisana ataon’ny mpivady. (Ohab. 5:15-18) Afaka mahazo fahafinaretana amin’izany ry zareo, raha mpivady ara-dalàna. Hafa kosa ny “rano nangalarina.” Firaisana tsy ara-dalàna angamba no tiana horesahina amin’izany. Matetika no afenimpenina izy ireny, hoatran’ny ataon’ny mpangalatra. Toa mamy ilay “rano nangalarina”, indrindra raha mieritreritra ilay nanota hoe ho afa-maina. Diso be anefa izany! Mahita ny zava-drehetra mantsy i Jehovah. Tsy misy mangidy noho ny hoe tsy ankasitrahany intsony, ka inona moa no ‘mahamamy’ an’izany?—1 Kor. 6:9, 10. w23.06 28:7-9
Alarobia 10 Septambra
Na tsy an-tsitrapo aza ... no anaovako an’izany, dia mbola manana asa nampiandraiketina ahy ihany aho.—1 Kor. 9:17.
Ahoana raha misy fotoana tsapanao hoe lasa tsianjery be ny vavaka ataonao, na lasa fahazarana fotsiny ny fanompoanao? Aza mieritreritra hoe tsy manana ny fanahin’i Jehovah intsony ianao. Tsy lavorary ianao, ary mety hiovaova be ny fihetseham-ponao. Saintsaino ny ohatry ny apostoly Paoly raha manomboka mihena ny zotom-ponao. Na dia niezaka nanahaka an’i Jesosy aza izy, dia fantany hoe indraindray izy tsy tena nazoto be. Tapa-kevitra hamita ny fanompoany i Paoly, na ahoana na ahoana ny zavatra tsapany tamin’io fotoana io. Hoatr’izany koa ianao. Aza avela hibaiko ny fanapahan-kevitra tokony horaisinao ireny fihetseham-ponao ireny. Miezaha ho tapa-kevitra hanao ny tsara, na inona na inona tsapanao. Mety hiova eny ihany ny fihetseham-ponao avy eo.—1 Kor. 9:16. w24.03 10:12-13
Alakamisy 11 Septambra
Porofoy amin’izy ireo hoe tianareo izy ireo.—2 Kor. 8:24.
Asehontsika hoe tia an’ireo rahalahy sy anabavintsika isika, rehefa mandray azy ireo ho namana. (2 Kor. 6:11-13) Tsy mitovy koa ny fomba nanabeazana ny rahalahy sy anabavy ao amin’ny fiangonantsika, sady samy manana ny toetrany ry zareo. Vao mainka anefa isika ho tia azy rehetra, raha mifantoka amin’ny toetra tsarany. Rehefa mianatra mahita ny hafa hoatran’ny fahitan’i Jehovah an-dry zareo isika, dia mampiseho hoe tia an-dry zareo. Tena hilaina ny fitiavana mandritra ny fahoriana lehibe. Aiza isika no hahita fiarovana rehefa manomboka izy io? Diniho izay nasain’i Jehovah nataon’ny vahoakany rehefa nisy nanafika i Babylona. Hoy izy: “Mandehana miditra ao amin’ny efitranonareo anatiny, ry vahoakako, dia hidio ny varavarana. Miafena kely vetivety, mandra-pahalasan’ny fahatezerana.” (Isaia 26:20) Toa mahakasika antsika koa ireo teny ireo rehefa hiatrika ny fahoriana lehibe isika. w23.07 29:14-16
Zoma 12 Septambra
Miovaova ny sehatr’izao tontolo izao.—1 Kor. 7:31.
Miezaha halaza ho mahay mandanjalanja. Eritrereto àry izao: ‘Hitan’ny olona ve hoe mahay mandanjalanja sy mandefitra ary malala-tsaina aho? Sa hentitra be sy masiaka ary be kirina no fahitan-dry zareo ahy? Mihaino an-dry zareo ihany ve aho sady milefitra rehefa azo ekena ny heviny?’ Arakaraka ny ampisehoantsika hoe mahay mandanjalanja isika no ahitana raha tena manahaka an’i Jehovah sy Jesosy isika na tsia. Mahay mandanjalanja isika raha mahay miaina mifanaraka amin’ny zava-misy rehefa miova ny fiainantsika. Mety hampisy olana tsy nampoizintsika ireny fiovana ireny. Mety harary tampoka, ohatra, isika. Na miova tampoka ny toe-karena na ny toe-draharaha politika, dia mikorontana ambony ambany ny fiainantsika. (Mpito. 9:11) Na ny fiovan’ny fanendrena antsika eo anivon’ny fandaminana aza mety ho mafy amintsika. Hahavita hiatrika fiovana anefa isika, raha manaraka an’ireto dingana efatra ireto: 1) Manaiky ny zava-misy, 2) mibanjina ny hoavy, 3) mifantoka amin’izay tsara, ary 4) manao zavatra ho an’ny hafa. w23.07 32:7-8
Asabotsy 13 Septambra
Tena sarobidy ianao.—Dan. 9:23.
Mbola tovolahy i Daniela mpaminany, tamin’izy nentin’ny Babylonianina ho babo lavitra ny tanindrazany. Toa nampiaiky an’ireo nitondra azy ho babo anefa izy. Nijery “izay hitan’ny maso” mantsy ry zareo, ka hitany hoe ‘tsy nisy tsiny sady tsara tarehy sy tsara bika’ i Daniela no taranak’olona ambony. (1 Sam. 16:7) Nampiofanin’ny Babylonianina hanompo ao an-dapa àry izy. (Dan. 1:3, 4, 6) Tian’i Jehovah koa i Daniela noho izy nisafidy hoe ho olona hoatran’ny ahoana izy. Mbola vao 20 taona teo ho eo fotsiny aza angamba i Daniela, tamin’i Jehovah nilaza hoe olo-marina hoatran’i Noa sy Joba izy. Ireo lehilahy ireo anefa efa am-polony taona no nanompo an’i Jehovah sy tsy nivadika taminy. (Gen. 5:32; 6:9, 10; Joba 42:16, 17; Ezek. 14:14) Tian’i Jehovah foana i Daniela nandritra ny androm-piainany. Ela velona izy ary tena niavaka ny fiainany.—Dan. 10:11, 19. w23.08 33:1-2
Alahady 14 Septambra
[Miezaha mba hahazo] tsara ... ny sakany sy halavany sy haavony ary halaliny.—Efes. 3:18.
Rehefa manapa-kevitra ny hividy trano ianao, dia ho tianao ny handinika mivantana ny tsipiriany rehetra momba an’ilay trano tianao hipetrahana amin’ny hoavy. Afaka manao hoatr’izany koa isika rehefa mamaky sy mianatra Baiboly. ‘Ny zavatra fototra avy amin’ny teny masin’Andriamanitra’ ihany no ho hainao, raha vakinao maimaika fotsiny izy io. (Heb. 5:12) Manaova kosa hoatran’ilay nividy trano teo, ka “midira” lalindalina dia diniho ny tsipiriany amin’ilay izy. Ahoana no fomba tsara indrindra ianarana Baiboly? Azonao jerena, ohatra, hoe ahoana no ifandraisan’ny hevitra iray amin’ny hevitra hafa ao. Iezaho ho azo hoe inona ny fahamarinana inoanao, nefa aza mianina amin’izany. Fantaro koa hoe nahoana ianao no mino azy ireny. Tsy maintsy mianatra ny fahamarinana lalina ao amin’ny Baiboly isika, raha te hahazo tsara azy io. Nampirisika ny rahalahy sy anabaviny kristianina ny apostoly Paoly mba hianatra tsara ny Tenin’Andriamanitra, amin’izay ‘ho azon’izy ireo tsara ny fahamarinana, izany hoe ny sakany sy halavany sy haavony ary halaliny.’ Hanampy azy ireo “hamaka tsara sy hiorina mafy” kokoa ao amin’ny finoana izany. (Efes. 3:14-19) Mila manao hoatr’izany koa isika. w23.10 44:1-3
Alatsinainy 15 Septambra
Ry rahalahy, ataovy modely ny mpaminany niteny tamin’ny anaran’i Jehovah, satria niaritra fampijaliana sy nanam-paharetana izy ireo.—Jak. 5:10.
Misy olona be dia be resahin’ny Baiboly hoe nanam-paharetana. Maninona raha mianatra momba an’ireny? Mbola kely, ohatra, i Davida dia efa nohosorana ho mpanjakan’ny Israely. Tsy maintsy niandry taona maro anefa izy vao tena lasa mpanjaka. Tsy nivadika tamin’i Jehovah koa i Simeona sy Ana rehefa niandry an’ilay Mesia nampanantenaina. (Lioka 2:25, 36-38) Rehefa mianatra an’ireny tantara ireny ianao, dia tadiavo ny valin’ireto: ‘Inona no mety ho nanampy an’io olona io hanam-paharetana? Inona ny soa noraisiny noho izy nanam-paharetana? Ahoana no anahafako azy?’ Mety hahasoa anao koa ny mianatra momba an’ireo olona tsy nanam-paharetana. (1 Sam. 13:8-14) Saintsaino izao: ‘Inona no mety ho nahatonga azy tsy hanam-paharetana? Dia inona ny vokatr’izany?’ w23.08 35:15
Talata 16 Septambra
Mino izahay sady mahafantatra fa ianao Ilay Masin’Andriamanitra.—Jaona 6:69.
Tsy nivadika ny apostoly Petera. Tsy nisy navelany hahatonga azy hilavo lefona tanteraka. Noporofoiny, indray mandeha, hoe tsy nivadika izy, rehefa nilaza zavatra tsy azon’ny mpianany i Jesosy. (Jaona 6:68) Tsy mba nanontany ny maro tamin’ny mpianany, fa tonga dia tsy nanara-dia an’i Jesosy intsony. Tsy hoatr’izany anefa i Petera. Niaiky izy hoe ny ‘teny lazain’i Jesosy’ ihany “no hahazoana fiainana mandrakizay.” Fantatr’i Jesosy hoe handao azy i Petera sy ny apostoly hafa, ny alina talohan’ny nahafatesany. Na izany aza, dia nilaza taminy i Jesosy fa natoky izy hoe ho tafarina i Petera, ary hahavita tsy hivadika mihitsy. (Lioka 22:31, 32) Azony mantsy hoe “mazoto ihany ny saina, saingy ny nofo no malemy.” (Mar. 14:38) Tsy nanary an’i Petera àry i Jesosy, na dia nanda ho tsy nahafantatra azy aza izy. Niseho taminy i Jesosy rehefa avy natsangana tamin’ny maty, ary azo inoana hoe i Petera irery no teo. (Mar. 16:7; Lioka 24:34; 1 Kor. 15:5) Tsy maintsy hoe nampahery an’io apostoly efa torotoro fo io izany! w23.09 40:9-10
Alarobia 17 Septambra
Sambatra izay voavela ny helony, ary voasarona ny fahotany.—Rom. 4:7.
Mamela na manarona ny fahotan’izay maneho finoana azy Andriamanitra. Avelany tanteraka ny helok’izy ireo, ary tsy isainy intsony izany. (Sal. 32:1, 2) Tsy meloka àry ny fahitan’Andriamanitra azy ireo, ary ekeny ho olo-marina izy noho ny finoany. Mbola tsy lavorary sy mpanota ihany i Abrahama sy Davida ary ny olona tsy nivadika hafa, na dia nambara hoe olo-marina aza. Tsy manan-tsiny anefa ny fahitan’Andriamanitra azy ireo noho izy nanam-pinoana, indrindra raha noharina tamin’ny olona tsy nanompo azy. (Efes. 2:12) Nolazain’ny apostoly Paoly mazava tsara ao amin’ny taratasiny hoe tena ilaina ny finoana raha te hifandray akaiky amin’Andriamanitra. Marina izany rehefa jerena ny tantaran’i Abrahama sy Davida, ary mbola hoatr’izany koa amintsika. w23.12 50:6-7
Alakamisy 18 Septambra
Manaova foana sorona fiderana ho an’Andriamanitra ..., izany hoe vokatry ny molotra, ka resaho amin’ny hafa ny momba ny anarany.—Heb. 13:15.
Manana tombontsoa hanolotra sorona ho an’i Jehovah ny Kristianina rehetra amin’izao. Manao an’izany ry zareo rehefa mampiasa ny fotoanany sy ny heriny ary ny fananany, mba hampandrosoana ny asan’ny Fanjakan’Andriamanitra. Ahoana no ampisehoantsika hoe ankamamiantsika ilay tombontsoa hanompo an’i Jehovah? Izay sorona tsara indrindra no atolotsika ho azy. Nanasongadina lafiny samihafa amin’ny fanompoana tsy tokony hataontsika tsirambina mihitsy ny apostoly Paoly. (Heb. 10:22-25) Ohatra hoe mila manatona an’i Jehovah amin’ny vavaka isika, manambara amin’ny rehetra ny fanantenantsika, miara-mivory amin’ny fiangonana, ary mifampahery. ‘Vao mainka tokony hanao an’izany isika, satria hitantsika fa mihamanakaiky ilay andron’i [Jehovah].’ Rehefa hifarana koa ny bokin’ny Apokalypsy, dia indroa ilay anjelin’i Jehovah no nanamafy hoe “Andriamanitra no ivavaho!” (Apok. 19:10; 22:9) Enga anie tsy hohadinointsika mihitsy izany fahamarinana lalina momba an’ilay tempoly ara-panahy lehiben’i Jehovah izany. Ary enga anie hankamamiantsika foana ny tombontsoa hanompo an’ilay Andriamanitsika be voninahitra! w23.10 45:17-18
Zoma 19 Septambra
Andao isika hifankatia foana.—1 Jaona 4:7.
Tiantsika rehetra raha ‘mifankatia foana’ isika. Tsara hotadidintsika anefa ilay fampitandreman’i Jesosy hoe “hihalefy ny fitiavan’ny olona maro.” (Mat. 24:12) Marina aloha fa tsy nilaza izy hoe tsy hifankatia intsony ny ankamaroan’ny mpianany. Tokony ho mailo foana anefa isika, sao hisy vokany amintsika ilay toe-tsain’ny olona tsy manam-pitiavana manodidina antsika. Andao àry hodinihintsika ny valin’ity fanontaniana lehibe ity: Misy fomba ahalalana ve hoe mbola tia be an’ireo rahalahy sy anabavintsika isika? Anisan’ny fomba iray amantarana ny haben’ny fitiavantsika ny mandinika hoe ahoana no fomba hiatrehantsika ny zava-mitranga sasany eo amin’ny fiainana. (2 Kor. 8:8) Iray amin’izany ilay noresahin’ny apostoly Petera. Hoy izy: “Ambonin’ny zavatra rehetra, dia mifankatiava lalina, satria manarona fahotana maro be ny fitiavana.” (1 Pet. 4:8) Ho hita àry hoe be fitiavana isika na tsia, rehefa mampiseho toetra ratsy ny hafa na mandratra ny fontsika. w23.11 47:12-13
Asabotsy 20 Septambra
Mifankatiava ianareo.—Jaona 13:34.
Tsy hahavita hankatò an’ilay didin’i Jesosy momba ny fitiavana isika, raha ny sasany ao amin’ny fiangonana ihany no anehoantsika fitiavana. Marina aloha hoe misy olona akaiky kokoa antsika noho ny hafa e! Hoatran’izany mantsy na tamin’i Jesosy aza. (Jaona 13:23; 20:2) Nampahatsiahy antsika anefa ny apostoly Petera fa tokony hiezaka mafy hanana “fitiavan-drahalahy” isika, izany hoe hiraiki-po amin’ny rahalahy sy anabavintsika rehetra ka hoatran’ny hoe fianakaviantsika ry zareo. (1 Pet. 2:17) Nampirisika antsika i Petera mba ‘hifankatia lalina amin’ny fo.’ (1 Pet. 1:22) Inona no tiany hotenenina amin’ilay hoe tia “lalina”? Hoe mila “manitatra” ny fitiavantsika isika, fa tsy hoe izay olona mahafinarinaritra antsika ihany no tiantsika. Ahoana, ohatra, raha misy rahalahy nanao zavatra mampalahelo antsika na nandratra ny fontsika? Mety ho tonga dia te hamaly faty isika, fa tsy hieritreritra hampiseho fitiavana. Nianaran’i Petera avy tamin’i Jesosy anefa fa tsy tian’Andriamanitra ny mamaly faty. (Jaona 18:10, 11) Izao no nosoratany: “Aza mamaly ratsy ny ratsy na manambanimbany rehefa misy manambanimbany. Aleo kosa mirary soa.” (1 Pet. 3:9) Raha manana fitiavana lalina àry ianao, dia ho tsara fanahy sy hiahy an’ireo rahalahy sy anabavy. w23.09 41:9-11
Alahady 21 Septambra
[Ny vehivavy koa tokony] hahay handanjalanja amin’izay zavatra fanaony, ary ho mendri-pitokisana amin’ny zava-drehetra.—1 Tim. 3:11.
Gaga isika fa tsy hitahita akory ny ankizy dia lasa olon-dehibe. Hoatran’ny hoe mandeha ho azy ilay izy. Tsy hoatr’izany anefa ilay hoe lasa Kristianina matotra. (1 Kor. 13:11; Heb. 6:1) Mila mifandray tsara amin’i Jehovah isika vao ho tonga amin’izany. Mila ny fanahiny masina koa isika, mba hananana toetra tsara sy fahaizana ilaina eo amin’ny fiainana, ary hiomanana ho amin’ny andraikitsika amin’ny hoavy. (Ohab. 1:5) Rehefa namorona ny olombelona i Jehovah, dia nataony lahy sy vavy izy ireo. (Gen. 1:27) Miharihary hoe tsy mitovy bika ny lehilahy sy vehivavy. Misy zavatra hafa tsy itovizan-dry zareo koa anefa. Samy nomen’i Jehovah andraikitra manokana, ohatra, ny lehilahy sy ny vehivavy, dia samy mila ny toetra sy ny fahaizana ilainy mba hamitany an’izay nanendrena azy.—Gen. 2:18. w23.12 52:1-2
Alatsinainy 22 Septambra
Ampianaro ny olona any amin’ny firenena rehetra mba ho lasa mpanara-dia ahy, [ary] ataovy batisa amin’ny anaran’ny Ray sy amin’ny anaran’ny Zanaka.—Mat. 28:19.
Tian’i Jesosy hampiasa ny anaran’ny Rainy ve ny olona? Izany mihitsy. Nisy mpitondra fivavahana nafana fo tamin’ny androny angamba tsy nety nanonona ny anaran’Andriamanitra satria hoe masina loatra izy io. Tsy nahasakana an’i Jesosy tsy hanome voninahitra ny anaran’ny Rainy anefa ireny fombafomba tsy avy ao amin’ny Soratra Masina ireny. Eritrereto, ohatra, izay nitranga rehefa nanasitrana lehilahy iray nisy demonia tao amin’ny faritra nisy ny Gerasianina izy. Natahotra be ny olona, ka niangavy an’i Jesosy mba hiala tao amin’ilay faritra, dia lasa izy nandeha. (Mar. 5:16, 17) Tian’i Jesosy ho fantatry ny olona tao amin’ilay faritra anefa ny anaran’i Jehovah. Nirahiny àry ilay lehilahy nositraniny, mba hilaza amin’ny olona an’izay nataon’i Jehovah taminy, fa tsy izay nataon’i Jesosy. (Mar. 5:19) Izany koa no tiany hataontsika. Tiany hampahafantarintsika eran-tany ny anaran’ny Rainy! (Mat. 24:14; 28:20) Rehefa manao ny anjarantsika isika, dia faly i Jesosy Mpanjakantsika. w24.02 6:10
Talata 23 Septambra
Be fikirizana foana [ianao] noho ny anarako.—Apok. 2:3.
Tena fitahiana ny hoe anisan’ny fandaminan’i Jehovah amin’izao andro farany feno korontana izao. Miharatsy mantsy ny fiainana eran-tany, nefa isika omen’i Jehovah rahalahy sy anabavy miray saina. (Sal. 133:1) Ampiany koa isika hifandray akaiky amin’ny fianakaviantsika. (Efes. 5:33–6:1) Ataony izay hahatonga antsika hisaina tsara sy ho hendry, amin’izay isika tena milamin-tsaina. Tsy maintsy miezaka mafy anefa isika mba hanompo an’i Jehovah foana sy tsy hivadika aminy. Fa maninona? Satria mety hahasosotra antsika ny zavatra ataon’ny hafa na lazainy. Na ny fahalementsika aza mety hanahirana antsika, indrindra raha miverimberina ilay izy. Mila mikiry manompo an’i Jehovah foana anefa isika rehefa 1) misy mpiara-manompo mahasosotra antsika, 2) mandiso fanantenana antsika ny vadintsika, ary 3) diso fanantenana amin’ny tenantsika isika. w24.03 11:1-2
Alarobia 24 Septambra
Efa misy fandrosoana vitantsika ..., ka andao isika hiezaka handroso hoatr’izany foana.—Fil. 3:16.
Haheno tantarana rahalahy sy anabavy niezaka nampitombo ny fanompoany ianao indraindray. Nanatrika Sekolin’ny Mpitory Ilay Fanjakana angamba ry zareo, na nanitatra faritany. Raha afaka mametraka tanjona hoatran’ireo ianao, dia aza misalasala mihitsy! Mazoto mampitombo ny fanompoany ny vahoakan’i Jehovah. (Asa. 16:9) Ahoana anefa raha tsy afaka manao an’izany aloha ianao izao? Aza mieritreritra hoe ambany noho ireny olona ireny ianao. Fiaretana mantsy no tena ilaina amin’ilay hazakazaka ataon’ny Kristianina. (Mat. 10:22) Aza tsinontsinoavina mihitsy izay azonao atao ho an’i Jehovah, mifanaraka amin’ny zavatra iainanao. Sarobidy mantsy izany, sady anisan’ny fomba iray lehibe ahafahanao manaraka foana an’i Jesosy aorian’ny batisanao.—Sal. 26:1. w24.03 10:11
Alakamisy 25 Septambra
Tsara fanahy Andriamanitra ka namela ny heloka rehetra vitantsika.—Kol. 2:13.
Mampanantena ilay Raintsika any an-danitra hoe hamela antsika izy raha mibebaka isika. (Sal. 86:5) Raha tena manenina amin’ny fahotantsika àry isika, dia azontsika tazonina amin’ny teniny i Jehovah. Efa namela antsika izy. Tadidio fa tsy hentitra loatra izy na hoe tsy milefitra mihitsy. Tsy mitaky mihoatra noho izay vitantsika mihitsy izy. Ankasitrahany kosa izay ataontsika ho azy, raha mbola manao an’izay tsara indrindra vitantsika isika. Saintsaino koa ireo olona resahin’ny Baiboly hoe nanompo an’i Jehovah tamin’ny fony manontolo. Anisan’ireny ny apostoly Paoly. Niezaka be teo amin’ny fanompoana izy nandritra ny taona maro, ka nanao dia an’arivony kilaometatra sady nanangana fiangonana be dia be. Nisy fotoana anefa izy tsy afaka nitory firy. Dia tsy nankasitrahan’Andriamanitra intsony ve izy? Tsy izany! Mbola nanao izay vitany izy, dia notahin’i Jehovah. (Asa. 28:30, 31) Mety hiovaova koa ny azonao omena an’i Jehovah indraindray. Ny tena zava-dehibe aminy anefa dia hoe nahoana ianao no manao an’ilay izy. w24.03 13:7, 9
Zoma 26 Septambra
Vao maraina, [dia] nankany amin’ny toerana mitokana [i Jesosy], ary nivavaka tany.—Mar. 1:35.
Nanome modely harahin’ny mpianany i Jesosy, rehefa nivavaka tamin’i Jehovah. Nivavaka matetika, ohatra, izy nandritra ny fanompoany. Nila nanokana fotoana hivavahana izy, satria matetika izy no be atao sady be olona be nanodidina azy. (Mar. 6:31, 45, 46) Nifoha maraina, ohatra, izy amin’izay afaka mivavaka mitokana. Indray mandeha izy, fara fahakeliny, no nivavaka nandritra ny alina manontolo, talohan’ny handraisany fanapahan-kevitra lehibe. (Lioka 6:12, 13) Nivavaka imbetsaka koa izy ny alina talohan’ny nahafatesany. Izay hamitana an’ilay fanendrena sarotra indrindra nomena azy teto an-tany mantsy no nifantohany tamin’io. (Mat. 26:39, 42, 44) Ianarantsika avy amin’ny modelin’i Jesosy hoe na be atao hoatran’ny inona aza isika, dia mila mitady fotoana hivavahana. Mila manokana fotoana hanaovana an’izany hoatr’azy isika, ohatra hoe mifoha maraina na miari-tory kely. Rehefa manao an’izany mantsy isika, dia mampiseho amin’i Jehovah hoe ankasitrahantsika io fanomezana miavaka nomeny io. w23.05 20:4-5
Asabotsy 27 Septambra
Efa natao ao am-pontsika ny fitiavan’Andriamanitra, tamin’ny alalan’ny fanahy masina nomena antsika.—Rom. 5:5.
Azo adika hoe “nararaka” ilay hoe “natao ao” eo amin’io andininy io. Resahin’ny boky iray momba ny Baiboly fa toy ny hoe “arakaraka hoatran’ny renirano” no tiana holazaina amin’izany. Tena lehibe àry ny fitiavan’i Jehovah ny voahosotra! Fantatr’izy ireo koa hoe ‘tian’Andriamanitra’ izy. (Joda 1) Nilaza ny fihetseham-pon-dry zareo ny apostoly Jaona rehefa nanoratra hoe: “Eritrereto ange ny fitiavana nasehon’ny Ray antsika e! Nantsoiny hoe zanany mihitsy isika.” (1 Jaona 3:1) Fa ny voahosotra ihany ve no tian’i Jehovah? Tsy izany. Nampiseho fitiavana tamintsika rehetra izy. Inona no porofo lehibe indrindra fa tia antsika i Jehovah? Ny vidim-panavotana. Nasehony tamin’izany fa tsy misy tia antsika mihoatra noho izy!—Jaona 3:16; Rom. 5:8. w24.01 4:9-10
Alahady 28 Septambra
Hiverin-dalana ny fahavaloko, amin’ny andro iantsoako vonjy aminao. Izao no atokisako: Manohana ahy Andriamanitra.—Sal. 56:9.
Resahin’io andininy io ny fomba hafa nanampy an’i Davida tsy ho resin’ny tahotra. Inona izany? Na dia notandindomin-doza aza ny ainy, dia nisaintsaina an’izay hataon’i Jehovah ho azy izy. Fantany hoe hamonjy azy i Jehovah amin’ny fotoana mety. Izy rahateo efa nilaza fa i Davida no ho mpanjakan’ny Israely manaraka. (1 Sam. 16:1, 13) Tamin’i Davida, dia hoatran’ny hoe efa tanteraka foana izay nampanantenain’i Jehovah. Ary ianao? Inona no nampanantenain’i Jehovah fa hataony ho anao? Tsy manantena isika hoe hiaro antsika amin’ny olana rehetra izy. Na inona na inona anefa fitsapana atrehinao eto amin’izao tontolo izao, dia hesorin’i Jehovah izany ao amin’ilay tontolo vaovao ho avy. (Isaia 25:7-9) Ampy tsara ny herin’ilay Mpamorona antsika mba hananganana ny maty, sy hanasitranana antsika, ary handringanana ny mpanohitra rehetra.—1 Jaona 4:4. w24.01 1:12-13
Alatsinainy 29 Septambra
Sambatra izay voavela ny helony ary voasarona ny fahotany.—Sal. 32:1.
Saintsaino ny antony nahatonga anao hanokan-tena sy hatao batisa. Nanao an’ireo dingana ireo ianao, satria te hiandany amin’i Jehovah. Eritrereto indray hoe inona no nahatonga anao ho resy lahatra fa nahita ny fahamarinana ianao. Nianatra ny marina momba an’i Jehovah ianao, dia lasa nanaja sy tia an’ilay Rainao any an-danitra. Lasa nanam-pinoana ianao, dia te hibebaka noho ny fahotanao. Nandrisika anao ny fonao mba hiala tamin’ny fanao ratsy ianao, sady hiaina mifanaraka amin’ny sitrapon’Andriamanitra. Lasa maivamaivana ianao satria tsapanao hoe namela anao Andriamanitra. (Sal. 32:2) Nanatrika fivoriana ianao, dia nanomboka niresaka tamin’ny hafa ny zavatra tsara nianaranao. Efa nanokan-tena sy vita batisa ianao izao, ka mandeha amin’ilay lalana mankany amin’ny fiainana, ary tapa-kevitra ny tsy hiala amin’izany mihitsy. (Mat. 7:13, 14) Enga anie ianao tsy hanaiky ho voahozongozona, fa hahafoy tena ho an’i Jehovah foana, ary tsy hiovaova mihitsy fa hankatò ny didiny foana! w23.07 31:14, 19
Talata 30 Septambra
Tsy mivadika amin’ny teniny ... Andriamanitra, ka tsy hamela anareo halaim-panahy mihoatra noho izay zakanareo. Fa rehefa misy fakam-panahy dia hasiany lalan-kivoahana koa, mba hahazakanareo an’izany.—1 Kor. 10:13.
Hahazo hery hanoherana fakam-panahy ianao, raha misaintsaina an’ilay vavaka nataonao tamin’ianao nanokan-tena ho an’i Jehovah. Ianao ve, ohatra, dia hanomboka hanadaladala vadin’olona? Sanatria izany! Efa nanda tsy hanao an’izany mantsy ianao. Hisoroka fahoriana àry ianao, satria tsy voatery hiady amin’ny fihetseham-po ratsy raha efa namaka tao am-ponao ilay izy. ‘Hivily’ ianao, fa tsy handeha “amin’ny lalan’ny ratsy fanahy.” (Ohab. 4:14, 15) Eritrereto i Jesosy. Tapa-kevitra hampifaly ny Rainy izy. Raha mitadidy an’izany ianao, dia tonga dia holavinao an-kitsirano izay rehetra tsy mampifaly an’ilay Andriamanitra nanokananao tena. (Mat. 4:10; Jaona 8:29) Ireny fitsapana sy fakam-panahy ireny, raha ny marina, no hirika ahafahanao mampiseho hoe tapa-kevitra ny ‘hanaraka foana’ an’i Jesosy ianao. Rehefa manao an’izany ianao, dia matokia fa hanampy anao i Jehovah. w24.03 10:8-10