FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • es25
  • Mey

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Mey
  • Fandinihana ny Soratra Masina Isan’andro—2025
  • Lohatenikely
  • Alakamisy 1 Mey
  • Zoma 2 Mey
  • Asabotsy 3 Mey
  • Alahady 4 Mey
  • Alatsinainy 5 Mey
  • Talata 6 Mey
  • Alarobia 7 Mey
  • Alakamisy 8 Mey
  • Zoma 9 Mey
  • Asabotsy 10 Mey
  • Alahady 11 Mey
  • Alatsinainy 12 Mey
  • Talata 13 Mey
  • Alarobia 14 Mey
  • Alakamisy 15 Mey
  • Zoma 16 Mey
  • Asabotsy 17 Mey
  • Alahady 18 Mey
  • Alatsinainy 19 Mey
  • Talata 20 Mey
  • Alarobia 21 Mey
  • Alakamisy 22 Mey
  • Zoma 23 Mey
  • Asabotsy 24 Mey
  • Alahady 25 Mey
  • Alatsinainy 26 Mey
  • Talata 27 Mey
  • Alarobia 28 Mey
  • Alakamisy 29 Mey
  • Zoma 30 Mey
  • Asabotsy 31 Mey
Fandinihana ny Soratra Masina Isan’andro—2025
es25

Mey

Alakamisy 1 Mey

Tsy ho ela dia hisy mosary lehibe.​—Asa. 11:28.

Tsy afa-bela ny Kristianina voalohany rehefa nisy mosary lehibe ‘nanerana ny tany.’ Azo antoka fa nanahy ny loham-pianakaviana hoe ahoana no hamelomany ny ankohonany. Ary ahoana ny amin’ny tanora nieritreritra hampitombo ny fanompoany? Lasa saina ve ry zareo hoe sao dia tokony hahemotra aloha izany? Na inona na inona nitranga, dia nampifanarahin’ireo Kristianina ireo tamin’izany ny zavatra nataony. Mbola nitory foana araka izay azony natao ry zareo, sady faly nizara an’izay nananany tamin’ny mpiara-manompo taminy tany Jodia. (Asa. 11:29, 30) Izay nahazo fanampiana aloha nahatsapa mivantana hoe nanohana azy i Jehovah. (Mat. 6:31-33) Tsy maintsy hoe lasa nifandray kokoa tamin’ireo mpiara-manompo nanome tanana ry zareo. Izay nanao fanomezana na nanampy tamin’ny fomba hafa kosa nahatsapa an’ilay hoe mahasambatra ny manome.​—Asa. 20:35. w23.04 17:12-13

Zoma 2 Mey

Fantatsika fa tena ho azontsika izay angatahintsika, satria nangatahintsika taminy.​—1 Jaona 5:15.

Indraindray i Jehovah mampiasa olona tsy manompo azy mba hamaliana ny vavaka ataon’ny vahoakany. Nandrisika an’i Artaksersesy Mpanjaka, ohatra, izy mba hamela an’i Nehemia hiverina any Jerosalema, amin’izay izy afaka manorina an’ilay tanàna indray. (Neh. 2:3-6) Hoatr’izany koa amin’izao. Azon’i Jehovah ampiasaina na dia ny olona tsy manompo azy aza, mba hamonjena antsika rehefa mila fanampiana isika. Tsy miavaka be matetika ny fomba amalian’ilay Raintsika any an-danitra ny vavaka ataontsika. Izay ilaintsika mba tsy hivadihana mihitsy anefa no valiny omeny. Diniho tsara àry hoe ahoana ny fomba amalian’i Jehovah ny vavaka ataonao. Miatoa kely indraindray, dia saintsaino hoe ahoana no amalian’i Jehovah ny vavaka ataonao. (Sal. 66:19, 20) Tsy maintsy mampiseho finoana isika, tsy hoe rehefa mivavaka amin’i Jehovah ihany, fa rehefa manaiky valim-bavaka koa, na ahoana na ahoana fomba amalian’i Jehovah an’izany.​—Heb. 11:6. w23.05 21:13, 15-16

Asabotsy 3 Mey

Ny manao ny sitraponao no mahafinaritra ahy, Andriamanitra ô.​—Sal. 40:8.

Rehefa nanokan-tena ho an’i Jehovah isika, dia nampanantena azy hoe hanompo azy sy hanao ny sitrapony. Tsy maintsy mitana an’io voady io isika. Tsy enta-mavesatra izany. Isika mantsy efa noforonin’i Jehovah hanao ny sitrapony. (Apok. 4:11) Nataony manana faniriana hahafantatra azy sy hanompo azy isika, ary noforoniny hitovy endrika aminy. Lasa afaka mifandray akaiky aminy àry isika, ary lasa mahafinaritra antsika ny manao ny sitrapony. Tsy izay ihany, fa ‘mamelombelona’ antsika ny manao ny sitrapon’Andriamanitra sy manara-dia ny Zanany. (Mat. 11:28-30) Ampitomboy àry ny fitiavanao an’i Jehovah, ka saintsaino izay zavatra tsara efa nataony ho anao sy ny fitahiana mbola omaniny ho anao. Ho mora kokoa aminao mantsy ny hankatò an’Andriamanitra arakaraka ny itiavanao azy. (1 Jaona 5:3) Nahavita nanao ny sitrapon’Andriamanitra i Jesosy, satria nivavaka tamin’i Jehovah mba hahazoana fanampiana sady nifantoka foana tamin’ny valisoa ho azony. (Heb. 5:7; 12:2) Manaova àry hoatran’i Jesosy. Mivavaha amin’i Jehovah mba hahazoana hery ary ataovy mazava tsara ao an-tsainao foana ilay fanantenana hiaina mandrakizay. w23.08 36:4-5

Alahady 4 Mey

Tsy raharahianao [ve] hoe faran’izay tsara fanahy sy mandefitra ary manam-paharetana izy? Tsy fantatrao angaha fa tian’Andriamanitra hibebaka ianao matoa tsara fanahy aminao izy?​—Rom. 2:4.

Tiantsika rehetra rehefa manam-paharetana ny olona. Nahoana? Hajaintsika ny olona hoatr’izany satria tsy sorena izy rehefa mila miandry. Faly koa isika hoe manam-paharetana amintsika ny hafa rehefa manao fahadisoana isika. Soa ihany fa nanam-paharetana ny olona nampianatra Baiboly antsika, rehefa sarotra tamintsika ny nianatra sy nanaiky ary nampihatra zavatra iray. I Jehovah Andriamanitra anefa no tena isaorantsika satria manam-paharetana amintsika izy! Na tiantsika aza anefa hoe manam-paharetana ny hafa, dia mety tsy ho mora amintsika foana ny haneho an’io toetra io. Mety ho sarotra amintsika, ohatra, ny ho tony foana rehefa mitohana ny fifamoivoizana, indrindra raha tara isika. Mety ho tezitra be koa isika rehefa misy olona mahasosotra antsika. Ary indraindray mety ho mafy amintsika ny miandry an’ilay tontolo vaovao ampanantenain’i Jehovah. Mila manam-paharetana kokoa anefa isika, na ahoana na ahoana. w23.08 35:1-2

Alatsinainy 5 Mey

Nalefan’i Gideona nody ... ny lehilahy israelita rehetra, ka 300 lahy sisa no nijanona niaraka taminy.​—Mpits. 7:8.

Nasain’i Jehovah nahenan’i Gideona maherin’ny 99 isan-jato ny tafiny. Mety ho nieritreritra i Gideona hoe: ‘Tena ilaina ve izany fanovana izany? Izany ve dia hety?’ Na izany aza, dia nankatò izy. Manahaka an’i Gideona ny anti-panahy, ka tonga dia mampihatra rehefa miova ny toromarika avy amin’ny fandaminana. (Heb. 13:17) Nankatò an’i Jehovah i Gideona na dia natahotra aza, sady nampidi-doza ilay zavatra nasaina nataony. (Mpits. 9:17) Rehefa nahazo toky avy amin’i Jehovah izy, dia resy lahatra tanteraka hoe hanampy azy hiaro ny vahoakan’Israely Andriamanitra. Manahaka an’i Gideona ny anti-panahy mipetraka any amin’ny toerana andrarana ny asantsika. Be herim-po ry zareo ka mitarika fivoriana sy fanompoana, na dia mety ho voasambotra aza, na halaina am-bavany, na ho very asa, na hampijalina. Tsy maintsy mila herim-po koa ny anti-panahy mandritra ny fahoriana lehibe, mba hankatoavana an’izay toromarika voarain-dry zareo na dia mampidi-doza aza ilay izy. w23.06 25:12-13

Talata 6 Mey

Izay manome voninahitra ahy no homeko voninahitra.​—1 Sam. 2:30.

Nasain’i Jehovah nosoratan’i Joiada Mpisoronabe ny zavatra tsara nataony mba hampianarana antsika. (Rom. 15:4) Ary rehefa maty i Joiada, dia “nalevina tao amin’ny Tanànan’i Davida niaraka tamin’ireo mpanjaka izy, satria nanao zavatra tsara ho an’ny Israely sy ho an’ilay tena Andriamanitra sy ny tranony.” (2 Tan. 24:15, 16) Afaka manampy antsika rehetra hatahotra kokoa an’Andriamanitra ny tantaran’i Joiada. Manahaka an’i Joiada, ohatra, ny mpiandraikitra kristianina, rehefa mailo sy miaro foana ny vahoakan’Andriamanitra. (Asa. 20:28) Ary inona no azon’ny zokiolona ianarana avy aminy? Afaka mampiasa azy ireo i Jehovah mba hanatanteraka ny fikasany, rehefa matahotra azy sy tsy mivadika aminy ry zareo. Misy lesona azon’ny tanora ianarana koa anefa avy amin’ny fomba nitondran’i Jehovah an’i Joiada. Manahaka an’i Jehovah ry zareo, rehefa manaja sy manome voninahitra an’ireny zokiolona tsy mivadika ireny, indrindra fa ireo efa nanompo azy hatry ny ela. (Ohab. 16:31) Andao àry isika hanohana foana an’ireo ‘mitarika eo amintsika’, ka hankatò an-dry zareo.​—Heb. 13:17. w23.06 27:14-15

Alarobia 7 Mey

Mitari-dalana olona maro ny tenin’ny olo-marina.​—Ohab. 10:21.

Mila mandinika tsara isika vao manapa-kevitra hoe impiry isika no hanangan-tanana any am-pivoriana. Raha manangan-tanana matetika loatra mantsy isika, dia hoatran’ny hoe manery an’ilay mpitarika hanondro antsika foana, na dia mbola tsy afaka namaly aza ny hafa. Mety hahakivy an-dry zareo izany, ka tsy hanangana intsony izy. (Mpito. 3:7) Mety tsy ho afaka hanome valin-teny imbetsaka araka izay tiantsika isika, raha betsaka ny mpitory manangan-tanana. Indraindray aza isika mety tsy ho voatondro mihitsy. Mety hahakivy izany, nefa tsy tokony hahatezitra antsika. (Mpito. 7:9) Raha tsy afaka namaly imbetsaka araka izay tianao ianao, nahoana raha mihaino tsara ny hafa rehefa manome valin-teny izy ireo, ary midera azy rehefa mirava? Mety hampahery an’ireo rahalahy sy anabavinao hoatran’ilay valin-teny saika homenao ny teny fiderana hoatr’izany. w23.04 18:14-16

Alakamisy 8 Mey

Tsy miovaova mihitsy ny foko, Andriamanitra ô!​—Sal. 57:7.

Ianaro sy saintsaino ny Tenin’Andriamanitra. Mijoro sy matanjaka tsara ny hazo rehefa lalim-paka. Tsy ho voahozongozona koa isika raha mamaka tsara ao amin’ny Tenin’Andriamanitra ny finoantsika. Rehefa mitombo ilay hazo, dia mihalalina ny fakany sady misandrahaka. Hoatran’ny hoe misy zavatra mihalalina koa rehefa mianatra sy misaintsaina isika. Mihamatanjaka ny finoantsika, ary vao mainka isika resy lahatra hoe ny fomba fanaovan’Andriamanitra zavatra no tsara indrindra. (Kol. 2:6, 7) Saintsaino hoe nahoana ny toromarika avy amin’i Jehovah sy ny tari-dalany ary ny fiarovany no nanampy ny mpanompony taloha. Nifantoka tsara, ohatra, i Ezekiela rehefa nisy anjely iray nandrefy an’ilay tempoly hitany tao amin’ny fahitana. Nampahery an’i Ezekiela io fahitana io, sady mampianatra antsika hoe ahoana no tokony hampiharantsika ny fitsipik’i Jehovah momba ny fivavahana madio. (Ezek. 40:1-4; 43:10-12) Mandray soa koa isika rehefa maka fotoana hianarana sy hisaintsainana momba ny zava-dalina ao amin’ny Tenin’Andriamanitra. Afaka manana fo tsy miovaova isika, ka hatoky tanteraka an’i Jehovah.​—Sal. 112:7. w23.07 31:15-16

Zoma 9 Mey

Arovy ... ny fahaiza-misaina.​—Ohab. 3:21.

Feno ohatra tsara azonareo rahalahy tanora tahafina ao amin’ny Baiboly. Tia an’Andriamanitra ireny lehilahy ireny, sady niantsoroka andraikitra samihafa rehefa nikarakara ny vahoakany. Misy lehilahy kristianina matotra azonareo atao modely koa anefa, ao amin’ny fianakavianareo sy ny fiangonana. (Heb. 13:7) Aza hadinoina koa i Jesosy Kristy, satria modely tonga lafatra izy. (1 Pet. 2:21) Ianaro tsara ny momba an-dry zareo, dia mariho ny toetra tsara mampiavaka azy. (Heb. 12:1, 2) Eritrereto avy eo hoe ahoana no hanahafanao an-dry zareo. Mandinika tsara ny safidy rehetra ananany ny lehilahy mahay misaina vao manao zavatra. Miezaha mafy àry mba ho lasa hoatr’izany sy tsy hiova mihitsy. Izao anombohana azy: Ianaro ny torolalan’ny Baiboly, dia saintsaino hoe maninona ireny no mahasoa. Ampiharo avy eo ireny torolalana ireny mba hanampy anao handray fanapahan-kevitra mampifaly an’i Jehovah. (Sal. 119:9) Dingana lehibe hanampy anao ho lasa Kristianina matotra izany.​—Ohab. 2:11, 12; Heb. 5:14. w23.12 53:4-5

Asabotsy 10 Mey

Aoka ho vonona foana ianareo hilaza ny fiarovan-tenanareo eo anatrehan’izay manontany ny anton’ny fanantenanareo. Tokony halemy fanahy sy ho feno fanajana anefa ianareo rehefa manao an’izany.​—1 Pet. 3:15.

Afaka mampianatra ny zanany ny ray aman-dreny hoe ahoana no ahafahana mamaly nefa malemy fanahy, rehefa misy manakiana ny zavatra inoany. (Jak. 3:13) Misy manao fanazaran-tena mandritra ny Fotoam-pivavahan’ny Fianakaviana. Jereny hoe inona no mety horesahina any am-pianarana, dia iarahany midinika izany. Asehony avy eo hoe ahoana no fomba hamaliana, dia ataony hoatran’ny tena izy mihitsy ilay izy. Ampianariny koa ny zanany hoe ahoana no atao mba halemy fanahy sady hahaliana ny olona foana ny zavatra resahina. Inona ny soa azo rehefa manao fanazaran-tena isika Kristianina? Lasa mahay mandresy lahatra isika, sady isika mihitsy no resy lahatra hoe mitombina tsara ny zavatra inoantsika. Misy fampiasana ho an’ny tanora sy andian-dahatsoratra hoe “Manontany ny Tanora” ao amin’ny jw.org. Natao hanampiana ny tanora izy ireny, amin’izay matanjaka ny finoany sady ho afaka hanomana valin-teny amin’ny fomba fiteniny izy. Raha miara-mianatra an’io andian-dahatsoratra io ny mpianakavy, dia samy hahay hiaro ny finoany nefa halemy fanahy, sady hahaliana ny olona foana ny zavatra resahiny. w23.09 39:10, 15-16

Alahady 11 Mey

Aza mba reraka manao ny tsara mihitsy isika, satria hijinja ny vokatr’izany isika amin’ny fotoana mety, raha tsy kivy.​—Gal. 6:9.

Efa nanana tanjona ara-panahy ve ianao, nefa sarotra taminao ny nanatratra an’ilay izy? Tsy ianao irery no hoatr’izany. I Philip, ohatra, mba te hanatsara ny vavaka nataony sady te hivavaka matetika kokoa, nefa sarotra taminy ny nahita fotoana hivavahana. I Erika indray te ho tonga ara-potoana tamin’ny fivoriana alohan’ny fanompoana, nefa saika tamin’izy rehetra izy no tara. Aza kivy raha mbola tsy tratranao ny tanjonao. Mitaky fotoana sy ezaka be mantsy na dia ny manatratra tanjona tsotsotra aza. Matoa ianao mbola miezaka manatratra an’ilay izy, dia midika izany hoe sarobidy aminao ny fifandraisanao amin’i Jehovah sady te hanome azy ny tsara indrindra ianao. Sarobidy amin’i Jehovah koa ny ezaka ataonao. Mazava ho azy anefa fa tsy mitaky zavatra tsy ho vitanao mihitsy izy. (Sal. 103:14; Mika 6:8) Tanjona azonao tratrarina àry fidina, izany hoe izay mifanaraka amin’ny zavatra iainanao. w23.05 24:1-2

Alatsinainy 12 Mey

Raha manohana antsika Andriamanitra, dia iza no hahavita hanohitra antsika?​—Rom. 8:31.

Mety hatahotra ihany ny olona be herim-po, nefa tsy avelany hisakana azy tsy hanao ny tsara izany. Tovolahy tena be herim-po i Daniela. Nianatra ny asa soratry ny mpaminanin’Andriamanitra izy, anisan’izany ny faminanian’i Jeremia. Lasa fantatr’i Daniela avy amin’izy ireny, tatỳ aoriana, hoe kely sisa dia ho tapitra ilay fotoana ela be nahababo ny Jiosy tany Babylona. (Dan. 9:2) Azo antoka fa vao mainka i Daniela natoky an’i Jehovah, rehefa nahita hoe tanteraka ny faminanian’ny Baiboly. Mahavita mampiseho herim-po miavaka izay matoky be an’Andriamanitra hoatr’izany. (Ampitahao amin’ny Romanina 8:32, 37-39.) Nivavaka matetika tamin’ilay Rainy any an-danitra koa i Daniela, ary izay no zava-dehibe indrindra. (Dan. 6:10) Niaiky ny fahotany tamin’i Jehovah izy, ary noresahiny taminy ny fihetseham-pony. Nangataka fanampiana taminy koa i Daniela. (Dan. 9:4, 5, 19) Olombelona hoatr’antsika izy, ka tsy hoe vao teraka dia efa be herim-po. Niezaka hanana an’io toetra io anefa izy, rehefa nianatra sy nivavaka ary natoky an’i Jehovah. w23.08 33:4, 7

Talata 13 Mey

Avelao hamirapiratra eo anatrehan’ny olona ... ny hazavanareo, mba ho hitany ny asa tsara ataonareo, ka hanome voninahitra an’ilay Rainareo any an-danitra izy.​—Mat. 5:16.

Mandray soa isika sy ny olon-kafa, rehefa mankatò ny manam-pahefana isika. Fa maninona? Satria aloha isika tsy voasazy hoatran’ny olona mandika lalàna. (Rom. 13:1, 4) Misy vokany amin’ny fahitan’ny manam-pahefana ny Vavolombelon’i Jehovah amin’ny ankapobeny koa ny fankatoavantsika tsirairay. Eritrereto izay nitranga tany Nizeria, am-polony taona lasa izay. Nisy miaramila niditra tao amin’ny Efitrano Fanjakana nandritra ny fivorian’ny fiangonana. Nitady mpirotaka tsy nanaiky handoa hetra ry zareo tamin’izay. Nasain’ny lehibeny nandeha anefa ry zareo sady niteny izy hoe: “Mandoa hetra foana ny Vavolombelon’i Jehovah ka!” Isaky ny mankatò lalàna àry ianao, dia manatsara ny lazan’ny vahoakan’i Jehovah. Mety hiaro ny mpiray finoana aminao izany laza tsara izany, indray andro any. w23.10 42:13

Alarobia 14 Mey

Mila miaritra ianareo mba ho tanteraka aminareo ilay fampanantenana, rehefa vitanareo ny sitrapon’Andriamanitra.​—Heb. 10:36.

Efa hatry ny ela ny mpanompon’i Jehovah sasany no niandry ny hifaranan’izao tontolo izao. Raha ny fomba fijerin’olombelona, dia hoatran’ny hoe ela be Andriamanitra vao manatanteraka ny fampanantenany. Fantatr’i Jehovah fa izany no tsapan’ny mpanompony, dia nanome toky an’i Habakoka mpaminany izy hoe: “Mbola amin’ny fotoana voatondro vao ho tanteraka ilay fahitana, sady mihazakazaka mafy ho amin’ny farany ka tsy handainga. Na dia hoatran’ny hoe elaela aza ilay izy, dia andraso ihany, satria tsy maintsy ho tanteraka. Tsy ho tara izany.” (Hab. 2:3) I Habakoka irery ve no nomen’Andriamanitra toky hoatr’izany? Sa mahasoa antsika amin’izao koa ny teniny? Notarihin’ny fanahy masina ny apostoly Paoly, dia nampihariny tamin’ny Kristianina manantena tontolo vaovao ireo teny ireo. (Heb. 10:37) Afaka matoky àry isika fa na dia hoatran’ny ela be aza vao tanteraka ilay fampanantenana hoe hafahana isika, dia “tsy maintsy ho tanteraka” izany, ary “tsy ho tara.” w23.04 19:16

Alakamisy 15 Mey

Ary nimenomenona tamin’i Mosesy ... ny Israelita rehetra.​—Nom. 14:2.

Tsy niraharaha ny porofo mazava ny ankamaroan’ny Israelita, ka tsy nanaiky hoe i Mosesy no solontenan’i Jehovah. (Nom. 14:10, 11) Imbetsaka ry zareo no nanda an’izany. Tsy navela niditra tao amin’ny Tany Nampanantenaina àry io taranaka io. (Nom. 14:30) Nanaraka ny tari-dalan’i Jehovah anefa ny Israelita sasany. Nilaza, ohatra, i Jehovah hoe: “Nanaraka ahy tamin’ny fony manontolo” i Kaleba. (Nom. 14:24) Namaly soa azy Andriamanitra, ka nomeny azy mihitsy aza ilay tany tiany indrindra tao Kanana. (Jos. 14:12-14) Nankatò ny tari-dalan’i Jehovah koa ny taranaka nanaraka. Rehefa nandimby an’i Mosesy i Josoa ka izy indray no voatendry hitarika ny Israelita, dia “tena nohajain’izy ireo izy nandritra ny androm-piainany.” (Jos. 4:14) Notahin’i Jehovah àry ry zareo, dia nomeny an’ilay tany nampanantenainy.​—Jos. 21:43, 44. w24.02 8:6-7

Zoma 16 Mey

Tsy maintsy tia ny rahalahiny koa izay tia an’Andriamanitra.​—1 Jaona 4:21.

Lasa mahafantatra zavatra sasany momba ny fahasalaman’ny fontsika ny dokotera, rehefa mijery ny fitepon’ny fontsika. Hoatr’izany koa fa hahafantapantatra ny haben’ny fitiavantsika an’Andriamanitra isika, rehefa mijery hoe hoatran’ny ahoana ny fitiavantsika ny olon-kafa. Raha hitantsika hoe somary nihena ny fitiavantsika ny mpiara-manompo, dia mety ho porofo izany hoe efa mihamihena koa ny fitiavantsika an’Andriamanitra. Raha asehontsika foana kosa hoe tia ny mpiara-manompo isika, dia ho hita amin’izany fa mbola tia be an’Andriamanitra isika. Tokony ho mailo isika raha lasa nihena ny fitiavantsika an’ireo rahalahy sy anabavy. Nahoana? Satria midika izany hoe atahorana tsy hifandray tsara amin’Andriamanitra intsony isika. Niresaka an’izany mazava tsara ny apostoly Jaona, rehefa nampahatsiahy antsika hoe: “Izay tsy tia ny rahalahiny izay hitany, dia tsy afaka ny ho tia an’Andriamanitra izay tsy hitany.” (1 Jaona 4:20) Inona no ianarantsika avy amin’izany? Rehefa “mifankatia” ihany isika vao mampifaly an’i Jehovah.​—1 Jaona 4:7-9, 11. w23.11 47:3, 5-6

Asabotsy 17 Mey

Ho ravoravo ny rainao sy ny reninao.​—Ohab. 23:25.

Nahay nanapa-kevitra i Joasy Mpanjaka tamin’izy tanora. Efa kamboty ray izy, dia ny toromarika nomen’i Joiada Mpisoronabe no narahiny. Noraisin’io mpisorona tsy nivadika io ho hoatran’ny zanany mihitsy i Joasy, rehefa nampianatra azy izy. Hendry i Joasy, ka nanapa-kevitra hanompo an’i Jehovah sy hanampy ny vahoaka hanao an’izany koa. Nataony mihitsy aza izay hanamboarana indray ny tempolin’i Jehovah. (2 Tan. 24:1, 2, 4, 13, 14) Misy olona mampianatra anao ho tia an’i Jehovah sy hanaraka ny fitsipiny ve? Raha izany, dia hoatran’ny hoe manome fanomezana sarobidy ho anao izy. (Ohab. 2:1, 10-12) Be dia be ny fomba azon’ny ray aman-dreninao ampiofanana anao. Ho faly i Dada sy Mama rehefa mampihatra ny torohevitry ny Baiboly omena anao ianao. Fa ny tena zava-dehibe dia hoe hampifaly an’Andriamanitra ianao, ary hinamana aminy foana. (Ohab. 22:6; 23:15, 24) Tsy aleo àry ve manahaka an’i Joasy tamin’izy tanora? w23.09 38:3-5

Alahady 18 Mey

Hihaino anareo aho.​—Jer. 29:12.

Mampanantena i Jehovah hoe hihaino ny vavaka ataontsika. Tian’ilay Andriamanitsika ny mpanompony tsy mivadika, ka sanatria azy ny hoe tsy hiraharaha ny vavak’izy ireo. (Sal. 10:17; 37:28) Tsy midika anefa izany hoe homeny daholo izay angatahintsika. Mila miandry ny tontolo vaovao angamba isika, vao hahazo ny zavatra sasany tiantsika ho azo. Dinihin’i Jehovah ny ifandraisan’ny fangatahantsika amin’ny fikasany. (Isaia 55:8, 9) Anisan’ny fikasany ny hoe hofenoiny lehilahy sy vehivavy falifaly manaiky azy ho mpitondra eto an-tany. I Satana anefa milaza fa tsara kokoa ho an’ny olombelona raha ry zareo ihany no mifampitondra. (Gen. 3:1-5) Navelan’i Jehovah hifampitondra àry ny olombelona, mba hanaporofoana hoe mpandainga ny Devoly. Ny fitondran’olombelona anefa no mahatonga ny olana be dia be atrehintsika. (Mpito. 8:9) Fantatsika aloha fa tsy hanala an’ireny izao dia izao i Jehovah. w23.11 49:4-5

Alatsinainy 19 Mey

Notendreko ho rain’ny firenena maro ianao.​—Rom. 4:17.

Nampanantena i Jehovah hoe hahazo fitahiana amin’ny alalan’i Abrahama ny “firenena maro.” Rehefa 100 taona anefa i Abrahama ary 90 taona i Saraha, dia mbola tsy niteraka zazalahy ihany ry zareo. Hoatran’ny hoe tsy hanan-janaka mihitsy izy mivady, raha ny fijerin’olombelona. Tena fitsapana mafy ho an’i Abrahama iny! “Mbola nanantena ihany [anefa izy] ... ka nino hoe ho lasa rain’ny firenena maro.” (Rom. 4:18, 19) Tanteraka ihany ilay nantenainy, tatỳ aoriana. Teraka i Isaka, ilay zanaka nandrasany hatry ny ela, ka lasa dada izy. (Rom. 4:20-22) Afaka ny hankasitrahan’Andriamanitra koa isika sady hekeny hoe olo-marina ka ho lasa namany, hoatran’i Abrahama. Momba an’izany mihitsy no noresahin’i Paoly rehefa nanoratra izy hoe: ‘Tsy ho [an’i Abrahama] ihany no nanoratana an’ilay hoe: “Nekena hoe olo-marina izy”, fa ho antsika koa. Natao ho antsika koa izany, satria mino an’Ilay nanangana an’i Jesosy tamin’ny maty isika.’ (Rom. 4:23, 24) Mila manam-pinoana sy mampiseho an’izany amin’ny ataontsika isika sady manana fanantenana, hoatran’i Abrahama. w23.12 50:16-17

Talata 20 Mey

Hitanao ny fijaliako; fantatrao ny fahoriana mafy manjo ahy.​—Sal. 31:7.

Rehefa miatrika fitsapana mampahatahotra anao ianao, dia tadidio hoe hitan’i Jehovah izany ary hainy ny vokatr’izany amin’ny fihetseham-ponao. Tsy ny tsindry hazo lena natao tamin’ny Israelita tany Ejipta fotsiny, ohatra, no hitany fa ‘ny fijalian-dry zareo’ koa. (Eks. 3:7) Mety ho lasa saina anefa ianao hoe ahoana no anampian’i Jehovah anao, rehefa miatrika fitsapana mampahatahotra ianao. Maninona raha mangataka aminy mba hampiany hahita ny fomba anohanany anao? (2 Mpanj. 6:15-17) Eritrereto avy eo hoe: Nisy lahateny na valin-teny tany am-pivoriana ve nanohina ny fonao? Nisy boky na gazety na video na hira nampahery anao ve? Nisy olona nanome toky anao na nilaza andinin-teny mahafinaritra taminao ve? Mety ho mora manao tsinontsinona ny rahalahy sy anabavy be fitiavana sy ny sakafo ara-panahy azontsika isika. Fanomezana miavaka avy amin’i Jehovah anefa ireny. (Isaia 65:13; Mar. 10:29, 30) Hita amin’izy ireny mantsy hoe miahy anao izy, ary mendrika ny hianteheranao.​—Isaia 49:14-16. w24.01 1:9-10

Alarobia 21 Mey

Ataovy izay hahatonga anay mpanomponao hanana fahasahiana be hitory ny teninao.​—Asa. 4:29.

Nampahatsiahy ny mpianany i Jesosy taloha kelin’ny niverenany tany an-danitra hoe nisy asa nampanaovina an-dry zareo. Ho vavolombelony “any Jerosalema sy eran’i Jodia sy Samaria ary any amin’ny faritra lavitra indrindra eto an-tany” ry zareo. (Asa. 1:8; Lioka 24:46-48) Nosamborin’ireo lohandohany teo amin’ny Jiosy ny apostoly Petera sy Jaona taoriana kelin’izay. Nentin-dry zareo teo anatrehan’ny Fitsarana Avo Jiosy ireo lehilahy tsy nivadika ireo, ary norarany mba tsy hitory intsony, sady norahonany mihitsy. (Asa. 4:18, 21) Hoy i Petera sy Jaona: “Ianareo no aoka hitsara raha mety eo imason’Andriamanitra na tsia ny hoe hihaino anareo, fa tsy hihaino an’Andriamanitra. Fa raha izahay kosa, dia tsy azonay atao ny tsy hiteny intsony momba an’izay efa hitanay sy henonay.” (Asa. 4:19, 20) Nivavaka ny mpianatr’i Jesosy rehefa nafahana i Petera sy Jaona, ka nangataka mba hatao ny sitrapon’i Jehovah. Namaly an’io vavaka avy amin’ny fo io Jehovah.​—Asa. 4:31. w23.05 20:11-12

Alakamisy 22 Mey

Io no Zanako malalako, ilay ankasitrahako.​—Mat. 17:5.

Efa hatry ny ela i Jehovah sy ilay Zanany malala no nifandray am-po sy nifankatia be. Ny an-dry zareo no fifandraisana ela indrindra eo amin’izao rehetra izao. Nolazain’i Jehovah mazava tsara ny fitiavany an’i Jesosy, araka ny andinin-teny androany. Afaka nilaza fotsiny i Jehovah hoe: ‘Io ilay ankasitrahako.’ Tiany ho fantatsika anefa hoe tena tiany i Jesosy, ka nantsoiny hoe “Zanako malalako.” Reharehan’i Jehovah mihitsy i Jesosy sy ilay izy vonona hahafoy ny ainy. (Efes. 1:7) Nahazo antoka 100 isan-jato koa i Jesosy hoe tia azy ny Rainy. Resy lahatra tamin’izany izy, ary tsapany hatrany anatiny lalina any izany. Imbetsaka izy no feno toky rehefa nilaza hoe tia azy ny Ray.​—Jaona 3:35; 10:17; 17:24. w24.01 4:8

Zoma 23 Mey

Aleo tsara laza toy izay mahazo harem-be.​—Ohab. 22:1.

Alao sary an-tsaina hoe milaza zavatra ratsy be momba anao ny olona iray akaiky anao. Fantatrao hoe lainga ilay izy, nefa misy mino ihany. Ny tena loza aza, dia manomboka manaparitaka an’ilay lainga ry zareo, ary be dia be koa no mino an’ilay izy. Inona no ho tsapanao? Azo inoana fa alahelo ianao hoe endrikendrehina hoatr’izany, sa tsy izany? Manampy antsika izany hahazo an’izay tsapan’i Jehovah rehefa nisy nanoso-potaka ny anarany. Nilaza lainga momba azy tamin’i Eva ny zanany iray tany an-danitra. Nino an’izany lainga izany io vehivavy voalohany io. Nikomy tamin’i Jehovah àry ny ray aman-drenintsika voalohany, dia lasa mpanota sy maty ny olombelona. (Gen. 3:1-6; Rom. 5:12) Vokatry ny lainga naelin’i Satana daholo ny olana hitantsika amin’izao, anisan’izany ny fahafatesana, ny ady, ary ny fahoriana. Malahelo ve i Jehovah noho izy nendrikendrehina sy ny olana rehetra naterak’izany? Azo antoka izany. Tsy tezitra na mitana lolompo anefa izy, fa mbola “Andriamanitra falifaly” foana.​—1 Tim. 1:11. w24.02 6:1-2

Asabotsy 24 Mey

Hataoko ahoana ny hanao an’izany ratsy lehibe izany ka hanota amin’Andriamanitra?​—Gen. 39:9.

Ahoana no hampisehoanao hoe tapa-kevitra hoatran’i Josefa ianao? Izao ianao dia efa afaka mifidy hoe inona no hataonao rehefa misy fakam-panahy. Mianara mandà avy hatrany an’izay halan’i Jehovah, ary aza manaiky hieritreritra an’izany akory. (Sal. 97:10; 119:165) Tsy hisalasala mihitsy ianao amin’izay rehefa misy fakam-panahy. Efa miaiky angamba ianao hoe nahita ny fahamarinana sady te hanompo an’i Jehovah amin’ny fonao manontolo, nefa misy zavatra mbola misakana anao tsy hanokan-tena sy hatao batisa. Raha izany, dia manaova hoatran’i Davida Mpanjaka. Niangavy an’i Jehovah izy hoe: “Diniho amin’ny an-tsipiriany aho, Andriamanitra ô, ary fantaro ny foko. Diniho aho, ka fantaro izay mampitebiteby ahy. Jereo sao misy zava-dratsy ato anatiko, dia tariho mankany amin’ny lalan’ny mandrakizay aho.” (Sal. 139:23, 24) Mitahy an’izay “mitady mafy azy” i Jehovah. Asehonao aminy hoe izany mihitsy no ataonao, matoa ianao miezaka hanatratra an’ilay tanjona hoe hanokan-tena sy hatao batisa.​—Heb. 11:6. w24.03 9:13-15

Alahady 25 Mey

Tsy mila manao sorona isan’andro ... izy.​—Heb. 7:27.

Nomena fahefana hisolo tena ny vahoaka teo anatrehan’Andriamanitra ny mpisoronabe. I Arona no mpisoronabe voalohany teo amin’ny Israely, ary notendren’i Jehovah izy rehefa notokanana ilay tranolay masina. Nanazava anefa ny apostoly Paoly fa ‘be dia be ny mpisorona tsy maintsy nifandimby, satria izay maty dia tsy afaka ny ho mpisorona intsony.’ (Heb. 7:23-26) Tsy maintsy nanolotra sorona noho ny fahotan’ny tenany koa ireo mpisoronabe ireo, satria tsy lavorary. Tsy mitovy mihitsy àry ny mpisoronabe teo amin’ny Israely sy Jesosy Kristy, ilay Mpisoronabe ambony. I Jesosy Kristy no Mpisoronabentsika. ‘Mpanompo ao amin’ny tena tranolay izy, ary i Jehovah, fa tsy olona, no nanorina an’io tranolay io.’ (Heb. 8:1, 2) Nanazava i Paoly fa “mpisorona velona mandrakizay” i Jesosy, “ka tsy misy mpandimby.” Niteny koa izy hoe “tsy misy loto, [sy] tafasaraka amin’ny mpanota” i Jesosy, ka “tsy mila manao sorona isan’andro” noho ny fahotan’ny tenany, hoatran’ny nataon’ny mpisoronabe teo amin’ny Israely. w23.10 45:8-9

Alatsinainy 26 Mey

Efa lasa ny lanitra taloha sy ny tany taloha.​—Apok. 21:1.

Ny fitondram-panjakana fehezin’i Satana sy ny demoniany no tiana holazaina amin’ilay hoe “lanitra taloha.” (Mat. 4:8, 9; 1 Jaona 5:19) Azo ilazana ny mponina etỳ an-tany kosa ilay hoe “tany” ao amin’ny Baiboly. (Gen. 11:1; Sal. 96:1) Ny olombelona ratsy fanahy amin’izao àry ilay hoe “tany taloha.” Tsy hoe hanamboatra na hanatsara ny “lanitra” sy “tany” amin’izao fotsiny i Jehovah, fa hesoriny tanteraka mihitsy ireny dia hosoloany. Hosoloany “lanitra vaovao sy tany vaovao” ilay lanitra sy tany amin’izao, izany hoe hosoloany fanjakana vaovao sy vahoaka vaovao. Hataon’i Jehovah hoatran’ny hoe vaovao ny tany sy ny olombelona, satria haveriny ho lavorary. Ho lasa zaridaina tsara tarehy mitovy amin’i Edena ny tany manontolo, araka ny efa nolazain’i Isaia mialoha. Hoatran’ny hoe hataon’i Jehovah vaovao koa isika satria hositraniny isika tsirairay, anisan’izany ny malemy, ny jamba, ny marenina, ary na ny maty aza hatsangany.​—Isaia 25:8; 35:1-7. w23.11 46:9-10

Talata 27 Mey

Miomàna ... ianareo.​—Mat. 24:44.

Hamely tampoka ny “fahoriana lehibe.” (Mat. 24:21) Tsy hoatran’ny loza hafa anefa izy io, satria tsy ho tampoka amin’ny olona sasany. Efa ho 2 000 taona mantsy i Jesosy no nampitandrina ny mpanara-dia azy mba hiomana ho amin’io andro io. Raha miomana isika, dia ho mora kokoa amintsika ny ho tafavoaka amin’io fotoan-tsarotra io, sy hanampy ny hafa hanao an’izany. (Lioka 21:36) Hila fiaretana isika amin’izay. Hanampy antsika hankatò an’i Jehovah izany, sy hatoky hoe hiaro antsika izy. Ahoana indray raha mamoy ny fananany sasany na izy rehetra ny rahalahintsika? (Hab. 3:17, 18) Ny fangorahana no handrisika antsika hanampy an-dry zareo. Efa haintsika koa hoe hanafika antsika tsy ho ela ny firenena maromaro mitambatra. Dia ahoana no hataontsika raha voatery miara-miaina akaiky amin’ny mpiara-manompo isika mandritra ny fotoana kelikely? (Ezek. 38:10-12) Mila tena tia an-dry zareo isika, satria hanampy antsika ho tafavoaka amin’io fotoan-tsarotra io izany. w23.07 29:2-3

Alarobia 28 Mey

Mitandrema tsara foana amin’izay ataonareo, mba ho hita hoe hendry ianareo fa tsy adala, ka ampiasao tsara ny fotoananareo.​—Efes. 5:15, 16.

Afaka mianatra avy amin’i Akoila sy Prisila ny mpivady. Mamy hoditra teo amin’ny Kristianina voalohany izy roa. (Rom. 16:3, 4) Niaraka foana ry zareo rehefa niasa, nitory, ary nanampy ny hafa. (Asa. 18:2, 3, 24-26) Mahaliana fa rehefa miresaka momba an’i Akoila sy Prisila ny Baiboly, dia miara-voatonona foana izy roa. Ahoana no anahafan’ny mpivady azy ireo? Eritrereto ireo zavatra be dia be mila ataonao sy ny vadinao. Maninona raha iarahana manao ny sasany amin’ireny? Niara-nitory, ohatra, i Akoila sy Prisila. Mandamina fotoana tsy tapaka koa ve ianareo mivady mba hanaovana an’izany? Niara-niasa koa i Akoila sy Prisila. Mety hoe samy manana ny asanareo ianareo roa. Maninona anefa raha mba miara-manao raharaha? (Mpito. 4:9) Rehefa mifanampy amin’izany mantsy ianareo, dia ho tsapanareo hoe tena ekipa iray ianareo sady afaka mifampiresaka kokoa. w23.05 23:10-12

Alakamisy 29 Mey

Rehefa matahotra aho, dia miantehitra aminao.​—Sal. 56:3.

Matahotra daholo ny olona indraindray. Efa natahotra koa i Davida. Rehefa nanao haza lambo azy, ohatra, i Saoly Mpanjaka, dia nitsoaka tany Gata izy. Tanànan’ny Filistinina izy io ary i Akisy no mpanjaka tao. Tsy ela dia fantatr’i Akisy fa io Davida io ilay miaramila matanjaka nanaovan’ny olona hira hoe nahafaty Filistinina “an’alinaliny.” “Lasa natahotra be” i Davida. (1 Sam. 21:10-12) Nitaintaina izy hoe inona izao no hataon’i Akisy aminy. Ahoana no nandresen’i Davida an’izany tahotra izany? Noresahin’i Davida tao amin’ny Salamo faha-​56 ny fihetseham-pony tamin’izy tany Gata. Voalaza mazava tsara ao ny tahotr’i Davida, nefa hita ao koa hoe ahoana no nandreseny an’izany. Niantehitra tamin’i Jehovah izy rehefa natahotra. (Sal. 56:1-3, 11) Hita hoe tsy niantehitra tamin’ny hazo boboka izy. Notahin’i Jehovah izy dia nahita hevitra hafakely nefa tena nandaitra: Mody nanao adaladala izy! Lasa nanirikiry an’i Akisy àry i Davida fa tsy natahorany, ka afaka nitsoaka.​—1 Sam. 21:13–22:1. w24.01 1:1-3

Zoma 30 Mey

Handresy ... izay miaraka aminy, dia izay voantso sy voafidy ary tsy mivadika.​—Apok. 17:14.

Iza ireo resahin’ny andinin-teny androany ireo? Ny voahosotra efa natsangana tamin’ny maty! Rehefa akarina any an-danitra izany ny voahosotra farany eto an-tany amin’ny faramparan’ny fahoriana lehibe, dia ny hiady no anisan’ny fanendrena an-dry zareo voalohany. Rehefa tonga any an-danitra ry zareo, dia hiaraka amin’i Kristy sy ny anjeliny masina hanao an’ilay ady farany amin’ny fahavalon’Andriamanitra. Eritrereto izao: Efa antitra sy osa mihitsy aza ny sasany amin’ny Kristianina voahosotra eto an-tany. Raha vao avy atsangana amin’ny maty any an-danitra anefa ry zareo, dia ho lasa zavaboary ara-panahy mahery sy tsy mety maty, ary asaina hiara-miady amin’i Jesosy Kristy Mpanjakany. Hiara-miasa aminy ry zareo mba hanampiana ny olombelona ho lasa lavorary, aorian’ny ady Aramagedona. Rehefa any an-danitra ry zareo, dia ho betsaka lavitra ny soa ho azon-dry zareo atao ho an’ny rahalahy sy anabaviny malala eto an-tany, noho izay azony natao tamin-dry zareo olombelona tsy lavorary. w24.02 5:15-16

Asabotsy 31 Mey

Miezaha foana hanaiky hotarihin’ny fanahy, dia tsy hanatanteraka ny fanirian’ny nofo mihitsy ianareo.​—Gal. 5:16.

Misy efa vonona hanokan-tena sy hatao batisa, nefa mbola tsy sahy. Mety hieritreritra ry zareo hoe: ‘Ahoana raha manao fahotana lehibe aho dia voaroaka?’ Raha izany no atahoranao, dia matokia fa hanome anao an’izay rehetra ilainao i Jehovah, ‘amin’izay dia hanome voninahitra azy ny fitondran-tenanao, ka hampifaly azy tanteraka ianao.’ (Kol. 1:10) Homeny hery koa ianao mba hanaovana an’izay tsara. Efa noporofoiny hoe mahavita an’izany izy, satria be dia be no efa nampiany. (1 Kor. 10:13) Izany no anisan’ny mahatonga an’ilay hoe vitsy ihany ny olona voaroaka tsy ho anisan’ny fiangonana kristianina. Ampian’i Jehovah ny vahoakany mba tsy hivadika aminy mihitsy. Halaim-panahy hanao ratsy daholo ny olombelona tsy lavorary. (Jak. 1:14) Ianao anefa no misafidy an’izay hataonao, rehefa misy fakam-panahy. Miankina aminao izany. Ianao ihany, raha ny marina, no tompon’ny teny farany amin’izay fomba hitondranao ny fiainanao. Afaka mianatra mifehy ny fanirianao ianao, na dia milaza aza ny olona sasany hoe tsy vita izany. w24.03 9:11-12

    Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Tenin’ny Tanana Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara