Alarobia 16 Jolay
Fantatr’i Jehovah fa tsy misy dikany ny hevitry ny olon-kendry.—1 Kor. 3:20.
Tsy tokony hanaraka ny hevitr’olombelona mihitsy isika. Raha mitovy fomba fijery amin’ny olona isika, dia mety tsy hiraharaha an’i Jehovah sy ny fitsipiny. (1 Kor. 3:19) Matetika mantsy ny “fahendren’izao tontolo izao” no mampiseho hoe mahafinaritra ny manatanteraka ny fanirian-dratsy. Nisy vokany tamin’ny Kristianina sasany tany Pergamosy sy Tyatira ny hevitry ny olona mpanompo sampy sy ratsy fitondran-tena tao amin’ireo tanàna ireo. Nanome torohevitra hentitra ho an’ireo fiangonana roa ireo i Jesosy, noho ry zareo nilefitra tamin’ny fijangajangana. (Apok. 2:14, 20) Teren’ny olona hanaraka hevi-diso koa isika amin’izao. Mety handangolango sy handrisika antsika tsy hankatò ny lalàn’i Jehovah ny fianakaviantsika sy ny olom-pantatsika. Mety hiteny, ohatra, ry zareo hoe: ‘Tsy mampaninona ange raha mba manatanteraka ny faniriantsika isika indraindray e! Sady efa lany andro ny fitsipiky ny Baiboly momba ny fitondran-tena.’ Indraindray isika mety hieritreritra hoe tsy ampy ny toromarika omen’i Jehovah antsika. Mety halaim-panahy ‘hihoatra an’izay voasoratra’ mihitsy aza isika.—1 Kor. 4:6. w23.07 31:10-11
Alakamisy 17 Jolay
Tia amin’ny fotoana rehetra ny tena namana, sady tena rahalahy natao hanampy amin’ny fotoan-tsarotra.—Ohab. 17:17.
Nila hery i Maria, renin’i Jesosy. Tsy nanambady izy, nefa ho bevohoka, hono. Mbola tsy nitaiza koa izy, nefa hikarakara an’ilay ankizilahikely ho lasa Mesia. Izy koa mbola tsy nanao firaisana mihitsy. Dia ahoana no hanazavany an’izany rehetra izany amin’i Josefa fofombadiny? (Lioka 1:26-33) Ahoana no nahazoan’i Maria ny hery nilainy? Nangataka fanampiana izy. Nasainy nanome fanazavana fanampiny momba an’ilay fanendrena, ohatra, i Gabriela. (Lioka 1:34) Taoriana kelin’izay izy nankany amin’ny “faritra be tendrombohitra” tany Joda, mba hitsidika an’ilay havany atao hoe Elizabeta. Nidera an’i Maria i Elizabeta, ary nasain’i Jehovah nilaza faminaniana mampahery momba an’ilay zaza haterak’i Maria. (Lioka 1:39-45) Nilaza i Maria hoe “nanao asa lehibe tamin’ny sandriny mahery” i Jehovah. (Lioka 1:46-51) I Gabriela sy Elizabeta àry no nampiasain’i Jehovah mba hanatanjahana an’i Maria. w23.10 43:10-12
Zoma 18 Jolay
Nanao antsika ho fanjakana sy mpisorona ho an’ilay Andriamanitra Rainy [izy].—Apok. 1:6.
Voahosotry ny fanahy masina ny mpianatr’i Kristy vitsivitsy, ary tena miavaka ny fifandraisan-dry zareo amin’i Jehovah. Miisa 144 000 ry zareo, ary ho mpisorona any an-danitra miaraka amin’i Jesosy. (Apok. 14:1) Natsangan’Andriamanitra ho zanany ara-panahy ry zareo raha mbola eto an-tany, ary izay no mifanitsy amin’ilay Masina ao amin’ny tranolay masina. (Rom. 8:15-17) Ilazana ny lanitra fonenan’i Jehovah kosa ilay Masina Indrindra. Ary midika inona ilay “ridao” nanasaraka ny Masina sy ny Masina Indrindra? Ny vatan’i Jesosy. Hoatran’ny hoe sakana tsy nahafahan’i Jesosy niditra tany an-danitra mba ho Mpisoronabe ambony ao amin’ilay tempoly ara-panahy mantsy ny vatany, tamin’izy mbola nofo aman-dra. Rehefa nanolotra ny tenany ho sorona ho an’ny olombelona anefa izy, dia nanokatra ny lalana ho amin’ny fiainana any an-danitra ho an’ny Kristianina voahosotra rehetra. Tsy maintsy nafoin-dry zareo koa ny vatana ara-nofo nananany, mba hahazoany an’ilay valisoany any an-danitra.—Heb. 10:19, 20; 1 Kor. 15:50. w23.10 45:13