Jona
Alahady 1 Jona
Tsy maintsy miatrika fahoriana maro isika vao ho tafiditra ao amin’ny Fanjakan’Andriamanitra.—Asa. 14:22.
Notahin’i Jehovah ny Kristianina voalohany rehefa nanao fiovana nifanaraka tamin’ny zavatra niainany. Nenjehina matetika izy ireo, ary tamin’ny fotoana tsy nampoizina izany indraindray. Eritrereto izay nitranga tamin’i Barnabasy sy ny apostoly Paoly, tamin-dry zareo nitory tany amin’ny faritr’i Lystra. Nandray tsara an-dry zareo tamin’ny voalohany izay nihaino azy. “Nandresy lahatra ny vahoaka” anefa ny mpanohitra tatỳ aoriana, ka ny sasany tamin’ireo olona ireo ihany no nitora-bato an’i Paoly. Rehefa noheverin-dry zareo fa maty izy vao navelany. (Asa. 14:19) Mbola nitory tany an-kafa indray anefa i Barnabasy sy Paoly. Dia inona no vokany? “Nanampy olona be dia be ho lasa mpianatra” ry zareo, ary nampahery ny mpiara-manompo ny teniny sy ny modely nomeny. (Asa. 14:21, 22) Betsaka àry no nandray soa satria tsy nilavo lefona izy roa lahy, na dia nisy fanenjehana tampoka aza. Hotahin’i Jehovah koa isika rehefa tsy milavo lefona fa manao an’izay asainy atao foana. w23.04 17:13-14
Alatsinainy 2 Jona
Henoy ny vavaka ataoko, Jehovah ô, ary henoy tsara ny fitalahoako fanampiana! Miantso anao aho rehefa ao anatin’ny sarotra, satria hamaly ahy ianao.—Sal. 86:6, 7.
Niatrika fahavalo nampidi-doza be dia be i Davida Mpanjaka teo amin’ny fiainany, ary matetika izy no nivavaka tamin’i Jehovah mba hampiany. Nahazo antoka i Davida hoe nihaino sy namaly ny vavaka nataony i Jehovah. Afaka matoky hoatr’izany koa ianao. Manome toky ny Baiboly hoe afaka manome fahendrena sy hery hiaretana i Jehovah. Azony ampiasaina hanampiana antsika koa ny fianakaviantsika ara-panahy, ary na dia ny olona mbola tsy manompo azy aza. Marina aloha hoe tsy araka ny ieritreretantsika azy no amalian’i Jehovah ny vavaka ataontsika indraindray. Fantatsika anefa hoe hamaly azy ireny izy. Izay ilaintsika mihitsy no omeny ary amin’ny fotoana tena ilantsika an’izany. Mivavaha foana àry, dia manàna finoana. Matokia fa hikarakara anao i Jehovah dieny izao, ary ‘hanome fahafaham-po ny fanirian’ny zavamananaina rehetra’ izy ao amin’ny tontolo vaovao.—Sal. 145:16. w23.05 21:4, 17-18
Talata 3 Jona
Inona no havaliko an’i Jehovah noho ny soa rehetra nataony tamiko?—Sal. 116:12.
Tsara ny mifantoka amin’ny soa horaisintsika rehefa hanatratra tanjona. Inona ny soa azonao ifantohana? Raha mifandray amin’ny famakiana Baiboly na vavaka ny tanjonao, dia saintsaino hoe nahoana izany no hanampy anao hinamana kokoa amin’i Jehovah. (Sal. 145:18, 19) Raha ny hanana toetra tsara indray no tanjonao, dia saintsaino hoe nahoana izany no hanatsara ny fifandraisanao amin’ny hafa. (Kol. 3:14) Maninona àry raha atao lisitra ny antony rehetra mahatonga anao te hanatratra ny tanjonao? Jereo matetitetika iny avy eo. Miaraha koa amin’izay olona handrisika anao. (Ohab. 13:20) Indraindray aloha ilay faniriana mihitsy no tsy misy e! Mahazo antsika rehetra izany. Tsy midika anefa izany hoe tsy afaka miezaka manatratra an’ilay tanjona isika. Afaka miezaka manatratra an’ilay tanjona ihany anefa isika, na dia rehefa tsy mazoto hanao an’izany aza. Marina hoe mila mifehy tena isika raha te hahavita an’izany, nefa tsy ho very maina ny ezaka ataontsika. w23.05 24:5-8
Alarobia 4 Jona
Izay afafin’ny olona ihany no hojinjainy.—Gal. 6:7.
Fantatsika hoe tompon’andraikitra amin’ny fanapahan-kevitsika isika, ary mety hahatonga antsika hibaboka ny fahotantsika izany, dia hanitsy an’izay tsy mety, ary tsy hamerina an’ilay diso intsony. Hanampy antsika hanohy an’ilay hazakazaka ho amin’ny fiainana ireo. Ekeo ny zava-misy raha tsy afaka manova an’ilay fanapahan-kevitra ratsy ianao. Reraka eo fotsiny ny fonao sy ny sainao raha mandany andro manamarin-tena ianao, na manamelo-tena, na manome tsiny ny hafa. Aleo kosa miaiky fahadisoana, dia manao izay fara hery amin’izay azonao atao izao. Raha manamelo-tena tamin’izay ratsy vitanao ianao, dia manetre tena ka mivavaha amin’i Jehovah, ekeo ny fahadisoanao, ary angataho izy mba hamela anao. (Sal. 25:11; 51:3, 4) Mandehana koa miala tsiny amin’izay olona niharan’ilay tsy nety nataonao, ary mangataha fanampiana amin’ny anti-panahy raha ilaina. (Jak. 5:14, 15) Mianara avy amin’ny fahadisoanao, ary miezaha mba tsy hamerina an’ireny intsony. Raha manao an’izany ianao, dia matokia fa hamindra fo aminao i Jehovah ary hanome ny fanampiana ilainao.—Sal. 103:8-13. w23.08 36:8-9
Alakamisy 5 Jona
Nanao izay tsara teo imason’i Jehovah foana i Joasy, tamin’ny andro rehetra nampianaran’i Joiada mpisorona azy.—2 Mpanj. 12:2.
Nisy vokany tsara tamin’i Joasy Mpanjaka i Joiada. Lasa te hampifaly an’i Jehovah àry io mpanjaka tanora io. Rehefa maty anefa i Joiada, dia ireo andriana mpivadi-pinoana indray no nohenoin’i Joasy. (2 Tan. 24:4, 17, 18) Nalahelo be i Jehovah, dia ‘naniraka mpaminany nankany amin’izy ireo foana mba hampirisika azy ireo hiverina aminy, nefa tsy nety nihaino ireo.’ Na i Zakaria zanakalahin’i Joiada aza tsy nohenoin-dry zareo. Tsy hoe mpaminanin’i Jehovah sy mpisorona fotsiny anefa izy, fa zanak’olo-mpiray tam-po koa izy sy Joasy! Nasain’i Joasy Mpanjaka novonoina i Zakaria. (2 Tan. 22:11; 24:19-22) Lasa tsy natahotra an’i Jehovah intsony i Joasy. Efa nilaza i Jehovah hoe: ‘Izay maniratsira ahy hataoko tsinontsinona.’ (1 Sam. 2:30) Resin’ny miaramila syrianina vitsy kely àry ny “tafika lehibe” nentin’i Joasy tatỳ aoriana, ary “naratra be” izy. (2 Tan. 24:24, 25) Ny mpanompony ihany no namono an’i Joasy, noho izy namono an’i Zakaria. w23.06 27:16-17
Zoma 6 Jona
Tao amin’ny haizina ianareo teo aloha, fa efa ao amin’ny mazava kosa izao.—Efes. 5:8.
Nitory sy nampianatra ny vaovao tsara tany Efesosy ny apostoly Paoly nandritra ny fotoana elaela. (Asa. 19:1, 8-10; 20:20, 21) Tiany be ny rahalahiny, dia te hanampy an-dry zareo tsy hivadika amin’i Jehovah izy. Efa avy nandevozin’ny fampianaran-diso sy ny finoanoam-poana ireo Efesianina nanoratan’i Paoly. Nalaza ho ratsy fitondran-tena be sy tsy nisy henatra intsony ny mponina tany Efesosy. Fandre tany amin’ny teatra ny resaka vetaveta, ary na dia tamin’ny fety ara-pivavahana aza. (Efes. 5:3) Maro tamin’ny mponina tany no ‘efa tsy nahalala menatra intsony’, izay midika ara-bakiteny hoe tsy “nandre fanaintainana intsony.” (Efes. 4:17-19) Tsy nenjehin’ny eritreriny mantsy ny Efesianina, talohan’ny nianarany an’izay tena atao hoe mety na tsy mety. Afaka nilaza àry i Paoly hoe “maizin-tsaina izy ireo sady tsy hahazo an’ilay fiainana ampanantenain’Andriamanitra.” Tsy nijanona tao amin’ny haizina anefa ny Efesianina sasany. w24.03 12:2, 4-6
Asabotsy 7 Jona
Izay manantena an’i Jehovah ... hahazo hery indray. ... Tsy ho reraka [izy].—Isaia 40:31.
Niasa mafy i Gideona rehefa nanao ny asan’ny mpitsara, dia reraka be indraindray. Nitsoaka, ohatra, ny Midianita rehefa notafihin’ny Israelita nandritra ny alina. Nenjehin-dry Gideona àry ry zareo, nanomboka teo amin’ny Lohasahan’i Jezirela ka hatrany amin’ny Reniranon’i Jordana. (Mpits. 7:22) Dia nijanona teo Jordana ve izany ry Gideona? Tsy izany! Na dia reraka aza izy sy ireo 300 lahy niaraka taminy, dia mbola niampita an’ilay renirano ihany ary nanohy nanenjika an’ireo Midianita. Tratrany ihany ry zareo tamin’ny farany dia resiny. (Mpits. 8:4-12) Natoky i Gideona hoe hanome hery azy i Jehovah, ary tsy diso fanantenana izy. (Mpits. 6:14, 34) Nanenjika mpanjaka midianita roa i Gideona sy ny miaramilany indray mandeha. Nandeha an-tongotra ry zareo, fa ireo mpanjaka ireo kosa mety ho nitaingina rameva. (Mpits. 8:12, 21) Nampian’Andriamanitra anefa ireo Israelita be fikirizana ireo, ka nandresy ihany. Afaka miantehitra amin’i Jehovah hoatr’izany koa ny anti-panahy, satria izy “tsy mba reraka na sasatra mihitsy.” Hanome hery an-dry zareo izy, rehefa mila an’izany ry zareo.—Isaia 40:28, 29. w23.06 25:14, 16
Alahady 8 Jona
Tsy handao anareo [i Jehovah] ary tsy hahafoy anareo mihitsy.—Deot. 31:6.
Afaka manana fo tsy miovaova isika, na inona na inona fitsapana atrehintsika. Matokia an’i Jehovah àry. Diniho ny ohatr’i Baraka. Nandresy izy satria natoky ny tari-dalan’i Jehovah. Tsy nisy ampinga na lefona nanerana an’ilay tany. Ny tafik’i Sisera anefa ampy fitaovana tsara. Na izany aza, dia mbola nasain’i Jehovah niady tamin’ireo miaramila kananita ireo ihany izy. (Mpits. 5:8) Nasain’i Debora mpaminanivavy nidina teny amin’ny tany lemaka i Baraka, mba hihaona tamin’i Sisera sy ny kalesy 900 fitondrany miady. Mahazo tombony kokoa ny kalesy raha eny amin’ny tany marina, nefa nankatò i Baraka. Nataon’i Jehovah avy be ny orana, rehefa nidina ny Tendrombohitra Tabara ny miaramila. Nihitsoka tao anaty fotaka àry ny kalesin’i Sisera, dia nandresy i Baraka noho ny fanampian’i Jehovah. (Mpits. 4:1-7, 10, 13-16) Hataon’i Jehovah mandresy koa isika, raha matoky azy sy ny tari-dalana omeny amin’ny alalan’ny solontenany. w23.07 31:17-18
Alatsinainy 9 Jona
Izay miaritra hatramin’ny farany no hovonjena.—Mat. 24:13.
Tena mila manam-paharetana isika mba ho voavonjy. Ilaina io toetra io rehefa miandry an’Andriamanitra hanatanteraka ny fampanantenany isika, hoatran’ny nataon’ny mpanompony tsy nivadika taloha. (Heb. 6:11, 12) Ampitahain’ny Baiboly amin’ny mpamboly isika. (Jak. 5:7, 8) Miasa mafy izy mamboly sy manondraka, fa tsy fantany hoe rahoviana marina ilay zavatra namboleny no haniry. Miandry sy manam-paharetana àry ilay mpamboly, ary matoky hoe hijinja vokatra izy indray andro any. Hoatr’izany koa isika. Miezaka ny ho be atao isika ka manao zavatra ara-panahy foana, na dia ‘tsy fantatsika [aza] ny andro hiavian’ny Tompontsika.’ (Mat. 24:42) Miandry sy manam-paharetana isika, ary matoky fa hanatanteraka ny fampanantenany rehetra i Jehovah amin’ny fotoana mety aminy. Raha tsy manam-paharetana mantsy isika, dia mety ho leo miandry ary hiala tsikelikely amin’ny fahamarinana. Mety hanomboka hitady zavatra ahazoantsika fahafinaretana eo no ho eo koa isika. Raha manam-paharetana anefa isika, dia hahavita hiaritra hatramin’ny farany ary ho voavonjy.—Mika 7:7. w23.08 35:7
Talata 10 Jona
Nisy ampahany vy ny rantsantongony, sady nisy ampahany tanimanga.—Dan. 2:42.
Rehefa mampitaha ny faminaniana ao amin’ny Daniela 2:41-43 amin’ny faminaniana hafa ao amin’ny bokin’i Daniela sy ny Apokalypsy isika, dia resy lahatra hoe mifanitsy amin’i Grande-Bretagne sy Etazonia ilay tongotra. Ny Anglisy-Amerikanina mantsy no firenena matanjaka indrindra amin’izao. Izao no nolazain’i Daniela momba an’io firenena matanjaka io: “Hisy ampahany amin’ilay fanjakana ... hatanjaka, fa hisy ampahany kosa halemy.” Nahoana no malemy ny ampahany amin’izy io? Satria lasa tsy afaka mampiseho ny heriny hoatran’ny vy ilay fanjakana, noho ny ataon’ny sarambabem-bahoaka, izay oharina amin’ny tanimanga mbola lena. Betsaka ny fahamarinana lehibe ianarantsika avy amin’ny fanazavan’i Daniela momba an’ilay sarivongana. Voalohany, efa nampiseho ny heriny ny Firenena Matanjaka Anglisy-Amerikanina. Anisan’ny nandresy, ohatra, ry zareo tamin’ny Ady Lehibe I sy II. Nihanalemy anefa io firenena matanjaka io, ary mbola hihamalemy foana satria mifandramatra ny vahoakany. Faharoa, io no firenena matanjaka farany, alohan’ny handringanan’ny Fanjakan’Andriamanitra ny fitondran’olombelona rehetra. w23.08 34:12-13
Alarobia 11 Jona
Tao anatin’ny sarotra aho no niantso an’i Jehovah; tamin’ilay Andriamanitro foana aho no niantso vonjy. Henony tao amin’ny tempoliny ny feoko.—Sal. 18:6.
Kivy i Davida indraindray, noho ny olana sy ny fitsapana rehetra natrehiny. (Sal. 18:4, 5) Namelombelona azy anefa ny fitiavan’i Jehovah sy ny fikarakarany azy. Nentin’i Jehovah teny amin’ny “toerana feno ahi-maitso” sy “toeram-pialan-tsasatra azon-drano tsara” io namany efa reraka io. Nahazo hery indray àry i Davida, ka afaka nanohy nanompo an’i Jehovah sady faly foana. (Sal. 18:28-32; 23:2) Hoatr’izany koa amin’izao. “Noho i Jehovah tia antsika sy tsy mivadika amintsika no tsy maharipaka antsika”, rehefa miady mafy amin’ny fiainana sy ny olana samihafa isika. (Fitom. 3:22; Kol. 1:11) Matetika no natahorana ny ain’i Davida, sady nanana fahavalo mahery be dia be izy. Nahatsiaro ho tony sy voaro anefa izy satria tian’i Jehovah. Tsapan’i Davida hoe tsy nandao azy mihitsy i Jehovah, dia nanome toky azy izany. Nihira àry izy hoe: “Nanafaka ahy tamin’ny tahotro rehetra [i Jehovah].” (Sal. 34:4) Tena natahotra i Davida, ary ara-dalàna izany! Mbola nahery noho izany tahotra izany anefa ny fitiavan’i Jehovah! w24.01 4:15-17
Alakamisy 12 Jona
Aza manaiky, ... raha misy mpanota mitady hitaona anao.—Ohab. 1:10.
Mianara avy amin’ny fanapahan-kevitra ratsy noraisin’i Joasy. Rehefa maty i Joiada Mpisoronabe, dia nifidy ny hiaraka tamin’ny naman-dratsy i Joasy. (2 Tan. 24:17, 18) Nanapa-kevitra ny hihaino ny andrianan’ny Joda izy, nefa ry zareo tsy tia an’i Jehovah. Ianao koa angamba miaiky hoe tsy tokony ho niaraka tamin’ireny olona ratsy toetra ireny i Joasy. Ireny mody niseho ho namany ireny anefa no nohenoiny. Rehefa niezaka nanitsy azy aza i Zakaria, zanaky ny dadatoany, dia i Zakaria indray no nasainy novonoina. (2 Tan. 24:20, 21; Mat. 23:35) Loza izany sady hadalana mihitsy! Tsara fiandohana ny fiainan’i Joasy, nefa mampalahelo fa lasa mpivadi-pinoana sy mpamono olona izy. Ny mpanompony ihany no namono azy tamin’ny farany. (2 Tan. 24:22-25) Hafa mihitsy izao ny fiainany raha mba nihaino an’i Jehovah sy izay tia azy izy! w23.09 38:6
Zoma 13 Jona
Aza matahotra.—Lioka 5:10.
Fantatr’i Jesosy fa afaka ny tsy hivadika mihitsy ny apostoly Petera. Tsara fanahy taminy àry i Jesosy dia nilaza hoe: “Aza matahotra.” Natoky azy izy, ka nanova ny fiainan’i Petera izany. Nialan’i Petera sy Andrea rahalahiny ny asan-dry zareo tatỳ aoriana, dia lasa mpanara-dia an’ilay Mesia ry zareo. Nitondra fitahiana miavaka izany fanapahan-kevitra izany! (Mar. 1:16-18) Be dia be ny zavatra nahafinaritra niainan’i Petera, rehefa lasa mpanara-dia an’i Kristy izy. Nanatri-maso teo izy rehefa nanasitrana ny marary i Jesosy, namoaka demonia, ary nanangana ny maty mihitsy aza. (Mat. 8:14-17; Mar. 5:37, 41, 42) Nahazo fahitana momba ny voninahitry ny Fanjakan’i Jesosy amin’ny hoavy koa izy, ary nisy vokany be taminy izany. (Mar. 9:1-8; 2 Pet. 1:16-18) Nahita zavatra maro be tsy nampoiziny mihitsy i Petera. Tsy maintsy hoe faly be izao izy, satria tsy nisy fihetseham-po navelany hisakana azy tsy hahazo an’ireo fitahiana ireo! w23.09 40:4-5
Asabotsy 14 Jona
Hoy i Jesosy taminy: “Tsy hilaza aminao aho hoe hatramin’ny im-7, fa hatramin’ny im-77.”—Mat. 18:22.
Nampiasa an’ilay teny hoe ‘mifankatia lalina’ ny apostoly Petera ao amin’ny taratasiny voalohany. Manarona “fahotana maro be” io karazana fitiavana io, fa tsy hoe fahotana vitsivitsy fotsiny. (1 Pet. 4:8) Tadidin’i Petera angamba ilay nampianarin’i Jesosy azy momba ny famelan-keloka, taona maromaro talohan’izay. Mety ho nieritreritra izy tamin’izany hoe efa mamindra fo be mihitsy raha mamela ny rahalahiny “hatramin’ny impito.” Nampianarin’i Jesosy azy anefa fa tokony hamela “hatramin’ny im-77” izy, izany hoe tsy misy fetrany. (Mat. 18:21) Izany koa no nampianariny antsika. Mahereza àry raha sarotra aminao ny mampihatra an’io torohevitra io! Tsy lavorary daholo isika mpanompon’i Jehovah, ka indraindray tsy mora ny mamela heloka. Ny zava-dehibe tokony hataonao anefa izao, dia ny manao izay fara herinao mba hahatonga anao hamela ny rahalahinao sy hihavana aminy. w23.09 41:12
Alahady 15 Jona
Niantso an’i Jehovah [aho], dia namaly ahy izy.—Jona 2:2.
Tamin’i Jona tao anaty kibon’ilay trondro be, dia natoky izy hoe hihaino sy hanampy azy i Jehovah. Nasehony tao amin’ilay vavaka mantsy hoe nanetry tena izy sady nibebaka. Naverina teny an-tanety i Jona tatỳ aoriana, ary vonona hanao an’izay asa hanendrena azy. (Jona 2:10–3:4) Miady saina loatra ve ianao rehefa miatrika fitsapana, ka tsy mahavita mamboraka ny ao am-ponao amin’i Jehovah? Sa ianao reraka loatra ka tsy mahavita mianatra? Tadidio fa azon’i Jehovah tsara izay mahazo anao. Na vavaka tsotra kely aza no ataonao, dia matokia hoe hanome an’izay ilainao izy. (Efes. 3:20) Inona no azonao atao raha marary ianao na reraka, na mitebiteby be ka sarotra aminao ny mamaky teny sy mianatra? Maninona raha mihaino Baiboly na boky sy gazety noraisim-peo? Mety hanampy anao koa ny mihaino ny hirantsika, na mijery video ao amin’ny jw.org. Raha mivavaka amin’i Jehovah ianao sady tadiavinao ao amin’ny Baiboly na ao amin’ireo zavatra hafa omeny antsika ny valin’ny vavaka nataonao, dia hoatran’ny hoe avelanao hanatanjaka anao izy. w23.10 43:6, 9
Alatsinainy 16 Jona
Asehon’ny fanahy masina mazava ... fa mbola tsy naharihary ny lalana mankao amin’ny toerana masina raha mbola teo ilay tranolay voalohany.—Heb. 9:8.
Nitovitovy ihany ny tao anatin’ny tranolay masina sy ny an’ny tempoly naorina tatỳ aoriana tao Jerosalema. Nisy efitra roa tao anatiny, dia ny “Toerana Masina” sy ny “Masina Indrindra”, ary nisy ridao nisy peta-kofehy nanasaraka an’ireo. (Heb. 9:2-5; Eks. 26:31-33) Inona no tao anatin’ny Masina? Fitoeran-jiro volamena, alitara andoroana emboka manitra, ary latabatry ny mofo aseho. Ny “mpisorona voahosotra” ihany no nahazo niditra tao amin’ny Masina, mba hanao ny asa masina nampanaovina azy. (Nom. 3:3, 7, 10) Tao amin’ny Masina Indrindra kosa no nisy ny vata volamena nisy ny fifanekena, ary io no namantarana hoe nanatrika teo i Jehovah. (Eks. 25:21, 22) Ny mpisoronabe ihany no nahazo niditra tao amin’ny Masina Indrindra, tao ambadiky ny ridao, indray mandeha isan-taona, tamin’ny Andro Fandrakofam-pahotana. (Lev. 16:2, 17) Niditra tao izy nitondra ram-biby mba handrakofana ny fahotan’ny tenany sy ny an’ilay firenena manontolo. Rehefa nandeha ny fotoana, dia nampahafantarin’i Jehovah mazava tsara hoe inona no tena dikan’ireo efitra sy izay tao anatin’ilay tranolay masina.—Heb. 9:6, 7. w23.10 45:12
Talata 17 Jona
[Mifankatiava] ianareo.—Jaona 15:17.
Miverimberina ao amin’ny Tenin’Andriamanitra ilay didy hoe “mifankatiava.” (Jaona 15:12; Rom. 13:8; 1 Tes. 4:9; 1 Pet. 1:22; 1 Jaona 4:11) Toe-po anefa ny fitiavana, ka tsy misy olona mahita an’izay any am-pontsika any. Ahoana àry no ampisehoantsika hoe tiantsika ny hafa? Amin’izay lazaintsika sy ataontsika. Betsaka ny fomba azontsika ampisehoana amin’ny rahalahy sy anabavintsika hoe tiantsika ry zareo. Ireto misy ohatra vitsivitsy: “Samia milaza ny marina amin’ny namany avy.” (Zak. 8:16) “Mihavàna tsara foana ianareo.” (Mar. 9:50) “Aoka ianareo no ho voalohany hanome voninahitra ny hafa.” (Rom. 12:10) “Raiso tsara ... ny hafa.” (Rom. 15:7) “Mahaiza foana ... mifamela heloka.” (Kol. 3:13) “Miezaha foana hifanampy rehefa misy zava-tsarotra manavesatra.” (Gal. 6:2) “Miezaha foana ... hifampionona.” (1 Tes. 4:18) “Miezaha ... hifanampy foana.” (1 Tes. 5:11) Ary “mifampivavaha.”—Jak. 5:16. w23.11 47:7-8
Alarobia 18 Jona
Mifalia amin’ny fanantenana.—Ro 12:12.
Mandray fanapahan-kevitra ilana finoana matanjaka isika isan’andro, anisan’izany ny momba ny namana, fialam-boly, fianarana, fanambadiana, zanaka, ary asa. Tsara àry ny mieritreritra hoe: ‘Hita amin’ny safidy ataoko ve fa resy lahatra aho hoe mandalo ihany izao tontolo izao, ary tsy ho ela dia hosoloan’Andriamanitra tontolo vaovao? Sa ny safidy ataoko mitovy amin’ny an’ny olona mino hoe ny fahafatesana no faran’ny zava-drehetra?’ (Mat. 6:19, 20; Lioka 12:16-21) Ny fanapahan-kevitra tsara indrindra no horaisintsika, raha miezaka hino kokoa isika hoe efa akaiky ny tontolo vaovao. Miatrika fitsapana ilana finoana matanjaka koa isika. Mety henjehina isika, na harary mafy, na hiatrika zavatra hafa mety hahakivy antsika. Tapa-kevitra ny hiaritra angamba isika amin’ny voalohany. Ahoana anefa raha mitohy ela be ilay fitsapana, hoatran’ny mitranga matetika? Mila finoana matanjaka isika mba hahavita hiaritra sy ho faly manompo an’i Jehovah foana.—1 Pet. 1:6, 7. w23.04 19:4-5
Alakamisy 19 Jona
Aza mitsahatra mivavaka.—1 Tes. 5:17.
Manantena i Jehovah hoe hanao zavatra mifanaraka amin’ny vavaka nataontsika isika. Mety hivavaka, ohatra, ny rahalahy iray mba hahazo andro tsy hiasana, amin’izay izy ho afaka hanatrika fivoriamben’ny vondrom-paritra. Ahoana no mety hamalian’i Jehovah azy? Omeny ny herim-po ilainy angamba ilay rahalahy, mba ho sahy hanatona an’ilay mpampiasa. Mila manao zavatra mifanaraka amin’ilay vavaka nataony anefa izy, dia mandeha miresaka amin’ilay mpampiasa. Mila manao an’izany imbetsaka angamba izy. Mety hanakalo ny fotoana iasany amin’ny mpiara-miasa aminy mihitsy aza izy, na hifidy hoe esorina amin’ny karamany ny andro tsy iasany. Manantena i Jehovah hoe hivavaka imbetsaka momba an’izay mampanahy antsika isika. Hita amin’ny tenin’i Jesosy fa tsy ho azontsika eo no ho eo daholo izay angatahintsika. (Lioka 11:9) Aza kivy àry! Mivavaha mafy, dia ataovy matetika izany. (Lioka 18:1-7) Rehefa manao hoatr’izany mantsy isika, dia mampiseho amin’i Jehovah hoe tsy faniriana miserana fotsiny ilay izy, ary mino isika fa afaka manampy antsika izy. w23.11 49:10-11
Zoma 20 Jona
Ny fanantenana tsy mba mandiso fanantenana.—Rom. 5:5.
Nampanantena an’i Abrahama namany i Jehovah hoe hahazo fitahiana amin’ny alalan’ny taranany ny firenena rehetra eto an-tany. (Gen. 15:5; 22:18) Resy lahatra i Abrahama fa ho tanteraka izany, satria tena nino an’Andriamanitra izy. Tsy nivadika i Abrahama sy ny vadiny. Mbola tsy nanan-janaka ihany anefa ry zareo, na dia efa 100 taona aza i Abrahama, ary 90 taona ny vadiny. (Gen. 21:1-7) Izao anefa no nolazain’ny Baiboly: “Mbola nanantena ihany i Abrahama ..., ka nino hoe ho lasa rain’ny firenena maro izy, araka ilay voalaza.” (Rom. 4:18) Fantatrao fa tanteraka ny fanantenan’i Abrahama. Lasa rain’i Isaka tokoa izy, ary io ilay zanakalahy efa nandrasany hatry ny ela. Inona no nahatonga an’i Abrahama hatoky hoe tsy maintsy ho tanteraka ilay fampanantenana azony? “Niaiky tanteraka” i Abrahama fa hotanterahin’Andriamanitra ‘izay nampanantenainy’, satria nifandray akaiky taminy izy. (Rom. 4:21) Nankasitrahan’i Jehovah i Abrahama, dia nambarany hoe olo-marina noho ny finoany.—Jak. 2:23. w23.12 51:1-2
Asabotsy 21 Jona
Izay mendri-pitokisana amin’ny zavatra kely dia mendri-pitokisana koa amin’ny zavatra lehibe, ary izay tsy marina amin’ny zavatra kely dia tsy marina koa amin’ny zavatra lehibe.—Lioka 16:10.
Manao tsara ny andraikiny rehetra ny tovolahy azo ianteherana. Eritrereto i Jesosy, ilay modely tonga lafatra. Efa nisy fotoana ve izy tsy nivaky loha na tsy niraharaha ny andraikiny? Tsy nanao an’izany mihitsy izy! Novitainy tsara kosa izay nasain’i Jehovah nataony, na dia rehefa sarotra aza ny nanao an’izany. Tia olona izy, indrindra fa ny mpianany, ka vonona hamoy ny ainy ho an-dry zareo. (Jaona 13:1) Tahafo àry i Jesosy, ka miezaha mafy mba hamita an’izay ampanaovina anao. Raha tsy hainao tsara ny fanaovana an’ilay izy, dia miezaha hanetry tena ka mangataha fanampiana amin’ny rahalahy matotra. Aza mianina amin’ny hoe efa nahavita aloha dia izay! (Rom. 12:11) Ataovy tsara kosa izay ampanaovina anao, ka ataovy hoatran’ny hoe “ho an’i Jehovah, fa tsy ho an’olona.” (Kol. 3:23) Mazava ho azy fa tsy lavorary ianao, ka manetre tena ary ekeo rehefa diso ianao.—Ohab. 11:2. w23.12 53:8
Alahady 22 Jona
Hotahina izay olona matoky an’i Jehovah.—Jer. 17:7.
Mahafaly ny hoe atao batisa dia lasa fianakavian’i Jehovah. Mitovy hevitra amin’i Davida mpanao salamo izay olona manana an’izany tombontsoa izany. Izao no nolazainy: “Sambatra izay fidinao sy asainao manatona anao [Jehovah] mba hipetraka eo an-tokotaninao.” (Sal. 65:4) Tsy izao olona rehetra izao akory no avelan’i Jehovah ho eo an-tokotaniny. Mifidy an’izay olona mampiseho hoe te hifandray akaiky aminy izy. (Jak. 4:8) Rehefa manokan-tena ho an’i Jehovah sy atao batisa ianao, dia afaka matoky aorian’izay hoe ‘handrotsaka fitahiana be dia be aminao’ izy, ary ‘mihoatra noho izay ilainao aza.’ (Mal. 3:10; Jer. 17:8) Vao fiandohana ny batisa. Tokony hanao izay fara herinao ianao mba hanajana an’ilay voady nataonao tamin’ianao nanokan-tena, na dia misy fakam-panahy na zavatra misedra ny finoanao aza. (Mpito. 5:4, 5) Mpianatr’i Jesosy ianao, ka hanaraka akaiky araka izay azo atao ny modeliny sy ny didiny.—Mat. 28:19, 20; 1 Pet. 2:21. w24.03 10:1-3
Alatsinainy 23 Jona
Handao ny rainy sy ny reniny ny lehilahy ka hikambana amin’ny vadiny.—Gen. 2:24.
Ahoana raha tsy dia tia miaraka loatra ianao sy ny vadinao? Inona no azonao atao? Eritrereto ny afon-dasy. Tsy hoe tonga dia miredareda be ilay afo. Mila ampiana kitay tsikelikely ilay izy. Kitay madinidinika aloha no atao ao vao kitay lehibe kokoa. Maninona koa àry raha manokana fotoana hiarahana isan’andro, na dia hoe fohifohy fotsiny aza aloha ilay izy amin’ny voalohany? Ataovy azo antoka hoe zavatra samy mahafinaritra anareo roa no atao. (Jak. 3:18) Mety hanomboka hiredareda indray ny fifankatiavanareo, rehefa manomboka amin’ny zavatra kely hoatr’izany. Tena ilaina ny fifanajana ao an-tokantrano. Hoatran’ny oksizenina mahatonga ny afon-dasy hiredareda izy io. Rehefa tsy misy ny oksizenina, dia vetivety dia maty ilay afo. Hoatran’izany koa fa vetivety dia hihamangatsiaka ny fifankatiavan’ny mpivady rehefa tsy misy fifanajana. Raha miezaka mafy hifanaja kosa ny mpivady, dia hiredareda foana ny fitiavan-dry zareo. Izao anefa: Tadidio fa ny zava-dehibe dia tsy hoe ianao ve mieritreritra hoe efa manaja azy, fa hoe ny vadinao ve mahatsapa hoe hajaina izy. w23.05 23:9, 14-15
Talata 24 Jona
Rehefa be dia be ny zavatra nampitebiteby ahy, dia nampionona sy nampitony ahy ianao.—Sal. 94:19.
Resahin’ny Baiboly hoe nisy mpanompon’Andriamanitra tsy mivadika niady saina be sy toran-kovitra noho ny nataon’ny fahavalony, na noho ny antony hafa. (Sal. 18:4; 55:1, 5) Mety henjehin’ny mpiara-mianatra, mpiara-miasa, fianakaviana, na fanjakana koa isika. Mety hatahotra mihitsy aza isika sao ho faty, satria tsy salama. Tsy afa-manoatra hoatran’ny ankizikely isika ao anatin’ny fotoana toy ireny. Ahoana no anampian’i Jehovah antsika? Mampionona sy mampitony antsika izy. Manokàna fotoana matetika hiarahana amin’i Jehovah àry, izany hoe mivavaha aminy ary vakio ny Teniny. (Sal. 77:1, 12-14) Amin’izay ianao rehefa miady saina, dia azo inoana hoe ny hiresaka amin’ilay Rainao any an-danitra no ho tonga voalohany ao an-tsainao. Tantarao aminy izay mampahatahotra sy mampanahy anao. Avelao izy hiresaka sy hampionona anao amin’ny alalan’ny Soratra Masina.—Sal. 119:28. w24.01 3:14-16
Alarobia 25 Jona
Andriamanitra ... no manatanjaka anareo, ... ka mahatonga anareo hanana faniriana sy hery hanaovana zavatra.—Fil. 2:13.
Hahavita hanatratra ny tanjontsika isika raha tena maniry hanatratra an’ilay izy. Miezaka mafy mantsy ny olona hoatr’izany. Azo inoana kokoa hoe ho tratrantsika ny tanjontsika raha tena maniry hanatratra azy io isika. Inona àry no azonao atao mba haniry kokoa hanatratra ny tanjonao ianao? Mivavaha mba hitombo ilay faniriana. Afaka mampiasa ny fanahiny i Jehovah mba hanampiana anao haniry hanatratra ny tanjonao. Indraindray isika manana tanjona satria fantatsika hoe tokony hanao an’izany. Efa tsara aloha izany e! Mety hoe tsy tena maniry hanatratra an’ilay izy anefa isika. Saintsaino àry izay efa nataon’i Jehovah ho anao. (Sal. 143:5) Nisaintsaina ny hatsaram-panahy miavaka nasehon’i Jehovah taminy, ohatra, ny apostoly Paoly, dia lasa naniry hiasa mafy ho Azy. (1 Kor. 15:9, 10; 1 Tim. 1:12-14) Hoatr’izany koa fa vao mainka ianao haniry hanatratra ny tanjonao, rehefa misaintsaina foana an’izay nataon’i Jehovah ho anao.—Sal. 116:12. w23.05 24:3-5
Alakamisy 26 Jona
Derao ny anaran’i Jehovah.—Sal. 113:1.
Faly ilay Raintsika any an-danitra rehefa midera ny anarany isika. (Sal. 119:108) Midika ve izany hoe hoatran’ny olombelona tsy lavorary te hoderaina mafy ilay Andriamanitra mahery indrindra, satria tsy matoky tena ka mila omena toky? Tsy izany! Rehefa midera an’ilay Raintsika any an-danitra isika, dia manaporofo koa fa diso izay nolazain’i Satana momba antsika tsirairay. Tsy hisy olona hiaro ny anaran’Andriamanitra, hono, fa hivadika daholo. Nilaza izy fa hiala amin’Andriamanitra isika rehetra, raha hitantsika hoe izay no mahasoa. (Joba 1:9-11; 2:4) Tsy nivadika anefa i Joba, ka noporofoiny hoe mpandainga i Satana. Ary ianao? Tombontsoa ho antsika tsirairay ny miaro ny anaran’ilay Raintsika sy mampifaly azy rehefa tsy mivadika aminy mihitsy. (Ohab. 27:11) Voninahitra be ny manao an’izany! w24.02 6:3-5
Zoma 27 Jona
Minoa ... ny mpaminaniny dia handeha tsara ny zava-drehetra.—2 Tan. 20:20.
Nanendry mpitsara i Jehovah mba hitarihana ny vahoakany, taona maro taorian’ny nahafatesan’i Mosesy sy Josoa. Mpaminany kosa no notendreny tamin’ny fotoana nisian’ny mpanjaka. Nanaraka ny torohevitr’ireny mpaminany ireny ny mpanjaka nanam-pinoana. I Davida Mpanjaka, ohatra, nanetry tena dia nanaiky hahitsin’i Natana mpaminany. (2 Sam. 12:7, 13; 1 Tan. 17:3, 4) I Josafata Mpanjaka indray nanaraka ny tari-dalan’i Jahaziela mpaminany, ary nampirisika ny vahoakan’ny Joda mba ‘hino ny mpaminanin’Andriamanitra.’ (2 Tan. 20:14, 15) Rehefa niady saina be i Hezekia Mpanjaka, dia nangataka fanampiana tamin’i Isaia mpaminany. (Isaia 37:1-6) Nahazo fitahiana ireny mpanjaka ireny isaky ny nanaraka ny tari-dalan’i Jehovah, ary voaro ilay firenena. (2 Tan. 20:29, 30; 32:22) Niharihary tamin’ny rehetra hoe nampiasa an’ireny mpaminaniny ireny i Jehovah mba hitarihana ny vahoakany. w24.02 8:8
Asabotsy 28 Jona
Aza manao hoatr’ireny.—Efes. 5:7.
Tian’i Satana isika hifanerasera amin’olona hanasarotra ny fanarahantsika ny fitsipik’i Jehovah. Tadidio fa tsy izay olona mifandray mivantana amintsika ihany no ifaneraserantsika, fa izay mifandray amintsika amin’ny alalan’ny tambazotran-tserasera koa. Toe-tsain’izao tontolo izao ilay hoe tsy mampaninona ny fitondran-tena ratsy, ka tsy maintsy miady amin’izany isika. Haintsika tsara mantsy hoe diso izany! (Efes. 4:19, 20) Tsara àry ny mieritreritra hoe: ‘Mitandrina tsara ve aho mba tsy hifanerasera amin’ny mpiara-miasa na mpiara-mianatra na olon-kafa tsy manaja ny fitsipik’i Jehovah, rehefa tsy misy antony ilana hanaovana an’izany? Sahy miaro ny fitsipik’i Jehovah ve aho, na dia mety hisy hilaza aza hoe tery saina?’ Mety hila hitandrina koa isika rehefa mifidy olona atao namana akaiky eo anivon’ny fiangonana kristianina, araka ny 2 Timoty 2:20-22. Tadidintsika hoe mety tsy hanampy antsika hanohy hanompo an’i Jehovah foana ny olona sasany. w24.03 12:11-12
Alahady 29 Jona
Tena be fitiavana i Jehovah.—Jak. 5:11.
Efa nieritreritra ve ianao hoe hoatran’ny ahoana i Jehovah? Tsy hita maso izy, nefa betsaka ny fomba anazavan’ny Baiboly ny momba azy. Antsoina hoe “masoandro sy ampinga” ary “afo mandevona”, ohatra, izy. (Sal. 84:11; Heb. 12:29) Rehefa nahazo fahitana momba azy i Ezekiela, dia vato safira sy metaly manjelanjelatra ary avana mamirapiratra no hitany. (Ezek. 1:26-28) Tsy mahita an’i Jehovah isika, ka mety ho sarotra amintsika ny hino hoe tia antsika izy. Misy mieritreritra hoe tsy afaka ny ho tia azy mihitsy i Jehovah, noho ny zavatra niainany taloha. Azon’i Jehovah tsara ny fihetseham-po hoatr’izany sy ny vokatr’izany amintsika. Mba hanampiana antsika, dia mampahafantatra momba ny toetrany izy ao amin’ny Teniny. Ny hoe fitiavana no teny mety indrindra amaritana hoe hoatran’ny ahoana i Jehovah. Milaza mantsy ny Baiboly hoe: “Andriamanitra dia fitiavana.” (1 Jaona 4:8) Misy vokany amin’izay rehetra ataony izany. Tsy kahihitra amin’ny fitiavany Andriamanitra sady tena mahery izy io, ka anehoany fitiavana na dia ireo tsy tia azy aza.—Mat. 5:44, 45. w24.01 4:1-3
Alatsinainy 30 Jona
Niresaka tamin’izy ireo tao anatin’ny andry rahona izy.—Sal. 99:7.
Nanendry an’i Mosesy i Jehovah mba hitari-dalana ny Israelita hivoaka an’i Ejipta. Nomeny andry rahona ry zareo nandritra ny andro, ary andry afo rehefa alina, ho porofo mivaingana hoe nampiasa an’i Mosesy izy. (Eks. 13:21) Nanaraka an’ilay andry i Mosesy, dia nentin’izy io ho eny amin’ny Ranomasina Mena izy sy ny Israelita. Nisahotaka anefa ilay vahoaka satria hoatran’ny hoe tapi-dalan-kaleha. Ranomasina mantsy no teo alohany, nefa ny miaramila ejipsianina nanenjika avy tao aoriana. Tsy fahadisoana anefa ilay izy. Fanahy inian’i Jehovah nentina teo tamin’ny alalan’i Mosesy ny vahoakany. (Eks. 14:2) Nanao zavatra faran’izay mahagaga Andriamanitra avy eo mba hamonjena an-dry zareo. (Eks. 14:26-28) Mbola niantehitra tamin’ilay andry rahona ihany i Mosesy, nandritra ny 40 taona taorian’izay, mba hitarihana ny vahoakan’Andriamanitra hamakivaky ny tany efitra. (Eks. 33:7, 9, 10) Niresaka tamin’i Mosesy avy tao amin’ilay andry i Jehovah, dia i Mosesy avy eo no nampita ny toromarika nomeny tamin’ilay vahoaka. Nanana porofo ampy tsara àry ny Israelita hoe nampiasa azy i Jehovah mba hitarihana an-dry zareo. w24.02 8:4-5