FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2026)
Hiala
Hiditra
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tonga soa.
Fitaovana natao hikarohana ao amin'ireo boky amin’ny fiteny samihafa navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah izy ity.
Jereo ao amin'ny jw.org raha te haka boky.
Fampandrenesana
Fiteny vaovao misy: Betsimisaraka (Northern), Betsimisaraka (Southern), Konkomba, Matses, Mi'kmaq
  • Androany

Alatsinainy 13 Oktobra

I Jehovah ... mijery ny fo.​—1 Sam. 16:7.

Raha mahatsiaro ho tsy misy vidiny ianao indraindray, dia tadidio fa i Jehovah mihitsy no nitaona anao hanatona azy. (Jaona 6:44) Mahita zavatra tsara ao aminao izy, na dia tsy mahita an’ilay izy aza ianao. Fantany ny ao am-ponao. (2 Tan. 6:30) Raha miteny àry izy hoe sarobidy ianao, dia ianao indray ve no hisalasala? (1 Jaona 3:19, 20) Mety mbola hahatsiaro tena ho meloka foana ny sasany amintsika, noho izay nataontsika talohan’ny nianarana ny fahamarinana. (1 Pet. 4:3) Na ny Kristianina tsy mivadika aza mbola miady amin’ny fahalemeny ihany. Manameloka anao ve ny fonao? Raha izany, dia hampahery anao ny mahafantatra hoe na ny mpanompon’i Jehovah tsy nivadika aza nanana fihetseham-po hoatr’izany koa. Nalahelo be, ohatra, ny apostoly Paoly rehefa nisaintsaina ny fahalemeny. (Rom. 7:24) Mazava ho azy fa efa nibebaka tamin’ny fahotany izy ary natao batisa. Mbola nilaza foana anefa izy hoe izy no “kely indrindra amin’ny apostoly” ary “lohany” amin’ny mpanota.​—1 Kor. 15:9; 1 Tim. 1:15. w24.03 13:5-6

Fandinihana ny Soratra Masina Isan’andro—2025

Talata 14 Oktobra

Nafoin’izy ireo ny tranon’i Jehovah.​—2 Tan. 24:18.

Misy lesona iray azontsika ianarana avy amin’ny fanapahan-kevitra ratsy noraisin’i Joasy Mpanjaka. Inona izany? Hoe namana hanampy antsika hanao ny tsara no mila fidintsika, izany hoe namana tia an’i Jehovah sy te hampifaly azy. Tsy voatery hoe izay mitovy taona aminao ihany no azonao atao namana. Tadidio fa zokin’i Joasy lavitra be i Joiada, nefa ry zareo mpinamana. Ary ny namanao? Eritrereto izao: ‘Manampy ahy hino kokoa an’i Jehovah ve ry zareo? Mampirisika ahy hanaraka ny fitsipik’Andriamanitra ve ry zareo? Ry zareo ve miresaka momba an’i Jehovah sy ny fahamarinana sarobidy? Asehony ve hoe manaja ny fitsipik’Andriamanitra izy? Izay tiako ho heno ihany ve no teneniny, sa izy sahy manitsy ahy rehefa manao ny tsy mety aho?’ (Ohab. 27:5, 6, 17) Raha tsorina aloha, dia tsy misy ilanao an’ireo namanao ireo raha tsy tia an’i Jehovah ry zareo. Fa raha tia an’i Jehovah kosa ny namanao, dia aza avotsotra mihitsy! Hanampy anao foana mantsy ny namana hoatr’izany.​—Ohab. 13:20. w23.09 38:6-7

Fandinihana ny Soratra Masina Isan’andro—2025

Alarobia 15 Oktobra

Izaho no Alfa sy Omega.​—Apok. 1:8.

Alfa no voalohany amin’ny abidy grika, ary omega no farany. Inona àry no tian’i Jehovah holazaina tamin’ilay hoe izy no “Alfa sy Omega”? Hoe rehefa manomboka zavatra iray izy, dia vitainy hatramin’ny farany izany. Rehefa avy namorona an’i Adama sy Eva i Jehovah, dia niteny tamin’izy mivady hoe: “Miteraha maro, dia mihabetsaha ka mamenoa ny tany. Anjakao ny tany.” (Gen. 1:28) Hoatran’ny nilaza i Jehovah tamin’izay hoe “Alfa.” Noteneniny mazava tsara mantsy ny fikasany hoe: Hisy olombelona lavorary sy mankatò taranak’i Adama sy Eva hameno ny tany, ary hanova azy io ho Paradisa. Rehefa tonga izay fotoana izay, dia hoatran’ny hilaza indray i Jehovah hoe “Omega.” Nanome antoka ny amin’izany izy, taorian’ny namoronany “ny lanitra sy ny tany ary ny zava-drehetra eo aminy.” Nanome antoka izy fa ho tanteraka an-tsakany sy an-davany izay nokasainy momba ny olombelona sy ny tany amin’ny faran’ny andro fahafito.​—Gen. 2:1-3. w23.11 46:13-14

Fandinihana ny Soratra Masina Isan’andro—2025
Tonga soa.
Fitaovana natao hikarohana ao amin'ireo boky amin’ny fiteny samihafa navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah izy ity.
Jereo ao amin'ny jw.org raha te haka boky.
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara