FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • es25
  • Aprily

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Aprily
  • Fandinihana ny Soratra Masina Isan’andro—2025
  • Lohatenikely
  • Talata 1 Aprily
  • Alarobia 2 Aprily
  • Alakamisy 3 Aprily
  • Zoma 4 Aprily
  • Asabotsy 5 Aprily
  • Alahady 6 Aprily
  • Alatsinainy 7 Aprily
  • Talata 8 Aprily
  • Alarobia 9 Aprily
  • Alakamisy 10 Aprily
  • Zoma 11 Aprily
  • ANDRON’NY FAHATSIAROVANA
    Aorian’ny Filentehan’ny Masoandro
    Asabotsy 12 Aprily
  • Alahady 13 Aprily
  • Alatsinainy 14 Aprily
  • Talata 15 Aprily
  • Alarobia 16 Aprily
  • Alakamisy 17 Aprily
  • Zoma 18 Aprily
  • Asabotsy 19 Aprily
  • Alahady 20 Aprily
  • Alatsinainy 21 Aprily
  • Talata 22 Aprily
  • Alarobia 23 Aprily
  • Alakamisy 24 Aprily
  • Zoma 25 Aprily
  • Asabotsy 26 Aprily
  • Alahady 27 Aprily
  • Alatsinainy 28 Aprily
  • Talata 29 Aprily
  • Alarobia 30 Aprily
Fandinihana ny Soratra Masina Isan’andro—2025
es25

Aprily

Talata 1 Aprily

Fa inona ity nataonao? ... Maninona aho no nofitahinao?​—Ge 29:25.

Niatrika olana tsy nampoizina ny mpanompon’i Jehovah taloha. Eritrereto i Jakoba. Nasain’ny dadany naka vady tamin’ireo zanakavavin’i Labana izy, ary nomena toky hoe tena hotahin’i Jehovah. Mpanompon’i Jehovah io Labana io sady havan-dry zareo. (Gen. 28:1-4) Nety àry ny nataon’i Jakoba. Niala tany Kanana izy, dia nanao dia lavitra nankany an-tranon’i Labana. Nanan-janakavavy roa io lehilahy io. Lea no anaran’ilay vavimatoa, dia Rahely no faravavy. I Rahely no nahababo ny fon’i Jakoba, dia nanaiky hiasa fito taona ho an-drainy izy mba hahazoana azy ho vady. (Gen. 29:18) Tsy araka ny noeritreretin’i Jakoba anefa ny zava-nitranga. Nofitahin’i Labana mantsy izy, ka i Lea indray no nomeny ho vadiny. Navelany hanambady an’i Rahely ihany izy herinandro tatỳ aoriana, fa nila niasa fito taona fanampiny, hono. (Gen. 29:26, 27) Tsy rariny koa ny nataon’i Labana, rehefa niasa ho azy i Jakoba. Raha atambatra, dia nanararaotra an’i Jakoba nandritra ny 20 taona izy!​—Gen. 31:41, 42. w23.04 17:5

Alarobia 2 Aprily

Aborahy aminy ny ao am-ponareo.​—Sal. 62:8.

Any amin’iza isika no mandeha rehefa mila fampiononana na tari-dalana? Efa fantatsika ny valin’izany. Afaka manatona an’i Jehovah Andriamanitra amin’ny alalan’ny vavaka isika. Manasa antsika hanao an’izany mihitsy aza izy. Tiany hivavaka aminy matetika isika, matoa izy milaza hoe: “Aza mitsahatra mivavaka.” (1 Tes. 5:17) Tsy tokony hisalasala hivavaka aminy sy hangataka ny tari-dalany isika, na amin’ny inona na amin’ny inona. (Ohab. 3:5, 6) Andriamanitra malala-tanana i Jehovah, ka tsy ferany hoe impiry isika no afaka mivavaka aminy. Fantatr’i Jesosy hoe sarobidy amin’i Jehovah ny vavaka. Ela be talohan’ny nahatongavany tetỳ an-tany mantsy, dia efa hitany namaly ny vavaka nataon’ny lehilahy sy vehivavy tsy nivadika ny Rainy. Teo akaikin’i Jehovah, ohatra, izy tamin’io Rainy io namaly ny vavaka avy amin’ny fo nataon’i Hana, Davida, Elia, ary ny maro hafa. (1 Sam. 1:10, 11, 20; 1 Mpanj. 19:4-6; Sal. 32:5) Tsy mahagaga raha nampianatra ny mpianany i Jesosy mba hivavaka matetika, ary tsy hisalasala hanao an’izany.​—Mat. 7:7-11. w23.05 20:1, 3

Alakamisy 3 Aprily

Fandrika ny tahotra olona, fa izay matoky an’i Jehovah kosa no ho voaro.​—Ohab. 29:25.

Natahotra an’i Jehovah i Joiada Mpisoronabe. Hita izany tamin’i Atalia, zanakavavin’i Jezebela, nitady haka an-keriny ny fitondrana tao Joda. Lozabe mantsy izy sady tena tia fahefana, ka nanao izay handripahana ny tarana-mpanjaka rehetra. Zafikeliny ihany anefa ireo! (2 Tan. 22:10, 11) Tsy maty kosa ny iray tamin’ireo ankizy ireo, satria novonjen’i Josebata vadin’i Joiada. Joasy no anarany. Nafenin’izy mivady ilay zaza, dia nokarakarainy. Tsy lany tamingana àry ny tarana-mpanjaka avy tamin’i Davida, noho ny nataon’i Joiada sy Josebata. Tsy nivadika tamin’i Jehovah i Joiada, sady tsy nipararetra teo anatrehan’i Atalia. Noporofoin’i Joiada indray hoe tsy nivadika tamin’i Jehovah izy rehefa fito taona i Joasy. Nanao tetika izy mba ho lasa mpanjaka i Joasy, ilay nanan-jo ara-dalàna handova an’i Davida. Raha tsy nahomby kosa ilay tetika, dia ny ain’i Joiada no hanefa. Notahin’i Jehovah anefa ilay tetika dia nahomby. w23.06 27:12-13

Zoma 4 Aprily

[Fantaro] fa ilay Avo Indrindra no Mpitondra eo amin’ny fanjakan’ny olombelona, ka izay tiany homena fitondrana no omeny an’izany.​—Dan. 4:25.

Mety ho nieritreritra i Nebokadnezara Mpanjaka hoe te hanongam-panjakana i Daniela ary mety ho novonoiny ho faty. Nampiseho herim-po anefa i Daniela, dia nilaza an’ilay hafatra ihany. Inona no mety ho nanampy an’i Daniela ho be herim-po nandritra ny androm-piainany? Azo antoka fa modely ho azy ny ray aman-dreniny tamin’izy tanora. (Deot. 6:6-9) Tsy ny lalàna fototra hoatran’ny Didy Folo ihany no fantatr’i Daniela, fa ny tsipiriany momba an’izay azon’ny Israelita hanina sy tsy hanina koa. (Lev. 11:4-8; Dan. 1:8, 11-13) Nianatra ny tantaran’ny vahoakan’Andriamanitra koa i Daniela, dia fantany hoe inona no nanjo an-dry zareo rehefa tsy nanaraka ny fitsipik’i Jehovah. (Dan. 9:10, 11) Ny zavatra niainany mihitsy no nahatonga azy hatoky hoe manampy azy i Jehovah sy ny anjeliny mahery.​—Dan. 2:19-24; 10:12, 18, 19. w23.08 33:5-6

Asabotsy 5 Aprily

Izay manetry tena no hendry.​—Ohab. 11:2.

Vehivavy narani-tsaina sy sahy nanapa-kevitra i Rebeka, ary fantany hoe rahoviana izy no tokony hanao zavatra ary amin’ny fomba ahoana. (Gen. 24:58; 27:5-17) Na izany aza, dia nanaja sy nanaiky fahefana izy. (Gen. 24:17, 18, 65) Raha manetry tena sy manohana ny fandaharan’i Jehovah hoatran’i Rebeka ianao, dia ho ohatra tsara ho an’ny fianakavianao sy ny fiangonanareo. Toetra ilain’ny Kristianina matotra rehetra koa ny miaiky fa voafetra ny mety ho vitany. Nanana an’io toetra io i Estera sady natahotra an’Andriamanitra, ka tsy sahisahy ratsy. Narahiny ny torohevitr’i Mordekay, ilay zanaky ny rahalahin-drainy sady zokiny kokoa. (Est. 2:10, 20, 22) Ahoana no ampisehoanao fa miaiky ianao hoe voafetra ny mety ho vitanao? Mangataha torohevitra amin’ny hafa, ary araho ilay izy. (Tit. 2:3-5) Naneho an’io toetra io koa i Estera, rehefa nanaja ny hevitry ny hafa. “Sady tsara bika izy no tsara tarehy”, nefa tsy nisarika ny sain’ny hafa ho amin’ny tenany.​—Est. 2:7, 15. w23.12 52:6-8

Alahady 6 Aprily

Lehibe noho ny fontsika ... Andriamanitra sady mahalala ny zava-drehetra.​—1 Jaona 3:20.

Tsy tian’i Jehovah hanamelo-tena be loatra isika. Raha efa niaiky ny fahotantsika isika sady nibebaka ary nanao zavatra mba tsy hamerenana an’ilay izy, dia afaka matoky isika hoe namela antsika i Jehovah. (Asa. 3:19) Raha efa nanao an’ireo isika, dia tsy tian’i Jehovah hanamelo-tena intsony. Hainy hoe raha manamelo-tena foana isika, dia hanimba antsika izany. (Sal. 31:10) Mety tsy hanohy an’ilay hazakazaka ho amin’ny fiainana intsony mantsy isika raha difotry ny alahelo. (2 Kor. 2:7) Mifantoha amin’ilay “tena famelan-keloka” omen’Andriamanitra, rehefa manamelo-tena be loatra ianao. (Sal. 130:4) Mamela an’izay mibebaka amin’ny fo manontolo izy ary mampanantena hoe: “Tsy hotsaroako intsony ny fahotany.” (Jer. 31:34) Midika izany fa tsy mamoha fota-mandry i Jehovah, ka hoe hanameloka anao indray noho iny fahotanao iny. Aza tezitra amin’ny tenanao koa satria hoe voafetra ny azonao atao amin’ny fanompoana azy izao, noho ilay fahadisoana. Tsy mieritreritra momba ny fahotanao intsony i Jehovah, dia maninona moa ianao no mbola hieritreritra an’izany? w23.08 36:14-15

Alatsinainy 7 Aprily

Aza manaiky ho voahozongozona ary aza miovaova mihitsy.​—1 Kor. 15:58.

Nandritra an’ilay valanaretina COVID-19, dia lasa nanahy tafahoatra ny olona nihaino vaovao tsy marina. Tsy tratran’izany kosa ny Vavolombelon’i Jehovah satria nihaino ny tari-dalana nomen’ny fandaminantsika. (Mat. 24:45) Tsy maintsy mifantoka foana amin’izay “zava-dehibe kokoa” isika. (Fil. 1:9, 10) Rehefa misy mahavariana antsika anefa, dia mety ho iny indray no maka be amin’ny fotoanantsika sy tena ifantohan’ny saintsika, ka lasa tsy vitantsika ny zavatra mahasoa kokoa. Na ny zavatra mahazatra hoatran’ny hoe misakafo, misotro, miala voly, ary miasa aza, dia mety ho lasa zavatra mahavariana, raha ireny no avelantsika hibahana be eo amin’ny fiainantsika. (Lioka 21:34, 35) Saika isan’andro koa isika no tototry ny vaovao momba ny adihevitra ara-politika sy ara-tsosialy. Tsy tokony havelantsika hahavariana antsika anefa ireny adihevitra ireny. Raha tsy izany mantsy, dia mety hanomboka hiandany amin’izy ireny isika ao am-pontsika sy ao an-tsaintsika ao. Mampiasa fomba isan-karazany i Satana, mba hahatonga antsika tsy tena ho tapa-kevitra hanao ny tsara. w23.07 31:12-13

Talata 8 Aprily

Ataovy foana izao ho fahatsiarovana ahy.​—Lioka 22:19.

Inona ny andro lehibe indrindra anatin’ny taona ho an’ny vahoakan’i Jehovah? Ny Fahatsiarovana ny nahafatesan’i Kristy. Io ihany no nolazain’i Jesosy mivantana hoe tokony hotsaroan’ny mpanara-dia azy. (Lioka 22:19, 20) Ampahatsiahivina antsika amin’io koa ireo fomba azontsika ampisehoana fa mankasitraka ny soron’i Jesosy isika. (2 Kor. 5:14, 15) Fotoana ahafahantsika ‘mifampahery’ amin’ireo rahalahy sy anabavy koa izy io. (Rom. 1:12) Betsaka koa ny olona liana te handeha amin’ilay lalana mankany amin’ny fiainana noho ireo zavatra hitany sy henony any. Mampiray saina an’ireo rahalahy sy anabavy eran-tany koa ny Fahatsiarovana. Tsy mahagaga raha tena ankamamiantsika ny Fahatsiarovana! w24.01 2:1-3

Famakiana Baiboly ho amin’ny Fahatsiarovana: (Zava-niseho nandritra ny andro: 9 Nisana) Lioka 19:29-44

Alarobia 9 Aprily

Tena tia an’izao tontolo izao Andriamanitra ka nanome an’ilay Zanany lahitokana, mba tsy ho ringana izay rehetra maneho finoana azy, fa hahazo fiainana mandrakizay.​—Jaona 3:16.

Vao mainka ho azontsika hoe tena tia antsika tsirairay i Jehovah sy Jesosy, arakaraka ny hisaintsainantsika momba an’izay nafoin’izy mianaka ho antsika. (Gal. 2:20) Fitiavana no tao ambadik’ilay nanomezana ny vidim-panavotana. Noporofoin’i Jehovah hoe tia antsika izy, ka izay sarobidy indrindra taminy no nafoiny, izany hoe i Jesosy! Navelany hijaly sy ho faty ho antsika ny Zanany. Tsy kobonin’i Jehovah any am-pony fotsiny ny fitiavany, fa asehony mihitsy. (Jer. 31:3) Notaominy hanatona azy isika satria tiany. (Ampitahao amin’ny Deoteronomia 7:7, 8.) Tsy misy mahasaraka antsika amin’izany fitiavana izany, na inona na inona ary na iza na iza. (Rom. 8:38, 39) Inona no tsapanao vokatr’io fitiavana io? w24.01 4:10-11

Famakiana Baiboly ho amin’ny Fahatsiarovana: (Zava-niseho nandritra ny andro: 10 Nisana) Lioka 19:45-48; Matio 21:18, 19; 21:12, 13

Alakamisy 10 Aprily

Mbola nisy an’izao fanantenana izao anefa: Hafahana ... ny zavaboary.​—Rom. 8:20, 21.

Mankamamy ny fanantenany hiaina any an-danitra ny Kristianina voahosotra. Anisan’izy ireny ny Rahalahy Frederick Franz. Tamin’ny fo no nilazany an’izao, tamin’ny 1991: “Azo antoka ny fanantenantsika, ary ho tanteraka an-tsakany sy an-davany amin’ireo ondry vitsy 144 000 izy io, mihoatra lavitra [noho izay eritreretintsika mihitsy aza.] ... Mbola sarobidy amintsika foana ny fanantenantsika. ... Arakaraka ny fahelan’ny tsy maintsy iandrasantsika no vao mainka maha sarobidy azy io eo imasontsika. Mendrika ny handrasana izy io ... Sarobidy amiko noho ny hatramin’izay ny fanantenantsika.” Na miandrandra ny hiaina mandrakizay any an-danitra isika na eto an-tany, dia manana fanantenana tsara be ary mahafaly antsika izany. Afaka ny ho mafy orina kokoa aza izany fanantenana mahafaly ananantsika izany. w23.12 51:6, 8

Famakiana Baiboly ho amin’ny Fahatsiarovana: (Zava-niseho nandritra ny andro: 11 Nisana) Lioka 20:1-47

Zoma 11 Aprily

Tsy mahavita manala ny ota ny ran’ombilahy sy ny ran’osilahy.​—Heb. 10:4.

Nisy alitara varahina teo amin’ny fidirana amin’ilay tranolay masina taloha. Teo amin’izy io no natolotra ireo fanatitra biby ho an’i Jehovah. (Eks. 27:1, 2; 40:29) Tsy nahavita nanala tanteraka ny fahotan’ny vahoaka anefa ireny sorona ireny. (Heb. 10:1-3) Mifanitsy amin’ny sorona iray hahavita hanavotra tanteraka ny olombelona, ireo sorona biby natolotra tsy tapaka tao amin’ny tranolay masina. Fantatr’i Jesosy hoe nirahin’i Jehovah ho etỳ an-tany izy, mba hanolotra ny ainy lavorary ho vidim-panavotana ho an’ny olombelona. (Mat. 20:28) Rehefa natao batisa àry izy, dia nasehony hoe vonona hanao an’izay tian’i Jehovah hataony. (Jaona 6:38; Gal. 1:4) Nanolotra ny ainy “indray mandeha fotsiny” i Jesosy Kristy, mba handrakofana tanteraka ny fahotan’izay maneho finoana azy.​—Heb. 10:5-7, 10. w23.10 45:10-11

Famakiana Baiboly ho amin’ny Fahatsiarovana: (Zava-niseho nandritra ny andro: 12 Nisana) Lioka 22:1-6; Marka 14:1, 2, 10, 11

ANDRON’NY FAHATSIAROVANA
Aorian’ny Filentehan’ny Masoandro
Asabotsy 12 Aprily

Fiainana mandrakizay amin’ny alalan’i Kristy Jesosy Tompontsika ... no fanomezana omen’Andriamanitra.​—Rom. 6:23.

Tsy ho vitantsika samirery ny hanavotra ny tenantsika amin’ny ota sy ny fahafatesana. (Sal. 49:7, 8) Nanao zavatra àry i Jehovah mba hahatonga an’i Jesosy hamoy ny ainy hanavotana antsika. Novidin-dry zareo lafo isika. Vao mainka isika hankasitraka ny vidim-panavotana, arakaraka ny isaintsainantsika ny sorona nataon’i Jehovah sy ilay Zanany malala ho antsika. Nisy zavatra nafoin’i Adama rehefa nanota izy. Lasa tsy afaka ny hiaina mandrakizay intsony izy, ary tsy izy ihany fa ny taranany rehetra koa. Namoy ny aina lavorary nananany i Jesosy, mba hividianana indray an’izay nafoin’i Adama. “Tsy nanota [i Jesosy] ary tsy nisy fitaka teo am-bavany”, nandritra ny fotoana niainany teto an-tany. (1 Pet. 2:22) Nifandanja tamin’ny aina nafoin’i Adama ny aina lavorary nafoin’i Jesosy tamin’izy maty.​—1 Kor. 15:45; 1 Tim. 2:6. w24.01 2:5-6

Famakiana Baiboly ho amin’ny Fahatsiarovana: (Zava-niseho nandritra ny andro: 13 Nisana) Lioka 22:7-13; Marka 14:12-16 (Zava-niseho taorian’ny filentehan’ny masoandro: 14 Nisana) Lioka 22:14-65

Alahady 13 Aprily

Indray mandeha fotsiny izy no niditra tao amin’ny toerana masina, nefa tsy ran’osilahy sy ran’ny vantotr’ombilahy no nentiny, fa ny ran’ny tenany, ary tamin’ny alalany no nahazoantsika fanafahana mandrakizay.​—Heb. 9:12.

Niditra tao amin’ny Masina Indrindra amin’ilay tempoly ara-panahy i Jesosy, taorian’ny nananganana azy tamin’ny maty. Mazava àry fa tsara lavitra ny fandaharana nataon’i Jehovah mba hahafahan’ny olona hanaraka ny fivavahana madio, miorina amin’ny sorom-panavotana sy ny asa fisoronan’i Jesosy Kristy. Niditra tao amin’ny Masina Indrindra naorin’olombelona ny mpisoronabe teo amin’ny Israely, mba hitondra ny ran’ny biby natao sorona. I Jesosy kosa niditra “tany an-danitra mihitsy”, ao amin’ny toerana faran’izay masina, mba hiseho eo anatrehan’i Jehovah. Nitondra ny vidim-panavotana izy tany, izany hoe ny ainy lavorary tamin’izy olombelona, “mba hanala tanteraka ny ota amin’ny alalan’ilay sorona nataony.” (Heb. 9:24-26) Afaka manompo an’i Jehovah ao amin’ny tempoliny ara-panahy daholo izao ny rehetra, na manantena hiaina any an-danitra na eto an-tany. w23.10 45:13-14

Famakiana Baiboly ho amin’ny Fahatsiarovana: (Zava-niseho nandritra ny andro: 14 Nisana) Lioka 22:66-71

Alatsinainy 14 Aprily

Andao àry isika hanatona ny seza fiandrianan’ilay Andriamanitra maneho hatsaram-panahy miavaka, sady ho sahy hiteny rehefa manao an’izany.​—Heb. 4:16.

Eritrereto ny anjara asan’i Jesosy any an-danitra. Sady Mpanjakantsika izy no Mpisoronabe mahay mangoraka. Amin’ny alalany no ahafahantsika manatona “ny seza fiandrianan’ilay Andriamanitra maneho hatsaram-panahy miavaka” rehefa mivavaka. Afaka mangataka famindram-po sy fanampiana “amin’ny fotoana mety” koa isika. (Heb. 4:14, 15) Nanao zavatra ho antsika i Jehovah sy Jesosy, ary mbola manao an’izany. Enga anie mba tsy hisy andro iray handalo, ka tsy hisaintsainantsika an’izay ataon-dry zareo ho antsika. Tokony hanohina lalina ny fontsika ny fitiavan-dry zareo, ary handrisika antsika hazoto hanompo an’i Jehovah. (2 Kor. 5:14, 15) Inona no anisan’ny fomba tsara indrindra ampisehoantsika ny fankasitrahantsika? Mila manampy ny olona ho lasa Vavolombelon’i Jehovah sy ho mpianatr’i Jesosy isika. (Mat. 28:19, 20) Nanao an’izany ny apostoly Paoly. Fantany hoe sitrapon’i Jehovah “ny hamonjena ny karazan’olona rehetra sy ny hahalalan’izy ireo tsara ny fahamarinana.”​—1 Tim. 2:3, 4. w23.10 44:13-14

Famakiana Baiboly ho amin’ny Fahatsiarovana: (Zava-niseho nandritra ny andro: 15 Nisana) Matio 27:62-66

Talata 15 Aprily

Tsy hisy intsony ny fahafatesana, sady tsy hisy intsony ny alahelo na ny fitarainana na ny fanaintainana.​—Apok. 21:4.

Betsaka amintsika no mampiasa an’io andinin-teny mampahery momba ny fiainana any amin’ny Paradisa io rehefa mitory. Inona no azontsika atao mba hahatonga antsika sy ny olon-kafa hatoky hoe tena hisy ilay fitahiana resahin’ny Apokalypsy 21:3, 4? Tsy vitan’ny hoe manohina ny fo mantsy io fampanantenana avy amin’i Jehovah io, fa nomeny antony marim-pototra koa isika mba hahatonga antsika hatoky azy io. Ao amin’ny andininy manaraka no misy an’ireo antony mahatonga antsika hatoky an’ilay fampanantenan’i Jehovah hoe hisy Paradisa. Izao no voalaza ao: “Hoy Ilay nipetraka teo ambonin’ny seza fiandrianana: ‘Ataoko vaovao ny zava-drehetra.’ Hoy koa izy: ‘Soraty fa azo antoka sady marina ireo teny ireo.’ Hoy ihany izy tamiko: ‘Efa tanteraka izany! Izaho no Alfa sy Omega, ny fiandohana sy ny fiafarana.’”​—Apok. 21:5, 6a. w23.11 46:3-5

Famakiana Baiboly ho Amin’ny Fahatsiarovana: (Zava-niseho nandritra ny andro: 16 Nisana) Lioka 24:1-12

Alarobia 16 Aprily

Ampirisiho foana ... ny lehilahy tanora hisaina tsara.​—Tit. 2:6.

Azon’ny tovolahy ampisehoana hoe mahay misaina izy rehefa mifidy tsara ny akanjo sy taovolony. Matetika no olona tsy miraharaha an’i Jehovah na maloto fitondran-tena no mamorona sy manaparitaka ny lamaody. Hita amin’ny paozin’ny akanjony ny toe-tsainy. Mifinjifinjy kely mantsy izy ireny, na matetika no tsy hita intsony izay anavahana ny lehilahy amin’ny vehivavy. Manaraka ny torolalan’ny Baiboly sy ny modely ao amin’ny fiangonana àry ny tovolahy miezaka ho matotra, rehefa mifidy an’izay hanaovany. Afaka mieritreritra an’ireto izy: ‘Hita amin’ny safidiko ve hoe misaina tsara aho sady mitsinjo ny hafa? Mora amin’ny olona ve ny mino hoe tena mpanompon’Andriamanitra aho raha ny fiakanjoko no jerena?’ (1 Kor. 10:31-33) Tsy vitan’ny hoe hohajain’ny rahalahy sy anabaviny ny tovolahy mahay misaina, fa hohajain’ilay Rainy any an-danitra koa. w23.12 53:7

Alakamisy 17 Aprily

Tsy anisan’izao tontolo izao ny Fanjakako. Raha anisan’izao tontolo izao ny Fanjakako, dia ho niady ny mpanara-dia ahy.​—Jaona 18:36.

Nanafika mivantana ny vahoakan’i Jehovah ny “mpanjakan’ny atsimo” taloha. (Dan. 11:40) Be dia be, ohatra, ny rahalahy nigadra nandritra ny Ady Lehibe I sy II, satria tsy nanaiky handeha hiady. Noroahina tany am-pianarana koa ny ankizy Vavolombelona sasany satria tsy nety nanangan-tsaina. Tsy mivantana be hoatr’izany intsony, tato ho ato, ny fitsapana mahazo an’ireo rahalahy ao amin’ny tany fehezin’io mpanjaka io. Mbola miady mafy foana anefa ry zareo mba hampisehoana hoe tsy mivadika amin’ny Fanjakan’Andriamanitra. Rehefa misy fifidianana, ohatra, dia mety hisy Kristianina halaim-panahy hanohana antokom-politika iray, na olona iray milatsaka hofidina. Marina hoe tsy mandeha mifidy izy, nefa efa miandany ihany izy ao am-pony sy ao an-tsainy ao. Tena ilaina àry ny hoe tsy miandany amin’iza na iza isika, tsy amin’ny ataontsika ihany, fa ao am-pontsika sy ao an-tsaintsika ao koa!​—Jaona 15:18, 19. w23.08 34:17

Zoma 18 Aprily

Hoderaina anie i Jehovah, izay mitondra ny entantsika isan’andro.​—Sal. 68:19.

Rehefa mihazakazaka ho amin’ny fiainana isika, dia tsy maintsy ‘mihazakazaka mba hahazoantsika loka.’ (1 Kor. 9:24) Nilaza, ohatra, i Jesosy hoe mety “hovesaran’ny fihinanana tafahoatra sy ny fibobohan-toaka ary ny fanahiana eo amin’ny fiainana” isika. (Lioka 21:34) Afaka manampy anao ny andinin-teny hoatran’ireo mba hamantaranao hoe inona no mila ahitsinao, rehefa manao an’ilay hazakazaka ho amin’ny fiainana. Afaka matoky isika hoe handresy amin’ilay hazakazaka ho amin’ny fiainana, satria isika omen’i Jehovah ny hery ilaina. (Isaia 40:29-31) Tandremo àry sao lasa miadam-pamindra! Tahafo i Paoly, ilay nanao izay fara heriny mba hahazoana ny loka natao teo anoloany. (Fil. 3:13, 14) Marina hoe tsy misy afaka manao an’ilay hazakazaka ho anao, nefa hahavita an’ilay izy hatramin’ny farany ianao rehefa ampian’i Jehovah. Afaka manampy anao hitondra ny entanao izy, ary afaka manampy anao hanala an’izay manavesatra nefa tsy ilaina akory. Eo anilanao i Jehovah, ka haharitra amin’ilay hazakazaka ianao sady handresy! w23.08 36:16-17

Asabotsy 19 Aprily

Hajao ny rainao sy ny reninao.​—Eks. 20:12.

Tamin’i Jesosy 12 taona, dia tsy tsikaritry ny ray aman-dreniny hoe mbola tany Jerosalema izy. (Lioka 2:46-52) Mazava ho azy aloha fa andraikitr’i Josefa sy Maria ny nanamarina hoe tafaraka tamin’ny olona handeha hody ve ny zanany rehetra, taorian’ilay fety. Rehefa hitan’izy mivady i Jesosy tamin’ny farany, dia nobedesin’i Maria izy satria nampitebiteby an-dry zareo! Afaka nilaza i Jesosy tamin’izay hoe tsy rariny izany, nefa valin-teny tsotra sy feno fanajana no nolazainy. “Tsy azon’izy” mivady “anefa ny tiany holazaina.” Na izany aza, dia mbola “nankatò azy ireo foana” i Jesosy. Sarotra aminao ve indraindray ny mankatò ny ray aman-dreninao rehefa manao fahadisoana ry zareo, na rehefa tsy azony izay lazainao na ataonao? Inona àry no afaka manampy anao? Tadidio izay tsapan’i Jehovah. Milaza ny Baiboly fa “mampifaly ny Tompo” ianao rehefa mankatò an’i Dada sy Neny. (Kol. 3:20) Fantatr’i Jehovah rehefa tsy azon-dry zareo izay lazainao na izay ataonao, na rehefa hoatran’ny hoe tsy tena mety ny fitsipika apetrak’izy ireo. Raha mifidy ny hankatò ihany anefa ianao, dia ho faly i Jehovah. w23.10 42:5-6

Alahady 20 Aprily

[Aoka ianareo] hahay handanjalanja ... sy halemy fanahy tanteraka amin’ny olona rehetra.​—Tit. 3:2.

Mety hilaza ny mpiara-mianatra amintsika hoe tokony hanova ny fiheverany ny lehilahy tia lehilahy na vehivavy tia vehivavy ny Vavolombelon’i Jehovah. Mila omentsika toky angamba izy hoe ekentsika fa manana zo hisafidy an’izay fomba fiaina tiany ny tsirairay sady hajaintsika ny zony. (1 Pet. 2:17) Azontsika hazavaina aminy avy eo hoe inona ny soa azo rehefa arahina ny fitsipiky ny Baiboly. Mety ho sendra olona miziriziry amin’ny heviny isika. Tsy tokony ho tonga dia hieritreritra anefa isika hoe fantatsika izay inoany. Ahoana, ohatra, raha misy mpiara-mianatra milaza aminao hoe ny olona tsy misaina no mino an’Andriamanitra? Tokony hieritreritra ve ianao hoe tena mino ny evolisiona izy, ary mahay be momba an’izany? Mety ho tsy tena nandinika momba an’izany akory aza izy. Atoroy azy, ohatra, ny fanazavana momba ny famoronana ao amin’ny jw.org. Mety ho vonona hiresaka momba ny lahatsoratra na video hitany tao izy any aoriana any. Raha manaja azy hoatr’izany isika, dia mety ho te hahafantatra kokoa an’izay lazain’ny Baiboly izy. w23.09 39:12-13

Alatsinainy 21 Aprily

Tsara toetra sy vonona hamela heloka ... ianao, Jehovah ô! Be fitiavana sy tsy mivadika amin’izay rehetra miantso anao ianao.​—Sal. 86:5.

Ahoana raha nanao fahadisoana ianao? Afaka matoky ianao hoe mbola hampiasa anao sy hitahy anao i Jehovah, raha manao izay azonao atao ianao mba hanitsiana an’izay tsy mety dia miantehitra aminy foana. (Ohab. 28:13) Tsy lavorary i Samsona nefa tsy nilavo lefona fa niezaka nanompo an’i Jehovah foana, na dia nanao fahadisoana aza tamin’ilay izy niaraka tamin’i Delila. Tsy nanary azy koa i Jehovah. Nampiasa an’i Samsona tamin’ny fomba miavaka indray Andriamanitra. Mbola nanana finoana miavaka izy taminy, matoa notanisainy ho anisan’ireo olona tsy mivadika ao amin’ny Hebreo toko faha-​11. Mampahery antsika ny mahalala hoe be fitiavana hoatr’izany ilay Ray any an-danitra tompointsika. Tena maniry hanatanjaka antsika izy, indrindra rehefa kely hery isika. Andao àry isika hiangavy an’i Jehovah hoatran’ny nataon’i Samsona hoe: “Mba tsarovy re aho ka omeo hery azafady indrindra e!”​—Mpits. 16:28. w23.09 37:18-19

Talata 22 Aprily

[Ataovy] an-tsaina foana ny fahatongavan’ny andron’i Jehovah.​—2 Pet. 3:12.

Rehefa manao an-tsaina foana ny andron’i Jehovah isika, dia lasa te hitory ny vaovao tsara amin’ny hafa. Indraindray anefa isika tsy sahy manao an’izany. Fa maninona? Satria misy fotoana isika matahotra olona. Izany no nahazo an’i Petera, ny alina nitsarana an’i Jesosy. Tsy sahy nilaza izy hoe anisan’ny mpianatr’i Jesosy, ary imbetsaka mihitsy aza izy no nanda hoe tsy nahafantatra azy! (Mat. 26:69-75) Io apostoly io ihany anefa, tatỳ aoriana, no resy lahatra be rehefa niteny hoe: ‘Aza atahorana izay atahoran’izy ireo ary aza mitebiteby.’ (1 Pet. 3:14) Manome toky antsika ny tenin’i Petera fa afaka ny handresy ny tahotra olona koa isika. Inona no hanampy antsika tsy ho resin’ny tahotra olona? Hoy i Petera: ‘Manamasìna an’i Kristy ho Tompo ao am-ponareo.’ (1 Pet. 3:15) Manao an’izany, ohatra, isika rehefa misaintsaina ny fahefana sy toerana tanan’ny Tompontsika sy Mpanjakantsika, dia i Kristy Jesosy. w23.09 41:6-8

Alarobia 23 Aprily

Aza avela hotononina eo aminareo akory izay resaka momba ny fijangajangana sy izay rehetra mety ho fahalotoana.​—Efes. 5:3.

Tsy maintsy miady foana isika mba tsy hanao “zavatra tsy misy dikany fanaon’ny olona ao amin’ny maizina.” (Efes. 5:11) Alaim-panahy kokoa hanao ratsy ny olona iray, arakaraka ny ijereny na ihainoany na iresahany zavatra maloto. (Gen. 3:6; Jak. 1:14, 15) Miezaka mamitaka antsika ny tontolon’i Satana. Tiany isika hino hoe tsy mampaninona akory izay lazain’i Jehovah hoe ratsy sy maloto. (2 Pet. 2:19) Anisan’ny tetika efa nampiasain’ny Devoly hatry ny ela mantsy ny mampisafotofoto ny sain’ny olona, ka tsy hainy intsony izay tsara sy ratsy. (Isaia 5:20; 2 Kor. 4:4) Tsy mahagaga àry raha mampiely hevitra mifanohitra amin’ny fitsipik’i Jehovah ny filma sy fandaharana maro amin’ny tele ary ny Internet! Miezaka mamitaka antsika i Satana, amin’izay isika mieritreritra hoe tsy mampidi-doza ny fanao sy ny fomba fiaina maloto.​—Efes. 5:6. w24.03 12:8-10

Alakamisy 24 Aprily

Manao fanompoana masina ireny olona ireny, ary taratra sy aloky ny zavatra any an-danitra ny fanompoana ataony.​—Heb. 8:5.

Nentin’ny Israelita ny tranolay rehefa nifindrafindra toerana ry zareo. Efa ho 500 taona ry zareo no nampiasa azy io, mandra-panorina an’ilay tempoly tao Jerosalema. (Eks. 25:8, 9; Nom. 9:22) Ny tranolay masina no foibe nahafahan’ny Israelita nanompo an’Andriamanitra sy nanolotra sorona. (Eks. 29:43-46) Ankoatra izay anefa, dia mbola nidika zavatra lehibe kokoa ilay tranolay masina. “Aloky ny zavatra any an-danitra” izy io, ary nifanitsy tamin’ny tempoly ara-panahy lehiben’i Jehovah. Noresahin’ny apostoly Paoly hoe “fanoharana ilazana an’izao fotoana izao io tranolay [na tranolay masina] io.” (Heb. 9:9) Efa nisy àry ilay tempoly ara-panahy, tamin’i Paoly nanoratra ho an’ny Hebreo. Nanomboka nisy ilay izy tamin’ny taona 29. Natao batisa i Jesosy tamin’io taona io. ary notendren’i Jehovah ho “mpisoronabe ambony” ka nanomboka nanompo tao amin’ilay tempoly ara-panahy.​—Heb. 4:14; Asa. 10:37, 38. w23.10 45:6-7

Zoma 25 Aprily

Ataovy fantatry ny olona rehetra hoe mahay mandanjalanja ianareo.​—Fil. 4:5.

Tsy maintsy mahay milefitra ny Kristianina, raha te hahavita hanompo an’i Jehovah foana sady ho faly. Ahoana no anaovana an’izany? Tsy maintsy mahay mandanjalanja isika ka miaina mifanaraka amin’ny fiovana eo amin’ny fiainantsika, ary manaja ny hevitry ny hafa sy ny fanapahan-kevitr’izy ireo. Mpanompon’i Jehovah isika, ka tokony hahay handanjalanja. Tokony hanetry tena sy hangoraka koa isika. Antsoina hoe “ilay Vatolampy” i Jehovah, satria tsy voahozongozona izy sady tsy miovaova mihitsy. (Deot. 32:4) Mahay mandanjalanja koa anefa izy. Rehefa miova ny zava-misy, dia ovan’ilay Andriamanitsika hifanaraka amin’izany ny fanapahan-keviny mba hanatanterahana ny fikasany. Noforonin’i Jehovah hitovy endrika aminy ny olombelona, ka nataony mahay miaina mifanaraka amin’ny fiovaovan’ny fiainana eny. Nomeny torolalana mazava koa isika ao amin’ny Baiboly, ka manampy antsika hahay hanapa-kevitra izy ireny, na inona na inona olana atrehintsika. Ny modelin’i Jehovah sy ny torolalana nomeny no manaporofo hoe na “Vatolampy” aza izy, dia mahay mandanjalanja koa. w23.07 32:1-3

Asabotsy 26 Aprily

Rehefa be dia be ny zavatra nampitebiteby ahy, dia nampionona sy nampitony ahy ianao.​—Sal. 94:19.

Mampitaha ny tenany amin’ny reny be fitiavana i Jehovah ao amin’ny Baiboly. (Isaia 66:12, 13) Eritrereto ange hoe misy reny iray mikarakara tsara ny zanany kely e! Ataony azo antoka hoe mahazo an’izay ilainy ilay zanany. Hoatr’izany koa fa afaka miantehitra amin’ny fitiavan’i Jehovah isika rehefa misy mampijaly antsika. Tsy manary antsika izy rehefa manao zavatra tsy mety isika. (Sal. 103:8) Imbetsaka ny firenen’Israely no nandiso fanantenana azy, nefa nasehony hoe mbola tia sy tsy mivadika amin-dry zareo izy, rehefa nibebaka ry zareo. Izao no nolazainy: ‘Lasa sarobidy teo imasoko ianao sady nohajaina, ary tiako.’ (Isaia 43:4, 5) Tsy miova ny fitiavan’Andriamanitra. Na dia nanao fahadisoana lehibe aza isika, dia ho hitantsika fa mbola hoatran’ny hatramin’izay ihany ny fitiavany antsika, rehefa mibebaka sy miverina aminy isika. Mampanantena mantsy izy hoe “tena mamela heloka tanteraka.” (Isaia 55:7) Milaza ny Baiboly fa rehefa mamela i Jehovah, dia lasa misy ‘fotoana mamelombelona avy aminy.’​—Asa. 3:19. w24.01 4:4-5

Alahady 27 Aprily

Nanampy ahy ny tanan’i Jehovah Andriamanitro.​—Ezra 7:28.

Afaka manampy antsika i Jehovah rehefa miatrika fitsapana isika. Andao hatao hoe te haka andro tsy hiasana ianao satria te hanatrika fivoriambe, na te hanova ny ora iasanao mba ho afaka hanatrika ny fivoriana rehetra. Raha mandeha miera amin’ny mpampiasa anao ianao, dia hoatran’ny hoe manome hirika an’i Jehovah mba hahafahany mampiseho hoe tena manampy anao ny tanany. Mety ho tsara be ny vokany fa tsy araka ny ieritreretanao azy. Vao mainka àry ianao hatoky an’i Jehovah. Nanetry tena i Ezra dia nangataka fanampiana tamin’i Jehovah. Isaky ny nahatsiaro ho tototry ny andraikitra i Ezra, dia nanetry tena ary nivavaka tamin’i Jehovah. (Ezra 8:21-23; 9:3-5) Nahita an’izany ny olona nanodidina azy, ka nanohana azy sady nanahaka ny finoany. (Ezra 10:1-4) Ary ianao? Miady saina be ve ianao hoe ahoana no ahazoanao an’izay ilainao eo amin’ny fiainana, na ahoana no hiarovanao ny fianakavianao? Aza misalasala mivavaka amin’i Jehovah. w23.11 48:15-17

Alatsinainy 28 Aprily

Naneho finoana an’i Jehovah [i Abrahama], ka nekeny hoe olo-marina.​—Gen. 15:6.

Tsy milaza i Jehovah hoe tsy maintsy manao hoatran’i Abrahama mihitsy isika, raha te hambara ho marina. Be dia be aza no azontsika atao mba hampisehoana hoe manam-pinoana isika. Afaka mandray tsara an’ireo vaovao tonga mivory, ohatra, isika, manome tanana ny rahalahy sy anabavy mila fanampiana, ary manao soa amin’ny mpianakavintsika, satria ankasitrahan’Andriamanitra daholo izany sady tahiny. (Rom. 15:7; 1 Tim. 5:4, 8; 1 Jaona 3:18) Misy porofo iray tena tsara koa azontsika ampisehoana hoe manam-pinoana isika. Inona izany? Mila mazoto mitory ny vaovao tsara isika. (1 Tim. 4:16) Isika rehetra no afaka mampiseho amin’izay ataontsika hoe mino isika fa ho tanteraka ny fampanantenan’i Jehovah, ary ny fomba fanaovany zavatra no tsara indrindra. Raha manao an’izany isika, dia afaka matoky tanteraka hoe heken’Andriamanitra ho olo-marina ary hantsoiny hoe namany. w23.12 50:3, 15

Talata 29 Aprily

Mahereza ary asehoy hoe tena lehilahy ianao.​—1 Mpanj. 2:2.

Nilaza an’ireo teny eo ambony ireo tamin’i Solomona i Davida Mpanjaka, taloha kelin’ny nahafatesany. (1 Mpanj. 2:1, 3) Tsara raha mampihatra an’io daholo ny lehilahy kristianina. Raha te hahomby ry zareo, dia tsy maintsy mianatra mankatò ny lalàn’Andriamanitra sy mampihatra ny torolalan’ny Baiboly eo amin’ny fiainany manontolo. (Lioka 2:52) Fa maninona marina moa ny rahalahy tanora no tokony hiezaka mba ho lasa Kristianina matotra? Manana andraikitra be ny lehilahy kristianina, ao amin’ny fianakaviana sy ny fiangonana. Rahalahy tanora ve ianao? Raha izany, dia azo antoka fa efa noeritreretinao hoe inona ny andraikitra mety hiantsorohanao amin’ny hoavy. Angamba ianao te ho lasa mpanompo manontolo andro, mpikarakara fiangonana, dia ho anti-panahy any aoriana any. Mety ho te hanambady aman-janaka koa ianao. (Efes. 6:4; 1 Tim. 3:1) Mila mihamatotra anefa aloha ianao, mba hanatratraranao an’ireo tanjona ireo sy hahatonga anao hahomby. w23.12 53:1-2

Alarobia 30 Aprily

Tsy ho ampy ny fotoana raha hotantaraiko daholo ny momba an’i Gideona.​—Heb. 11:32.

Nanankinan’i Jehovah andraikitra ny anti-panahy kristianina. Ry zareo no notendreny hikarakara ny ondriny. Sarobidy amin’ireo lehilahy mahafoy tena ireo izany tombontsoa izany, hoe afaka manompo ny rahalahy sy anabaviny ry zareo. Miezaka mafy koa ry zareo mba ho “mpiandry ... tena hiandry” ny ondrin’i Jehovah. (Jer. 23:4; 1 Pet. 5:2) Tena faly isika hoe misy lehilahy hoatr’izany ao amin’ny fiangonantsika! Afaka mianatra avy amin’i Gideona Mpitsara ny anti-panahy. (Heb. 6:12) Mpiaro sady mpiandry ny vahoakan’Andriamanitra izy. (Mpits. 2:16; 1 Tan. 17:6) Voatendry hikarakara ny vahoakan’Andriamanitra ao anatin’ny fotoana tena sarotra ny anti-panahy, hoatran’i Gideona ihany. (Asa. 20:28; 2 Tim. 3:1) Nanetry tena sy nankatò izy, ka modely ho antsika. Mafy taminy ny niaritra rehefa nanao ny asa nanendrena azy izy. Na anti-panahy anefa isika na tsia, dia mbola afaka mianatra mankasitraka kokoa an’ireo anti-panahy. Afaka manohana an’ireny rahalahintsika miasa mafy ireny isika.​—Heb. 13:17. w23.06 25:1, 3

    Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Tenin’ny Tanana Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara