FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • es25
  • Desambra

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Desambra
  • Fandinihana ny Soratra Masina Isan’andro—2025
  • Lohatenikely
  • Alatsinainy 1 Desambra
  • Talata 2 Desambra
  • Alarobia 3 Desambra
  • Alakamisy 4 Desambra
  • Zoma 5 Desambra
  • Asabotsy 6 Desambra
  • Alahady 7 Desambra
  • Alatsinainy 8 Desambra
  • Talata 9 Desambra
  • Alarobia 10 Desambra
  • Alakamisy 11 Desambra
  • Zoma 12 Desambra
  • Asabotsy 13 Desambra
  • Alahady 14 Desambra
  • Alatsinainy 15 Desambra
  • Talata 16 Desambra
  • Alarobia 17 Desambra
  • Alakamisy 18 Desambra
  • Zoma 19 Desambra
  • Asabotsy 20 Desambra
  • Alahady 21 Desambra
  • Alatsinainy 22 Desambra
  • Talata 23 Desambra
  • Alarobia 24 Desambra
  • Alakamisy 25 Desambra
  • Zoma 26 Desambra
  • Asabotsy 27 Desambra
  • Alahady 28 Desambra
  • Alatsinainy 29 Desambra
  • Talata 30 Desambra
  • Alarobia 31 Desambra
Fandinihana ny Soratra Masina Isan’andro—2025
es25

Desambra

Alatsinainy 1 Desambra

Hatsangana ny maty.​—Lioka 20:37.

Manana hery hananganana ny maty ve i Jehovah? Mazava ho azy! Izy mantsy “ilay Mahery Indrindra.” (Apok. 1:8) Ampy tsara àry ny heriny mba handresena ny fahavalony rehetra, na dia ny fahafatesana aza. (1 Kor. 15:26) Misy antony hafa koa mahatonga antsika hino hoe mahavita manangana ny maty Andriamanitra. Tsy voafetra ny fitadidiany. Antsoiny amin’ny anarany avy, ohatra, ny kintana tsirairay. (Isaia 40:26) Tadidiny daholo koa izay olona efa maty. (Joba 14:13; Lioka 20:38) Tsy sarotra aminy ny mitadidy ny tsipiriany madinika indrindra momba an’izay hatsangany amin’ny maty, anisan’izany ny bikabikany, ny maha izy azy, ny zavatra niainany, ary ny fitadidiany. Inoantsika àry ilay fampanantenan’i Jehovah hanangana ny maty, satria fantatsika fa maniry hamelona ny maty izy sady manana hery hanaovana an’izany. Ity koa misy antony hafa mahatonga antsika hino an’io fampanantenana io: Efa nanangana ny maty i Jehovah. Nisy lehilahy manam-pinoana vitsivitsy nomeny hery hanaovana an’izany, anisan’izy ireny i Jesosy. w23.04 16:7-9

Talata 2 Desambra

Ataovy mahafinaritra sady mamy sira foana ny teny lazainareo.​—Kol. 4:6.

Raha mahay mandanjalanja sy malemy fanahy isika rehefa miresaka, dia ho vonona hihaino kokoa ny olona sady mbola hazoto hiresaka. Mazava ho azy fa tsy voatery hanohy an’ilay resaka isika, raha te hiady hevitra fotsiny izy na manambanimbany an’izay inoantsika. (Ohab. 26:4) Mahalana anefa no misy hoatr’izany, fa vonona hihaino ny ankamaroany. Tena handray soa àry isika raha miezaka halemy fanahy. Mivavaha amin’i Jehovah mba halemy fanahy foana ianao, raha mampiady hevitra ny fanontaniana apetraky ny olona, na tsy rariny ny fanakianana ataony. Tadidio fa tsy hifamaly ianareo na dia tsy mitovy hevitra aza, raha manana an’io toetra io ianao. Raha malemy fanahy sy manaja foana koa ianao rehefa mamaly, dia mety hisy vokany amin’izay maheno an’ilay resaka izany. Mety hiova mantsy ny fiheverany antsika sy ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly. “Aoka [àry ianao] ho vonona foana” hiaro ny finoanao, ary ‘halemy fanahy sy ho feno fanajana rehefa manao an’izany.’ (1 Pet. 3:15) Tadidio fa matanjaka ianao rehefa malemy fanahy! w23.09 39:18-19

Alarobia 3 Desambra

Mitafia ... faharetana.​—Kol. 3:12.

Andao isika handinika fomba efatra ampisehoantsika hoe manam-paharetana isika. Voalohany, tsy mora tezitra ny olona manam-paharetana. Miezaka ho tony foana sy tsy hamaly faty izy rehefa misy mampahatezitra azy. Tsy kizitina koa izy rehefa miady saina. (Eks. 34:6) Faharoa, tony ny olona manam-paharetana rehefa mila miandry. Ahoana raha ela kokoa noho ny nieritreretany azy ny zavatra iray? Tsy sosotra izy na hoe tsy mahatombina. (Mat. 18:26, 27) Fahatelo, tsy maimaika hanao zavatra ny olona manam-paharetana. Rehefa misy zavatra lehibe mila atao, dia tsy maika hanomboka an’ilay izy ny olona manam-paharetana na mamita an’ilay izy maimaika fotsiny. Manokana fotoana ampy tsara kosa izy mba hanomanana an’izay ataony, dia avy eo maka fotoana ampy tsara hamitana an’ilay izy. Fahefatra, miezaka mafy ny olona manam-paharetana mba hiaritra fitsapana nefa tsy mitaraina. Manao izay tsara indrindra vitany izy mba hiaretana, sady miezaka hanana toe-tsaina tsara foana. (Kol. 1:11) Mila maneho an’ireo karazana faharetana rehetra ireo isika Kristianina. w23.08 35:3-6

Alakamisy 4 Desambra

I Jehovah ... no mpandinika ny fo.​—Ohab. 17:3.

Maninona isika no mila miaro ny fontsika an’ohatra? Antony iray lehibe ny hoe mandinika ny fontsika i Jehovah. Tsy izay hitan’ny hafa etỳ ivelany ihany no dinihiny, fa izay tena maha izy antsika any anatintsika any koa. Ho tiany isika raha fenointsika fahendrena manampy antsika hiaina mandrakizay ny saintsika. (Jaona 4:14) Tsy hisy toerana ho an’ny lainga aelin’i Satana sy ny tontolony ao an-tsaintsika amin’izay, ary tsy hanahaka ny fitondran-tena ratsin-dry zareo isika. (1 Jaona 5:18, 19) Vao mainka isika ho tia sy hanaja an’i Jehovah, arakaraka ny ifandraisantsika akaiky aminy. Tsy te hampalahelo an’ilay Raintsika isika, ka ho halantsika na dia ny mieritreritra fotsiny aza hoe hanota. Diniho izay nosoratan’i Marta, anabavy any Kroasia. Saika resin’ny fakam-panahy haloto fitondran-tena izy. Hoy izy: “Sarotra tamiko ny nisaina tsara. Mafy tamiko koa ny nanohitra an’ilay faniriana hanota, na dia fantatro aza hoe fahafinaretana mandalo fotsiny io. Soa ihany fa niaro ahy ny tahotra an’i Jehovah.” Ahoana no niarovan’izany tahotra izany azy? Nisaintsaina an’izay mety ho vokany, hono, izy raha nandray fanapahan-kevitra ratsy. Afaka manao hoatr’izany koa isika. w23.06 28:3-4

Zoma 5 Desambra

“Tsy maintsy ho fantatry ny firenena fa izaho no Jehovah”, hoy i Jehovah Tompo Fara Tampony, “rehefa hamasinina eo aminareo aho, eo imason’ireny.”​—Ezek. 36:23.

Fantatr’i Jesosy fa fikasan’i Jehovah ny hanamasina ny anarany, izany hoe ny hanaporofo fa diso daholo ny lainga nolazaina momba azy. Izany no nahatonga ny Tompontsika hampianatra ny mpanara-dia azy hivavaka hoe: “Rainay izay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao!” (Mat. 6:9) Hain’i Jesosy hoe izany no iadian-kevitra indrindra eo amin’ny zavaboary. Nanamasina ny anaran’i Jehovah izy, ary mbola tsy nisy zavaboary manan-tsaina nahavita ny vitany mihitsy eran’izao rehetra izao. Rehefa nosamborina anefa izy, dia inona, hoy ianareo, ny fahotana niampangan’ny fahavalony azy? Hoe niteny ratsy an’Andriamanitra! Fahotana faran’izay naharikoriko tamin’i Jesosy izany hoe manaratsy na manala baraka ny anarana masin’ny Rainy izany. Niady saina be àry izy hoe io no hiampangana sy hanamelohana azy. Izany angamba no nahatonga an’i Jesosy ‘hitebiteby be mihitsy’, talohan’ny nisamborana azy.​—Lioka 22:41-44. w24.02 6:11

Asabotsy 6 Desambra

Fahendrena no ilain’izay hanorina trano.​—Ohab. 24:3.

I Jehovah sy Jesosy no tsy maintsy tiantsika kokoa noho ny havantsika, rehefa manao an’ilay hazakazaka ho amin’ny fiainana isika. (Mat. 10:37) Tsy midika anefa izany hoe azontsika atao an-kilabao ny adidintsika amin’ny fianakaviantsika, satria hoe izany no manakana antsika tsy hampifaly an’Andriamanitra sy Kristy. Mila mitondra ny anjara birikintsika ao amin’ny fianakaviana aza isika, raha tiantsika heken’Andriamanitra sy Kristy ny fanompoantsika. (1 Tim. 5:4, 8) Ho faly kokoa isika rehefa manao an’izany. Nataon’i Jehovah afaka ny ho sambatra ny fianakaviana rehefa mifankatia sy mifanaja ny mpivady, tia sy mampiofana ny zanany ny ray aman-dreny, ary mankatò azy ireo ny zanany. (Efes. 5:33; 6:1, 4.) Na inona na inona andraikitrao ao amin’ny fianakaviana, dia matokia hoe mahasoa ny fahendrena ao amin’ny Baiboly fa aza entim-pihetseham-po fotsiny, na manaraka ambokony ny kolontsaina any aminareo, na mihaino ny tenin’ireny olona lazaina fa manam-pahaizana ireny. Ampiasao tsara ny boky sy gazetintsika. Misy torohevitra tsara momba ny fomba azo ampiharana ny torolalan’ny Baiboly mantsy ao amin’izy ireny. w23.08 36:6-7

Alahady 7 Desambra

Vakio sy saintsaino andro aman’alina izany. Amin’izay ianao dia hanaraka tsara an’izay rehetra voasoratra ato, ka hahomby izay hataonao ary hanao zavatra amim-pahendrena ianao.​—Jos. 1:8.

Mila miezaka hanana an’izay fahaizana ilaina ny anabavy. Mbola kely izy dia efa mianatra ny sasany amin’izy ireny, nefa hahasoa azy foana izany mandritra ny androm-piainany. Miezaha, ohatra, hahay hamaky teny sy hanoratra tsara. Tsy zava-dehibe amin’ny kolontsaina sasany ilay hoe mahay mamaky teny sy manoratra ny vehivavy. Tena mila an’izany anefa ny Kristianina rehetra. (1 Tim. 4:13) Miezaha foana àry hahay hamaky teny sy hanoratra tsara na inona na inona sakantsakana. Inona ny soa ho azonao amin’izay? Mety hanampy anao izany mba hahita asa sy hateza amin’izany. Ankoatra izay, dia ho mora kokoa aminao ny hianatra sy hampianatra ny Tenin’Andriamanitra. Ny zava-dehibe indrindra anefa dia hoe ho akaiky kokoa an’i Jehovah ianao rehefa mamaky sy misaintsaina ny Teniny.​—1 Tim. 4:15. w23.12 52:10-11

Alatsinainy 8 Desambra

Hain’i Jehovah ny manafaka ny olona mahafoy tena ho Azy mba ho tafavoaka amin’ny fitsapana mahazo azy.​—2 Pet. 2:9.

Mangataha fanampiana amin’i Jehovah mba hanoherana fakam-panahy. Olombelona tsy lavorary isika, ka miady mafy foana mba tsy ho resin’ny fakam-panahy hanao ratsy. I Satana rahateo manao izay ho afany mba hahatonga an’izany ho sarotra. Miezaka manimba ny saintsika amin’ny alalan’ny fialam-boly maloto, ohatra, izy. Mahatonga ny saintsika ho lasa feno eritreri-dratsy ireny fialam-boly ireny, ka lasa maloto eo imason’i Jehovah isika, ary mety hanao fahotana lehibe. (Mar. 7:21-23; Jak. 1:14, 15) Mila ny fanampian’i Jehovah isika raha tsy te ho resin’ny fakam-panahy hanao ratsy. Niresaka an’izao i Jesosy tao amin’ilay vavaka modely: “Aza avela ho resin’ny fakam-panahy izahay, fa afaho amin’ilay ratsy.” (Mat. 6:13) Marina hoe te hanampy antsika i Jehovah, nefa tsy maintsy mangataka fanampiana aminy isika. Tsy maintsy manao zavatra mifanaraka amin’ny vavaka nataontsika koa isika. w23.05 20:15-17

Talata 9 Desambra

Tsy mora tapahina ny tady randran-telo.​—Mpito. 4:12.

Rehefa sarobidy amin’ny mpivady ilay hoe minamana amin’ilay Rainy any an-danitra, dia tonga dia mampihatra ny toroheviny izy roa. Izany indray avy eo no manampy an-dry zareo hisoroka sy hamaha an’izay olana mety hampihena ny fifankatiavany. Ny olona mifandray tsara amin’i Jehovah koa miezaka manahaka azy sy maneho ny toetrany, ohatra hoe tsara fanahy, manam-paharetana, ary mamela heloka. (Efes. 4:32–5:1) Tsy dia sarotra amin’ny mpivady ny mifankatia kokoa rehefa maneho an’ireo toetra ireo ry zareo. Izao no nolazain’i Lena, anabavy efa mihoatra ny 25 taona nanambadiana: “Mora ny mitia sy manaja olona mifandray tsara amin’i Jehovah.” Diniho ity ohatra ao amin’ny Baiboly ity: Rehefa tsy maintsy nifidy mpivady hitaiza ny Mesia i Jehovah, dia i Josefa sy Maria no notsongainy tao anatin’ireo olona be dia be taranak’i Davida. Fa maninona? Satria samy nifandray tsara tamin’i Jehovah izy roa. Fantatr’i Jehovah koa hoe izy no ho voalohan-toerana ao amin’ny tokantranon-dry zareo. w23.05 23:3-4

Alarobia 10 Desambra

Ankatoavy ... ireo mitarika eo aminareo.​—Heb. 13:17.

Marina fa lavorary i Jesosy, ilay Mpitarika antsika, nefa tsy hoatr’izany ireo ampiasainy hitarika eto an-tany. Mety ho sarotra amintsika àry ny hankatò an-dry zareo, indrindra raha asainy manao zavatra tsy tiantsika hatao isika. Tsy tonga dia nankatò, ohatra, ny apostoly Petera, indray mandeha. Nasain’ny anjely iray nihinana sakafo nolazain’ny Lalàn’i Mosesy hoe maloto mantsy izy. Tsy nanaiky àry i Petera, ary tsy hoe indray mandeha ihany fa intelo be izao! (Asa. 10:9-16) Fa maninona? Satria hafahafa taminy ilay toromarika vaovao. Nankatò kosa ny apostoly Paoly rehefa nilazan’ny anti-panahy tao Jerosalema mba hitondra lehilahy efatra ho any amin’ny tempoly sy hidio araka ny takin’ny Lalàna, mba hampisehoana hoe mankatò an’izany izy. Fantatr’i Paoly fa tsy teo ambanin’ny Lalàna intsony ny Kristianina, sady izy koa tsy hoe nanao zavatra tsy nety. Na izany aza, dia ‘nentiny ireo lehilahy ireo ny ampitso, ary nidio araka ny takin’ny Lalàna izy, niaraka tamin’izy ireo.’ (Asa. 21:23, 24, 26) Nanampy an’ireo rahalahy hiray saina àry i Paoly, noho izy nankatò.​—Rom. 14:19, 21. w23.10 42:15-16

Alakamisy 11 Desambra

Izay matahotra an’i Jehovah no namany akaiky.​—Sal. 25:14.

Ianao ve dia hieritreritra hoe tena ilaina eo amin’ny fifandraisan’ny mpinamana ny tahotra? Tsy maintsy “matahotra an’i Jehovah” anefa izay te ho namany akaiky. Mila matahotra an’i Jehovah foana isika, na efa ela na vao haingana no nanompo an’i Jehovah. Inona anefa no dikan’ny hoe matahotra an’Andriamanitra? Tia an’Andriamanitra ny olona matahotra azy, ary tsy te hanao zavatra mety hanimba ny fifandraisany aminy. “Natahotra an’Andriamanitra” hoatr’izany i Jesosy. (Heb. 5:7) Tsy hoe nihorohoro izy vao nieritreritra hoe Jehovah. (Isaia 11:2, 3) Tena tia azy kosa izy, ary te hankatò azy. (Jaona 14:21, 31) Manaja lalina an’i Jehovah hoatran’ny nataon’i Jesosy isika, satria izy Andriamanitra be fitiavana, hendry, manao ny rariny, ary mahery. Fantatsika koa hoe tia antsika i Jehovah, ary misy vokany aminy izay ataontsika rehefa mahazo tari-dalana avy aminy isika: Na isika hampalahelo azy, na hampifaly ny fony.​—Sal. 78:41; Ohab. 27:11. w23.06 27:1-2, 5

Zoma 12 Desambra

Vao natanjaka ... izy, dia nirehareha ny fony, ka nitondra loza ho azy izany. Koa nivadika tamin’i Jehovah ... izy.​—2 Tan. 26:16.

Rehefa nihanahery i Ozia Mpanjaka, dia hadinony hoe i Jehovah no nahatonga azy hatanjaka sy hanankarena. Inona no ianarantsika avy amin’izany? Tsara hotadidintsika hoe avy amin’i Jehovah ny fitahiana sy tombontsoa ananantsika. Tsy mety àry ny mirehareha, fa aleo kosa midera an’i Jehovah noho izay zava-bitantsika. (1 Kor. 4:7) Tsy maintsy manetry tena isika, ka miaiky hoe tsy lavorary sady mila anarina. Izao no nosoratan’ny rahalahy iray efa 60 taona mahery: “Nianatra ny tsy ho tezitra na ho kivy aho rehefa ahitsin’ny hafa. Indraindray aho manaonao foana dia misy mananatra, nefa miarina haingana dia manohy miezaka indray.” Ho tsara fiafara isika, raha ny marina, rehefa matahotra an’i Jehovah sy manetry tena foana.​—Ohab. 22:4. w23.09 38:10-11

Asabotsy 13 Desambra

Mila miaritra ianareo mba ho tanteraka aminareo ilay fampanantenana, rehefa vitanareo ny sitrapon’Andriamanitra.​—Heb. 10:36.

Nila niaritra ny Kristianina voalohany. Tsy hoe niatrika ny olana fahitan’ny ankamaroan’ny olona fotsiny mantsy ry zareo, fa nanatombo ny azy. Betsaka taminy no nenjehin’ny mpitondra fivavahana jiosy sy ny manam-pahefana romanina. Nanampy trotraka an’izany ny fianakaviany. (Mat. 10:21) Ary ahoana ny teo anivon’ny fiangonana? Tsy maintsy niady mafy ry zareo indraindray mba tsy ho voataonan’ny mpivadi-pinoana sy ny fampianarana nampisara-bazana naeliny. (Asa. 20:29, 30) Niaritra anefa ireny Kristianina ireny. (Apok. 2:3) Ahoana no nahavitany an’izany? Nisaintsaina ny modelin’ireo olona resahin’ny Soratra Masina hoe niaritra ry zareo, ohatra hoe i Joba. (Jak. 5:10, 11) Nivavaka koa ry zareo mba hahazo hery. (Asa. 4:29-31) Ankoatra izay, dia ny soa ho azony raha miaritra no nifantohan-dry zareo. (Asa. 5:41) Hahavita hiaritra koa isika, raha mianatra tsy tapaka sy misaintsaina ny ohatr’ireo olona niaritra voatantara ao amin’ny Baiboly sy ao amin’ny boky sy gazetintsika. w23.07 29:5-6

Alahady 14 Desambra

Katsaho foana àry aloha ilay Fanjakana sy ny fahamarinan’Andriamanitra, dia homena anareo koa izany rehetra izany.​—Mat. 6:33.

Tsy hanary antsika i Jehovah sy Jesosy. Nila nandray fanapahan-kevitra lehibe teo amin’ny fiainany ny apostoly Petera, rehefa avy nanda an’i Kristy. Hiala tsy ho mpianany ve izy sa mbola hanohy? Efa nitalaho tamin’i Jehovah i Jesosy mba tsy ho levona ny finoan’i Petera. Noresahin’i Jesosy tamin’i Petera hoe nivavaka ho azy izy, ary natoky fa ho vitany ny hampahery an’ireo rahalahiny. (Lioka 22:31, 32) Nahazo toky izao i Petera rehefa nisaintsaina an’ireo tenin’i Jesosy ireo! Misy fanapahan-kevitra lehibe tsy maintsy raisinao koa ve eo amin’ny fiainanao? Mety hampiasa mpiandry be fitiavana i Jehovah mba hanomezana toky anao, amin’izay ianao tsy mivadika. (Efes. 4:8, 11) Nanome an’izay nilain’i Petera sy ny apostoly hafa i Jehovah. Hikarakara an’izay ilaintsika koa izy, raha ny fanompoana no ataontsika loha laharana eo amin’ny fiainana. w23.09 40:14-15

Alatsinainy 15 Desambra

Izay miantra ny mahantra dia mampisambotra an’i Jehovah, ka Izy no hamaly ny soa nataony.​—Ohab. 19:17.

Tena tsikaritr’i Jehovah daholo hatramin’ny hatsaram-panahy kely indrindra asehontsika amin’ny olona. Raisiny ho sorona sarobidy izany, ary ataony hoatran’ny trosa tsy maintsy haloany. Ahoana raha mpikarakara fiangonana ianao taloha na anti-panahy? Tadidin’i Jehovah ny asa nataonao sy ny fitiavana nahatonga anao hanao an’izany. (1 Kor. 15:58) Hitany koa ny fitiavana mbola asehonao amin’izao. Tian’i Jehovah hitombo ny fitiavantsika rehetra azy sy ny fitiavantsika ny olon-kafa. Hitombo ny fitiavantsika an’i Jehovah rehefa mamaky sy misaintsaina ny Teniny isika, ary miresaka aminy tsy tapaka amin’ny alalan’ny vavaka. Ho tia kokoa ny rahalahy sy anabavy koa isika, rehefa manampy an-dry zareo. Hifandray akaiky kokoa amin’i Jehovah sy ny fianakaviantsika ara-panahy mihoatra noho ny hatramin’izay isika, rehefa mitombo ny fitiavantsika. Hinamana amin-dry zareo mandrakizay mihitsy isika! w23.07 30:11, 13, 18

Talata 16 Desambra

Samy hitondra ny entany avy ... ny tsirairay.​—Gal. 6:5.

Ny Kristianina tsirairay no tsy maintsy manapa-kevitra hoe ahoana no hikarakarany ny fahasalamany. Vitsy ihany ny lalàn’ny Baiboly tsy maintsy arahin’ny Kristianina rehefa mifidy fitsaboana, anisan’izany ilay hoe mifady ny ra sy izay zavatra mifandray amin’ny herin’ny maizina. (Asa. 15:20; Gal. 5:19, 20) Safidin’ny tsirairay kosa ny ankoatra izay. Na ahoana na ahoana anefa fahitantsika ny fitsaboana iray, dia mila manaja ny zon’ny rahalahy sy anabavy isika hoe ry zareo ihany no manapa-kevitra momba ny fitsaboana arahiny. Mila tadidintsika àry ireto: 1) Ny Fanjakan’Andriamanitra ihany no hanasitrana tanteraka ny aretina. (Isaia 33:24) 2) Ny Kristianina tsirairay no tsy maintsy “resy lahatra” ny amin’izay mety indrindra aminy. (Rom. 14:5) 3) Tsy mitsaratsara ny hafa isika na ‘mametraka vato mahatafintohina’ eo anoloan-dry zareo. (Rom. 14:13) 4) Mampiseho fitiavana ny Kristianina, ka ny firaisan-tsainan’ny fiangonana no sarobidy kokoa aminy noho ny safidiny manokana.​—Rom. 14:15, 19, 20. w23.07 32:15

Alarobia 17 Desambra

Masina eo anatrehan’i Jehovah izy amin’ny andro rehetra maha Nazirita azy.​—Nom. 6:8.

Sarobidy aminao ve ny fifandraisanao amin’i Jehovah? Azo antoka izany! Tsy voatanisa ny olona nanana fihetseham-po hoatr’izany hatramin’izay. (Sal. 104:33, 34) Betsaka no nahafoy zavatra mba hahafahany manompo an’i Jehovah. Izany no nataon’ny olona tany Israely fahiny antsoina hoe Nazirita, na hoe nanokan-tena. Mety tsara izy io hilazana an’ireo Israelita be zotom-po, ka nahafoy zavatra mba hanaovana fanompoana manokana ho an’i Jehovah. Nilaza ny Lalàn’i Mosesy fa afaka nanao voady manokana ho an’i Jehovah ny lehilahy na vehivavy iray, ka hifidy ho lasa Nazirita nandritra ny fotoana kelikely. (Nom. 6:1, 2) Nampanantena izy rehefa nanao an’io voady io fa hanaraka fitsipika tsy voatery harahin’ny Israelita hafa. Nahoana àry ny Israelita iray no nifidy ho lasa Nazirita? Azo inoana hoe noho izy tena tia an’i Jehovah sy nankasitraka ny fitahiana be dia be nomeny.​—Deot. 6:5; 16:17. w24.02 7:1-2

Alakamisy 18 Desambra

Jehovah ô, ... izay tia anao sy mankatò ny didinao no tianao sady tsy ivadihanao.​—Dan. 9:4.

Ny teny hebreo nadika hoe “tsy mivadika” na “tia sy tsy mivadika” ao amin’ny Baiboly, dia misy heviny hoe tena tia sy miraiki-po, ary matetika izy io no ilazana ny fitiavan’Andriamanitra ny mpanompony. Io teny io koa no ampiasaina mba hilazana ny fifankatiavan’ny mpanompon’Andriamanitra. (2 Sam. 9:6, 7) Vao mainka isika mahavita tsy mivadika rehefa mandeha ny fotoana. Manamarina an’izany ny fiainan’i Daniela. Niatrika fitsapana be dia be i Daniela nandritra ny androm-piainany, ka nila nampiseho hoe tsy nivadika tamin’i Jehovah. Anisan’ny mafy indrindra anefa ilay nahazo azy tamin’izy 90 taona mahery. Nankahala an’i Daniela ny olona tao an-dapa sady zara raha nanaja an’ilay Andriamanitra notompoiny. Nanao tetika àry ry zareo mba hamonoana azy. Namoaka lalàna ry zareo hahitana hoe amin’ny Andriamaniny sa amin’ny mpanjaka i Daniela no tsy mivadika. Tsotra kely no nila nataon’i Daniela mba hampisehoana hoe tsy nivadika tamin’ny mpanjaka izy. Nila tsy nivavaka tamin’i Jehovah nandritra ny 30 andro fotsiny izy! Tsy nanaiky i Daniela.​—Dan. 6:12-15, 20-22. w23.08 33:10-12

Zoma 19 Desambra

[Mifankatiava] foana.​—1 Jaona 4:7.

Tian’i Jehovah hikiry haneho fitiavana amin’ireo rahalahy sy anabavintsika isika. Ahoana àry raha misy amin-dry zareo tsy nahavita naneho toetra tsara? Afaka mitadidy isika hoe te hanaraka ny torolalan’ny Baiboly izy, fa nanaonao foana fotsiny tamin’iny satria tsy nieritreritra tsara. (Ohab. 12:18) Tian’Andriamanitra ny mpanompony tsy mivadika, na dia manana fahalemena aza. Tsy manary antsika izy na dia manao diso aza isika, na hoe mitana lolompo amintsika. (Sal. 103:9) Tena zava-dehibe àry ny mamela heloka hoatran’ilay Raintsika! (Efes. 4:32–5:1) Tadidio koa hoe mila mifandray akaiky foana amin’ireo rahalahy sy anabavintsika isika, satria mihamanakaiky ny farany. Hihamafy mantsy ny fanenjehana. Mety higadra noho ny finoantsika mihitsy aza isika. Raha mitranga izany, dia hila an’ireo rahalahy sy anabavintsika mihoatra noho ny hatramin’izay isika.​—Ohab. 17:17. w24.03 11:6-7

Asabotsy 20 Desambra

I Jehovah no mitarika ny dian’ny olona.​—Ohab. 20:24.

Misy tantarana tanora nifandray akaiky tamin’i Jehovah sady nankasitrahany ao amin’ny Soratra Masina. Lasa tsara be ny fiainan-dry zareo. Anisan’izany i Davida. Mbola kely izy dia efa nifidy ny hiandany tamin’Andriamanitra, ary lasa mpanjaka tsy nivadika tatỳ aoriana. (1 Mpanj. 3:6; 9:4, 5; 14:8) Maninona raha mianatra momba an’i Davida sy ny fanompoany? Hampahery anao sy handrisika anao tsy hivadika amin’i Jehovah izany. Azonao atao koa ny mandalina momba an’i Marka na Timoty. Ho hitanao hoe mbola kely ry zareo dia efa nanompo an’i Jehovah, ary nankasitrahany foana. Hanao ahoana re ny fiainanao e? Miankina amin’izay ataonao dieny izao izany. Hitari-dalana anao i Jehovah, raha matoky azy ianao fa tsy miantehitra amin’ny fahaizanao. Afaka ny ho sambatra sy ho afa-po ianao. Tadidio hoe sarobidy amin’i Jehovah izay ataonao ho azy. Aiza indray ianao no hahita fiainana tsara noho ny hoe manompo an’ilay Raintsika be fitiavana any an-danitra? w23.09 38:18-19

Alahady 21 Desambra

Mahaiza foana ... mifamela heloka tanteraka.​—Kol. 3:13.

Fantatry ny apostoly Paoly hoe tsy lavorary ny rahalahy sy anabaviny. Nitsaratsara azy, ohatra, ny olona sasany tamin’izy vao nifanerasera tamin’ny fiangonana. (Asa. 9:26) Nisy nifosafosa koa izy mba hanalana baraka azy. (2 Kor. 10:10) Hitany hoe nandray fanapahan-kevitra tsy nety ny rahalahy iray nanana andraikitra, nefa mety ho nanafintohina ny hafa izany. (Gal. 2:11, 12) Ankoatra izay, dia tena nandiso fanantenana azy i Marka, ilay namany akaiky. (Asa. 15:37, 38) Azon’i Paoly natao ny tsy nifanerasera intsony tamin’ireo nahasosotra azy. Mbola olona tsara foana anefa no fahitany an’ireo rahalahy sy anabaviny, ary mbola nanohy nanompo an’i Jehovah izy. Inona no nanampy azy hikiry foana? Tian’i Paoly ny rahalahy sy anabaviny. Izany fitiavana izany no nanampy azy hifantoka tamin’ny toetra tsaran-dry zareo, fa tsy tamin’ny fahalemeny. Ny fitiavana koa no nanampy azy hampihatra an’izay resahin’ny andinin-teny anio. w24.03 11:4-5

Alatsinainy 22 Desambra

Tsy tokony hiady ... ny mpanompon’ny Tompo, fa halemy fanahy amin’ny rehetra kosa.​—2 Tim. 2:24.

Betsaka ny tantara ao amin’ny Baiboly manasongadina fa tena tsara ilay hoe malemy fanahy. Eritrereto i Isaka. Nisy fotoana izy nipetraka tany Gerara, tany Filistia. Nialona azy anefa ny mpiara-monina taminy, dia nototofan-dry zareo ny lavadrano nohadin’ny mpanompon’ny dadany. Tsy niady ny zony anefa i Isaka. Nentiny nifindra lavidavitra kosa ny ankohonany, dia nandavaka lavadrano hafa ry zareo. (Gen. 26:12-18) Nilaza indray ny Filistinina fa mbola an-dry zareo koa, hono, ny rano tao amin’io toerana io. Mbola nitandro fihavanana ihany anefa i Isaka. (Gen. 26:19-25) Inona no nanampy azy halemy fanahy foana, na dia hoatran’ny hoe nila vaniny taminy aza ny olona? Tsy maintsy hoe ny ohatra navelan’ny ray aman-dreniny. Tia fihavanana foana mantsy i Abrahama sady ‘tony sy nalemy paika’ i Saraha, dia azo antoka hoe nianatra avy tamin-dry zareo izy.​—1 Pet. 3:4-6; Gen. 21:22-34. w23.09 39:4

Talata 23 Desambra

Efa nokasaiko izany ka hataoko.​—Isaia 46:11.

Nandefa ny Zanany lahimatoa tetỳ an-tany i Jehovah mba hampianatra ny olona momba an’ilay Fanjakana, sy hanome ny ainy ho vidim-panavotana hanafahana antsika amin’ny ota sy ny fahafatesana. Natsangana ho any an-danitra i Jesosy avy eo, mba ho Mpanjakan’ny Fanjakan’Andriamanitra. Hohamarinina ny anaran’i Jehovah, sady hotanterahiny ny fikasany momba ny tany amin’ny alalan’ilay Fanjakana hoentin’i Kristy. Izay no tena loha hevitry ny Baiboly. Tsy misy afaka manova ny fikasan’i Jehovah. Efa nanome antoka mantsy izy hoe ho tanteraka izany. (Isaia 46:10, f.a.p.; Heb. 6:17, 18) Hovany ho paradisa ny tany any aoriana any, ka olona lavorary sy manao ny marina taranak’i Adama sy Eva no ‘hankafy fiainana mandrakizay’ ao. (Sal. 22:26) Mbola mihoatra an’izany aza ny fikasan’i Jehovah. Ny fikasany lehibe indrindra dia ny hoe ho tafaray ny zavaboary manan-tsaina rehetra any an-danitra sy etỳ an-tany. Hanaiky azy ho Mpitondra ny rehetra amin’izay, ka tsy hivadika aminy. (Efes. 1:8-11) Tsy mahavariana anao ve izany fomba tena tsara anatanterahan’i Jehovah ny fikasany izany? w23.10 44:7-8

Alarobia 24 Desambra

“Mahereza ... fa manampy anareo aho”, hoy i Jehovah Tompon’ny tafika.​—Hag. 2:4.

Vao tonga kelikely tany Jerosalema ny Jiosy niala tany Babylona, dia nisy fiantraikany tamin’ny fiainany ny fiovaovana ara-toe-karena sy ny korontana ara-politika ary ny fanoherana. Lasa sarotra tamin’ny sasany ny nifantoka tamin’ny fanorenana indray ny tempolin’i Jehovah. Naniraka an’i Hagay sy Zakaria mpaminany àry i Jehovah, mba handrisika ny vahoaka hafana fo indray. Nisy vokany izany. (Hag. 1:1; Zak. 1:1) Efa ho 50 taona tatỳ aoriana anefa, dia kivy be indray ny Jiosy. Niala tany Babylona àry i Ezra, mpanao dika soratra ny Lalàna sady tena mahay, mba hampirisika ny vahoakan’Andriamanitra hanao loha laharana ny fivavahana marina. (Ezra 7:1, 6) Nanampy ny vahoakan’Andriamanitra hatoky an’i Jehovah foana ny faminanian’i Hagay sy Zakaria, na dia nisy aza ny fanoherana. Afaka manampy antsika koa izy ireny mba hatoky hoe hanohana antsika foana i Jehovah, na dia tsy hay aza izay havoakan’ny ampitso.​—Ohab. 22:19. w23.11 48:2-3

Alakamisy 25 Desambra

Mitafia fitiavana, fa toy ny tady tonga lafatra mampifamatotra antsika izy io.​—Kol. 3:14.

Ahoana no ampisehoantsika fa tiantsika ny mpiara-manompo? Afaka manao an’izany, ohatra, isika rehefa mampionona an-dry zareo. Hahavita ‘hifampionona foana’ isika raha mangoraka. (1 Tes. 4:18) Ary inona no hanampy antsika hifankatia be foana? Mila manao izay fara herintsika isika mba hamelana ny fahadisoan’ny hafa. Amin’izao indrindra isika no tokony hampiseho hoe mifankatia. Nahoana? Mariho ilay tenin’i Petera hoe: ‘Efa manakaiky ny faran’ny zava-drehetra. Aoka àry ianareo hifankatia lalina.’ (1 Pet. 4:7, 8) Inona no ampoizintsika hoe hitranga rehefa mihamanakaiky ny faran’izao tontolo ratsy izao? Izao no nolazain’i Jesosy momba ny mpanara-dia azy: “Ho halan’ny firenena rehetra ianareo noho ny anarako.” (Mat. 24:9) Mila miray saina foana isika, amin’izay mahavita tsy mivadika na dia halan’ny olona aza. Tsy hahavita hampisara-bazana antsika i Satana, satria mampifandray akaiky antsika ny fitiavana.​—Fil. 2:1, 2. w23.11 47:18-19

Zoma 26 Desambra

Mpiara-miasa amin’Andriamanitra izahay.​—1 Kor. 3:9.

Misy vokany be ny fahamarinana ao amin’ny Tenin’Andriamanitra. Lasa mahita zavatra mahavariana isika rehefa mampianatra ny olona momba an’i Jehovah, sy hoe hoatran’ny ahoana marina izy. Mihamahita tsikelikely ny olona fa tsy jamban’ny laingan’i Satana intsony. Lasa hoatran’ny fahitantsika an’ilay Raintsika be fitiavana àry no fahitany azy. Mampiaiky azy ny hery tsy misy fetra ananany. (Isaia 40:26) Lasa matoky azy izy, satria tonga lafatra ny fampiharany ny rariny. (Deot. 32:4) Mianatra zavatra be dia be avy amin’ny fahendrena lalina ananany koa izy. (Isaia 55:9; Rom. 11:33) Tsy izay ihany, fa mampionona azy ny mianatra hoe Andriamanitra fitiavana i Jehovah. (1 Jaona 4:8) Arakaraka ny anatonany an’i Jehovah no mahatonga azy hatoky hoe afaka ny hanantena hiaina mandrakizay izy ary ho lasa zanany. Tombontsoa be izany hoe manampy ny olona hanatona ny Rain’izy ireo izany! Raisin’i Jehovah ho “mpiara-miasa” aminy isika rehefa manao an’izany.​—1 Kor. 3:5. w24.02 6:15

Asabotsy 27 Desambra

Aleo tsy mivoady, toy izay mivoady nefa tsy manatanteraka.​—Mpito. 5:5.

Mpianatra Baiboly ve ianao, na notezain’ny ray aman-dreny Vavolombelon’i Jehovah dia mieritreritra ny hatao batisa? Tena tsara izany! Mila manokan-tena ho an’i Jehovah anefa aloha ianao vao atao batisa. Ahoana no atao rehefa manokan-tena ho an’i Jehovah? Mivavaka aminy dia mampanantena azy hoe izy irery ihany no hotompoinao ary ny sitrapony no hataonao voalohany eo amin’ny fiainana. Raha ny marina, dia mampanantena an’i Jehovah ianao hoe ho tia azy foana, “amin’ny fonao manontolo sy ny tenanao manontolo sy ny sainao manontolo ary ny herinao manontolo.” (Mar. 12:30) Resaka ataonao sy Jehovah irery ilay hoe manokan-tena. Ny batisa kosa hitan’ny besinimaro, ary asehonao amin’izany hoe efa nanokan-tena ianao. Voady masina ny fanokanan-tena, ary manantena i Jehovah fa hitana an’izany ianao, hoatran’ny irinao ihany.​—Mpito. 5:4. w24.03 9:2, 5

Alahady 28 Desambra

Tsy maintsy tia ny vadiny tahaka ny tenany ny lehilahy tsirairay, fa ny vehivavy indray tokony hanaja lalina ny vadiny.​—Efes. 5:33.

Manana olana daholo ny mpivady. Tsy miolakolaka ny Baiboly milaza hoe “hanam-pahoriana amin’ny nofony” ireo manambady. (1 Kor. 7:28) Fa maninona? Satria olon-droa tsy lavorary no lasa mpivady. Samy manana ny toetrany sy ny zavatra tiany sy tsy tiany ry zareo, ary tsy mitovy ny kolontsainy na ny fomba nitaizana azy. Mety ho any aorian’ny mariazy any koa vao mipoitra ny toetra sasany. Na ny iray amin’ireo fotsiny aza dia efa mety hampiady. Mety hifanome tsiny ry zareo, fa tsy hiaiky hoe samy misy fahadisoany ihany amin’ilay izy, ka tokony hiezaka hamaha an’ilay olana izy mivady. Hieritreritra mihitsy aza angamba izy roa hoe aleo misintaka na misaraka. Marina ve izany? Tsia. Tian’i Jehovah hanaja ny fanambadiana ny olona manambady, na dia sarotra iaraha-monina aza ny vadiny. w24.03 11:8, 11

Alatsinainy 29 Desambra

Ny fanantenana tsy mba mandiso fanantenana.​—Rom. 5:5.

Rehefa nanokan-tena sy vita batisa ianao, dia nihamafy orina foana ny fanantenanao hiaina mandrakizay ao amin’ny Paradisa eto an-tany. Nitombo mantsy ny fahalalanao sady lasa matotra kokoa ianao. (Heb. 5:13–6:1) Azo inoana fa niainanao ilay voaresaka ao amin’ny Romanina 5:2-4. Niatrika fahoriana samihafa ianao nefa niaritra, dia tsapanao hoe mankasitraka anao Andriamanitra. Matoky ianao hoe mahafaly azy ny ataonao, ka vao mainka ianao izao manana antony hinoana hoe ho azonao izay nampanantenainy. Lasa mafy orina noho ny tamin’ny voalohany ny fanantenanao. Vao mainka ianao resy lahatra hoe tena hisy izy io sady ankamamianao. Lasa misy vokany kokoa aminao ny fanantenanao, ka miova hatramin’ny fiainanao iray manontolo, ny fomba itondranao ny fianakavianao, ny fomba andraisanao fanapahan-kevitra, ary na ny fomba ampiasanao ny fotoananao aza. Misy zava-dehibe hafa nolazain’ny apostoly Paoly koa momba ny fanantenanao, rehefa avy nahazo sitraka tamin’Andriamanitra ianao. Nanome toky anao izy fa ho tanteraka ny fanantenanao.​—Rom. 15:13. w23.12 51:16-19

Talata 30 Desambra

[I Jehovah] no mahatonga anao hilamina sy tsy hitebiteby.​—Isaia 33:6.

Rehefa miatrika fitsapana mafy isika, dia mety hikorontana daholo na ny fihetseham-pontsika na ny saintsika na ny zavatra ataontsika, fa tsy ho hoatran’ny mahazatra. Hoatran’ny sambo atopatopan’ny onja isika, rehefa mifamahofaho be ny fihetseham-pontsika. Ahoana no anampian’i Jehovah antsika rehefa manomboka misamboaravoara hoatr’izany ny fihetseham-pontsika? Manome toky antsika izy hoe ataony milamina sy tsy mitebiteby isika. Rehefa sendra tafio-drivotra ny sambo, dia mety hanomboka hitongilangilana be nefa mampidi-doza izany. Betsaka amin’ny sambo àry no manana fitaovana manampy azy tsy hihetsiketsika. Eo amin’ny andaniny roa amin’ilay sambo no misy an’ilay izy, ary tsy tazana etỳ ambony rano. Tsy dia atahorana hitongilangilana na ho rendrika ilay sambo amin’izay, sady mahazo aina kokoa ny mpandeha. Betsaka amin’ireny fitaovana ireny anefa no mandaitra kokoa rehefa manohy mandroso ilay sambo. Hanampy antsika hilamina sy tsy hitebiteby koa i Jehovah ao anatin’ny fotoan-tsarotra, raha manohy manompo azy isika. w24.01 3:7-8

Alarobia 31 Desambra

Andriamanitra no itokisako, ka tsy matahotra aho.​—Sal. 56:4.

Eritrereto izao rehefa matahotra ianao: ‘Inona no efa nataon’i Jehovah?’ Diniho ny zavatra noforoniny. Inona, ohatra, no vokany rehefa ‘mijery tsara’ ny fomba ikarakarany ny vorona sy ny voninkazo ianao? (Mat. 6:25-32) Tsy vao mainka ve ianao lasa feno toky hoe hikarakara anao koa izy? Ireny aza mantsy tsy noforoniny hitovy endrika aminy sady tsy afaka manompo azy! Diniho koa izay nataony ho an’ny mpanompony. Mety hianatra momba ny olona iray resahin’ny Baiboly hoe nanana finoana miavaka ianao, na hamaky tantaran’ny mpanompon’i Jehovah amin’izao. Ankoatra izay, dia saintsaino hoe ahoana no efa nataon’i Jehovah mba hikarakarana anao. Ahoana, ohatra, no nitaomany anao ho ao amin’ny fahamarinana? (Jaona 6:44) Ahoana no namaliany ny vavakao? (1 Jaona 5:14) Inona ny soa raisinao isan’andro noho izy nanao sorona an’ilay Zanany malala?​—Efes. 1:7; Heb. 4:14-16. w24.01 1:6, 17

    Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Tenin’ny Tanana Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara