Jolay
Talata 1 Jolay
Nandeha eran’ilay faritra [izy, ary] nanao soa sy nanasitrana.—Asa. 10:38.
Nanahaka tanteraka ny fomba fisainana sy fihetseham-pon’ny Rainy i Jesosy. (Jaona 14:9) Niharihary izany tamin’izay rehetra nolazainy sy nataony, anisan’izany ny fahagagana nataony. Inona no azontsika ianarana avy amin’ny fahagagana nataon’i Jesosy? Tena tia antsika i Jesosy sy ny Rainy. Ahoana no nampisehoan’i Jesosy ny haben’izany fitiavany izany tamin’izy tetỳ an-tany? Nampiasa ny heriny izy mba hanaovana fahagagana hanamaivanana ny fijalian’ny olona. Indray mandeha, ohatra, nisy jamba roa lahy niantsoantso nangataka fanampiana taminy. (Mat. 20:30-34) Mariho fa “nangoraka” azy ireo i Jesosy, dia nanasitrana azy. Ilay matoanteny grika nadika hoe “nangoraka” eto, dia manana heviny hoe tena miombom-pihetseham-po hatrany anaty lalina any. Porofom-pitiavana izany, ary izany koa no nahatonga an’i Jesosy hanome sakafo ho an’ny noana, sy hanasitrana boka iray. (Mat. 15:32; Mar. 1:41) Afaka matoky isika hoe tena tia antsika i Jehovah sy ny Zanany, ary malahelo ry zareo mahita antsika mijaly. Andriamanitra “tena mangoraka” mantsy i Jehovah. (Lioka 1:78; 1 Pet. 5:7) Tsy andrin’izy mianaka izay hanesorana ny fijaliana rehetra mianjady amin’ny olombelona! w23.04 15:4-5
Alarobia 2 Jolay
Ianareo izay tia an’i Jehovah, ankahalao ny ratsy. Miaro ny ain’izay tsy mivadika aminy izy, ary manafaka azy eo an-tanan’ny ratsy fanahy.—Sal. 97:10.
Afaka miezaka araka izay azo atao isika, mba ho faran’izay kely ny fotoana andrenesantsika sy amakiantsika ny hevi-diso be mpitia eto amin’ny tontolon’i Satana. Aleo kosa mamaky sy mianatra ny Baiboly, amin’izay hevitra tsara no mameno ny saintsika. Ho voaro koa ny fomba fisainantsika rehefa manatrika fivoriana sy mandray anjara amin’ny fanompoana isika. Raha manao an’izany isika, dia mampanantena i Jehovah hoe tsy havelany halaim-panahy mihoatra noho izay zakantsika isika. (1 Kor. 10:12, 13) Mila mivavaka mihoatra noho ny hatramin’izay isika tsirairay, raha te hahavita tsy hivadika amin’izao andro farany tena sarotra izao. Tian’i Jehovah ‘hamboraka aminy ny ao am-pontsika’ mantsy isika. (Sal. 62:8) Derao i Jehovah ary isaory izy noho izay rehetra ataony. Angataho izy mba hanome herim-po anao rehefa manompo ianao. Iangavio izy mba hanampy anao hiatrika an’izay olana zakainao sy hanohitra an’izay fakam-panahy mahazo anao. Aza avela hisy zavatra na olona hisakana anao tsy hivavaka tsy tapaka amin’i Jehovah. w23.05 20:17-18
Alakamisy 3 Jolay
Andao ... isika hifampiahy [sy] ... hifampahery.—Heb. 10:24, 25.
Nahoana isika no manatrika fivoriana? Mba hidera an’i Jehovah aloha voalohany indrindra. (Sal. 26:12; 111:1) Mivory koa isika amin’izay afaka mifampahery amin’izao fotoan-tsarotra izao. (1 Tes. 5:11) Manao an’ireo isika rehefa manangan-tanana sy manome valin-teny. Mety hisy olana anefa. Angamba isika matahotra hanome valin-teny, na mazoto mamaly ihany nefa tsy voatondro imbetsaka araka ny itiavantsika azy. Ahoana no iatrehana an’ireo? Nilaza ny apostoly Paoly hoe ny “hifampahery” no tokony hifantohantsika. Tsy dia hatahotra hamaly isika, raha tsapantsika fa mampahery an’ireo mpiara-manompo na dia valin-teny tsotra aza mba hampisehoantsika ny finoantsika. Ary ahoana raha tsy voatondro matetika isika? Afaka ny ho faly isika hoe mba ny hafa indray no mandray anjara.—1 Pet. 3:8. w23.04 18:1-3
Zoma 4 Jolay
[Miakara] ho any Jerosalema, ... ka [aoreno] indray ny tranon’i Jehovah.—Ezra 1:3.
Nivoaka ny didy! Afaka miverina any an-tanindrazany, any Israely, ny Jiosy. Efa 70 taona teo ho eo izay ry zareo no babo tany Babylona. (Ezra 1:2-4) Tsy maintsy hoe i Jehovah no tao ambadik’izany! Tsy fanaon’i Babylona ny namotsotra ny olona azony babo. (Isaia 14:4, 17) Resy anefa io tanàna io, dia nilaza tamin’ny Jiosy ilay mpitondra vaovao hoe afaka mandeha izy ireo. Nisy fanapahan-kevitra tsy maintsy noraisin’ny Jiosy tsirairay, indrindra fa ny loham-pianakaviana. Inona izany? Hoe hiala ao Babylona ve sa hijanona ao ihany. Tsy mora angamba io fanapahan-kevitra io. Betsaka no efa antitra ka tsy afaka nanao an’ilay dia lavitra intsony. Teraka tao Babylona koa ny ankamaroan’ny Jiosy, dia io ihany ny toerana mba fantany. Tanin’ny razambeny fa tsy an-dry zareo mantsy no fahitany an’i Israely. Toa lasa mpanefohefo koa ny Jiosy sasany tany Babylona. Nety ho sarotra tamin-dry zareo àry ny handao ny tranony tsara tarehy na ny asany, ka hoe hipetraka any amina tany mbola tsy nahazatra azy. w23.05 22:1-2
Asabotsy 5 Jolay
Miomàna ... ianareo.—Mat. 24:44.
Ampirisihin’ny Tenin’Andriamanitra isika mba hiezaka hiaritra sy hangoraka ary hampiseho fitiavana foana. Hoy ny Lioka 21:19: “Raha miaritra ianareo dia ho voavonjinareo ny ainareo.” Izao koa no resahin’ny Kolosianina 3:12: “Mitafia ... fangorahana.” Hoy indray ny 1 Tesalonianina 4:9, 10: ‘Ianareo efa ampianarin’Andriamanitra hifankatia. Ampirisihinay ihany anefa ianareo, ry rahalahy, mba hanao an’izany bebe kokoa aza.’ Nosoratana ho an’ny mpianatr’i Jesosy ireo andininy ireo. Efa niaritra sy nangoraka ary nampiseho fitiavana ry zareo, nefa mbola nila nianatra nampiseho an’izany foana. Tsy maintsy manao an’izany koa isika. Diniho àry hoe ahoana no nataon’ny Kristianina voalohany mba hampisehoana an’ireo toetra ireo. Ho hitanao avy eo hoe ahoana no hanahafanao an-dry zareo, mba ho vonona ho amin’ny fahoriana lehibe ianao. Amin’izay rehefa manomboka ny fahoriana lehibe, dia ho efa nianatra ny hiaritra ianao sady ho tapa-kevitra hanao an’izany foana. w23.07 29:4, 8
Alahady 6 Jolay
Hisy lalambe any, dia lalana hatao hoe Lalan’ny Fahamasinana.—Isaia 35:8.
Na voahosotra isika na “ondry hafa”, dia mila mandeha amin’io “Lalan’ny Fahamasinana” io foana. Izy io mantsy no mitondra antsika mamakivaky an’ilay paradisa ara-panahy, ka hahatonga antsika hahazo ny fitahiana hoentin’ilay Fanjakana. (Jaona 10:16) An-tapitrisany ny lehilahy sy vehivavy ary ankizy niala tao amin’i Babylona Lehibe, na ny fivavahan-diso rehetra, nanomboka tamin’ny 1919. Nanomboka nandeha tamin’io lalana an’ohatra io ry zareo. Nataon’i Jehovah izay hanalana ny sakantsakana teny an-dalana, rehefa hiala any Babylona ny Jiosy. (Isaia 57:14) Ary ahoana ny amin’ilay “Lalan’ny Fahamasinana” amin’izao? Nampiasa lehilahy matahotra an’Andriamanitra i Jehovah mba hanomanana an’ilay lalana hivoahana avy ao amin’i Babylona Lehibe. Taonjato maro talohan’ny 1919 izany no natomboka. (Ampitahao amin’ny Isaia 40:3.) Tena nilaina ny fanomanana nataon-dry zareo. Lasa afaka niala tao amin’i Babylona Lehibe mantsy ny olona tso-po, tatỳ aoriana, dia niditra tao amin’ny paradisa ara-panahy. Efa naverina tamin’ny laoniny mantsy ny fivavahana madio tamin’izay. w23.05 22:8-9
Alatsinainy 7 Jolay
Manompoa an’i Jehovah sady mifalia. Mankanesa eo anatrehany sady mihobia.—Sal. 100:2.
Tian’i Jehovah ho faly manompo azy isika, ary hanao an’izany an-tsitrapo. (2 Kor. 9:7) Tokony hiezaka hanatratra ny tanjontsika ara-panahy ihany àry ve isika, na dia rehefa tsy te hanao an’izany aza? Eritrereto i Paoly. Izao no nolazainy: “Feheziko mafy ny vatako ka andevoziko.” (1 Kor. 9:25-27, f.a.p.) Nanery tena hanao an’izay tsara izy, na dia rehefa tsy te hanao an’izany aza. Nankasitraka ny fanompoany ve i Jehovah? Mazava ho azy! Namaly soa azy aza izy noho ny ezaka nataony. (2 Tim. 4:7, 8) Faly koa i Jehovah rehefa mahita antsika miezaka manatratra ny tanjontsika, na dia rehefa tsy te hanao an’izany aza. Fa maninona? Satria fantany ny antony mahatonga antsika hiezaka. Hainy hoe tsy voatery ho tiantsika foana ny manao an’ilay zavatra, nefa ataontsika ihany satria tiantsika izy. Hitahy antsika i Jehovah rehefa miezaka isika, hoatran’ny nitahiany an’i Paoly. (Sal. 126:5) Mety haniry hanatratra an’ilay tanjona amin’izay aza isika, rehefa hitantsika hoe mitahy antsika izy. w23.05 24:9-10
Talata 8 Jolay
Ho avy ... ny andron’i Jehovah.—1 Tes. 5:2.
Noharin’i Paoly tamin’ny olona renoky ny torimaso ireo tsy ho tafavoaka velona amin’ny andron’i Jehovah. Tsy mahalala an’izay mitranga manodidina azy na ny fandehan’ny fotoana ny olona matory. Tsy hitany àry izay zava-dehibe mitranga sady tsy afaka manao zavatra mifanaraka amin’izany izy. Matory ara-panahy koa izao ny ankamaroan’ny olona. (Rom. 11:8) Tsy raharahian-dry zareo ny porofo hoe efa “andro farany” izao, ary kely sisa dia ho tonga ny fahoriana lehibe. (2 Pet. 3:3, 4) Isika kosa mahalala fa vao mainka tokony hifoha foana isika isaky ny mandalo ny andro tsirairay, araka ny lazain’ny Baiboly. (1 Tes. 5:6) Tsy maintsy tony sy tsy taitaitra àry isika. Nahoana? Amin’izay isika tsy midikiditra amin’ny adihevitra momba ny politika sy ny fiaraha-monina. Vao mainka hotaomin’ny olona hiandany amin’izany mantsy isika, arakaraka ny anatonan’ny andron’i Jehovah. Tsy tokony hanahy anefa isika hoe ahoana no hatao. Afaka manampy antsika ho tony sy hilamin-tsaina ny fanahin’Andriamanitra, ka handray fanapahan-kevitra tsara isika.—Lioka 12:11, 12. w23.06 26:6-7
Alarobia 9 Jolay
Ry Jehovah Tompo Fara Tampony ô! Mba tsarovy re aho ka omeo hery azafady indrindra e!—Mpits. 16:28.
Inona no tonga ao an-tsainao rehefa maheno hoe Samsona? Olona matanjaka be angamba. Marina izany. Nandray fanapahan-kevitra ratsy anefa izy, dia nizaka vokany mangidy. Na izany aza, dia tsy nivadika izy tamin’ny ankapobeny, ary izay no tena nifantohan’i Jehovah. Nasainy nosoratana tao amin’ny Baiboly mihitsy aza ny tantarany mba hahasoa antsika. Ny Israelita no vahoaka nofidin’i Jehovah, ary nampiasa an’i Samsona izy mba hanatanterahana zavatra mahavariana ho an-dry zareo. Taonjato maro taorian’ny nahafatesan’i Samsona, dia nasain’i Jehovah nampidirin’ny apostoly Paoly tao amin’ny lisitry ny olona nanam-pinoana miavaka ny anarany. (Heb. 11:32-34) Afaka mampahery antsika ny modeliny. Niantehitra tamin’i Jehovah mantsy izy, na dia tao anatin’ny sarotra aza. Mampahery antsika ny ohatra nomen’i Samsona. w23.09 37:1-2
Alakamisy 10 Jolay
Ampahafantaro an’Andriamanitra ny fangatahanareo.—Fil. 4:6.
Vao mainka isika hahay hiaritra, rehefa miresaka matetika amin’i Jehovah an’izay mampanahy antsika. (1 Tes. 5:17) Mbola tsy miatrika fitsapana mafy angamba ianao izao. Na izany aza, dia mitady ny tari-dalan’i Jehovah ve ianao isaky ny tezitra, na very hevitra, na mahatsiaro ho tsy afa-manoatra? Raha zatra mangataka ny fanampian’Andriamanitra ianao rehefa miatrika olana madinidinika isan’andro, dia tsy hisalasala hanao an’izany rehefa miatrika olana lehibe kokoa. Hatoky ianao amin’izay fa fantany tsara hoe rahoviana sy amin’ny fomba ahoana no hanampiana anao. (Sal. 27:1, 3) Azo inoana kokoa hoe hahavita hiatrika ny fahoriana lehibe isika raha miaritra fitsapana dieny izao. (Rom. 5:3) Nahoana? Betsaka ny mpiara-manompo nahita fa ny fitsapana tsirairay niaretany no nanampy azy hiatrika ny manaraka. Nanatsara ny toetrany ny fiaretana, sady vao mainka nahatonga an-dry zareo hino hoe vonona sy te hanampy azy i Jehovah. Ny finoana indray avy eo no nanampy azy hiaritra ny fitsapana manaraka.—Jak. 1:2-4. w23.07 29:7-8
Zoma 11 Jolay
Noho ianao dia tsy horavako io tanàna resahinao io.—Gen. 19:21.
Manetry tena sy mangoraka i Jehovah, ka izany no mahatonga azy hahay handanjalanja. Niharihary, ohatra, hoe manetry tena izy tamin’izy handringana ny ratsy fanahy tao Sodoma. Naniraka anjely i Jehovah mba hanome toromarika an’ilay olo-marina antsoina hoe Lota. Nasainy nitsoaka tany amin’ny faritra be tendrombohitra izy. Natahotra ny ho any anefa i Lota, ka niangavy tamin’i Jehovah mba havela handositra tao Zoara izy mianakavy. Tanàna kely efa hoe haringana io Zoara io. Afaka nisisika i Jehovah hoe harahin’i Lota an-tsakany sy an-davany ny toromarika nomeny. Nanaiky ny fangatahan’i Lota anefa izy, na dia nidika aza izany hoe tsy horinganina indray i Zoara. (Gen. 19:18-22) Nangoraka ny mponin’i Ninive koa i Jehovah, taonjato maro tatỳ aoriana. Naniraka an’i Jona mpaminany izy mba hilaza fa kely sisa dia horavana ilay tanàna ary horinganina ny ratsy fanahy tao. Rehefa nibebaka anefa ny Ninivita, dia nalahelo an-dry zareo i Jehovah ka tsy nandrava an’ilay tanàna indray.—Jona 3:1, 10; 4:10, 11. w23.07 32:5
Asabotsy 12 Jolay
Novonoin’izy ireo [i Joasy] ... dia nalevina ..., saingy tsy tao amin’ny fasan’ny mpanjaka.—2 Tan. 24:25.
Hoatran’ny hazo zara raha namaka i Joasy, dia tsy afaka nijoro tsara raha tsy nisy tohana. Rehefa tsy teo intsony ilay tohana, izany hoe i Joiada, ka nitsoka ny rivotry ny fivadiham-pinoana, dia nianjera izy. Inona àry no tokony hahatonga antsika hatahotra an’Andriamanitra, raha ny tantaran’i Joasy no jerena? Tokony hiankina fotsiny amin’ny modely omen’ny Kristianina hafa ve izany, anisan’izany ny fianakaviantsika? Tsia. Isika mihitsy no tokony hiezaka ho tia sy hatahotra an’i Jehovah, raha te hifandray akaiky aminy foana. Ahoana no hanaovantsika an’izany? Mila mianatra tsy tapaka sy misaintsaina ary mivavaka isika. (Jer. 17:7, 8; Kol. 2:6, 7) Tsy mitaky be loatra amintsika i Jehovah raha ny marina. Voafintina ao amin’ny Mpitoriteny 12:13 ny zavatra takiny. Izao no voalaza ao: “Matahora an’ilay tena Andriamanitra ka ankatoavy ny didiny. Izany mantsy no adidy lehibe indrindra tokony hataon’ny olombelona.” Rehefa matahotra an’Andriamanitra isika, dia hahavita hiatrika an’izay fitsapana ho avy, ka tsy hivadika aminy. Tsy misy na inona na inona hahavita hanimba ny fifandraisantsika amin’i Jehovah, fa hinamana aminy foana isika. w23.06 27:17-19
Alahady 13 Jolay
Ataoko vaovao ny zava-drehetra.—Apok. 21:5.
Izao no fiantombohan’ilay antoka avy amin’Andriamanitra: “Hoy Ilay nipetraka teo ambonin’ny seza fiandrianana.” (Apok. 21:5a) Intelo ihany ny bokin’ny Apokalypsy no milaza hoe miteny ao anatina fahitana i Jehovah, ary io no voalohany amin’izany. Tsy anjely mahery àry na hoe i Jesosy natsangana tamin’ny maty no nanome an’ilay antoka, fa i Jehovah mihitsy! Miharihary amin’izany fa tena azo antoka izay holazainy aorian’izay. Fa maninona? Satria i Jehovah “tsy mahay mandainga.” (Tit. 1:2) Izany no manaporofo fa azo itokisana tanteraka izay voalazan’ny Apokalypsy 21:5, 6. Izao no resahin’ilay andininy avy eo: “Ataoko vaovao ny zava-drehetra.” (Apok. 21:5b) Marina hoe zavatra mbola amin’ny hoavy no lazain’i Jehovah eo, fa aminy anefa dia tena azo antoka io fampanantenana io ka ataony hoatran’ny hoe efa mitranga mihitsy ilay izy.—Isaia 46:10. w23.11 46:7-8
Alatsinainy 14 Jolay
Nivoaka tany ivelany izy sady nigogogogo nitomany.—Mat. 26:75.
Niady tamin’ny fahalemeny ny apostoly Petera. Ireto misy ohatra: Notenenin’i Petera mafy i Jesosy, rehefa nanazava taminy hoe hijaly sy ho faty araka ny resahin’ny faminanian’ny Baiboly. (Mar. 8:31-33) Imbetsaka koa izy sy ny apostoly hafa no niady hevitra hoe iza no lehibe indrindra. (Mar. 9:33, 34) Ary inona no nitranga ny alina talohan’ny nahafatesan’i Jesosy? Taitaitra be i Petera dia nanapaka ny sofin’ny lehilahy iray. (Jaona 18:10) Raiki-tahotra koa izy tamin’io alina io, dia intelo nanda ho tsy nahalala an’i Jesosy, nefa mpinamana ry zareo. (Mar. 14:66-72) Nigogogogo nitomany izy vokatr’izany. Kivy tanteraka ilay apostoly, nefa tsy nahafoy azy i Jesosy. Rehefa avy natsangana tamin’ny maty i Jesosy, dia nataony izay hahafahan’i Petera hampiseho hoe mbola tia azy izy. Nasainy niandry ny andian’ondriny izy, dia nanaiky. (Jaona 21:15-17) Tany Jerosalema izy tamin’ny andro Pentekosta, ary anisan’ireo voalohany voahosotry ny fanahy masina. w23.09 40:6-7
Talata 15 Jolay
Andraso àry ny ondrikeliko.—Jaona 21:16.
Nampirisika ny anti-panahy hoatr’azy ny apostoly Petera hoe: “Andraso ny andian’ondrin’Andriamanitra.” (1 Pet. 5:1-4) Raha anti-panahy ianao, dia fantatray hoe tianao ny rahalahy sy anabavinao ary te hiandry an-dry zareo ianao. Indraindray anefa ianao mety hahatsapa hoe tery be ny fotoananao na reraka be ianao, dia tsy mahavita ny andraikitrao. Inona àry no azonao atao? Aborahy amin’i Jehovah izany. Hoy i Petera: “Raha misy manompo, dia aoka izy hanompo sady hiantehitra amin’ny hery omen’Andriamanitra.” (1 Pet. 4:11) Marina hoe mety tsy ho voavaha tanteraka aloha amin’izao ny olana atrehin’ny rahalahy sy anabavinao. Tadidio anefa fa afaka manampy an-dry zareo mihoatra noho izay azonao atao “ilay lehiben’ny mpiandry”, izany hoe i Jesosy Kristy. Afaka manao an’izany izy dieny izao sy any amin’ny tontolo vaovao. Izao fotsiny no angatahin’Andriamanitra amin’ny anti-panahy: Ny ho tia ny rahalahy sy anabaviny, dia hiandry an-dry zareo, ary “ho modely ho an’ny andian’ondry.” w23.09 41:13-14
Alarobia 16 Jolay
Fantatr’i Jehovah fa tsy misy dikany ny hevitry ny olon-kendry.—1 Kor. 3:20.
Tsy tokony hanaraka ny hevitr’olombelona mihitsy isika. Raha mitovy fomba fijery amin’ny olona isika, dia mety tsy hiraharaha an’i Jehovah sy ny fitsipiny. (1 Kor. 3:19) Matetika mantsy ny “fahendren’izao tontolo izao” no mampiseho hoe mahafinaritra ny manatanteraka ny fanirian-dratsy. Nisy vokany tamin’ny Kristianina sasany tany Pergamosy sy Tyatira ny hevitry ny olona mpanompo sampy sy ratsy fitondran-tena tao amin’ireo tanàna ireo. Nanome torohevitra hentitra ho an’ireo fiangonana roa ireo i Jesosy, noho ry zareo nilefitra tamin’ny fijangajangana. (Apok. 2:14, 20) Teren’ny olona hanaraka hevi-diso koa isika amin’izao. Mety handangolango sy handrisika antsika tsy hankatò ny lalàn’i Jehovah ny fianakaviantsika sy ny olom-pantatsika. Mety hiteny, ohatra, ry zareo hoe: ‘Tsy mampaninona ange raha mba manatanteraka ny faniriantsika isika indraindray e! Sady efa lany andro ny fitsipiky ny Baiboly momba ny fitondran-tena.’ Indraindray isika mety hieritreritra hoe tsy ampy ny toromarika omen’i Jehovah antsika. Mety halaim-panahy ‘hihoatra an’izay voasoratra’ mihitsy aza isika.—1 Kor. 4:6. w23.07 31:10-11
Alakamisy 17 Jolay
Tia amin’ny fotoana rehetra ny tena namana, sady tena rahalahy natao hanampy amin’ny fotoan-tsarotra.—Ohab. 17:17.
Nila hery i Maria, renin’i Jesosy. Tsy nanambady izy, nefa ho bevohoka, hono. Mbola tsy nitaiza koa izy, nefa hikarakara an’ilay ankizilahikely ho lasa Mesia. Izy koa mbola tsy nanao firaisana mihitsy. Dia ahoana no hanazavany an’izany rehetra izany amin’i Josefa fofombadiny? (Lioka 1:26-33) Ahoana no nahazoan’i Maria ny hery nilainy? Nangataka fanampiana izy. Nasainy nanome fanazavana fanampiny momba an’ilay fanendrena, ohatra, i Gabriela. (Lioka 1:34) Taoriana kelin’izay izy nankany amin’ny “faritra be tendrombohitra” tany Joda, mba hitsidika an’ilay havany atao hoe Elizabeta. Nidera an’i Maria i Elizabeta, ary nasain’i Jehovah nilaza faminaniana mampahery momba an’ilay zaza haterak’i Maria. (Lioka 1:39-45) Nilaza i Maria hoe “nanao asa lehibe tamin’ny sandriny mahery” i Jehovah. (Lioka 1:46-51) I Gabriela sy Elizabeta àry no nampiasain’i Jehovah mba hanatanjahana an’i Maria. w23.10 43:10-12
Zoma 18 Jolay
Nanao antsika ho fanjakana sy mpisorona ho an’ilay Andriamanitra Rainy [izy].—Apok. 1:6.
Voahosotry ny fanahy masina ny mpianatr’i Kristy vitsivitsy, ary tena miavaka ny fifandraisan-dry zareo amin’i Jehovah. Miisa 144 000 ry zareo, ary ho mpisorona any an-danitra miaraka amin’i Jesosy. (Apok. 14:1) Natsangan’Andriamanitra ho zanany ara-panahy ry zareo raha mbola eto an-tany, ary izay no mifanitsy amin’ilay Masina ao amin’ny tranolay masina. (Rom. 8:15-17) Ilazana ny lanitra fonenan’i Jehovah kosa ilay Masina Indrindra. Ary midika inona ilay “ridao” nanasaraka ny Masina sy ny Masina Indrindra? Ny vatan’i Jesosy. Hoatran’ny hoe sakana tsy nahafahan’i Jesosy niditra tany an-danitra mba ho Mpisoronabe ambony ao amin’ilay tempoly ara-panahy mantsy ny vatany, tamin’izy mbola nofo aman-dra. Rehefa nanolotra ny tenany ho sorona ho an’ny olombelona anefa izy, dia nanokatra ny lalana ho amin’ny fiainana any an-danitra ho an’ny Kristianina voahosotra rehetra. Tsy maintsy nafoin-dry zareo koa ny vatana ara-nofo nananany, mba hahazoany an’ilay valisoany any an-danitra.—Heb. 10:19, 20; 1 Kor. 15:50. w23.10 45:13
Asabotsy 19 Jolay
Tsy ho ampy ny fotoana raha hotantaraiko daholo ny momba an’i Gideona.—Heb. 11:32.
Nanetry tena i Gideona ka tony foana rehefa nanakiana azy ny Efraimita. (Mpits. 8:1-3) Tsy tezitra mihitsy izy namaly an-dry zareo. Nanetry tena kosa izy ka nihaino tsara ny fitarainan’ny Efraimita sady tsara fanahy rehefa niresaka, dia nihatony ry zareo. Manahaka an’i Gideona ny anti-panahy hendry, ka mihaino tsara ny hafa sady malemy fanahy rehefa misy manakiana. (Jak. 3:13) Manampy ny fiangonana mba hihavana ry zareo amin’izay. Ahoana no nataon’i Gideona rehefa nomena voninahitra izy satria nandresy an’ireo Midianina? Nataony izay hifantohan’ny olona tamin’i Jehovah. (Mpits. 8:22, 23) Ahoana no anahafan’ny rahalahy voatendry an’i Gideona? I Jehovah foana no tokony homeny voninahitra rehefa mahavita zavatra izy. (1 Kor. 4:6, 7) Ahoana, ohatra, raha misy midera ny anti-panahy iray satria mahay mampianatra? Afaka milaza izy hoe avy ao amin’ny Tenin’Andriamanitra ireny fampianarana ireny, sady ampiofanin’ny fandaminan’i Jehovah daholo isika. Ilain’ny anti-panahy indraindray ny mandinika hoe sao dia te hisongadina izy. w23.06 25:7-8
Alahady 20 Jolay
Ny fihevitro ... tsy mba fihevitrareo.—Isaia 55:8.
Raha tsy azontsika izay nangatahintsika tamin’ny vavaka, dia mila mieritreritra isika hoe: ‘Mety ve ilay zavatra angatahiko?’ Matetika isika no mieritreritra hoe isika no mahalala an’izay mahasoa antsika indrindra. Tsy voatery hahasoa antsika foana anefa izay nangatahintsika, rehefa mandeha ny fotoana. Raha momba ny olana iray no ivavahantsika, dia mety hisy vahaolana tsara kokoa amin’ilay izy noho ilay angatahintsika amin’i Jehovah. Mety tsy hifanaraka amin’ny sitrapon’i Jehovah koa ny zavatra sasany tiantsika ho azo. (1 Jaona 5:14) Diniho ny ohatry ny ray aman-dreny nangataka tamin’i Jehovah mba tsy hiala amin’ny fahamarinana mihitsy ny zanany. Hoatran’ny hoe mety izany. Tsy manery an’iza na iza hanompo azy anefa i Jehovah. Tiany hifidy hanompo azy kosa isika rehetra, anisan’izany ny zanatsika. (Deot. 10:12, 13; 30:19, 20) Inona àry no azon’ilay ray aman-dreny angatahina amin’i Jehovah? Hoe mba ampiany izy mivady hanohina ny fon’ny zanany, amin’izay izy ho tia an’i Jehovah sy ho lasa namany.—Ohab. 22:6; Efes. 6:4. w23.11 49:5, 12
Alatsinainy 21 Jolay
Miezaha foana ... hifampionona.—1 Tes. 4:18.
Nahoana ilay hoe mampionona ny hafa no fomba lehibe ampisehoana fitiavana? Milaza ny boky iray momba ny Baiboly fa ilay teny hoe ‘mampionona’ nampiasain’i Paoly, dia midika hoe ‘mijoro eo anilan’ny olona iray mba hampaherezana azy rehefa mandalo fitsapana mafy izy.’ Rehefa mampionona mpiara-manompo manana olana àry ianao, dia manampy azy hiarina sy handeha eo amin’ny lalana mankany amin’ny fiainana foana. Isaky ny miombom-pihetseham-po amin’ny rahalahy na anabavy iray ianao, dia mampiseho hoe tia azy. (2 Kor. 7:6, 7, 13) Mifandray akaiky ny hoe mangoraka sy mampionona. Nahoana? Rehefa be fangorahana ny olona iray, dia vonona hampionona ny hafa sady hiezaka hanamaivana ny fahoriany. Mangoraka aloha izany isika, dia avy eo mampionona. Mariho ny fomba nampifandraisan’i Paoly ny fangorahan’i Jehovah sy ny fampiononana omeny. Nilaza izy hoe “Rain’ny fangorahana sy Andriamanitry ny fampiononana rehetra” i Jehovah.—2 Kor. 1:3. w23.11 47:8-10
Talata 22 Jolay
[Mifalia] ao anatin’ny fahoriana.—Rom. 5:3.
Efa ampoizin’ny mpanara-dia an’i Kristy rehetra hoe hiatrika fahoriana ry zareo. Diniho ny ohatry ny apostoly Paoly. Hoy izy tamin’ny Kristianina tany Tesalonika: “Tamin’izahay teo aminareo, dia matetika izahay no nilaza mialoha taminareo hoe tsy maintsy miaritra fahoriana isika. Izany tokoa no mitranga.” (1 Tes. 3:4) Izao indray no nosoratany tamin’ny Korintianina: “Tianay ho fantatrareo ..., ry rahalahy, ny zava-tsarotra natrehinay ... Tsy nanampo ny ho velona intsony [izahay].” (2 Kor. 1:8; 11:23-27) Manampo hiatrika fahoriana samihafa koa ny Kristianina amin’izao. (2 Tim. 3:12) Noho ianao mino an’i Jesosy sy lasa mpanara-dia azy, dia mety hasiaka aminao ny namanao sy ny havanao. Sa ianao lasa mahita olana any am-piasana, satria tapa-kevitra ny hilaza sy hanao ny marina foana? (Heb. 13:18) Sa manohitra anao ny fitondram-panjakana, noho ianao niresaka ny fanantenanao tamin’ny olona? Na inona na inona anefa fahoriana mahazo antsika, dia nilaza i Paoly hoe tokony hifaly isika. w23.12 51:9-10
Alarobia 23 Jolay
Efa nampidi-kizo ahy mihitsy ianareo.—Ge 34:30.
Niaritra olana maro i Jakoba. Nanala baraka ny fianakaviana sy ny anaran’i Jehovah ny roa tamin’ny zanany lahy, izany hoe i Simeona sy Levy. Maty teo am-piterahana an’ilay zanak’izy ireo faharoa koa i Rahely vady malalany. Ankoatra izay, dia voatery nifindra tany Ejipta i Jakoba na dia efa antitra aza, satria nisy mosary mafy tao amin’ny taniny. (Gen. 35:16-19; 37:28; 45:9-11, 28) Mbola nino an’i Jehovah sy ny fampanantenany foana i Jakoba tao anatin’izany rehetra izany. Ho setrin’izany, dia nasehon’i Jehovah taminy hoe nankasitraka azy izy. Nataon’i Jehovah nanan-karena be, ohatra, i Jakoba. Eritrereto koa ange e! Tsy maintsy hoe nankasitraka be an’i Jehovah i Jakoba rehefa tafahaona tamin’i Josefa indray. Noheveriny hoe maty efa ela mantsy io zanany lahy io. Nahavita niatrika an’izany fitsapana rehetra izany i Jakoba, satria ninamana be tamin’i Jehovah. (Gen. 30:43; 32:9, 10; 46:28-30) Hahavita hiatrika olana tsy ampoizina koa isika, rehefa mifandray akaiky amin’i Jehovah foana. w23.04 17:6-7
Alakamisy 24 Jolay
I Jehovah no Mpiandry ahy. Tsy ho ory na inona na inona aho.—Sal. 23:1.
Hira nosoratan’i Davida io Salamo faha-23 io, ary resahina ao ny toky ananany noho i Jehovah tia sy nikarakara azy. Hazavainy ao hoe nifandray am-po be izy sy Jehovah, ilay Mpiandry azy. Tsy natahotra mihitsy izy satria i Jehovah no nitari-dalana azy, ary niantehitra tanteraka taminy izy. Fantany hoe ho tia azy foana i Jehovah isan’andro, mandritra ny androm-piainany. Nahoana izy no natoky be an’izany? Tsapan’i Davida hoe voakarakara tsara izy satria niahy azy foana i Jehovah. Ninamana tamin’i Jehovah sy nankasitrahany koa izy. Lasa tsy nisalasala izy hoe na inona na inona avoakan’ny ampitso, dia hikarakara an’izay rehetra ilainy foana i Jehovah. Natoky ny fitiavan’i Jehovah izy, ary izany no nibahana kokoa tao am-pony noho izay nampanahy azy. Nahatonga azy ho tena sambatra sy ho afa-po izany.—Sal. 16:11. w24.01 4:12-13
Zoma 25 Jolay
Hiaraka aminareo foana aho isan’andro, mandra-pahatongan’ny faran’izao tontolo izao.—Mat. 28:20.
Azo lazaina hoe nilamina ny vahoakan’i Jehovah tany amin’ny tany maro ka afaka nitory, taorian’ny Ady Lehibe II. Niroborobo mihitsy aza ny asa fitoriana. Mbola mitady ny tari-dalan’i Kristy foana ny Filan-kevi-pitantanana amin’izao. Tian-dry zareo hifanaraka amin’ny fomba fijerin’ny any an-danitra ny toromarika omeny an’ireo rahalahy sy anabaviny. Ny mpiandraikitra ny faritra sy ny anti-panahy kosa avy eo no mampita an’ilay toromarika amin’ny fiangonana. ‘Eny an-tanana ankavanan’i’ Kristy ny anti-panahy voahosotra. (Apok. 2:1) Mazava ho azy fa tsy lavorary sy manao diso izy ireny. Nanao ny tsy nety i Mosesy sy Josoa indraindray, ary hoatr’izany koa ny apostoly. (Nom. 20:12; Jos. 9:14, 15; Rom. 3:23) Mbola mitari-dalana ny mpanompo mendri-pitokisana sy ny anti-panahy voatendry anefa i Kristy, ary hanao an’izany foana izy. Be dia be àry ny antony tokony hatokisantsika ny tari-dalana omeny amin’ny alalan’ireny rahalahy notendreny hitarika antsika ireny. w24.02 8:13-14
Asabotsy 26 Jolay
Tahafo ... Andriamanitra, satria zanany malalany ianareo.—Efes. 5:1.
Mampifaly an’i Jehovah isika amin’izao raha mafana fo sady feno fankasitrahana sy fitiavana rehefa miresaka momba azy. Ataontsika an-tsaina foana ny tena tanjontsika rehefa eny amin’ny fanompoana. Inona izany? Ny hahatonga ny olona hanatona an’i Jehovah sy hanampy an-dry zareo hahita an’ilay Raintsika be fitiavana hoatran’ny fahitantsika azy. (Jak. 4:8) Faly be isika mampiseho amin’ny olona an’izay lazain’ny Baiboly momba an’i Jehovah, ka resahintsika amin-dry zareo ny toetrany, anisan’izany ny fitiavany, ny fanaovany ny rariny, ny fahendreny, ary ny heriny. Midera sy mampifaly azy koa isika rehefa miezaka mafy manahaka azy. Lasa miavaka amin’ny olona eto amin’izao tontolo ratsy izao isika rehefa manao an’izany. Mety ho voamarik’izy ireo izany, dia mety hanontany ry zareo hoe fa maninona isika no tsy mitovy amin’ny hafa. (Mat. 5:14-16) Afaka manazava ny antony angamba isika rehefa mifanerasera aminy isan’andro. Lasa te hanatona an’ilay Andriamanitsika àry ny olona tso-po. Mampifaly ny fony isika rehefa midera azy hoatr’izany.—1 Tim. 2:3, 4. w24.02 6:7
Alahady 27 Jolay
[Miezaha] hahay hampahery ny hafa ... sady hahavita hananatra.—Tit. 1:9.
Misy fahaizana mila iezahanao hananana raha te hihamatotra ianao. Hanampy anao hiantsoroka andraikitra ao amin’ny fiangonana mantsy izany, sady hanampy anao hateza amin’ny asanao, ka ho afaka hamelon-tena na hamelona ny fianakavianao ianao. Hifandray tsara amin’olona koa ianao rehefa manana an’ireny fahaizana ireny. Miezaha, ohatra, hahay hamaky teny sy hanoratra tsara. Milaza ny Baiboly hoe manokana fotoana isan’andro hamakiana sy hisaintsainana ny Tenin’Andriamanitra ny lehilahy sambatra sy mahomby. (Sal. 1:1-3) Hahafantatra ny fomba fisainan’i Jehovah izy rehefa mamaky azy io isan’andro. Hanampy azy hisaina sy handinika tsara izany. (Ohab. 1:3, 4) Lehilahy mahay no andrasan’ny mpiara-manompo mba hampianatra sy hanome torohevitra an-dry zareo avy ao amin’ny Baiboly. Raha mahay mamaky teny sy manoratra tsara ianao, dia ho afaka hanomana lahateny sy valin-teny mampahery sady misy hevitra mahasoa. Hahay handray naoty tsara koa ianao, ary hanampy anao hanatanjaka ny finoanao sy hampahery ny hafa ireny naoty ireny. w23.12 53:9-11
Alatsinainy 28 Jolay
Lehibe noho ilay tafaray amin’izao tontolo izao ilay tafaray aminareo.—1 Jaona 4:4.
Rehefa matahotra ianao, dia saintsaino izay hataon’i Jehovah amin’ny hoavy rehefa tsy ho eo intsony i Satana. Tamina fampisehoana iray tamin’ny fivoriamben’ny vondrom-paritra tamin’ny 2014, dia niresaka ny 2 Timoty 3:1-5 tamin’ny ankohonany ny raim-pianakaviana iray. Novany ny teny tao amin’ireo andininy ireo, mba hampisehoana hoe hanao ahoana ny fiainana ao amin’ny Paradisa. Izao no namakiany azy: “Ao amin’ny tontolo vaovao, dia ho faran’izay hahafinaritra ny fiainana. Fa ny olona ho tia ny mpiara-belona aminy, ho tia manompo an’i Jehovah, tsy ho matin-kambo, tsy hanambony tena, hidera an’Andriamanitra, hankatò ray aman-dreny, hahay hisaotra, tsy hivadika amin’ny teniny, ho tia ny mpianakaviny, ho mora ifanarahana, hilaza zavatra tsara momba ny hafa foana, hahafehy tena, halemy fanahy, ho tia ny tsara, ho azo itokisana, handefitra, hanetry tena, ho tia an’Andriamanitra fa tsy ho tia fahafinaretana, ho hita eo amin’ny fiainany hoe tena mpivavaka izy. Miaraha foana amin’ny olona toy ireny.” Resahinao amin’ny fianakavianao na ny mpiara-manompo koa ve hoe hanao ahoana ny fiainana ao amin’ny tontolo vaovao? w24.01 1:13-14
Talata 29 Jolay
Ankasitrahako ianao.—Lioka 3:22.
Tena mampahery ny mahalala hoe mankasitraka ny vahoakany amin’ny fitambarany i Jehovah. Izao mantsy no lazain’ny Baiboly: “Mahafinaritra an’i Jehovah ny vahoakany.” (Sal. 149:4) Mety hisy ho kivy be anefa indraindray, dia ho lasa saina hoe: ‘Izaho ve dia mba ankasitrahan’i Jehovah?’ Be dia be taloha ny mpanompon’i Jehovah tsy nivadika nieritreritra hoatr’izany. (1 Sam. 1:6-10; Joba 29:2, 4; Sal. 51:11) Resahin’ny Baiboly mazava fa afaka ny hankasitrahan’i Jehovah ny olona tsy lavorary. Amin’ny fomba ahoana? Tsy maintsy maneho finoana an’i Jesosy Kristy isika, dia atao batisa. (Jaona 3:16) Asehontsika amin’ny rehetra amin’izay hoe efa nibebaka tamin’ny fahotantsika isika, ary efa nampanantena an’Andriamanitra fa hanao ny sitrapony. (Asa. 2:38; 3:19) Faly i Jehovah rehefa manao an’ireo dingana ireo isika mba hifandraisana aminy. Ankasitrahany isika sady raisiny ho namany akaiky, rehefa manohy manao izay tsara indrindra vitantsika mba hanajana an’ilay voady nataontsika tamin’isika nanokan-tena.—Sal. 25:14. w24.03 13:1-2
Alarobia 30 Jolay
Tsy azonay atao ny tsy hiteny intsony momba an’izay efa hitanay sy henonay.—Asa. 4:20.
Manahaka an’ireo mpianatr’i Jesosy ireo isika rehefa mitory foana, na dia mandrara an’izany aza ny manam-pahefana. Afaka matoky koa isika hoe hanampy antsika hamita ny fanompoantsika i Jehovah. Mivavaha mba ho sahy sy ho hendry. Mangataha koa fanampiana amin’i Jehovah rehefa miatrika olana. Betsaka amintsika no marary, maty havana na namana, enjehina, manana olana ara-pihetseham-po na ara-pianakaviana, na zava-tsarotra hafa. Manampy trotraka an’ireo ny valanaretina sy ny ady. Aborahy amin’i Jehovah àry ny ao am-ponao. Lazao aminy ny manjo anao, hoatran’ny ianao rehefa miresaka amin’ny namanao akaiky. Matokia hoe “hanampy anao” i Jehovah. (Sal. 37:3, 5) Rehefa maharitra amin’ny vavaka isika, dia manampy antsika ‘hiaritra fahoriana’ izany. (Rom. 12:12) Fantatr’i Jehovah izay mianjady amin’ny mpanompony, ary “henoiny izy ireo rehefa miantso vonjy.”—Sal. 145:18, 19. w23.05 20:12-15
Alakamisy 31 Jolay
Fantaro tsara foana izay ankasitrahan’ny Tompo.—Efes. 5:10.
Rehefa misy fanapahan-kevitra lehibe raisintsika, dia mila fantarintsika “izay sitrapon’i Jehovah”, dia avy eo manao zavatra mifanaraka amin’izany. (Efes. 5:17) Mitady ny fomba fihevitr’Andriamanitra isika, raha ny marina, rehefa mamantatra ny torolalan’ny Baiboly mifanaraka amin’ny zavatra iainantsika. Azo inoana kokoa hoe handray fanapahan-kevitra tsara isika, rehefa mampihatra ny torolalany. Tian’ilay “ratsy”, na i Satana fahavalontsika, ho variana be foana amin’ny zavatra eto amin’izao tontolo izao isika, amin’izay tsy manam-potoana hanompoana an’Andriamanitra intsony. (1 Jaona 5:19) Lasa mora amin’ny Kristianina iray amin’izay ny hikely aina hitady vola sy harena, hianatra, na hiasa, noho ny hoe hanararaotra hampitombo ny fanompoany an’i Jehovah. Raha izay no mitranga, dia efa famantarana izany hoe misy vokany aminy ny toe-tsain’izao tontolo izao. Mazava ho azy, fa tsy ratsy ireo zavatra ireo, nefa tsy tokony ho ireo mihitsy no voalohany eo amin’ny fiainantsika. w24.03 12:16-17