Martsa
Asabotsy 1 Martsa
Ny fanantenana tsy mba mandiso fanantenana.—Rom. 5:5.
Mbola tsy eo izao ny tontolo vaovao. Mariho anefa ny zavatra efa eo, anisan’izany ny kintana, ny hazo, ny biby, ary ny olombelona. Tsy misy amintsika misalasala hoe tena misy ireo, na dia tsy nisy aza ireny taloha. Matoa misy anefa ireo rehetra ireo izao, dia satria noforonin’i Jehovah. (Gen. 1:1, 26, 27) Nilaza koa ny Andriamanitsika fa hamorona tontolo vaovao. Tsy maintsy hotanterahiny izany fikasany izany. Ho velona foana ny olona ao amin’ny tontolo vaovao sady ho salama tsara. Tena hisy hoatr’izao zava-drehetra manodidina antsika izao ilay tontolo vaovao, amin’ny fotoana voatondron’Andriamanitra. (Isaia 65:17; Apok. 21:3, 4) Mandra-pahatongan’izany, dia mitadiava foana hirika hanatanjahana ny finoanao. Miezaha hankasitraka ny vidim-panavotana. Diniho ny herin’i Jehovah. Fenoy zavatra ara-panahy ny fiainanao. Raha manao an’izany ianao, dia ho anisan’ireo ‘mandova ny fampanantenana noho ianao mino sy manam-paharetana.’—Heb. 6:11, 12. w23.04 19:18-19
Alahady 2 Martsa
Angaha moa izaho tsy efa niteny taminao hoe raha mino ianao, dia hahita ny voninahitr’Andriamanitra?—Jaona 11: 40.
Nitraka nijery ny lanitra i Jesosy, dia nivavaka teo imason’olona. I Jehovah mantsy no tiany hahazo voninahitra amin’izay hitranga eo. Niantso mafy izy avy eo hoe: “Ry Lazarosy, mivoaha!” (Jaona 11:43) Dia iny i Lazarosy fa nivoaka avy tao am-pasana! Zavatra noeritreretin’ny olona sasany hoe tsy hitranga mihitsy no vitan’i Jesosy. Manampy antsika hino kokoa ny fitsanganana amin’ny maty io fitantarana io. Nahoana? Tadidio ilay fampanantenan’i Jesosy an’i Marta hoe: “Ao fa hitsangana ny anadahinao.” (Jaona 11:23) Hoatran’ny Rainy mantsy i Jesosy, ka maniry hanangana ny maty sady manana hery hanaovana an’izany. Ilay izy nirotsa-dranomaso koa mampiseho hoe tena te hanafoana ny fahafatesana sy ny alahelo vokatr’izany izy. Ary vao nivoaka ny fasana i Lazarosy, dia voaporofon’i Jesosy hoe manana hery hananganana ny maty izy. Saintsaino koa ilay teniny tamin’i Marta ao amin’ny andinin-teny anio. Be dia be àry ny antony inoantsika fa tena hanatanteraka an’ilay fampanantenany hanangana ny maty Andriamanitra. w23.04 16:15-16
Alatsinainy 3 Martsa
Akaiky an’izay rehetra miantso azy i Jehovah, dia izay rehetra miantso azy araka ny fahamarinana.—Sal. 145:18.
Mila manova an’izay nangatahintsika tamin’ny vavaka angamba isika, rehefa lasa fantatsika kokoa ny sitrapon’i Jehovah. Tsy maintsy tadidintsika hoe manana fikasana i Jehovah, ary hotanterahiny amin’ny fotoana efa nofaritany izany. Anisan’io fikasany io ny hanafoana tanteraka sy mandrakizay ny olana rehetra mahatonga antsika hijaly be amin’izao, ohatra hoe ny loza, ny aretina, ary ny fahafatesana. Ny Fanjakany no hampiasain’i Jehovah hanatanterahana an’izany. (Dan. 2:44; Apok. 21:3, 4) Avelany hitondra an’izao tontolo izao anefa aloha i Satana mandra-pahatongan’izany. (Jaona 12:31; Apok. 12:9) Raha mamaha ny olan’ny olombelona mantsy i Jehovah amin’izao, dia lasa hoatran’ny hoe mety ihany ny fitondran’i Satana. Tsy maintsy miandry ny fotoana hanatanterahan’i Jehovah ny fampanantenany sasany àry isika. Tsy midika anefa izany hoe avelany hiady irery isika. Hanampy antsika i Jehovah. w23.05 21:4, 7-8
Talata 4 Martsa
[Fantaro] izay tokony havalinareo ny olona tsirairay.—Kol. 4:6.
Ahoana no hanampianao ny hafa mba handray soa amin’ny Fahatsiarovana? Tsy maintsy hoe asainao aloha izy. Ankoatra ny fanasana ny olona eny amin’ny faritany, dia maninona raha atao lisitra izay tianao hasaina? Mety ho anisan’izany ny havana, mpiara-miasa, mpiara-mianatra, na olon-kafa. Na tsy ampy aza ny taratasy fanasana anananao, dia afaka mizara rohy amin’ny alalan’ny fitaovana elektronika ianao. Iza moa no mahalala raha betsaka no ho tonga? (Mpito. 11:6) Tadidio fa mety hametraka fanontaniana ny olona asaintsika, indrindra raha sambany izy no mivory miaraka amintsika. Tsara raha saintsaininao mialoha ny fanontaniana mety hapetrany, dia miomàna hamaly an’ireny. Mety mbola hanana fanontaniana ny olona liana aorian’ny Fahatsiarovana. Tokony hanao izay azontsika atao isika mialoha sy mandritra ary aorian’ny Fahatsiarovana, mba hanampiana ny olona ‘manana toe-po tsara’ handray soa avy amin’io fankalazana io.—Asa. 13:48. w24.01 2:13, 15-16
Alarobia 5 Martsa
Zavona miserana vetivety fotsiny ianareo, dia avy eo levona.—Jak. 4:14.
Miresaka olona valo natsangana teto an-tany ny Baiboly. Maninona raha fakafakaina tsirairay ireny tantara ireny? Rehefa manao an’izany ianao, dia mitadiava lesona azonao ianarana. Saintsaino hoe nahoana ny fitantarana tsirairay no manaporofo fa maniry hanangana ny maty Andriamanitra sady manana hery hanaovana an’izany. Ny nananganana an’i Jesosy tamin’ny maty anefa no lehibe indrindra, ary izany no tena tokony hosaintsainintsika. Tadidio fa an-jatony ny Vavolombelona nanamarina hoe natsangana tamin’ny maty izy. Vao mainka manatanjaka ny finoantsika izany. (1 Kor. 15:3-6, 20-22) Soa ihany i Jehovah fa nampanantena hanangana ny maty! Afaka matoky isika hoe ho tanteraka izany, satria maniry hanangana ny maty izy sady manana hery hanaovana an’izany. Enga anie isika ho tapa-kevitra hino kokoa an’io fanantenana sarobidy io, amin’izay isika ho akaiky kokoa an’Andriamanitra mihoatra noho ny hatramin’izay. Izy mantsy ilay mampanantena antsika tsirairay hoe: ‘Ao fa hitsangana ilay olona akaikin’ny fonao!’—Jaona 11:23. w23.04 16:2, 17, 20
Alakamisy 6 Martsa
[Manetre tena] rehefa miara-mandeha amin’ny Andriamanitrao.—Mika 6:8.
Manetry tena ny olona iray rehefa manaja ny hafa sy mihevitra azy ireny ho ambony noho ny tenany, sady miaiky fa voafetra ny mety ho vitany. (Fil. 2:3) Lehilahy nanetry tena i Gideona. Nilaza taminy ny anjelin’i Jehovah, indray andro, hoe izy no voafidy hanafaka ny Israelita tamin’ny fahavalony matanjaka be, izany hoe ny Midianita. Nanetry tena izy ka namaly hoe: “Ny fianakaviako ange no tsinontsinona indrindra ao amin’ny fokon’i Manase e! Dia izaho no tsy misy dikany indrindra ao amin’ny fianakavian’ny dadako.” (Mpits. 6:15) Nahatsapa i Gideona hoe tsy mendrika an’ilay fanendrena izy. Tsy hoatr’izany anefa no fahitan’i Jehovah azy. Nampiany i Gideona, ka nahavita tsara an’ilay andraikitra nankinina taminy. Manao izay fara heriny ny anti-panahy mba hanetry tena amin’ny zava-drehetra. (Asa. 20:18, 19) Tsy manitatra izy rehefa miresaka ny fahaizany na ny zava-bitany, ary tsy manamelo-tena loatra noho ny toetra ratsiny na ny fahadisoany. w23.06 25:4-5
Zoma 7 Martsa
Izy hanorotoro ny lohanao.—Gen. 3:15.
Mbola afaka 1 000 taona mahery ilay hoe hotorotoroina ny lohan’i Satana. (Apok. 20:7-10) Resahin’ny Baiboly mialoha hoe ireto ny zavatra miavaka hitranga alohan’izay: Voalohany, hiteny ireo firenena hoe “fandriampahalemana sy filaminana!” (1 Tes. 5:2, 3) Vao vita izay, dia hanomboka ny fahoriana lehibe rehefa manafika ny fivavahan-diso rehetra ireo firenena. (Apok. 17:16) Hamoaka didim-pitsarana ho an’ny olombelona i Jesosy avy eo, ka hanavaka ny ondry amin’ny osy. (Mat. 25:31-33, 46) Tsy hipetra-potsiny anefa i Satana. Tsy tia maizina ny mpanompon’i Jehovah izy, ka ampirisihiny hanafika an-dry zareo ny firenena maromaro mitambatra. Ireo ilay antsoin’ny Baiboly hoe Goga avy any amin’ny tany Magoga. (Ezek. 38:2, 10, 11) Hangonina ho any an-danitra ny sisa voahosotra ao anatin’izany fotoana izany, ka hiaraka amin’i Kristy sy ny tafiny, mba hanao an’ilay ady Aramagedona. Izany no mamarana ny fahoriana lehibe. (Mat. 24:31; Apok. 16:14, 16) Hanomboka avy eo ny Fanjakana Arivo Taonan’i Kristy eto an-tany.—Apok. 20:6. w23.10 44:9-10
Asabotsy 8 Martsa
Efa hatramin’ny mbola kely ... izaho mpanomponao no natahotra an’i Jehovah.—1 Mpanj. 18:12.
Betsaka izao ny mpanompon’i Jehovah mipetraka any amin’ny tany andrarana ny asantsika. Manaja ny manam-pahefana ireo rahalahy sy anabavy malalantsika ireo. Manome an’i Jehovah izay tokony ho azy anefa ry zareo, hoatran’ny nataon’i Obadia, ka i Jehovah irery ihany no tompoiny. (Mat. 22:21) Asehony hoe matahotra an’Andriamanitra ry zareo, ka izy no ankatoaviny fa tsy olona. (Asa. 5:29) Manohy mitory ny vaovao tsara sy miara-mivory foana àry izy ireo, na dia miafina aza. (Mat. 10:16, 28) Ataony azo antoka koa hoe mahazo ny sakafo ara-panahy ilainy ny rahalahiny sy anabaviny. Diniho ny ohatr’i Henri. Mipetraka ao amin’ny tany iray atsy Afrika izy, ary nisy fotoana voarara ny asantsika tany. Nanolo-tena hizara boky sy gazety ho an’ny Vavolombelona namany i Henri nandritra an’ilay fandrarana. Izao no nosoratany: “Olona saro-kenatra aho. ... I Jehovah no nahatonga ahy ho sahy hanao an’izany.” Afaka ny ho be herim-po hoatran’i Henri koa ve ianao? Ho vitanao izany, raha mianatra ny hatahotra an’Andriamanitra ianao. w23.06 27:9, 11
Alahady 9 Martsa
[Niditra] teo amin’izao tontolo izao [ny ota] noho ny nataon’ny lehilahy iray.—Rom. 5:12.
Lasa mpanota i Adama sy Eva rehefa avy nikomy, dia hoatran’ny hoe vitan’i Satana ny nandrava ny fikasan’Andriamanitra hoe hofenoiny olombelona lavorary sy mankatò ny tany. Mety ho nieritreritra izy fa tsy hahita vahaolana firy Andriamanitra, ka ny hamono an’i Adama sy Eva angamba no azony atao, dia hamorona mpivady hafa lavorary mba hanatanterahana an’ilay fikasany. Raha nanao an’izany anefa i Jehovah, dia ho nendrikendrehin’ny Devoly ho mpandainga. Fa maninona? Satria nilaza tamin’i Adama sy Eva i Jehovah ao amin’ny Genesisy 1:28 hoe ny taranak’izy ireo no hameno ny tany. Mety ho nieritreritra izy hoe havelan’i Jehovah hiteraka olombelona mpanota i Adama sy Eva, nefa tsy afaka ny ho lavorary intsony ry zareo. (Mpito. 7:20; Rom. 3:23) Raha izay indray anefa no nitranga, dia ho nendrikendrehin’ny Devoly i Jehovah hoe tsy mahavita azy. Fa maninona? Satria io vahaolana iray io tsy hahavita hanatanteraka an’ilay fikasan’Andriamanitra hoe hofenoina olombelona lavorary sy mankatò taranak’i Adama sy Eva ny tany paradisa. w23.11 46:15-16
Alatsinainy 10 Martsa
Aza mihoatra an’izay voasoratra.—1 Kor. 4:6.
Mazava tsara ny toromarika omen’i Jehovah antsika amin’ny alalan’ny Teniny sy ny fandaminany, ka tsy misy antony tokony hanampiantsika an’ireny mihitsy! (Ohab. 3:5-7) Tsy mihoatra an’izay voasoratra ao amin’ny Baiboly àry isika, na mamorona fitsipika ho an’ny mpiara-manompo momba ny zavatra miankina amin’ny tsirairay. Mampiasa “hevitra mamitaka tsy misy fotony” sy “fisainan’izao tontolo izao” i Satana, satria te hamitaka sy hampisara-bazana ny olona izy. (Kol. 2:8) Anisan’ny nampiasainy tamin’ny taonjato voalohany, ohatra, ny filozofian’olombelona, ny zavatra tsy araka ny Soratra Masina nampianarin’ny Jiosy, ary ilay fampianarana hoe tsy maintsy mankatò ny Lalàn’i Mosesy ny Kristianina. Fitaka ireny satria nahatonga ny olona hanalavitra an’i Jehovah, ilay tena Loharanon’ny fahendrena. Mampiasa ny haino aman-jery sy ny tambazotran-tserasera i Satana amin’izao, mba hanelezana tsaho sy vaovao tsy marina avy amin’ny mpanao politika. w23.07 31:11-12
Talata 11 Martsa
Lehibe tokoa ny asanao, Jehovah ô! Tena lalina ny fisainanao!—Sal. 92:5.
Tsy nahateny intsony angamba i Satana rehefa nahita ny fomba nandaminan’i Jehovah ny fikomiany sy ny an’ny olombelona voalohany. Noporofoin’i Jehovah mantsy hoe tsy mpandainga izy, ka navelany hanan-janaka i Adama sy Eva. Nasehony koa fa tsy hoe tsy mahavita azy izy, fa mandresy foana. Notanterahiny foana ny fikasany, ka nataony izay hisian’ny ‘taranaka’ iray hamonjy ny olombelona mankatò avy amin’ny taranak’i Adama sy Eva. (Gen. 3:15; 22:18) Tsy maintsy hoe nampiaiky an’i Satana ilay vidim-panavotana avy amin’i Jehovah! Fa maninona? Satria be fitiavana i Jehovah sady tsy tia tena matoa nanome azy io. (Mat. 20:28; Jaona 3:16) Tsy manana an’izany toetra izany i Satana. Inona àry no hitranga noho iny vidim-panavotana iny? Rehefa tapitra ny Fanjakana Arivo Taona, dia olombelona lavorary sy mankatò taranak’i Adama sy Eva no hipetraka eto amin’ny tany paradisa, araka ilay nokasain’i Jehovah tamin’ny voalohany mihitsy. w23.11 46:17
Alarobia 12 Martsa
Homelohin’Andriamanitra [izy ireo].—Heb. 13:4.
Ankatoavintsika ny lalàn’i Jehovah momba ny fahamasinan’ny aina sy ny ra. Nahoana? Satria milaza i Jehovah hoe aina ny ra, ary fanomezana sarobidy avy aminy izy io. (Lev. 17:14) Noraran’i Jehovah tsy hihinana ra ny olona, tamin’izy namela voalohany an-dry zareo hihinan-kena. (Gen. 9:4) Naveriny indray io didy io rehefa nanome ny Lalàn’i Mosesy ho an’ny Israely izy. (Lev. 17:10) Nasainy nandidy ny Kristianina rehetra koa ny filan-kevi-pitantanana tamin’ny taonjato voalohany hoe mila ‘mifady ny ra’ ry zareo. (Asa. 15:28, 29) Mankatò an’io didy io isika rehefa manapa-kevitra momba ny fitsaboana arahintsika, ka tsy manaiky ho voahozongozona mihitsy. Ankatoavintsika an-tsakany sy an-davany koa ny fitsipik’i Jehovah momba ny fitondran-tena. Nampiasa sarin-teny mazava tsara ny apostoly Paoly, ka nanoro antsika hoe mila ‘mamono’ ny fanirian-dratsy ao amin’ny rantsambatana isika. Ahoana izany? Mila mandray fanapahan-kevitra hentitra isika, mba hanesorana ny fanirian-dratsy. Tsy mijery na manao zavatra mety hahatonga antsika haloto fitondran-tena àry isika.—Kol. 3:5; Joba 31:1. w23.07 31:5-6
Alakamisy 13 Martsa
Namboraka ny tao am-pony tamin’i Delila ... izy tamin’ny farany.—Mpits. 16:17.
Natoky loatra an’i Delila ve i Samsona, sa jamban’ny fitiavana ka tsy hitany ny tena tanjon’ilay vehivavy? Asa aloha! Nosokirin’i Delila foana anefa i Samsona mba hahatonga azy hilaza hoe maninona izy no natanjaka be. Tsy namelany mihitsy izy ka niteny ihany tamin’ny farany. Mampalahelo fa noho ny nataon’i Samsona ihany no nahatonga azy tsy hanana hery sy tsy hankasitrahan’i Jehovah, nandritra ny fotoana kelikely. (Mpits. 16:16-20) Nangidy tamin’i Samsona ny vokany, rehefa i Delila no natokisany fa tsy i Jehovah. Nosamborin’ny Filistinina izy, dia nopotsiriny ny masony ka lasa jamba. Nogadraina tao Gaza izy, ary lasa andevo mpanodina vato lehibe fikosoham-bary. Nanambanimbany azy ny Filistinina avy eo, nandritra an’ilay fety lehibe nataon-dry zareo. Nanao sorona lehibe ho an’i Dagona, ilay andriamani-diso nivavahany, ry zareo tamin’izay. Nataon’izy io resy mantsy, hono, i Samsona. Nalain-dry zareo avy any am-ponja izy, dia nentiny tao amin’ilay fety mba “hampiala voly” azy, na mba hataony ho fihomehezana.—Mpits. 16:21-25. w23.09 37:13-14
Zoma 14 Martsa
Mba eritrereto hoe inona no zavatra heverin’ny olona rehetra hoe tsara.—Rom. 12:17.
Ahoana raha misy mpiara-miasa na mpiara-mianatra manontany antsika hoe maninona isika no manaraka ny fitsipiky ny Baiboly momba ny fitondran-tena? Hiezaka mafy isika hiaro ny finoantsika, sady hanaja ny heviny. (1 Pet. 3:15) Matetika mantsy no ho fantatsika avy amin’ilay fanontaniany hoe inona no zava-dehibe aminy, fa tsy hoe te hanohitra fotsiny izy na te hanakiana. Tokony halemy fanahy sy ho tsara fanahy foana anefa isika rehefa mamaly, na inona na inona antony nametrahany an’ilay fanontaniana. Mety hampisaintsaina azy izany. Ahoana, ohatra, raha misy mpiara-miasa manontany hoe maninona isika no tsy mankalaza aniversera? Saintsaino izao: Tiany ho fantatra ve raha mba mahazo mifalifaly ihany isika? Mety ho tony kokoa izy, raha resahintsika aminy hoe tena faly isika fa miahy ny mpiara-miasa aminy izy. Mety hahatonga azy ho vonona hihaino an’izay lazain’ny Baiboly momba ny aniversera izany. w23.09 39:10-11
Asabotsy 15 Martsa
Mitandrema sao ho voataona hiaraka amin’ireny ianareo noho ny hevi-dison’ireo mpandika lalàna, ka ho lavo ianareo fa tsy hiorina tsara intsony.—2 Pet. 3:17.
Tombontsoa be ny antsika hoe afaka mampiasa ny fotoana sisa tavela mba hitoriana any amin’ny firenena rehetra. Asain’ny apostoly Petera ‘manao an-tsaina foana’ ny andron’i Jehovah isika. (2 Pet. 3:11, 12) Ahoana no hanaovana an’izany? Tsara raha misaintsaina ny fitahiana ho azontsika any amin’ny tontolo vaovao isika. Ataovy isan’andro izany, raha azo atao. Alao sary an-tsaina hoe efa any ianao, dia mifoka rivotra madio be, mihinana sakafo mahasalama, mitsena ny olona akaikin’ny fonao avy natsangana tamin’ny maty, ary mampianatra olona velona taloha ela be hoe ahoana no nahatanterahan’ny faminanian’ny Baiboly. Inona no vokany rehefa misaintsaina hoatr’izany ianao? Tsy ho andrinao ny hahatongavan’io fotoana io, sady hiaro anao izany mba tsy hieritreritra hoe mbola ho ela ny farany. Rehefa ‘mahafantatra mialoha’ ny hoavintsika hoatr’izany isika, dia tsy “ho voataona” hanaraka mpampianatra sandoka. w23.09 41:5-6
Alahady 16 Martsa
Ankatoavy ny ray aman-dreninareo, araka izay sitrapon’ny Tompo, fa izany no mety.—Efes. 6:1.
Feno tanora ‘tsy mankatò ray aman-dreny’ manodidina ny tanorantsika. (2 Tim. 3:1, 2) Fa maninona no be dia be hoatr’izany no tsy mankatò? Misy mieritreritra hoe mihatsaravelatsihy ny ray aman-dreniny. Asaina mankatò, hono, ny ankizy nefa na ny ray aman-dreny aza tsy manao an’ilay zavatra takiny akory. Ny hafa indray mieritreritra hoe efa lany andro ny torohevitry ny ray aman-dreniny, na tsy azo ampiharina, na hentitra loatra. Raha tanora ianao, dia mahatsapa hoatr’izany koa ve ianao indraindray? Mety ho sarotra àry ny hampihatra an’ilay didin’i Jehovah ao amin’ny andinin-teny androany. Inona anefa no hanampy anao? Afaka mianatra mankatò avy amin’ilay modely tsara indrindra ianao. Iza izany? I Jesosy. (1 Pet. 2:21-24) Olombelona lavorary izy, fa ny ray aman-dreniny kosa tsy lavorary. Nanaja an-dry zareo foana anefa i Jesosy, na dia rehefa nanao fahadisoana sy tsy nahazo tsara azy aza ry zareo.—Eks. 20:12. w23.10 42:4-5
Alatsinainy 17 Martsa
Nofoanana ... ilay didy teo aloha satria voafetra ihany ny zavatra vitany, ary tsy mandaitra ilay izy.—Heb. 7:18.
Nohazavain’ny apostoly Paoly fa tsy nahavita nanala tanteraka ny fahotana ny sorona notakin’ny Lalàna. Noho izany dia “nofoanana” ny Lalàna. Nampianatra fahamarinana lalina kokoa i Paoly avy eo. Nampahatsiahy an’ireo Kristianina ireo izy hoe nanana “fanantenana tsara kokoa” ry zareo, niorina tamin’ny soron’i Jesosy. Tena nanampy an-dry zareo ‘hanatona an’Andriamanitra’ io fanantenana io. (Heb. 7:19) Nohazavain’i Paoly tamin’ny rahalahiny hebreo hoe tsara lavitra noho ny fanompoana nataon-dry zareo taloha ny fanompoana ataon’ny Kristianina. “Aloky ny zavatra ho avy” fotsiny mantsy ny zavatra nampiavaka ny Fivavahana Jiosy, “fa ny tena izy dia i Kristy.” (Kol. 2:17) Mitovitovy bika amin’ny zavatra iray ny aloka, fa tsy io ilay tena izy. Hoatr’izany koa fa aloka fotsiny ny fanompoana nataon’ny Jiosy taloha, fa mbola ho avy ilay tena izy, izany hoe ny fanompoana ataon’ny Kristianina. Nanao an’io fandaharana io i Jehovah tamin’ny taonjato voalohany mba hamelana ny fahotantsika. Mila azontsika tsara izany, amin’izay ekeny ny fanompoana ataontsika. w23.10 45:4-5
Talata 18 Martsa
Amin’ny fotoanan’ny farany, dia ho avy ny mpanjakan’ny atsimo ka hifanosika aminy. Ny mpanjakan’ny avaratra kosa ho avy hamely azy toy ny tafio-drivotra.—Dan. 11:40.
Miresaka mpanjaka roa, na fitondram-panjakana roa, ny Daniela toko faha-11. Miady ireo mpanjaka ireo satria samy te ho lasa firenena matanjaka indrindra eran-tany. Rehefa nampitahaina tamin’ny faminaniana hafa ao amin’ny Baiboly io faminaniana io, dia lasa fantatsika hoe i Rosia sy ny mpanohana azy no “mpanjakan’ny avaratra”, ary ny Firenena Matanjaka Anglisy-Amerikanina no “mpanjakan’ny atsimo.” Enjehin’ny “mpanjakan’ny avaratra” izao ny vahoakan’Andriamanitra mipetraka ao amin’ny taniny. Novonovonoina sy nampidirina am-ponja noho ny finoany ny Vavolombelona sasany. Tsy mampahatahotra an’ireo rahalahintsika anefa izany ataon’ny “mpanjakan’ny avaratra” izany, fa vao mainka aza manatanjaka ny finoany. Nahoana? Satria fantatr’izy ireo fa tanteraka ny faminanian’i Daniela rehefa enjehina ny vahoakan’Andriamanitra. (Dan. 11:41) Ho be fanantenana sy tsy hivadika mihitsy isika rehefa mahafantatra an’izany. w23.08 34:15-16
Alarobia 19 Martsa
Izay mikasika anareo dia mikasika ny anakandriamasoko.—Zak. 2:8.
Tia antsika i Jehovah, ka mora mahatsapa ny fihetseham-pontsika ary vonona hiaro antsika. Malahelo izy rehefa malahelo isika. Mety tsara àry raha mivavaka hoatr’izao isika: “Arovy toy ny anakandriamasonao aho.” (Sal. 17:8) Saro-pady ny maso sady tena sarobidy. Rehefa ampitovin’i Jehovah amin’ny anakandriamasony àry isika, dia hoatran’ny milaza izy hoe: ‘Izay mikitika anareo ry vahoakako, dia mikitika an’izay sarobidy amiko.’ Tian’i Jehovah ho resy lahatra ianao hoe tia anao izy. Fantany anefa hoe noho ny zavatra niainanao taloha, dia mety hisalasala ny amin’izany ianao. Na misy olana atrehinao amin’izao, dia lasa tsy dia matoky ny fitiavan’i Jehovah ianao. Inona àry no hanampy anao hatoky kokoa an’izany? Ianaro hoe ahoana no ampisehoan’i Jehovah hoe tiany i Jesosy sy ny voahosotra ary isika rehetra. w24.01 4:6-7
Alakamisy 20 Martsa
Nanampy anay ny tanan’Andriamanitray, ka namonjy anay tamin’ny fahavalo.—Ezra 8:31.
Efa hitan’i Ezra ny nanampian’i Jehovah ny vahoakany rehefa niharam-pitsapana ry zareo. Azo inoana hoe nipetraka tany Babylona i Ezra, taona maro talohan’izay, tamin’ny 484 T.K. Namoaka didy i Ahasoerosy Mpanjaka hoe hofongorana ny Jiosy nanerana ny Fanjakana Persianina. (Est. 3:7, 13-15) Notandindomin-doza àry ny ain’i Ezra! Dia inona no nataon’ny Jiosy “tany amin’ny faritany rehetra”? Nalahelo be ry zareo sady nifady hanina, ary azo antoka hoe nivavaka tamin’i Jehovah mba hahazoana ny tari-dalany. (Est. 4:3) Eritrereto izay tsapan’i Ezra sy ny Jiosy namany rehefa nitsimbadika ny tantara! Ireo nitetika handripaka ny Jiosy indray mantsy izao no novonoina. (Est. 9:1, 2) Mety ho nanomana an’i Ezra hiatrika an’izay fitsapana ho avy ny zavatra niainany tamin’izany. Azo inoana koa hoe vao mainka izy natoky fa mahavita miaro ny vahoakany i Jehovah. w23.11 48:12-13
Zoma 21 Martsa
Eken’Andriamanitra hoe olo-marina [ny olona iray] na dia tsy noho ny zavatra ataony aza.—Rom. 4:6.
Ny ‘zavatra atao mifanaraka amin’ny lalàna’, izany hoe amin’ny lalàn’i Mosesy nomena teo amin’ny Tendrombohitra Sinay, no tena tian’ny apostoly Paoly horesahina. (Rom. 3:21, 28) Toa sarotra tamin’ny Kristianina jiosy sasany tamin’izany ny nanaiky hoe tsy ilaina intsony ny mitandrina ny Lalàn’i Mosesy sy manao an’izay takina ao. Izany no nahatonga an’i Paoly hiresaka momba ny modelin’i Abrahama, mba hampisehoana hoe afaka ny ho marina eo anatrehan’Andriamanitra ny olona iray, na dia tsy “manao zavatra mifanaraka amin’ny lalàna” aza. Ny finoana kosa no tena ilaina. Mampahery izany, satria manome toky antsika hoe afaka ny hifandray tsara amin’Andriamanitra koa isika. Midika mantsy izany hoe raha maneho finoana an’Andriamanitra sy Kristy isika dia hankasitrahany. Tsy ny ‘zavatra atao mifanaraka amin’ny lalàna’ noresahin’i Paoly kosa ireo ‘zavatra atao’ noresahina ao amin’ny Jakoba toko faha-2. Izay zavatra ataon’ny Kristianina amin’ny fiainany andavanandro no tian’i Jakoba horesahina. (Jak. 2:24) Ireny mantsy no ahitana hoe tena manam-pinoana an’Andriamanitra ve ny Kristianina iray sa tsia. w23.12 50:8, 10-11
Asabotsy 22 Martsa
Ny lehilahy no lohan’ny vadiny.—Efes. 5:23.
Mila mifidy tsara an’izay ho vadiny ny anabavy te hanorin-tokantrano. Tadidio fa mila manaiky ny fitarihan’ilay olona ho vadinao ianao. (Rom. 7:2; Efes. 5:33) Saintsaino àry izao: ‘Kristianina matotra ve izy? Ny zavatra ara-panahy ve no ataony loha laharana? Mahay manapa-kevitra ve izy? Miaiky ny fahadisoany ve izy? Manaja vehivavy ve izy? Vitany ve ny hanampy ahy hatanjaka ara-panahy sy hamelona ahy? Afaka ny ho namana tsara ho ahy ve izy?’ Mazava ho azy fa raha te hahita vady tsara ianao, dia ianao aloha no tokony ho vady tsara. “Mpanampy” ho an’ny vadiny ny vehivavy sady “famenony.” (Gen. 2:18) Tia an’i Jehovah koa ilay vehivavy, dia miezaka manampy ny vadiny hanana laza tsara. (Ohab. 31:11, 12; 1 Tim. 3:11) Inona no azonao atao mba hiomanana amin’izany andraikitra izany? Miezaha mba ho tia kokoa an’i Jehovah, ary ho mpanampy ho an’ny fianakavianao sy ny fiangonana. w23.12 52:18-19
Alahady 23 Martsa
Raha misy aminareo tsy ampy fahendrena, dia aoka izy hangataka an’izany foana amin’Andriamanitra.—Jak. 1:5.
Mampanantena i Jehovah hoe hanome antsika ny fahendrena ilaintsika izy, mba hahaizantsika manapa-kevitra. Mila ny fahendren’Andriamanitra isika, indrindra rehefa hisy vokany amin’ny fiainantsika iray manontolo ny fanapahan-kevitra horaisintsika. Manome antsika hery hiaretana koa izy. Hanome antsika ny hery ilaintsika mba hiaretana fitsapana i Jehovah, hoatran’ny nataony tamin’ny apostoly Paoly. (Fil. 4:13) Mampiasa ny fianakaviantsika ara-panahy, ohatra, izy. Nivavaka mafy i Jesosy ny alina talohan’ny hanaovany sorona ny ainy. Niangavy an’i Jehovah izy mba tsy hamela ny olona hieritreritra hoe mpanevateva an’Andriamanitra izy, ka ho afa-baraka. Tsy izany anefa no nataon’i Jehovah. Naniraka anjely kosa izy, ary io rahalahin’i Jesosy io no nampahery azy. (Lioka 22:42, 43) Mety hampiasa ny rahalahy sy anabavy koa i Jehovah mba hanampiana antsika. Mety hiantso na hitsidika antsika, ohatra, ry zareo mba hampaherezana antsika. Samy afaka mitady hirika hilazana “teny mampahery” amin’ny mpiara-manompo isika rehetra.—Ohab. 12:25. w23.05 21:9-11
Alatsinainy 24 Martsa
Miezaha ... hifampahery sy hifanampy foana.—1 Tes. 5:11.
Nanahy angamba ireo tsy mitory na tsy mivory intsony tonga manatrika Fahatsiarovana sao tsy horaisina tsara. Aza mametraka fanontaniana tsy mampahazo aina, na milaza zavatra mety handratra ny fony àry sao ho menatra izy. Rahalahy sy anabavintsika ihany mantsy izy ireny. Faly isika fa manompo an’i Jehovah miaraka aminy indray. (Sal. 119:176; Asa. 20:35) Soa ihany isika fa nasain’i Jesosy nankalaza ny Fahatsiarovana ny nahafatesany isan-taona. Mandray soa be dia be na isika na ny hafa rehefa tonga. (Isaia 48:17, 18) Ho tia kokoa an’i Jehovah sy Jesosy isika. Asehontsika hoe tena mankasitraka an’izay nataony ho antsika isika. Vao mainka hifandray am-po koa isika sy ny mpiara-manompo. Ankoatra izay, dia afaka manampy ny hafa isika hoe inona koa no azony atao mba hahazoana ny fitahiana entin’ny vidim-panavotana. Andao àry isika hanao an’izay rehetra azontsika atao amin’ity mba hanatrehana ny Fahatsiarovana, ilay andro lehibe indrindra anatin’ny taona! w24.01 2:18-19
Talata 25 Martsa
Izaho Jehovah no ... mitarika anao.—Isaia 48:17.
Ahoana ny fomba itarihan’i Jehovah antsika? Amin’ny alalan’ny Teniny aloha. Misy olona asainy misolo tena azy koa anefa. Mampiasa ny “mpanompo mendri-pitokisana sy malina”, ohatra, izy mba hanomezana sakafo ara-panahy ho antsika, amin’izay isika mahay manapa-kevitra. (Mat. 24:45) Mampiasa lehilahy mahay hafa koa i Jehovah mba hitari-dalana antsika. Mampahery sy manome toromarika ho antsika, ohatra, ny mpiandraikitra ny faritra sy ny anti-panahy mba hanampiana antsika hiatrika olana. Soa ihany isika fa mahazo tari-dalana azo antoka amin’izao andro farany tsy mora atrehina izao! Manampy antsika izany mba hankasitrahan’i Jehovah foana, sy tsy hiala amin’ilay lalana mankany amin’ny fiainana. Mety ho sarotra amintsika ihany anefa ny manaraka ny tari-dalan’i Jehovah, indrindra raha lehilahy tsy lavorary no mampita an’ilay izy. Amin’ireny mihitsy isika no mila matoky hoe i Jehovah no mitarika ny vahoakany, ary tahiny izay manaraka ny tari-dalany. w24.02 8:2-3
Alarobia 26 Martsa
Tsy tokony ho tia amin’ny teny na amin’ny lela fotsiny isika, ... fa amin’ny atao sy amin’ny fahamarinana koa.—1 Jaona 3:18.
Hitombo ny fitiavantsika an’Andriamanitra, rehefa mianatra tsara ny Teniny isika. Rehefa mamaky Baiboly ianao, dia ezaho tadiavina hoe inona no azonao ianarana momba an’i Jehovah avy amin’ny andininy tsirairay. Eritrereto izao: ‘Nahoana ity tantara ity no mampiseho hoe tia ahy i Jehovah? Fa maninona aho no tokony ho tia an’i Jehovah raha io no jerena?’ Misy fomba hafa koa azontsika atao mba hampitomboana ny fitiavantsika an’i Jehovah. Inona izany? Aborahy aminy tsy tapaka izay ao am-ponao. (Sal. 25:4, 5) Izy kosa hamaly ny vavaka ataonao. (1 Jaona 3:21, 22) Tokony ho tia kokoa ny olon-kafa koa isika. Diniho ny apostoly Paoly. Nihaona tamina tovolahy mahafinaritra iray izay izy, taona vitsivitsy taorian’ny nahalasa Kristianina azy. Timoty ny anarany. Tia an’i Jehovah i Timoty sady tia olona. Izao no nolazain’i Paoly tamin’ny Filipianina: “Izaho tsy mahita olon-kafa mitovy toetra [amin’i Timoty], izay tena hikarakara anareo.” (Fil. 2:20) Toa ny fitiavan’i Timoty ny rahalahy sy anabavy no nampiaiky azy. Azo antoka fa tsy andrin’ny fiangonana notsidihin’i Timoty izay hahatongavany.—1 Kor. 4:17. w23.07 30:7-10
Alakamisy 27 Martsa
Tsy hahafoy anao mihitsy [aho].—Heb. 13:5.
Maty i Mosesy talohan’ny nidiran’ny Israelita tao amin’ny Tany Nampanantenaina. Dia nihahaka fotsiny ve ny vahoakan’Andriamanitra rehefa tsy teo intsony io lehilahy nanam-pinoana io? Tsy izany. Nikarakara an-dry zareo foana i Jehovah, raha mbola tsy nivadika ry zareo. Nasainy nanendry an’i Josoa hitarika ny vahoakany i Mosesy talohan’ny ho faty. Efa am-polony taona àry i Mosesy no nampiofana azy. (Eks. 33:11; Deot. 34:9) Nisy lehilahy mahay hafa be dia be koa nitarika teo amin’ny Israely, ohatra hoe ny lehiben’ny arivo, lehiben’ny zato, lehiben’ny dimampolo, ary lehiben’ny folo mihitsy aza. (Deot. 1:15) Voakarakara tsara ny vahoakan’Andriamanitra. Hoatr’izany koa tamin’ny andron’i Elia. Izy no nitarika ny fivavahana madio teo amin’ny Israelita, nandritra ny am-polony taona. Nomen’i Jehovah fanendrena hafa tany atsimo tany Joda anefa izy, tatỳ aoriana. (2 Mpanj. 2:1; 2 Tan. 21:12) Nafoy ve izany ny vahoaka tsy nivadika tany amin’ny fanjakan’ireo foko folon’ny Israely? Tsy izany. Efa nampiofana an’i Elisa aman-taonany i Elia. Nihatanteraka foana ny fikasan’i Jehovah ary nikarakara ny mpanompony tsy nivadika izy. w24.02 5:12
Zoma 28 Martsa
Asehoy eo amin’ny fiainanareo foana fa zanaky ny mazava ianareo.—Efes. 5:8.
Nampiharin’ny Kristianina tany Efesosy ny fahamarinana ao amin’ny Soratra Masina, izay azo oharina amin’ny hazavana. (Sal. 119:105) Niala tamin’ny fanaon’ny fivavahan-diso ireo Efesianina ireo sady tsy ratsy fitondran-tena intsony. ‘Nanahaka an’Andriamanitra’ ry zareo, ary nanao izay tsara indrindra vitany mba hanompoana an’i Jehovah sy hampifaliana azy. (Efes. 5:1) Hoatr’izany koa isika. Tao amin’ny haizina ara-pivavahana sy ara-pitondran-tena isika talohan’ny nianarantsika ny fahamarinana. Nisy tamintsika nankalaza ny fetin’ny fivavahan-diso, ary ny hafa indray ratsy fitondran-tena. Niova anefa isika raha vao nahafantatra ny fitsipik’i Jehovah momba ny tsara sy ratsy. Nanomboka nampihatra an’ireny teo amin’ny fiainantsika isika, dia mandray soa be dia be. (Isaia 48:17) Mbola mitohy anefa ny ady. Efa niala tamin’ny haizina isika sady mbola manalavitra an’izany, ary ‘asehontsika eo amin’ny fiainantsika foana fa zanaky ny mazava’ isika. w24.03 12:6-7
Asabotsy 29 Martsa
Efa misy fandrosoana vitantsika ..., ka andao isika hiezaka handroso hoatr’izany foana.—Fil. 3:16.
Mety hieritreritra ianao hoe mbola tsy vonona hanokan-tena sy hatao batisa. Mbola misy fiovana mila ataonao angamba mba hanarahana ny fitsipik’i Jehovah, na mila fotoana kokoa ianao mba hanatanjahana ny finoanao. (Kol. 2:6, 7) Tsy mitovy ny fandrosoan’ny mpianatra Baiboly rehetra. Tsy hoe rehefa mahatratra izao na izao taona koa ny tanora, dia vonona ny hanokan-tena sy hatao batisa daholo ka hoe tokony hanao an’izany rehefa tonga io fotoana io. Jereo àry hoe hoatran’ny ahoana ny fandrosoanao arakaraka izay azonao atao, fa aza mampitaha tena amin’ny hafa. (Gal. 6:4, 5) Na dia tsapanao aza hoe mbola tsy vonona hanokan-tena ho an’i Jehovah ianao, dia ataovy tanjona foana izany. Angataho i Jehovah mba hitahy ny ezaka ataonao hanaovana an’izay fiovana rehetra ilaina. (Fil. 2:13) Matokia fa hihaino sy hamaly ny vavakao izy.—1 Jaona 5:14. w24.03 9:9-10
Alahady 30 Martsa
Ianareo lehilahy, miaraha mitoetra foana amin’ny vadinareo, ka miezaha hahazo tsara ny fihetseham-pony.—1 Pet. 3:7.
Nalahelo be i Saraha indray mandeha, dia nanampatra an’izany tany amin’i Abrahama, sady nanome tsiny azy mihitsy aza. Fantatr’i Abrahama hoe nanaiky sy nanohana azy foana i Saraha hatramin’izay. Nihaino azy àry izy, dia niezaka nandamina an’ilay olana. (Gen. 16:5, 6) Inona no ianarantsika avy amin’izany? Marina hoe manana fahefana handray fanapahan-kevitra ho an’ny fianakavianareo ianareo ry lehilahy manambady. (1 Kor. 11:3) Be fitiavana anefa ianao, rehefa mihaino tsara ny hevitry ny vadinao alohan’ny hanapahana hevitra, indrindra raha hisy vokany aminy ilay izy. (1 Kor. 13:4, 5) Nanapa-kevitra ny handray vahiny tsy nampoizina koa i Abrahama, indray mandeha. Nangataka tamin’i Saraha àry izy mba hanajanona an’izay nataony, ka hanomana mofo be dia be. (Gen. 18:6) Tonga dia nanao zavatra i Saraha, sady nanohana ny fanapahan-kevitr’i Abrahama. Manahaka an’i Saraha koa ianareo vehivavy, rehefa manohana ny fanapahan-kevitry ny vadinareo. Hihamafy ny tokantranonareo rehefa manao an’izany ianareo.—1 Pet. 3:5, 6. w23.05 23:16-17
Alatsinainy 31 Martsa
Ny fahendrena avy any ambony ... [dia] vonona hankatò.—Jak. 3:17.
Sarotra tamin’i Gideona ny nankatò sy nampiseho herim-po, rehefa avy notendrena ho mpitsara izy. Nasaina nosimbany mantsy ilay alitara nampiasain’ny dadany hanompoana an’i Bala, ary nampidi-doza izany. (Mpits. 6:25, 26) Nanangona tafika koa izy tatỳ aoriana, nefa avy eo nasaina nahena indroa izany. (Mpits. 7:2-7) Tamin’ny farany izy nasaina nanafika ny tobin’ny fahavalo tamin’ny alina be. (Mpits. 7:9-11) Tokony ho “vonona hankatò” koa ny anti-panahy. Tonga dia manaiky an’izay lazain’ny Soratra Masina ny anti-panahy mankatò, sady vonona hanaraka ny tari-dalan’ny fandaminana. Modely ho an’ny hafa àry izy. Mety ho sarotra aminy anefa ny hankatò indraindray. Rehefa mahazo toromarika be dia be, ohatra, izy na miovaova haingana ny toromarika azony, dia sarotra aminy ny mampihatra an’ireny. Indraindray koa izy lasa saina hoe tena azo ampiharina na mety ve ny toromarika sasany. Na izy asaina manao zavatra mety hahatonga azy ho voasambotra. Ahoana no azon’ny anti-panahy anahafana an’i Gideona rehefa hoatr’izany? Henoy tsara ny toromarika azonao, dia ampiharo. w23.06 25:9-11