FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2026)
Hiala
Hiditra
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tonga soa.
Fitaovana natao hikarohana ao amin'ireo boky amin’ny fiteny samihafa navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah izy ity.
Jereo ao amin'ny jw.org raha te haka boky.
Fampandrenesana
Fiteny vaovao misy: Betsimisaraka (Northern), Betsimisaraka (Southern), Konkomba, Matses, Mi'kmaq
  • Androany

Talata 21 Oktobra

Izay miaritra hatramin’ny farany no hovonjena.​—Mat. 24:13.

Diniho ny soa azontsika raha manam-paharetana isika. Vao mainka ho faly sy ho tony isika, ka ho salama kokoa ny saintsika sy ny vatantsika. Raha manam-paharetana amin’ny hafa koa isika, dia hihatsara ny fifandraisantsika amin-dry zareo ary hiray saina kokoa ny fiangonana. Ary ahoana raha misy mahasosotra antsika? Tsy ho mora tezitra isika ka tsy hitatra ilay olana. (Sal. 37:8, f.a.p.; Ohab. 14:29) Ny tena zava-dehibe anefa dia hoe hanahaka an’ilay Raintsika any an-danitra isika sady hifandray akaiky kokoa aminy. Tena toetra tsara sy mahasoa tokoa ny faharetana! Marina aloha hoe tsy mora amintsika ny maneho an’io toetra io indraindray. Hahavita hiezaka foana hanana azy io anefa isika rehefa ampian’i Jehovah. Mandra-piandry ny tontolo vaovao, dia matoky isika hoe “ny mason’i Jehovah mitsinjo an’izay matahotra azy, dia ireo miandry ny hanehoany fitiavana sy tsy fivadihana.” (Sal. 33:18) Enga anie isika rehetra ho tapa-kevitra ny ‘hitafy faharetana’ foana! w23.08 35:7, 16-17

Fandinihana ny Soratra Masina Isan’andro—2025

Alarobia 22 Oktobra

Maty [ny finoana] raha tsy aseho amin’ny atao.​—Jak. 2:17.

Noresahin’i Jakoba hoe mety hilaza ny lehilahy iray hoe manam-pinoana izy. Mifanaraka amin’izany ve anefa ny zavatra ataony? (Jak. 2:1-5, 9) Noresahin’i Jakoba koa ny momba ny olona iray nahita “rahalahy na anabavy tsy manana akanjo sady tsy ampy sakafo”, nefa tsy mba nanampy. Na dia nilaza aza io olona io hoe nanam-pinoana, dia tsy nasehony tamin’ny nataony izany ka tsy nisy dikany ny finoany. (Jak. 2:14-16) Niresaka momba an’i Rahaba i Jakoba mba hampisehoana hoe mila aseho amin’ny atao ny finoana. (Jak. 2:25, 26) Naheno momba an’i Jehovah izy, dia niaiky hoe nanohana ny Israelita io Andriamanitra io. (Jos. 2:9-11) Nasehony tamin’ny nataony ny finoany. Narovany mantsy ireo mpitsikilo israelita roa, rehefa natahorana ny ain-dry zareo. Nambara ho olo-marina hoatran’i Abrahama àry io vehivavy tsy lavorary sady tsy Israelita io. Hita amin’ny modely nomeny hoe tena mila aseho amin’ny atao ny finoana. w23.12 50:12-13

Fandinihana ny Soratra Masina Isan’andro—2025

Alakamisy 23 Oktobra

Enga anie ianareo mba hamaka tsara sy hiorina mafy eo amin’ny fototra!​—Efes. 3:17.

Kristianina isika, ka tsy ampy raha hoe mahafantatra ny Baiboly amin’ny ambangovangony fotsiny. Ampian’ny fanahy masina kosa isika, ka mazoto mianatra “na dia ny zava-dalin’Andriamanitra aza.” (1 Kor. 2:9, 10) Maninona àry raha mifidy hevitra hanampy anao hifandray kokoa amin’i Jehovah rehefa mianatra samirery? Karohy, ohatra, hoe ahoana no nampisehoany fitiavana tamin’ny mpanompony taloha, ary nahoana izany no manaporofo fa tia anao koa izy. Azonao dinihina koa ny fomba nandaminan’i Jehovah ny fanompoana azy tany Israely, dia ampitahao amin’ny fomba anompoan’ny Kristianina azy amin’izao izany. Na maninona raha mandalina ny faminaniana notanterahin’i Jesosy nandritra ny fiainany sy ny fanompoany tetỳ an-tany? Ho faly be ianao raha mianatra hevitra hoatr’ireny. Hanampy anao hianatra an’ireny ny Fanondroana Bokin’ny Vavolombelon’i Jehovah na ny Fitaovana Fikarohana ho An’ny Vavolombelon’i Jehovah. Hihamatanjaka ny finoanao rehefa mandalina ny Baiboly ianao, sady “ho hitanao ny fahalalana an’Andriamanitra.”​—Ohab. 2:4, 5. w23.10 44:3-5

Fandinihana ny Soratra Masina Isan’andro—2025
Tonga soa.
Fitaovana natao hikarohana ao amin'ireo boky amin’ny fiteny samihafa navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah izy ity.
Jereo ao amin'ny jw.org raha te haka boky.
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara