FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • es25
  • Novambra

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Novambra
  • Fandinihana ny Soratra Masina Isan’andro—2025
  • Lohatenikely
  • Asabotsy 1 Novambra
  • Alahady 2 Novambra
  • Alatsinainy 3 Novambra
  • Talata 4 Novambra
  • Alarobia 5 Novambra
  • Alakamisy 6 Novambra
  • Zoma 7 Novambra
  • Asabotsy 8 Novambra
  • Alahady 9 Novambra
  • Alatsinainy 10 Novambra
  • Talata 11 Novambra
  • Alarobia 12 Novambra
  • Alakamisy 13 Novambra
  • Zoma 14 Novambra
  • Asabotsy 15 Novambra
  • Alahady 16 Novambra
  • Alatsinainy 17 Novambra
  • Talata 18 Novambra
  • Alarobia 19 Novambra
  • Alakamisy 20 Novambra
  • Zoma 21 Novambra
  • Asabotsy 22 Novambra
  • Alahady 23 Novambra
  • Alatsinainy 24 Novambra
  • Talata 25 Novambra
  • Alarobia 26 Novambra
  • Alakamisy 27 Novambra
  • Zoma 28 Novambra
  • Asabotsy 29 Novambra
  • Alahady 30 Novambra
Fandinihana ny Soratra Masina Isan’andro—2025
es25

Novambra

Asabotsy 1 Novambra

Avy amin’ny vavan’ny ankizy sy ny zaza no amoahanao fiderana.​—Mat. 21:16.

Raha manan-janaka ianao, dia ampio ny zanakao mba hanomana valin-teny mifanaraka amin’ny taonany. Hevitra lehibe indraindray no dinihina mandritra ny fianarana, ohatra hoe olana ao an-tokantrano na momba ny fitondran-tena. Na amin’ireny aza anefa, dia mety hisy fehintsoratra iray na roa azon’ny zanakao anomezana valin-teny. Ampio koa ny zanakao hahatakatra hoe tsy voatery ho voatondro foana izy isaky ny manangan-tanana. Tsy ho diso fanantenana izy amin’izay, raha olon-kafa no voatondro fa tsy izy. (1 Tim. 6:18) Afaka manomana valin-teny manome voninahitra an’i Jehovah sy mampahery ny hafa daholo isika. (Ohab. 25:11) Marina hoe afaka manome valin-teny fohy momba ny zavatra niainantsika isika indraindray. Tsy tokony hiresaka be loatra momba ny tenantsika anefa isika. (Ohab. 27:2; 2 Kor. 10:18) Hiezaka kosa isika hifantoka amin’i Jehovah sy ny Teniny ary ny vahoakany amin’ny ankapobeny.​—Apok. 4:11. w23.04 18:17-18

Alahady 2 Novambra

Andao ... isika tsy hatory hoatran’ny olon-kafa, fa hiambina foana sady hisaina tsara foana.​—1 Tes. 5:6.

Tena ilaina ny fitiavana raha tiantsika ny hifoha foana sy hisaina tsara foana. (Mat. 22:37-39) Ny fitiavana an’Andriamanitra no hanampy antsika hanohy hitory, na dia mety hahitantsika olana aza izany. (2 Tim. 1:7, 8) Tiantsika na dia ny olona mbola tsy manompo an’i Jehovah aza, ka tohizintsika ny fitoriana. Mitory an-telefaonina sy an-taratasy mihitsy aza isika! Manantena isika hoe hiova ny olona indray andro any, ka hanomboka hanao ny tsara. (Ezek. 18:27, 28.) Tiantsika koa ny rahalahy sy anabavintsika, ka miezaka “hifampahery sy hifanampy foana” isika. (1 Tes. 5:11) Mifampahery foana isika, hoatran’ny miaramila mifanohana any an’ady. Tsy hanao fanahy iniana handratra ny fihetseham-pon’ny rahalahy sy anabavintsika isika, na hamaly ratsy ny ratsy. (1 Tes. 5:13, 15) Maneho fitiavana koa isika rehefa manaja an’ireo rahalahy mitarika ao amin’ny fiangonana.​—1 Tes. 5:12. w23.06 26:6, 10-11

Alatsinainy 3 Novambra

Tsy [hotanterahin’i Jehovah] ve izay nolazainy?​—Nom. 23:19.

Manatanjaka ny finoantsika isika rehefa misaintsaina ny vidim-panavotana. Antoka avy amin’Andriamanitra izy io hoe tena ho tanteraka ny fampanantenany. Inona no vokany rehefa saintsainintsika tsara ny antony nanomezan’i Jehovah ny vidim-panavotana sy izay rehetra nafoiny mba hanomezana azy io? Vao mainka isika lasa mino ny fampanantenany hoe hanome antsika fiainana tsy misy farany izy ao amin’ny tontolo iray tsara kokoa. Maninona isika no milaza an’izany? Inona marina moa no nafoin’i Jehovah mba hanomezana ny vidim-panavotana? Nalefany avy any an-danitra ilay Zanany lahimatoa tena tiany sady akaiky azy indrindra, mba ho teraka etỳ an-tany ka ho lasa olombelona lavorary. Niaritra an’izao karazana fahoriana rehetra izao i Jesosy tetỳ. Nijalijaly sy tena nanaintaina izy avy eo rehefa novonoina. Novidin’i Jehovah lafo àry isika! Ilay Andriamanitsika be fitiavana ve dia ho namela ny Zanany hijaly sy ho faty, mba hampetipety ny fiainantsika mandritra ny fotoana fohy fotsiny? (Jaona 3:16; 1 Pet. 1:18, 19) Matoa àry i Jehovah nahafoy zavatra sarobidy be hoatr’izany, dia azo antoka fa hataony izay hahazoantsika fiainana tsy mety tapitra ao amin’ny tontolo vaovao. w23.04 19:8-9

Talata 4 Novambra

Aiza koa ianao izay manindrona eo, ry Fahafatesana ô?​—Hosea 13:14.

Maniry hanangana ny maty ve i Jehovah? Azo antoka izany. Nisy mpanoratra Baiboly vitsivitsy nasainy nanoratra an’ilay fampanantenany hanangana ny maty. (Isaia 26:19; Apok. 20:11-13) I Jehovah koa rehefa mampanantena, dia tanterahiny foana ilay izy. (Jos. 23:14) Efa tsy andriny mihitsy aza ny hamelona an’ireo efa maty. Diniho ny tenin’ilay loham-pianakaviana atao hoe Joba. Natoky izy fa tsy ho andrin’i Jehovah ny hahita azy velona indray, raha sanatria maty izy. (Joba 14:14, 15, f.a.p.) Tsy i Joba irery no tiany ho hita indray, fa ny mpanompony rehetra efa nodimandry. Efa tsy andriny ny hamelona an-dry zareo, ary tiany ho salama sy sambatra ry zareo. Ary ahoana ny amin’ireo an’arivony tapitrisa efa maty nefa mbola tsy afaka nianatra ny marina momba an’i Jehovah? Tian’ilay Andriamanitsika be fitiavana hatsangana koa ireny olona ireny. (Asa. 24:15) Tiany ho lasa namany sy hiaina mandrakizay eto an-tany izy ireny.​—Jaona 3:16. w23.04 16:5-6

Alarobia 5 Novambra

Hahazo hery avy amin’Andriamanitra izahay.​—Sal. 108:13.

Inona no hanampy anao hatoky kokoa ny fanantenanao? Raha manantena hiaina mandrakizay eto an-tany, ohatra, ianao, dia vakio sy saintsaino izay resahin’ny Baiboly momba an’ilay Paradisa. (Isaia 25:8; 32:16-18) Eritrereto ny fiainana ao amin’ny tontolo vaovao. Ataovy hoatran’ny hoe efa any ianao. Raha mifantoka foana amin’ilay fanantenana hiaina ao amin’ny tontolo vaovao isika, dia ho “vetivety sy maivana” ny olana mahazo antsika. (2 Kor. 4:17) Hanatanjaka anao izany fanantenana omen’i Jehovah izany. Efa nanome an’izay rehetra ilainao i Jehovah mba hahazoanao hery. Mivavaha aminy àry rehefa mila fanampiana ianao mba hahafahanao hamita ny asa nanendrena anao, na hiaritra fitsapana, na ho falifaly foana. Miezaha koa mianatra samirery mba hahazoanao ny tari-dalany. Raiso ny fampaherezana omen’ireo rahalahy sy anabavy, ary ataovy mazava tsara ao an-tsainao ny fanantenanao. Raha manao an’izany ianao, dia ‘hampiasa ny heriny be voninahitra Andriamanitra, ka hanatanjaka anao sy hanome anao an’izay hery rehetra ilainao! Amin’izay ho vitanao ny hiaritra ny zava-drehetra, sady hanam-paharetana sy ho falifaly.’​—Kol. 1:11. w23.10 43:19-20

Alakamisy 6 Novambra

Mahaiza misaotra amin’ny zava-drehetra.​—1 Tes. 5:18.

Betsaka ny antony azontsika isaorana an’i Jehovah rehefa mivavaka isika. Afaka misaotra azy isika noho izay zavatra tsara ananantsika. Avy aminy daholo mantsy ny fanomezana tsara rehetra. (Jak. 1:17) Ankasitraho, ohatra, izy noho ny hakanton’ity tany ity sy ny zavaboary mahavariana noforoniny. Isaory koa izy satria nanome anao ny aina, fanantenana, ny fianakavianao, ary ny namanao. Aza hadinoina koa ny misaotra azy, satria avelany minamana aminy ianao, ary tena sarobidy izany. Mila manao ezaka manokana angamba isika tsirairay, mba hieritreretana hoe inona avy ny antony tokony hankasitrahantsika an’i Jehovah. Tsy mahay mankasitraka mantsy ny ankamaroan’ny olona amin’izao. Matetika ry zareo no mifantoka amin’izay ilainy, fa tsy amin’izay azony atao mba hampisehoana hoe mankasitraka an’izay efa ananany izy. Raha mifindra amintsika izany toe-tsaina izany, dia lasa lisitra-na fangatahana fotsiny ny vavaka ataontsika. Ahoana àry no hisorohana an’izany? Mila manohy mianatra mankasitraka an’izay rehetra ataon’i Jehovah ho antsika isika, ary mampiseho an’izany foana.​—Lioka 6:45. w23.05 20:8-9

Zoma 7 Novambra

[Mangataha] amim-pinoana foana, ary [aza misalasala] mihitsy.​—Jak. 1:6.

Ray be fitiavana i Jehovah ka tsy tiany ny mahita antsika mijaly. (Isaia 63:9) Na izany aza, dia tsy hoe sakanany daholo ny fitsapana mahazo antsika. Azo oharina amin’ny renirano na afo izy ireny. (Isaia 43:2) Mampanantena anefa izy hoe ‘hanampy antsika hiampita’ renirano sy ‘handeha’ eo amin’ny afo. Tsy misy fitsapana avelany hisakana antsika tsy hanompo azy koa. Ankoatra izay, dia omen’i Jehovah fanahy masina isika mba hanampiana antsika hiaritra. (Lioka 11:13; Fil. 4:13) Afaka matoky àry isika hoe hanana an’izay rehetra ilaina foana isika, mba hahafahantsika hiaritra sy tsy hivadika aminy. Manantena i Jehovah hoe hatoky azy isika. (Heb. 11:6) Indraindray hoatran’ny hoe mihoatra ny loha mihitsy ny fitsapana mianjady amintsika. Mety hanomboka hisalasala aza isika raha tena hanampy antsika i Jehovah. Manome toky anefa ny Baiboly hoe noho ny herin’Andriamanitra, dia hahavita ‘hianika manda’ isika. (Sal. 18:29) Tsy tsara àry ny misalasala fa aleo kosa manam-pinoana foana rehefa mivavaka, ary matoky hoe hamaly an’izany i Jehovah.​—Jak. 1:6, 7. w23.11 49:8-9

Asabotsy 8 Novambra

Toy ny lelafo miredareda [ny fitiavana], dia lelafo avy amin’i Jah.​—Tonon. 8:6, 7.

Kanto erỳ izany fomba ilazana ny tena fitiavana izany! Manome toky ny mpivady ireo teny ireo hoe afaka ny tsy ho lefy mandrakizay ny fifankatiavan’izy ireo. Tsy voatery ho lefy tokoa ny fifankatiavan’ny mpivady mandritra ny androm-piainany. Miankina amin-dry zareo ihany anefa izany. Andao isika haka ohatra. Afaka ny hirehitra foana ny afon-dasy, kanefa tsy maintsy ampiana kitay. Raha avela amin’izao fotsiny mantsy ilay afo dia ho faty amin’ny farany. Hoatr’izany koa ny fifankatiavan’ny mpivady. Afaka ny hifankatia be foana ry zareo, nefa tsy maintsy kolokoloina ilay fifandraisana. Indraindray anefa mety hihamangatsiaka ny fifankatiavan’izy roa, indrindra rehefa manana olana ara-bola ry zareo, tsy salama, na sahirana amin’ny fitaizan-janaka. Tsy maintsy samy miezaka hifandray tsara amin’i Jehovah ny mpivady, mba tsy ho faty ilay “lelafo avy amin’i Jah.” w23.05 23:1-3

Alahady 9 Novambra

Aza matahotra.​—Dan. 10:19.

Inona no mila ataonao mba ho be herim-po? Mampirisika anao hanana an’io toetra io angamba ny ray aman-dreninao. Na be herim-po aza anefa ry zareo, dia tsy azony afindra fotsiny hoatran’ny lova izy io. Hoatran’ny mianatra zava-baovao ny miezaka ho be herim-po. Hahay tsara an’ilay izy, ohatra, ianao raha mandinika tsara ny ataon’ilay mpampianatra, dia avy eo manao hoatr’azy. Ho be herim-po koa isika, raha mandinika tsara ny fomba ampisehoan’ny hafa an’io toetra io, dia avy eo manao hoatran-dry zareo. Mila mahay tsara ny Tenin’Andriamanitra hoatran’i Daniela isika. Tsy maintsy miezaka mifandray akaiky amin’i Jehovah koa isika, ka mamboraka aminy matetika an’izay ao am-pontsika. Tsy izay ihany, fa mila matoky azy isika, ka resy lahatra hoe manampy antsika izy. Hahavita ho be herim-po isika amin’izay, rehefa misy fitsapana. Hajain’ny hafa izay olona be herim-po. Mety hahatonga an’ireo tso-po ho te hanatona an’i Jehovah koa ny olona hoatr’izany. Tena tokony hiezaka ho be herim-po àry isika! w23.08 33:2, 8-9

Alatsinainy 10 Novambra

Hamarino tsara daholo ny zava-drehetra.​—1 Tes. 5:21.

Ilay teny grika nadika hoe ‘manamarina’ dia azo adika koa hoe ‘misedra’, ohatra hoe misedra volamena na metaly sarobidy hafa. Tokony hosedraintsika àry izay vakintsika na henontsika, mba hahitana raha tena marina na tsia. Vao mainka izany zava-dehibe amintsika satria efa manakaiky ny fahoriana lehibe. Tsy mino befahatany an’izay lazain’ny hafa isika fa mampiasa ny saintsika, ka mampitaha an’izay vakintsika na henontsika amin’izay lazain’ny Baiboly sy ny fandaminan’i Jehovah. Raha manao an’izany isika, dia tsy ho voafitaky ny fampielezan-kevitra avy amin’ny demonia. (Ohab. 14:15; 1 Tim. 4:1) Ho tafavoaka velona amin’ny fahoriana lehibe ny mpanompon’Andriamanitra amin’ny fitambarany. Tsy mahalala izay havoakan’ny ampitso kosa isika tsirairay. (Jak. 4:14) Ho tafavoaka velona amin’ny fahoriana lehibe ve ianao sa ho faty alohan’izay? Na ahoana na ahoana, dia hamaly soa antsika Andriamanitra ka hanome antsika fiainana mandrakizay raha tsy mivadika isika. Enga anie isika rehetra hifantoka amin’ilay fanantenana tsara be ananantsika, sady ho vonona foana ho amin’ny andron’i Jehovah! w23.06 26:15-16

Talata 11 Novambra

Nampahafantatra ny tsiambaratelony tamin’ny mpaminany mpanompony [i Jehovah].​—Amosa 3:7.

Tsy haintsika hoe ahoana no hahatanterahan’ny faminaniana sasany ao amin’ny Baiboly. (Dan. 12:8, 9) Na tsy haintsika tsara aza anefa hoe ahoana no hahatanterahan’ny faminaniana iray, dia tsy midika izany hoe tsy ho tanteraka mihitsy ilay izy. Afaka matoky isika fa hampahafantarin’i Jehovah antsika ihany izay tokony ho fantatsika amin’ny fotoana mety, hoatran’ny nataony taloha. Hisy hanao fanambarana hoe “fandriampahalemana sy filaminana!” (1 Tes. 5:3) Hanafika ny fivavahan-diso ny fitondram-panjakana eran-tany aorian’izay, ary handringana azy io. (Apok. 17:16, 17) Hanafika ny vahoakan’Andriamanitra ry zareo avy eo. (Ezek. 38:18, 19) Ny ady Aramagedona no hamarana an’izany rehetra izany. (Apok. 16:14, 16) Afaka matoky isika hoe hitranga tsy ho ela ireo. Mandra-pahatongan’izay anefa, dia asehontsika hoe mankasitraka an’ilay Raintsika be fitiavana any an-danitra isika, rehefa mianatra an’ireo faminaniana ao amin’ny Baiboly, sady manampy ny hafa hanao hoatr’izany koa. w23.08 34:19-20

Alarobia 12 Novambra

Andao isika hifankatia foana, satria avy amin’Andriamanitra ny fitiavana.​—1 Jaona 4:7.

Niresaka momba ny finoana sy fanantenana ary fitiavana ny apostoly Paoly indray mandeha, dia avy eo nilaza hoe: ‘Ny fitiavana no lehibe indrindra amin’ireo’ toetra ireo. (1 Kor. 13:13) Fa maninona izy no niteny an’izany? Satria tsy hila hino ny fampanantenan’Andriamanitra momba ny tontolo vaovao intsony isika amin’ny hoavy, na hanantena hoe ho tanteraka izy ireny. Efa ho tanteraka mantsy ireny amin’izay. Mbola hila ho tia an’i Jehovah sy ny olona foana anefa isika. Raha ny marina aza, dia hitombo foana ny fitiavantsika an-dry zareo mandrakizay. Ny fitiavana koa no amantarana ny tena Kristianina. Izao no nolazain’i Jesosy tamin’ny apostoliny: “Raha mifankatia ianareo, dia izany no hahafantaran’ny olona rehetra fa mpianatro ianareo.” (Jaona 13:35) Ankoatra izany, dia mampiray saina antsika foana ny fitiavana. Izany no nahatonga an’i Paoly hiantso ny fitiavana hoe “tady tonga lafatra mampifamatotra antsika.” (Kol. 3:14) Hoy ny apostoly Jaona tamin’ny mpiara-manompo taminy: “Tsy maintsy tia ny rahalahiny koa izay tia an’Andriamanitra.” (1 Jaona 4:21) Rehefa mifankatia àry isika, dia mampiseho hoe tia an’Andriamanitra. w23.11 47:1, 3

Alakamisy 13 Novambra

[Alao izay] rehetra manavesatra antsika.​—Heb. 12:1.

Ampitovin’ny Baiboly amin’ny hazakazaka ny fiainantsika Kristianina. Fiainana mandrakizay no valisoan’izay mpihazakazaka tody hatramin’ny farany. (2 Tim. 4:7, 8) Mila manezakezaka araka izay fara herintsika isika mba hihazakazahana foana, satria tena akaiky noho ny hatramin’izay ilay tsipika farany. Nahavita an’io hazakazaka ho amin’ny fiainana io ny apostoly Paoly, dia natorony hoe inona no hanampy antsika handresy koa. Nampirisihiny isika mba “hanala an’izay rehetra manavesatra antsika” sy “hanohy an’ilay hazakazaka asaina ataontsika ka haharitra amin’izany.” Inona no tian’i Paoly hotenenina tamin’ilay hoe ‘alao izay rehetra manavesatra’? Te hilaza ve izy hoe tsy misy na inona na inona tokony hoentin’ny Kristianina mihitsy? Tsy izany. Tiany holazaina kosa hoe mila esorintsika daholo izay manavesatra nefa tsy ilaina akory. Hanelingelina sy handreraka antsika mantsy izany. Raha te hiaritra isika, dia tsy maintsy fantarintsika izay manavesatra antsika nefa tsy ilaina akory. Esorintsika ireny satria mahatonga antsika hiadam-pamindra. Misy zavatra tsy maintsy entintsika koa anefa, ka tsy tokony halantsika. Raha ariantsika mantsy izany, dia tsy hahafeno fepetra amin’ilay hazakazaka intsony isika.​—2 Tim. 2:5. w23.08 36:1-2

Zoma 14 Novambra

Tsy tokony ho zavatra ivelany fotsiny ny haingonareo.​—1 Pet. 3:3.

Rehefa mahay mandanjalanja isika, dia manampy antsika hanaja ny hevitry ny hafa izany. Ny anabavintsika sasany, ohatra, tia manao makiazy, fa ny hafa kosa tsy tia. Misy indray Kristianina tia misotrosotro araka ny antonony, fa ny hafa kosa aleony tsy mikasika zava-pisotro misy alkaola mihitsy. Samy te ho salama tsara daholo isika Kristianina, nefa samy hafa ny fitsaboana mety ho tiantsika harahina. Mety hanafintohina ny olon-kafa sy hampisara-bazana ny fiangonana anefa isika, raha mieritreritra hoe ny antsika foana no marina ka miezaka mandresy lahatra ny rahalahy sy anabavy hanaraka an’izany isika. (1 Kor. 8:9; 10:23, 24) Tsy manome lalàna hentitra be momba ny fitafiana, ohatra, i Jehovah, fa torolalana kosa no omeny. Tiany ho mendrika ny mpanompon’Andriamanitra ny fomba fiakanjontsika, izany hoe tokony ho hita amin’izay anaovantsika fa mahay mandanjalanja sy maotina ary ‘misaina tsara’ isika. (1 Tim. 2:9, 10) Tsy tiantsika àry raha hoe lasa isika no ifantohan’ny olona noho ny fomba fiakanjontsika. Manampy ny anti-panahy koa ny torolalan’ny Baiboly mba tsy hametraka lalàna momba ny akanjo sy ny taovolo. w23.07 32:13-14

Asabotsy 15 Novambra

Henoy tsara aho, dia mihinàna sakafo tena tsara, dia amin’izay ianareo tena hankafy sakafo matsiro be.​—Isaia 55:2.

Nasehon’i Jehovah amintsika hoe ahoana no hatao mba hananana hoavy sambatra. Te ‘hankamamy’ an’ilay rano nangalarina, izany hoe te hahazo fahafinaretana avy amin’ny fitondran-tena maloto, izay manaiky ny fanasan’ilay vehivavy petsam-bava sy “tsisy saina.” “Any amin’ny Fasana” no hiafarany. (Ohab. 9:13, 17, 18) Hafa mihitsy anefa ny hoavy miandry an’izay manaiky ny fanasan’ny “tena fahendrena”! (Ohab. 9:1) Mianatra ho tia an’izay tian’i Jehovah sy hankahala an’izay halany isika. (Sal. 97:10) Mahatsiaro ho afa-po koa isika rehefa manasa ny hafa handray soa avy amin’ny “tena fahendrena.” Hoatran’ny hoe ‘miantsoantso’ an-dry zareo “eny amin’ny toerana avoavo ao an-tanàna” isika hoe: “Tongava atỳ izay mbola tsy dia nahita fiainana!” Tsy amin’izao ihany isika sy izay manaiky an’ilay fanasana no mandray soa. Mandray soa maharitra kosa isika ka lasa afaka ny ho “velona” mandrakizay, rehefa ‘avelantsika hitarika antsika ny fahiratan-tsaina.’​—Ohab. 9:3, 4, 6. w23.06 28:17-18

Alahady 16 Novambra

Aleo olona tsy mora tezitra toy izay lehilahy matanjaka, ary aleo olona mahafehy tena toy izay olona mahazo tanàna ho babo.​—Ohab. 16:32.

Inona no tsapanao rehefa misy mpiara-miasa na mpiara-mianatra manontany anao momba an’izay inoanao? Matahotra ve? Hoatr’izany ny ankamaroantsika. Mety ho hita avy amin’ilay fanontaniana anefa izay ao an-tsainy na izay inoany. Hanampy anao hitory ny vaovao tsara izany. Indraindray anefa mety hanakiana be ilay olona rehefa manontany. Tsy tokony hahagaga antsika izany. Mety ho naheno fanazavana diso momba an’izay inoantsika mantsy ny olona sasany. (Asa. 28:22) Miaina “amin’ny andro farany” koa isika, dia betsaka ny olona ‘tsy azo ifanarahana’, ary “masiaka be” mihitsy aza. (2 Tim. 3:1, 3) Mety ho lasa saina ianao hoe: ‘Fa ahoana no hahavitako an’izany hoe mbola tsara fanahy sy mahay mandanjalanja ihany, nefa izy manakiana ny zavatra inoako?’ Hahavita an’izany ianao raha malemy fanahy. Ny olona malemy fanahy mantsy tsy mora tezitra fa mahafehy tena, rehefa misy zavatra mahasosotra na tsy hainy valiana. w23.09 39:1-2

Alatsinainy 17 Novambra

Hotendrenao ho andriana manerana ny tany izy ireo.​—Sal. 45:16.

Indraindray isika mahazo torohevitra miaro antsika tsy ho matimatin-karena, na hanao zavatra hahatonga antsika handika ny lalàn’Andriamanitra. Mandray soa koa isika amin’ireny rehefa manaraka ny tari-dalan’i Jehovah. (Isaia 48:17, 18; 1 Tim. 6:9, 10) Azo antoka hoe mbola hampiasa olona hisolo tena azy i Jehovah mba hanomezana tari-dalana antsika, mandritra ny fahoriana lehibe ka hatrany amin’ny Fanjakana Arivo Taona. Hanaraka an’ireny toromarika ireny foana ve isika? Mety hiankina betsaka amin’izay ataontsika amin’izao izany, rehefa mahazo tari-dalana avy amin’i Jehovah isika. Andao àry isika hanaraka foana ny tari-dalany, anisan’izany izay omeny amin’ny alalan’ireo lehilahy notendreny hiahy antsika. (Isaia 32:1, 2; Heb. 13:17) Afaka matoky tanteraka an’i Jehovah ilay Mpitarika antsika isika, satria izy no mitarika antsika hiala lavitra an’izay mety hampidi-doza ny fifandraisantsika aminy. Izy koa no mitondra antsika any amin’ilay toerana tiantsika haleha, izany hoe ny tontolo vaovao, ka hiaina mandrakizay isika. w24.02 8:17-18

Talata 18 Novambra

Hatsaram-panahy miavaka no namonjena anareo.​—Efes. 2:5.

Nankafy ny fanompoany an’i Jehovah ny apostoly Paoly, nefa niatrika olana be dia be koa. Matetika izy no nanao dia lavitra, nefa tsy mora izany tamin’ny androny. Nisy fotoana, ohatra, izy “saika nahita loza tamin’ny renirano” sady “saika nahita loza tamin’ny jiolahy.” Indraindray koa izy nampijalijalin’ny mpanohitra. (2 Kor. 11:23-27) Ankoatra izay, dia tsy nankasitraka ny fanampiany ny Kristianina sasany indraindray, nefa izy efa mba niezaka erỳ. (2 Kor. 10:10; Fil. 4:15) Inona no nanampy an’i Paoly hanompo an’i Jehovah foana? Nianatra betsaka momba ny toetran’i Jehovah izy, na avy tamin’ny Soratra Masina na avy tamin’ny zavatra niainany. Resy lahatra àry i Paoly hoe tia azy i Jehovah Andriamanitra. (Rom. 8:38, 39; Efes. 2:4, 5) Lasa tia be an’i Jehovah izy. Ahoana no nampisehoany an’izany fitiavana izany? ‘Nikarakara ny olona masina’ izy ‘sady mbola nikarakara azy ireo’ foana.​—Heb. 6:10. w23.07 30:5-6

Alarobia 19 Novambra

[Ekeo] ny manam-pahefana.​—Rom. 13:1.

Betsaka ny olona miaiky hoe ilaina ny fitondram-panjakana, ary fara faharatsiny isika tokony hankatò ny sasany amin’ny lalàna apetraky ny “manam-pahefana.” Ireny olona ireny ihany anefa avy eo no mitady tsy hankatò, rehefa misy lalàna heveriny hoe tsy ara-drariny na hoatran’ny hoe be loatra ny takina aminy. Milaza ny Baiboly hoe mampijaly ny fitondran’olombelona, ary eo ambany fahefan’i Satana, sady horavana tsy ho ela. (Sal. 110:5, 6; Mpito. 8:9; Lioka 4:5, 6) Lazain’izy io koa anefa hoe ‘izay manohitra ny fahefana dia manohitra ny lamina napetrak’Andriamanitra.’ Avelan’i Jehovah hitondra aloha ny fitondram-panjakana amin’izao mba hisian’ny filaminana, dia manantena izy hoe hankatò an-dry zareo isika. Tsy maintsy ‘aloantsika amin’izy rehetra àry izay tokony haloa aminy’, anisan’izany ny hetra, ny fanajana, ary ny fankatoavana. (Rom. 13:1-7) Ahoana anefa raha tsy mety na tsy rariny ny fahitantsika ny lalàna iray, na hoe mandany vola be ny mankatò an’ilay izy? Mankatò azy ireny isika satria isika mankatò an’i Jehovah. Izy mantsy no mampirisika antsika hankatò ny manam-pahefana, raha tsy asain’izy ireny mandika ny didiny isika.​—Asa. 5:29. w23.10 42:9-10

Alakamisy 20 Novambra

Nanome hery an’i Samsona ny fanahin’i Jehovah.​—Mpits. 15:14.

Ny Filistinina no nifehy ny firenen’Israely, tamin’i Samsona teraka. Nanao tsindry hazo lena ry zareo, ka nijaly be ny Israelita. (Mpits. 13:1) Nofidin’i Jehovah i Samsona mba “hamonjy ny Israely amin’ny Filistinina.” (Mpits. 13:5) Tsy maintsy niantehitra tamin’i Jehovah àry izy mba hanatanterahana an’io asa sarotra nanendrena azy io. Tonga hisambotra an’i Samsona tao Lehy ny miaramila filistinina, indray mandeha. Tany Joda angamba io toerana io. Natahotra ny lehilahy avy tamin’ny fokon’ny Joda, dia nanapa-kevitra hoe hanolotra azy amin’ny fahavalo. Mpiray tanindrazana taminy ihany no namatotra azy tamin’ny tady roa vaovao, dia nitondra azy tany amin’ny Filistinina. (Mpits. 15:9-13) “Nanome hery an’i Samsona” anefa “ny fanahin’i Jehovah”, dia vitany ny nanapaka an’ireo tady. “Nahita valanoranon’ampondralahy izy” avy eo dia noraisiny ilay izy, ary iny taolana “mbola mando” iny no namonoany lehilahy filistinina 1 000!​—Mpits. 15:14-16. w23.09 37:3-4

Zoma 21 Novambra

Izany dia mifanaraka amin’ilay fikasany hatrizay hatrizay momba an’i Kristy, dia i Jesosy Tompontsika.​—Efes. 3:11.

Nampahafantarin’i Jehovah tsikelikely ao amin’ny Baiboly ny “fikasany mandrakizay.” Na ahoana na ahoana, dia mahomby foana izy, satria ‘nataony hanatanterahana ny fikasany ny zava-drehetra.’ (Ohab. 16:4) “Mandrakizay” àry ny fikasan’i Jehovah, satria hisy vokany maharitra mandrakizay ny zavatra ataony. Fa inona no fikasany, ary inona no novany mba hanatanterahana an’izany? Nolazain’Andriamanitra tamin’ny olombelona voalohany hoe inona ny fikasany momba an-dry zareo. Izao no noteneniny: “Miteraha maro, dia mihabetsaha ka mamenoa ny tany. Anjakao ny tany, ary anjakao ... ny zavamananaina rehetra” eny. (Gen. 1:28) Rehefa nikomy i Adama sy Eva, dia lasa mpanota ny olombelona. Tsy hoe rava hatreo anefa ny fikasan’i Jehovah. Novany fotsiny ny fomba anatanterahany an’ilay izy. Tonga izy dia nanapa-kevitra hanangana Fanjakana any an-danitra, ary izy io no hanatanteraka ny fikasany tany am-boalohany momba ny tany sy ny olombelona.​—Mat. 25:34. w23.10 44:6-7

Asabotsy 22 Novambra

Raha tsy i Jehovah no mpanampy ahy, dia efa maty aho hoatr’izay.​—Sal. 94:17.

Afaka manampy antsika tsy hilavo lefona i Jehovah. Mety tsy ho mora izany, indrindra raha manana fahalemena sarotra ialana isika. Indraindray aza mety ho hoatran’ny hoe lehibe kokoa noho ny an’ny apostoly Petera ny fahalementsika. Afaka manome hery antsika anefa i Jehovah mba tsy ho kivy isika. (Sal. 94:18, 19) Diniho ny ohatry ny rahalahy iray. Niaraka tamin’ny lehilahy nandritra ny taona maro izy, talohan’ny nianarany ny fahamarinana. Tapa-kevitra anefa izy hoe hiala amin’izany fanao ratsy izany. Na izany aza, dia nila niady tamin’ny fanirian-dratsy ihany izy indraindray. Inona no nanampy azy tsy hilavo lefona? Izao no nohazavainy: “Manatanjaka ahy i Jehovah.” Hoy koa izy: ‘Nianarako hoe hahavita hifikitra amin’ny fahamarinana foana isika, rehefa ampian’ny fanahin’i Jehovah. Afaka nampiasa ahy i Jehovah hatramin’izao, ary mbola manatanjaka ahy foana izy na dia tsy lavorary aza aho.’ w23.09 40:12

Alahady 23 Novambra

Izay manetry tena sy matahotra an’i Jehovah dia hahazo harena sy voninahitra ary fiainana.​—Ohab. 22:4.

Ry rahalahy tanora, tsy ho lasa Kristianina matotra ho azy eo ianareo. Mila mifidy modely hotahafina ianareo, dia misaina tsara, azo ianteherana, mianatra fahaizana ilaina eo amin’ny fiainana, ary miomana ho amin’izay andraikitra miandry anareo. Izany ve tsy sarotra be? Mety hahatsapa hoatr’izany ianao indraindray, rehefa mieritreritra an’izany zava-drehetra mila iezahanao izany. Afaka ny hahomby anefa ianao. Tadidio hoe tena te hanampy anao i Jehovah. (Isaia 41:10, 13) Hanampy anao koa ny rahalahy sy anabavy ao amin’ny fiangonana. Hahafinaritra sy hahafa-po be ny fiainanao rehefa lasa ilay karazan’olona tian’i Jehovah ianao. Tianay ianareo, ry rahalahy tanora! Enga anie i Jehovah hitahy ny ezaka ataonareo izao mba ho lasa Kristianina matotra. w23.12 53:19-20

Alatsinainy 24 Novambra

[Mamelà] fahadisoana.​—Ohab. 19:11.

Andao hatao hoe nanao fety kely niaraka tamin’ny rahalahy sy anabavy vitsivitsy ianao. Nahafinaritra be ilay izy, dia niaraka naka sary ianareo. Naka sary roa fanampiny aza ianao sao ratsy ilay voalohany. Lasa manana sary telo àry ianao. Hitanao anefa hoe misy rahalahy miketrona ao amin’ilay sary iray. Esorinao àry ilay sary, satria mbola manana sary roa hafa ianao, ary mitsikitsiky daholo ny olona ao amin’ilay izy, anisan’izany ilay rahalahy teo. Mahafinaritra antsika matetika ny mitadidy an’ireo fotoana mamy niarahantsika tamin’ny rahalahy sy anabavy. Ahoana anefa raha nisy nilaza na nanao zavatra nahasosotra antsika tamin’ny iray tamin’ireny fotoana ireny? Ahoana no hataontsika? Maninona raha esorina ao an-tsaina izany, hoatran’ny nanesorantsika an’ilay sary iray? (Efes. 4:32) Afaka manadino an’izany isika, satria be dia be ny fotoana mamy niarahantsika taminy. Ireny fotoana ireny no tiantsika hotadidina sy ankamamina. w23.11 47:16-17

Talata 25 Novambra

Ny vehivavy ... rehefa mihaingo, dia tokony hanao akanjo mendrika sy maotina. ... Tokony hifanentana ... amin’ny vehivavy milaza ho mpivavaka amin’Andriamanitra ny haingon’izy ireo.​—1 Tim. 2:9, 10.

Asehon’ny teny grika nampiasaina eo hoe tokony ho mendrika ny fitafian’ny vehivavy kristianina, ary tokony ho hita hoe hajainy ny fihetseham-pon’ny hafa na ny heviny. Tena faly isika manana anabavy kristianina matotra manao akanjo maotina hoatr’izany. Mila mahay manavaka ny anabavy kristianina matotra rehetra. Fa inona no dikan’ny hoe mahay manavaka? Mahalala ny fahasamihafan’ny tsara sy ny ratsy, dia mifidy ny hanao ny tsara. Diniho ny ohatr’i Abigaila. Tsy nety ny fanapahan-kevitry ny vadiny, dia ny ankohonany manontolo no mety ho nizaka ny vokany. Tonga dia nanao zavatra àry i Abigaila. Nahay nanavaka izy, dia ain’olona maro no voavonjy. (1 Sam. 25:14-23, 32-35) Raha mahay manavaka koa isika, dia hahafantatra hoe rahoviana no tokony hiteny na hangina. Hanampy antsika hahay handanjalanja koa izany, rehefa miahy ny hafa isika.​—1 Tes. 4:11. w23.12 52:8-9

Alarobia 26 Novambra

Aoka ... isika hifaly noho ny fanantenana ny voninahitr’Andriamanitra.​—Rom. 5:2.

Ny fiangonana tany Roma no nanoratan’ny apostoly Paoly an’ireo. Efa nianatra momba an’i Jehovah sy Jesosy, naneho finoana, ary lasa Kristianina ny rahalahy sy anabavy tany. ‘Nambaran’Andriamanitra hoe olo-marina’ àry ry zareo ‘noho ny finoany’, ary nohosorany fanahy masina. (Rom. 5:1) Lasa nanana fanantenana tsara be ireo Kristianina ireo, sady azony antoka hoe ho tanteraka ilay izy. Nanoratra ho an’ny Kristianina voahosotra tany Efesosy i Paoly tatỳ aoriana. Niresaka momba ny fanantenana nomena an-dry zareo izy, anisan’izany ilay hoe hahazo ny “lovan’ny olona masina.” (Efes. 1:18) Noresahin’i Paoly tamin’ny Kolosianina koa hoe aiza ny fanantenan-dry zareo. Ilay “fanantenana notehirizina ho anareo any an-danitra” no niantsoany azy io. (Kol. 1:4, 5) Inona izany no fanantenan’ny Kristianina voahosotra? Ny hatsangana amin’ny maty mba ho velona mandrakizay any an-danitra, dia hiara-manjaka amin’i Kristy any.​—1 Tes. 4:13-17; Apok. 20:6. w23.12 51:4-5

Alakamisy 27 Novambra

Ny fiadanan’Andriamanitra, izay mihoatra lavitra noho izay rehetra takatry ny sain’olombelona, no hiambina ny fonareo sy ny sainareo.​—Fil. 4:7.

Ilazana miaramila maromaro niambina sy niaro tanàna ilay teny nadika hoe “hiambina.” Natory tsara ny mponina tao rehefa alina, satria nahafantatra hoe nisy miaramila niambina teny am-bavahady. Hoatr’izany koa fa tony isika rehefa miambina ny fontsika sy ny saintsika ny fiadanan’Andriamanitra, satria mahafantatra hoe voaro. (Sal. 4:8) Na tsy milamina eo no ho eo aza ilay olana, hoatran’ny tamin’ny an’i Hana, dia mbola afaka ny ho tony ihany isika. (1 Sam. 1:16-18) Matetika no mora kokoa amin’izay ny hisaina tsara sy hahay hanapa-kevitra. Inona no azontsika atao? Rehefa mitaintaina ianao, dia antsoy ilay mpiambina. Ahoana no hanaovana an’izany? Mivavaha mandra-pahazoanao an’ilay fiadanan’Andriamanitra. (Lioka 11:9; 1 Tes. 5:17) Raha miatrika fotoan-tsarotra koa ianao, dia mivavaha foana fa ho hitanao hoe hiambina ny fonao sy ny sainao ilay fiadanan’i Jehovah.​—Rom. 12:12. w24.01 3:5-6

Zoma 28 Novambra

Rainay izay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao!​—Mat. 6:9.

Niaritra ny mafy i Jesosy mba hanamasinana ny anaran’ny Rainy. Nampijalijalina izy, nitenenana ratsy, ary nendrikendrehina. Fantany hoe nankatò ny Rainy tamin’ny zava-drehetra izy, ary tsy nisy tokony hahamenatra azy. (Heb. 12:2) Fantany koa hoe nanafika azy mivantana i Satana tamin’ireny fotoana nanjombona ireny. (Lioka 22:2-4; 23:33, 34) Nanantena i Satana hoe hahavita hampivadika an’i Jesosy, saingy niala maina. Noporofoin’i Jesosy fa mpandainga ratsy i Satana, ary tena misy mpanompon’i Jehovah tsy mivadika aminy, na dia iharan’ny fitsapana faran’izay mafy aza! Te hampifaly an’ilay Mpanjakanao efa am-perinasa ve ianao? Derao foana àry ny anaran’i Jehovah, ary ampio ny hafa hahafantatra ny tena maha izy an’ilay Andriamanitsika. Manaraka ny dian’i Jesosy ianao rehefa manao an’izany. (1 Pet. 2:21) Mampifaly an’i Jehovah hoatran’ny nataon’i Jesosy ianao, ary manaporofo hoe tena mpandainga ratsy fanahy i Satana, ilay fahavalony. w24.02 6:11-13

Asabotsy 29 Novambra

Inona no havaliko an’i Jehovah noho ny soa rehetra nataony tamiko?​—Sal. 116:12.

Iray tapitrisa mahery no natao batisa ka lasa Vavolombelon’i Jehovah, tato anatin’ny dimy taona. Rehefa manokan-tena ho an’i Jehovah ianao, dia mifidy ho lasa mpianatr’i Jesosy Kristy sy hanao ny sitrapon’Andriamanitra alohan’ny zavatra hafa rehetra. Inona no takina amin’ny Kristianina nanokan-tena? Izao no nolazain’i Jesosy: “Raha misy te hanaraka ahy, dia tsy maintsy mandà ny tenany izy.” (Mat. 16:24) Azo adika koa hoe “tsy maintsy mandà ny sitrapony” ilay teny grika nadika hoe “tsy maintsy mandà ny tenany.” Mila mandà an’izay rehetra mifanohitra amin’ny sitrapon’i Jehovah àry ianao, raha mpanompony nanokan-tena ho azy. (2 Kor. 5:14, 15) Anisan’izany ny hoe mandà “ny asan’ny nofo”, ohatra hoe ny fijangajangana. (Gal. 5:19-21; 1 Kor. 6:18) Ho lasa teritery be ve ny fiainanao vokatr’izany? Tsy ho izany mihitsy, raha tia an’i Jehovah ianao sady resy lahatra hoe mahasoa anao ny lalàny.​—Sal. 119:97; Isaia 48:17, 18. w24.03 9:1, 4

Alahady 30 Novambra

Ankasitrahako ianao.​—Lioka 3:22.

Omen’i Jehovah ny fanahiny masina ny olona ankasitrahany. (Mat. 12:18) Saintsaino hoe: ‘Afaka naneho ny sasany tamin’ny vokatry ny fanahin’Andriamanitra ve aho teo amin’ny fiainako?’ Manam-paharetana kokoa amin’ny olona ve ianao izao, raha oharina amin’ny tamin’ianao mbola tsy nahafantatra an’i Jehovah? Raha ny marina, dia arakaraka ny iezahanao maneho ny vokatry ny fanahin’Andriamanitra no ahitanao fa mankasitraka anao i Jehovah! Ampiharin’i Jehovah amin’ny olona ankasitrahany ny vidim-panavotana. (1 Tim. 2:5, 6) Ahoana anefa raha efa mino ny vidim-panavotana isika sady efa vita batisa, nefa mbola tsy manaiky ihany ny fontsika hoe mankasitraka antsika i Jehovah? Tadidio fa mety hamitaka ny fihetseham-ponao indraindray, fa i Jehovah kosa azonao atokisana foana. Raisiny ho anisan’ny olo-marina ny olona mino ny vidim-panavotana, ary mampanantena izy hoe hitahy an-dry zareo.​—Sal. 5:12; Rom. 3:26. w24.03 13:15, 17

    Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Tenin’ny Tanana Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara