Febroary
Asabotsy 1 Febroary
Hihaino anareo aho.—Jer. 29:12.
Rehefa narary be i Hezekia Mpanjaka, dia niangavy an’i Jehovah mba hanampy azy ho salama. Namaly azy i Jehovah ka nositraniny izy. (2 Mpanj. 20:1-6) Nisy fotoana koa ny apostoly Paoly niangavy an’i Jehovah mba hanala an’ilay ‘tsilo tao amin’ny nofony.’ Dia ahoana no nataon’i Jehovah? Tsy nositraniny i Paoly. (2 Kor. 12:7-9) Samy tian’i Heroda Mpanjaka hovonoina ny apostoly Jakoba sy Petera. Novonoina ihany i Jakoba, fa i Petera kosa nanaovan’i Jehovah fahagagana dia voavonjy. (Asa. 12:1-11) Fa maninona i Petera no novonjen’i Jehovah fa i Jakoba navelany ho faty? Tsy mamaly an’izany ny Baiboly. Ny azontsika antoka dia hoe “sanatria [an’i Jehovah] ny hanao ny tsy rariny.” (Deot. 32:4) Indraindray koa mety tsy ho araka ny nantenaintsika ny valim-bavaka azontsika. Matoky anefa isika hoe amim-pitiavana sy ara-drariny foana no amalian’i Jehovah ny vavaka ataontsika. Tsy mimenomenona ny amin’ny fomba amaliany an’ilay izy àry isika.—Joba 33:13. w23.11 49:6
Alahady 2 Febroary
Ny fahendrena avy any ambony ... dia ... vonona hankatò.—Jak. 3:17.
Nahazo fanahy masina i Jakoba ka nanoratra hoe hendry izay “vonona hankatò.” Inona no dikan’izany? Tokony hazoto sy ho vonona hankatò an’izay nanankinan’i Jehovah fahefana isika. Mazava ho azy fa tsy tian’i Jehovah hankatò isika raha asaina mandika ny didiny. (Asa. 4:18-20) Mety ho mora kokoa amintsika ny hankatò an’i Jehovah noho ny hoe mankatò olombelona. Ny an’i Jehovah mantsy tonga lafatra foana ny toromarika omeny. (Sal. 19:7) Tsy hoatr’izany anefa ny an’ny olombelona manana fahefana. Na izany aza, dia nomen’ilay Raintsika any an-danitra fahefana sasany ny ray aman-dreny sy ny mpitondra fanjakana ary ny anti-panahy. (Ohab. 6:20; 1 Tes. 5:12; 1 Pet. 2:13, 14) Rehefa mankatò an-dry zareo isika, dia hoatran’ny hoe mankatò an’i Jehovah ihany. w23.10 42:2-3
Alatsinainy 3 Febroary
Azo antoka sady marina ireo teny ireo.—Apok. 21:5.
Mihamatanjaka ny finoantsika rehefa mandinika ny herin’i Jehovah isika. Manana hery hanatanterahana an’izay rehetra ampanantenainy izy. Izy mantsy no Andriamanitra Mahery Indrindra. (Joba 42:2; Mar. 10:27; Efes. 3:20) Nanome toky an’i Abrahama sy Saraha izy hoe hataony manan-janakalahy ry zareo, na dia efa antitra aza izy mivady. (Gen. 17:15-17) Nilaza tamin’i Abrahama koa izy fa homeny ny taranany ny tany Kanana. Ny Israelita no taranak’i Abrahama. Aman-taonany ry zareo no andevo tany Ejipta, ka lasa hoatran’ny hoe tsy ho tanteraka mihitsy ilay fampanantenan’Andriamanitra. Tanteraka anefa izany. Nisy fampanantenana niavaka nataon’i Jehovah koa tatỳ aoriana. Niteny tamin’i Maria izy fa hiteraka an’ilay Zanany lahy, na dia mbola virjiny aza i Maria. Efa an’arivony taona talohan’izay i Jehovah no nampanantena ny fahatongavan’io Zanany io, tamin’ny mbola tany amin’ny zaridainan’i Edena. (Gen. 3:15) Tanteraka koa io fampanantenana io! Vao mainka isika mino hoe manana hery hampisy ny tontolo vaovao i Jehovah, rehefa saintsainintsika ny fampanantenana nomeny hatramin’izay sy ny fomba nanatanterahany an’ireny.—Jos. 23:14; Isaia 55:10, 11. w23.04 19:10-12
Talata 4 Febroary
Jehovah ô, henoy ny vavaka ataoko; henoy ny fitalahoako fanampiana.—Sal. 143:1.
Namaly ny antso vonjy nataon’i Davida i Jehovah. (1 Sam. 19:10, 18-20; 2 Sam. 5:17-25) Afaka ny ho feno toky hoatr’izany koa isika. (Sal. 145:18) Mety tsy ho araka ny ieritreretantsika azy no amalian’i Jehovah ny vavaka ataontsika. Nangataka tamin’Andriamanitra i Paoly mba hanala an’ilay ‘tsilo tao amin’ny nofony.’ Intelo izy no nivavaka mazava tsara momba an’io olana sarotra io. Namaly an’ireo vavaka ireo ve i Jehovah? Ie, fa tsy araka ny nantenain’i Paoly ny valim-bavaka azony. Tsy nanala an’ilay olana mantsy i Jehovah. Nomeny ny hery nilaina kosa i Paoly mba hahavita hanompo azy foana sy tsy hivadika aminy. (2 Kor. 12:7-10) Mety tsy ho araka ny ieritreretantsika azy koa ny valim-bavaka azontsika indraindray. Afaka matoky anefa isika hoe fantatr’i Jehovah tsara ny fomba mety indrindra hanampiana antsika. Afaka “manao mihoatra noho izay rehetra angatahintsika na eritreretintsika” mihitsy aza izy, “ary mihoatra lavitra noho izany aza.” (Efes. 3:20) Mety tsy ho araka ny anampoizantsika azy àry ny fotoana na ny fomba amaliany ny vavaka ataontsika. w23.05 21:4-6
Alarobia 5 Febroary
Ho avy ny fotoana handrenesan’izay rehetra any am-pasana ny feony, dia hivoaka izy ireo.—Jaona 5:28, 29.
Tsara isika rehetra raha misaintsaina tsindraindray an’ilay fampanantenan’ny Baiboly hoe hatsangana ny maty. Tsy haintsika mihitsy mantsy hoe rahoviana isika no harary mafy. Mety ho faty tampoka koa ny olona akaiky antsika. (Mpito. 9:11; Jak. 4:13, 14) Hanampy antsika hiatrika olana hoatr’izany ny fanantenana fitsanganana amin’ny maty. (1 Tes. 4:13) Manome toky ny Soratra Masina fa mahafantatra antsika tsara ilay Raintsika any an-danitra sady tena tia antsika. (Lioka 12:7) Eritrereto ange e! Tsy maintsy hoe mahafantatra antsika tsara i Jehovah matoa vitany ny hamorona antsika indray, dia hamerina ny toetrantsika sy ny fitadidiantsika. Tena tia antsika izy ka nataony ho afaka hiaina mandrakizay isika, na dia hoe mila manangana antsika amin’ny maty aza izy raha ilaina izany. Nahoana isika no afaka mino fa hatsangana ny maty? Satria isika resy lahatra hoe maniry hanatanteraka an’ilay fampanantenany izy, sady manana hery na fahaizana hanatanterahana an’ilay izy. w23.04 16:2-4
Alakamisy 6 Febroary
Mpankany Jerosalema [i Josefa sy Maria] isan-taona, rehefa fetin’ny Paska.—Lioka 2:41.
Niara-niasa i Josefa sy Maria mba ho mafy tsara ny fifandraisan-dry zareo tamin’i Jehovah. Fantatr’izy mivady fa tena zava-dehibe hoe miara-manompo an’i Jehovah ny fianakaviana. (Lioka 2:22-24; 4:16) Tena modely ho an’ny mpivady amin’izao ry zareo! Raha manan-janaka ianareo, hoatran’i Josefa sy Maria, dia mety ho sarotra ny mandeha mivory na mahita fotoana hanaovana Fotoam-pivavahan’ny Fianakaviana. Mety ho vao mainka sahirana aza ianareo mivady vao mahita fotoana hiarahana mianatra na mivavaka. Tadidio anefa fa raha miara-manompo an’i Jehovah ianareo, dia hifandray kokoa aminy sady vao mainka hifankatia. Ataovy loha laharana àry ny fanompoana azy. Raha misy olana ny tokantranonareo, dia mety ho kamo ianareo na dia ny mieritreritra fotsiny aza hoe hiaraka hanao fotoam-pivavahana. Maninona àry raha zavatra fohifohy sy mahafinaritra aloha no anombohana azy? Mety hanampy anareo roa hanatsara ny fifandraisanareo izany, ary vao mainka ianareo te hiaraka hanao zavatra ara-panahy. w23.05 23:7-8
Zoma 7 Febroary
Olona tena natahotra an’i Jehovah i Obadia.—1 Mpanj. 18:3.
Inona no vokatr’izany tahotra izany tamin’i Obadia? Nahatonga azy hanao ny marina sy ho mendri-pitokisana izany, ka nasain’ny mpanjaka niandraikitra ny ankohonany izy. (Ampitahao amin’ny Nehemia 7:2.) Nanana herim-po niavaka koa i Obadia noho izy natahotra an’Andriamanitra, ary tena nilainy izany toetra izany. Velona tamin’ny fotoana nitondran’i Ahaba Mpanjaka ratsy fanahy mantsy izy. (1 Mpanj. 16:30) Teo koa i Jezebela vadin’i Ahaba. Tsy tia maizina an’i Jehovah io mpivavaka tamin’i Bala io, ka nanao izay hanafoanana ny fivavahana marina tao amin’ny fanjakan’Israely tany avaratra. Be dia be aza ny mpaminanin’Andriamanitra novonoiny. (1 Mpanj. 18:4) Rehefa nanomboka nanao haza lambo ny mpaminanin’Andriamanitra i Jezebela, dia nanafina mpaminany 100 i Obadia, ‘ka 50 avy no nataony tao anaty lava-bato, ary nitondrany mofo sy rano ry zareo.’ (1 Mpanj. 18:13, 14) Azo antoka hoe ho novonoina i Obadia raha tratra. Mazava ho azy fa tsy te ho faty io lehilahy be herim-po io, satria olombelona ihany. Tiany kokoa noho ny ainy anefa i Jehovah sy ireo nanompo azy. w23.06 27:9-10
Asabotsy 8 Febroary
Izaho Jehovah no ... mitarika anao.—Isaia 48:17.
Mbola mitari-dalana ny vahoakany i Jehovah amin’izao, hoatran’ny nataony taloha. Manao an’izany amin’ny alalan’ny Teniny sy ny Zanany, ilay lohan’ny fiangonana, izy. Manana porofo mazava ve isika hoe mbola mampiasa olombelona Andriamanitra mba hisolo tena azy? Ie. Eritrereto fotsiny izay nitranga taorian’ny 1870. Nanomboka hitan’i Charles Russell sy ny namany hoe taona hiavaka ho an’ny Fanjakan’Andriamanitra ny 1914. (Dan. 4:25, 26) Nahay an’izany ry zareo satria nandalina ny faminanian’ny Baiboly. Nitarika an’io fikarohana io ve i Jehovah? Mazava ny valiny. Noporofoin’ny zava-nitranga eran-tany tamin’ny 1914 mantsy hoe nanomboka nitondra ilay Fanjakana. Nipoaka ny Ady Lehibe I, dia avy eo nisy areti-mandringana sy horohoron-tany ary mosary. (Lioka 21:10, 11) Tena nampiasa an’ireny lehilahy kristianina tso-po ireny àry i Jehovah mba hanampiana ny vahoakany. w24.02 8:11
Alahady 9 Febroary
Maro ny zava-tsarotra atrehin’ny olo-marina, nefa manafaka azy amin’izany rehetra izany i Jehovah.—Sal. 34:19.
Vahoakan’i Jehovah isika ka fantatsika hoe tia antsika izy, ary tiany ho tsara indrindra araka izay azo atao ny fiainantsika. (Rom. 8:35-39) Resy lahatra koa isika hoe handray soa foana isika rehefa mampihatra ny torolalan’ny Baiboly. (Isaia 48:17, 18) Ahoana anefa raha miatrika olana tsy nampoizina isika? Mety handiso fanantenana antsika, ohatra, ny olona ao amin’ny fianakaviantsika. Mety harary mafy koa isika, ka ho voafetra ny azontsika atao ho an’i Jehovah. Na mety hijaly isika vokatry ny rivo-doza na horohoron-tany na loza hafa. Mety henjehina noho ny finoantsika koa isika. Rehefa miatrika fitsapana hoatr’ireo isika, dia mety ho lasa saina hoe: ‘Fa maninona àry aho no tratran’izao? Nisy tsy nety nataoko ve? Fa angaha izaho tsy tahin’i Jehovah?’ Efa nahatsapa hoatr’izany ve ianao? Raha izany, dia aza kivy. Betsaka amin’ny mpanompon’i Jehovah tsy mivadika mantsy no mahatsapa hoatr’izany.—Sal. 22:1, 2; Hab. 1:2, 3. w23.04 17:1-2
Alatsinainy 10 Febroary
Tapa-kevitra ny hankatò ny fitsipikao aho, eny, hankatò an’izany foana.—Sal. 119:112.
Rehefa misy fakam-panahy, dia tonga dia tsy manaiky hieritreritra na hanao zavatra mety hanimba ny fifandraisantsika amin’Andriamanitra isika. Tian’i Jehovah ho “mpankatò amin’ny fo” isika. (Rom. 6:17) Mahasoa antsika foana ny tari-dalany, ary tsy azontsika ovana mihitsy ny lalàny. (Isaia 48:17, 18; 1 Kor. 6:9, 10) Mampiasa herisetra sy fanerena an-kolaka ny Devoly, mba hahatonga antsika tsy ho tena tapa-kevitra hankatò an’i Jehovah. Te ‘handrapaka’ antsika mantsy izy, izany hoe te hanimba ny fifandraisantsika amin’i Jehovah. (1 Pet. 5:8) Ny Kristianina tamin’ny taonjato voalohany, ohatra, norahonana sy nokapohina ary novonoina, satria tapa-kevitra ny tsy hivadika. (Asa. 5:27, 28, 40; 7:54-60) Mbola mampiasa fanenjehana koa i Satana amin’izao. Manamarina an’izany ny fampijalijaliana an’ireo rahalahy sy anabavintsika any Rosia sy any an-tany hafa, ary ny fanoherana mianjady amin’ny tsirairay. Mampiasa ‘teti-dratsy’ i Satana, ankoatra ny fanafihana mivantana.—Efes. 6:11. w23.07 31:6-9
Talata 11 Febroary
Andao hitombo amin’ny lafiny rehetra noho ny fitiavana.—Efes. 4:15.
Vao mainka ianao ho tia an’i Jehovah, arakaraka ny ianaranao ny Teniny. Io fitiavana io no mandrisika anao hampihatra an’izay ianaranao. Lasa mahay manapa-kevitra kokoa ianao, rehefa manaraka ny torolalan’ny Baiboly. Hatsarainao koa ny toe-tsainao sy ny fitondran-tenanao, satria ianao te hampifaly an’Andriamanitra. Manahaka an’ilay Rainao any an-danitra ianao, hoatran’ny ankizikely manahaka an’ilay dadany tena tia azy. (Efes. 5:1, 2) Mety hieritreritra isika hoe: ‘Nihanitombo ve ny fitiavako an’i Jehovah, raha oharina amin’ny tamin’izaho vao lasa Kristianina? Hatramin’izay nanaovana batisa ahy izay, dia efa mihamitovy amin’ny an’i Jehovah ve ny fomba fisainako sy ny zavatra ataoko, indrindra amin’ny resaka hoe mampiseho fitiavana amin’ny rahalahiko sy anabaviko?’ Aza kivy raha somary nihalefy “ilay fitiavanao voalohany.” Hoatr’izany koa mantsy no nitranga tamin’ny Kristianina tamin’ny taonjato voalohany. Tsy nanary an-dry zareo anefa i Jesosy ary tsy hanary anao koa izy. (Apok. 2:4, 7) Fantany hoe azontsika velomina indray ilay fitiavana nananantsika tamin’isika vao nahalala ny fahamarinana. w23.07 30:2-3
Alarobia 12 Febroary
Tsara toetra sy vonona hamela heloka ... ianao, Jehovah ô!—Sal. 86:5.
Nanao fahadisoana maromaro nisesisesy ny apostoly Petera. Natoky tena loatra izy tamin’ny voalohany, dia nirehareha hoe tsy hivadika mihitsy izy na dia handao an’i Jesosy daholo aza ny apostoly hafa. (Mar. 14:27-29) Imbetsaka izy taorian’izay no tsy nahavita niambina. (Mar. 14:32, 37-41) Avy eo izy namela an’i Jesosy hosamborin’ny vahoaka romotra. (Mar. 14:50) Tamin’ny farany aza izy nanda hoe tsy nahafantatra an’i Jesosy. Intelo izy no nanao an’izany sady nianiana mihitsy! (Mar. 14:66-71) Inona no nataon’i Petera rehefa tsapany hoe nanao fahotana lehibe izy? Nalahelo be izy dia nigogogogo nitomany, satria angamba tena nanamelo-tena. (Mar. 14:72) Tsy nibedy an’i Petera i Jesosy noho ilay zavatra tsy nety nataony, fa nilaza tamin’ilay namany kosa hoe hahazo andraikitra lehibe kokoa izy. (Jaona 21:15-17) Fantatr’i Petera fa tena ratsy ny nataony, nefa tsy namoy fo izy. Fa maninona? Satria resy lahatra izy hoe tsy nahafoy azy i Jesosy Tompony. Inona no ianarantsika avy amin’izany? Tian’i Jehovah ho resy lahatra isika hoe tia antsika izy sady mamela heloka.—Rom. 8:38, 39. w24.03 11:13-15
Alakamisy 13 Febroary
Betsaka no efa novonoiny.—Ohab. 7:26.
Misy vokany ratsy raha maloto fitondran-tena ny olona iray. Mety ho afa-baraka izy, hahatsiaro tena ho tsy misy vidiny, hitondra vohoka tsy nirina, ary ho rava ny tokantranony. Mazava àry fa hendry isika, raha manalavitra ny ‘tranon’ilay’ vehivavy tsisy saina. Tsy vitan’ny hoe maty ara-panahy mantsy ny olona ratsy fitondran-tena, fa betsaka koa no lasa mahazo aretina ka maty aloha loatra. (Ohab. 7:23) Izao no mamarana ny andininy faha-18 amin’ny Ohabolana toko faha-9: “Any amin’ny Fasana ny olona nasain’ilay vehivavy.” Nahoana àry no betsaka no manaiky ny fanasany, nefa loza no vokany? (Ohab. 9:13-18) Ny sary sy boky ary video vetaveta no anisan’ny fandrika fahita indrindra. Misy mieritreritra hoe tsy mampaninona ireny. Tena manimba anefa ireny, sady mampietry, ary manandevo. Mora miraikitra ao an-tsaina ireny sary ireny, nefa sarotra esorina. Tsy hoe mamono ny fanirian-dratsy koa izy ireny, fa vao mainka aza mampiredareda an’izany. (Kol. 3:5; Jak. 1:14, 15) Betsaka amin’ny olona nijery an’ireny no lasa ratsy fitondran-tena. w23.06 28:10-11
Zoma 14 Febroary
Dia hotorotoroin’io fanjakana io sy hofoanany ireo fanjakana rehetra ireo, fa izy irery ihany no haharitra mandrakizay.—Dan. 2:44.
Tsy hisy firenena hisolo ny Firenena Matanjaka Anglisy-Amerikanina, na dia manohitra azy aza ny firenen-kafa indraindray. Fantatsika izany satria hopotipotehin’ilay “vato” ilay tongotra, izany hoe horinganin’ny Fanjakan’Andriamanitra ny Firenena Matanjaka Anglisy-Amerikanina. (Dan. 2:34, 35, 44, 45) Resy lahatra ve ianao hoe marina ilay faminaniana momba ny tongotra vy sy tanimanga? Raha izany, dia hisy vokany amin’ny fomba itondranao ny fiainanao izany. Tsy hangoron-karena eto amin’ity tontolo efa ho rava ity ianao. (Lioka 12:16-21; 1 Jaona 2:15-17) Rehefa azonao tsara koa io faminaniana io, dia ho tsapanao hoe tena zava-dehibe ny asa fitoriana sy fampianarana. (Mat. 6:33; 28:18-20) Avy nandinika an’iny faminaniana iny isika teo, dia maninona raha saintsainina hoe: ‘Hita amin’ny fanapahan-kevitro ve fa resy lahatra aho hoe kely sisa ny Fanjakan’Andriamanitra dia handringana ny fitondran’olombelona rehetra?’ w23.08 34:13-14
Asabotsy 15 Febroary
Samy hataon’Andriamanitra ampamoaka isika tsirairay.—Rom. 14:12.
Miezaha hanetry tena dia ekeo hoe mety ho voafetra ny azonao atao izao, noho ny taonanao na ny fahasalamanao na ny zavatra iainanao. Tokony ho vonona handa tombontsoa hoatran’i Barzilay ianao, raha sarotra aminao ny hanao an’ilay izy noho ianao efa nahazoazo taona na efa osa. (2 Sam. 19:35, 36) Manaova hoatran’i Mosesy, ka ekeo ny fanampian’ny hafa ary miezaha hizara andraikitra raha mety. (Eks. 18:21, 22) Rehefa manetry tena hoatr’izany ianao, dia tsy ho reraka satria tsy hanantena zavatra tsy hisy mihitsy. Tsy tokony hahatsiaro ho tompon’andraikitra amin’ny fanapahan-kevitra ratsy nataon’ny hafa isika. Tsy afaka manapa-kevitra ho an’ny hafa isika, na miaro an-dry zareo amin’ny vokatry ny fanapahan-kevitra ratsy nataony. Mety hanapa-kevitra, ohatra, ny zanaka hoe tsy hanompo an’i Jehovah intsony. Tena mahavaky fo ny ray aman-dreny izany. Tsy mety anefa ny manamelo-tena noho ny fanapahan-kevitra ratsy nataon’ny ankizy, satria hanavesatra izany. Tsy tian’i Jehovah hibaby an’izany ny ray aman-dreny. w23.08 36:11-12
Alahady 16 Febroary
Raiki-pitia tamin’ny vehivavy iray [i Samsona]. Delila no anaran’ilay vehivavy.—Mpits. 16:4.
Tsy lavorary hoatr’antsika i Samsona, ka indraindray nanao safidy ratsy. Nisy fanapahan-kevitra iray izay, ohatra, tena nampidi-kizo azy. Efa mpitsara nandritra ny fotoana elaela izy tamin’izay, dia “raiki-pitia tamin’ny vehivavy iray tany amin’ny Lohasahan’i Soreka. ... Delila no anaran’ilay vehivavy.” Tsy nitovy tamin’ny teo aloha anefa ny fiarahany tamin’i Delila. Nanana fofombady i Samsona taloha, ary vehivavy filistinina izy io. I Jehovah anefa no nahatonga an-dry zareo hiaraka satria “nitady hirika hamelezana ny Filistinina” Izy. Nankany Gaza tanànan’ny Filistinina i Samsona tatỳ aoriana, dia nijanona tao an-tranon’ny mpivaro-tena iray. Nomen’Andriamanitra hery i Samsona tamin’izay, ka nesoriny sy nentiny lavitra ny vavahadin’ilay tanàna, dia lasa tsy voaro intsony izy io. (Mpits. 14:1-4; 16:1-3) Hafa mihitsy anefa ny fiarahany tamin’i Delila. Toa Israelita mantsy i Delila, ka tsy hirika hiadiana tamin’ny Filistinina ilay izy niaraka taminy. Notambazan’ny Filistinina vola be i Delila, mba hamadihany an’i Samsona. w23.09 37:12-13
Alatsinainy 17 Febroary
Mahatsindry fo ny olona lalin-tsaina.—Ohab. 19:11.
Manampy antsika halemy fanahy ny hoe lalin-tsaina. Fa maninona? Mahafehy tena ny olona lalin-tsaina rehefa misy manakiana ny zavatra inoany. Matetika no tsy lazain’ny olona amintsika ny tena anton’ny fanontaniany na izay mampanahy azy. Alohan’ny hamalianao azy àry, dia mila miaiky ianao hoe mety tsy ho fantatrao ny nahatonga azy hametraka an’ilay fanontaniana. (Ohab. 16:23) Diniho ny fomba namalian’i Gideona ny Efraimita. Sosotra be ry zareo satria tsy nantsoin’i Gideona, tamin’izy niady tamin’ny fahavalon’ny Israely. Inona anefa no tena nahatonga an-dry zareo ho tezitra? Mety hoe voadona ve ny hambom-pony? Na ahoana na ahoana, dia hendry i Gideona ka nanaja ny fihetseham-pon-dry zareo, ary nalemy fanahy rehefa namaly azy. Dia inona ny vokany? “Mba tonitony izy ireo.”—Mpits. 8:1-3. w23.09 39:8-9
Talata 18 Febroary
Izaho ilay tena nahafinaritra azy isan’andro isan’andro.—Ohab. 8:30.
Tsy misy ray sy zanaka mifandray akaiky be hoatran’i Jehovah sy Jesosy. Nalahelo be izao i Jehovah nahita ny Zanany nampijalijalina, natao tsinontsinona, ary niharam-pitsapana. Raha efa maty zanaka ianao, dia hainao tsara fa mavesatra be ny alahelo vokatr’izany. Tena mino ny fananganana ny maty isika, nefa tsy mamafa an’ilay fahoriana ao am-pontsika izany. Hitantsika avy amin’io ohatra io izay tsapan’i Jehovah, rehefa nahita an’ilay Zanany malala nijaly sy maty tamin’io andro iray tamin’ny taona 33 io. (Mat. 3:17) Maninona raha momba ny vidim-panavotana no ataonao fianarana samirery na ataonareo Fotoam-pivavahan’ny Fianakaviana mandra-pahatongan’ny Fahatsiarovana? Aza hadinoina koa ny mijery an’ilay fotoam-pivavahana maraina manokana, amin’ny andron’ny Fahatsiarovana. Raha manomana ny fontsika ho amin’ny Fahatsiarovana isika, dia ho afaka hanampy ny hafa handray soa avy amin’izy io koa.—Ezra 7:10. w24.01 2:10-12
Alarobia 19 Febroary
Hanatanjaka anareo [izy].—1 Pet. 5:10.
Afaka mahazo hery avy amin’i Jehovah, ohatra, isika rehefa mivavaka aminy. Hamaly an’izany izy, ka hanome antsika “hery mihoatra noho ny an’ny olombelona.” (2 Kor. 4:7) Hahazo hery koa isika rehefa mamaky sy misaintsaina ny Teniny. (Sal. 86:11) Misy heriny mantsy ny hafatra omeny antsika ao amin’ny Baiboly. (Heb. 4:12) Rehefa mivavaka amin’i Jehovah ianao sady mamaky ny Teniny, dia hahazo ny hery ilainao mba hahafahanao hiaritra, ho falifaly foana, na hamita ny asa sarotra anendrena anao. Mariho hoe ahoana no nanatanjahan’i Jehovah an’i Jona mpaminany. Nandositra i Jona satria tsy te hanao an’ilay asa sarotra nanendren’i Jehovah azy. Dia inona no vokany? Saika maty tao amin’ny tafio-drivotra izy sy ireo tantsambo niara-dia taminy. Natsipy tany an-dranomasina izy avy eo, ka lasa tao amin’ny toerana iray mbola tsy nalehany mihitsy. Taiza izany? Tao anaty kibon’ny trondro be. Maizina be tao. Inona no nataon’i Jona mba hahazoana hery rehefa irery tao amin’io toerana mitokana io izy? Nivavaka izy.—Jona 2:1, 2, 7. w23.10 43:4-6
Alakamisy 20 Febroary
Efa manakaiky ... ny faran’ny zava-drehetra.—1 Pet. 4:7.
Marina hoe ho an’ny Kristianina tamin’ny taonjato voalohany no nanoratan’ny apostoly Petera an’ireo taratasy ireo. Nataon’i Jehovah anisan’ny Teniny anefa ireo, ka afaka mandray soa avy amin’izany isika. (Rom. 15:4) Olona tsy mino ny faminanian’ny Baiboly no manodidina antsika. Mety haneso antsika ny mpanohitra, satria efa aman-taonany isika no nilaza hoe ho avy ny farany. Ny mpanakiana sasany aza miteny hoe tsy ho tonga mihitsy izany. (2 Pet. 3:3, 4) Ahoana raha milaza an’izany ny olona itoriantsika, na ny mpiara-miasa amintsika, na ny fianakaviantsika? Mety hampihena ny finoantsika izany. Nohazavain’i Petera àry hoe inona no afaka manampy antsika. Mety hisy hieritreritra hoe ela be i Jehovah vao mamarana an’izao tontolo ratsy izao. Manampy antsika hanana toe-tsaina tsara foana anefa ny tenin’i Petera. Nampahatsiahiviny mantsy hoe hafa mihitsy ny fahitan’i Jehovah ny fotoana, fa tsy hoatran’ny antsika olombelona. (2 Pet. 3:8, 9) Hoatran’ny iray andro ny arivo taona, amin’i Jehovah. Manam-paharetana izy satria tsy tiany hisy ho ringana. Hofaranany ihany anefa izao tontolo izao rehefa tonga ilay androny. w23.09 41:2-5
Zoma 21 Febroary
Vao mainka isika mila mitandrina kokoa mba hankatò an’izay efa henontsika, dia amin’izay isika tsy hiala amin’ny finoana mihitsy.—Heb. 2:1.
Nahoana ny apostoly Paoly no nanoratra ho an’ny Kristianina hebreo tany Jodia? Noho ny antony roa angamba. Voalohany, te hampahery an-dry zareo izy. Nanaraka ny Fivavahana Jiosy mantsy ny ankamaroany hatramin’ny mbola kely. Mety ho nanesoeso an-dry zareo àry ny mpitondra fivavahany taloha, rehefa lasa Kristianina ry zareo. Fa maninona? Satria tsy nanana tempoly tsara tarehy hanaovana fanompoana ny Kristianina, na alitara hanaovana sorona ho an’Andriamanitra, na mpisorona hikarakara an-dry zareo. Mety ho nahakivy ny mpianatr’i Kristy izany, dia nampihena ny finoany. (Heb. 3:12, 14) Nisy aza angamba nalaim-panahy hiverina tany amin’ny Fivavahana Jiosy mihitsy! Faharoa, nilaza i Paoly fa tsy mba niezaka ireo Kristianina hebreo ireo mba hahazo an’ireo fampianarana vaovao na lalina, izany hoe ny “ventin-kanina” ao amin’ny Tenin’Andriamanitra. (Heb. 5:11-14) Nisy aza mbola nifikitra tamin’ny Lalàn’i Mosesy. w23.10 45:3-4
Asabotsy 22 Febroary
Ny vehivavy tanora [ento] toy ny anabavy, amin’ny fahadiovana tanteraka.—1 Tim. 5:2.
Mifidy ny tsy hanambady ny vehivavy sasany. (Mat. 19:10-12) Matokia fa tsy manambany ny Kristianina mpitovo i Jehovah sy Jesosy. Ohatra tsara ho an’ny fiangonana ny anabavy mpitovo, any amin’ny tany maro. Be fitiavana sy miahy ny hafa ry zareo, ka lasa hoatran’ny hoe anabavy sy reny ho an’ny mpiara-manompo aminy. (Mar. 10:29, 30) Misy indray lasa mpanompo manontolo andro. Mandray anjara be amin’ny asa fitoriana eran-tany ny vehivavy kristianina. (Sal. 68:11) Afaka miomana dieny izao ve ianao mba hanompo manontolo andro? Mety ho afaka hanao mpisava lalana ianao, hiasa an-tsitrapo hanao fanorenana, na ho Betelita. Mivavaha momba ny tanjonao. Miresaha amin’izay efa nahatratra tanjona hoatr’izany, dia fantaro hoe inona no mila ataonao mba hahafeno fepetra ianao. Fidio avy eo izay hataonao mba hanatratraranao an’ilay tanjona. Be dia be ny zavatra mahafinaritra hankafizinao eo amin’ny fanompoana an’i Jehovah, rehefa tratranao ny tanjonao. w23.12 52:16-17
Alahady 23 Febroary
Tsy maintsy hotorina ... aloha ny vaovao tsara.—Mar. 13:10.
Arakaraka ny anatonan’ny fahoriana lehibe no mahamaika ny asa fitoriana, ka mila mankatò an’ilay didy hitory isika. Mety ho sarotra anefa ny hifantoka amin’ny fanompoana, raha lasa sahirana ara-bola isika na misy manohitra ny asa fitoriana. Inona àry no hanampy antsika mba ho ilay Fanjakana foana no ho voalohany eo amin’ny fiainantsika? Matokia foana hoe eo anilanao eo i “Jehovah Tompon’ny tafika.” Hanampy antsika izy raha ilay Fanjakana foana aloha no zava-dehibe amintsika vao izay ilaintsika. Tsy misy atahorantsika mihitsy àry! (Hag. 2:4) Tian’i Jehovah hifantoka amin’ilay asa mamonjy aina isika, ka hampianatra ny olona. Nampirisika ny vahoakan’i Jehovah i Hagay mba hanohy indray ny fanompoana masina efa nataony. Hoatran’ny hoe handatsaka indray ny fototry ny tempoly ry zareo, ka toy ny fiaingana vaovao izany. Raha nanao an’izany ilay vahoaka, dia nampanantena i Jehovah fa “hitahy” an-dry zareo. (Hag. 2:18, 19) Afaka matoky koa isika fa hitahy ny ezaka ataontsika i Jehovah, raha ilay asa nampanaoviny antsika no ataontsika voalohany eo amin’ny fiainana. w23.11 48:8, 11
Alatsinainy 24 Febroary
Samy efa nanota ny olona rehetra.—Rom. 3:23.
Rehefa nanoratra ho an’ny Romanina i Paoly, dia nilaza hoe mpanota ny olombelona rehetra. Ahoana àry no ahafahan’ny olona iray ho lasa olo-marina, na tsy manan-tsiny eo imason’Andriamanitra, ka ankasitrahany? Niresaka momba an’i Abrahama i Paoly mba hanampiana ny Kristianina tso-po hamaly an’izany. Nambaran’i Jehovah hoe olo-marina i Abrahama tamin’izy nipetraka tany Kanana. Fa maninona? Satria ve i Abrahama nanaraka tsara ny Lalàn’i Mosesy? Mazava ho azy fa tsia! (Rom. 4:13) Tsy nomena ny firenen’Israely mantsy io Lalàna io, raha tsy 400 taona mahery taorian’ny nilazan’Andriamanitra tamin’i Abrahama hoe olo-marina izy. Dia nahoana izany Andriamanitra no afaka nilaza hoe olo-marina i Abrahama? Naneho hatsaram-panahy miavaka izy, ka nambarany hoe olo-marina i Abrahama noho ny finoany.—Rom. 4:2-4. w23.12 50:4-5
Talata 25 Febroary
Ataovy izay rehetra ao am-ponao.—1 Tan. 17:2.
Ny alina nilazan’i Natana an’izany tamin’i Davida Mpanjaka, no nilazan’i Jehovah tamin’i Natana hoe tsy i Davida no hanorina an’ilay tempoly. (1 Tan. 17:3, 4, 11, 12) Ahoana no nataon’i Davida rehefa naheno an’izany? Nifantoka tamin’ny fanangonana ny vola sy fitaovana nilain’i Solomona zanany hamitana an’ilay tetikasa izy. (1 Tan. 29:1-5) Tonga dia nanao fifanekena tamin’i Davida i Jehovah, raha vao avy nampahafantatra azy hoe tsy izy no hanorina an’ilay tempoly. Nampanantena an’i Davida izy hoe hanjaka mandrakizay ny iray amin’ny taranany. (2 Sam. 7:16) Ho faly be izao i Davida rehefa any amin’ny tontolo vaovao! Ho fantany mantsy hoe taranany i Jesosy, ilay hitondra mandritra ny Fanjakana Arivo Taona. Hitantsika avy amin’io tantara io fa na dia tsy afaka manao an’izay rehetra tiantsika hatao ho an’i Jehovah aza isika, dia mety hisy fitahiana hafa tsy ampoizintsika omaniny ho antsika. w23.04 17:8-10
Alarobia 26 Febroary
Tsy hahafoy ny vahoakany i Jehovah.—Sal. 94:14.
Hitanao angamba hoe misy ampahany ao amin’ny Baiboly tena mampitony rehefa matahotra ianao. Mety hampahery, ohatra, ny bokin’i Joba, Salamo, Ohabolana, ary ny tenin’i Jesosy ao amin’ny Matio toko faha-6. Ho tsapanao hoe mampionona anao i Jehovah, rehefa mivavaka aminy sy mamaky ny Teniny ianao. Afaka matoky isika hoe tsy hanary antsika i Jehovah, na dia mandritra ny fotoana manjombona eo amin’ny fiainantsika aza. Tsy ho irery mihitsy isika. (Sal. 23:4) Mampanantena izy fa hiambina antsika ary hanampy antsika hilamina sy tsy hitebiteby. Hanohana sy hampionona antsika koa izy. Izao no lazain’ny Isaia 26:3 momba an’i Jehovah: “Harovanao izay miantehitra tanteraka aminao. Hampiadaninao foana izy ireo, satria ianao no itokisany.” Matokia àry an’i Jehovah ary hararaoty izay fomba ampiasainy mba hanampiana anao. Raha manao an’izany ianao, dia hahazo hery indray na dia ao anatin’ny sarotra aza. w24.01 3:16-17
Alakamisy 27 Febroary
Tsy hisy hahomby izay fiadiana amboarina hamelezana anao.—Isaia 54:17.
Tanteraka amin’izao ireo teny ireo. Tanteraka amin’ny androntsika koa ireto teny mampahery ireto: “Hampianarin’i Jehovah ny zanakao rehetra, ka ho be ny fiadanan’ny zanakao. Hiorina tsara amin’ny fahamarinana ianao. ... Tsy hisy hatahoranao ary tsy hisy hampihorohoro anao, satria tsy hanakaiky anao izany.” (Isaia 54:13, 14) Na i Satana, ilay “andriamanitr’izao tontolo izao”, aza tsy hahasakana an’ilay asa fampianarana ataon’ny vahoakan’i Jehovah. (2 Kor. 4:4) Efa naverina tamin’ny laoniny ny fivavahana madio, ary tsy ho voaloto intsony. Ho eo foana izy io mandrakizay. Tsy hisy hahomby izay fiadiana amboarina hamelezana antsika! w24.02 5:10
Zoma 28 Febroary
Izay tia ny rainy na ny reniny mihoatra noho ny fitiavana ahy dia tsy mendrika ahy.—Mat. 10:37.
Zava-dehibe amintsika Kristianina ny voady nataontsika tamin’isika nanokan-tena ho an’i Jehovah. Misy vokany amin’ny fanapahan-kevitsika sy izay ataontsika amin’ny fianakaviantsika izany. Vitaintsika tsara izay andraikitra takin’ny Soratra Masina hoe ataontsika amin-dry zareo. Izay takin’i Jehovah foana anefa aloha no ataontsika voalohany, vao izay tian’ny fianakaviantsika. (Mat. 10:35, 36; 1 Tim. 5:8) Indraindray aza mety hampandefitra kely ny fihavanana amin-dry zareo isika, mba hampifaliana an’i Jehovah. Izy no namorona ny fianakaviana, ary tiany hanana tokantrano sambatra isika. (Efes. 3:14, 15) Raha tena te ho sambatra anefa isika, dia mila manaraka an’izay atorony rehefa manao zavatra. Matokia fa ankasitrahan’i Jehovah ny sorona ataonao mba hanompoana azy, ankoatra ny ezaka ataonao hikarakarana ny fianakavianao sy hampisehoana hoe tia sy manaja an-dry zareo ianao.—Rom. 12:10. w24.02 7:11, 13