Janoary
Alarobia 1 Janoary
Iny fa nisy faty nentina nivoaka. Zanaka lahitokan-dreniny izy io, sady ilay reniny rahateo efa maty vady.—Lioka 7:12.
Voamarikao ve hoe “nahita” an’ilay reny vontom-pahoriana i Jesosy, dia avy eo “nangoraka azy”? (Lioka 7:13) Tsy hoe fihetseham-po tsapany tany anatiny tany fotsiny izany, fa nasehony mihitsy. Niresaka taminy izy, sady tsara fanahy erỳ angamba rehefa niteny hoe: “Aza mitomany intsony.” Izy mihitsy avy eo no nanao zavatra. Natsangany tamin’ny maty ilay ankizilahy, dia ‘natolony an-dreniny.’ (Lioka 7:14, 15) Inona no ianarantsika avy amin’ny fahagagana nataon’i Jesosy, rehefa nanangana ny zanakalahin’ilay mpitondratena izy? Hoe mila asehontsika amin’izay nidonam-pahoriana fa mangoraka an-dry zareo isika. Afaka manahaka an’i Jesosy isika ka miezaka mangoraka an’izay nidonam-pahoriana. Hahavita an’izany isika raha mandinika tsara. Isika mihitsy no mila manao zavatra voalohany mba hampisehoana hoe mangoraka azy. Afaka manampy sy mampionona azy araka izay tratra isika, ary mampiseho an’izany amin’ny teny sy ny atao. (Ohab. 17:17; 2 Kor. 1:3, 4; 1 Pet. 3:8) Na teny kely sy zavatra tsotra aza no ataontsika, dia efa mety hisy vokany be aminy. w23.04 15:13-15
Alakamisy 2 Janoary
Tsy ny hahafaty azy no anton’io aretina io, fa ny hanomezam-boninahitra an’Andriamanitra.—Jaona 11:4.
Na dia fantatr’i Jesosy aza hoe maty i Lazarosy namany, dia mbola nijanona roa andro fanampiny tany amin’ilay nisy azy izy, izay vao nankany Betania. Efa maty efatra andro àry i Lazarosy tamin’i Jesosy tonga tany. Te hanao zavatra izy tamin’izay mba hahasoa an’ireo namany sy hanomezana voninahitra an’Andriamanitra. (Jaona 11:6, 11, 17) Hoatran’ny ahoana no atao hoe namana raha io tantara io no jerena? Diniho izao: Rehefa nampitondra hafatra tany amin’i Jesosy i Maria sy Marta, dia tsy niangavy azy ho any Betania. Nilaza fotsiny ry zareo hoe marary ilay namany tsy foiny. (Jaona 11:3) Rehefa maty indray i Lazarosy, dia azon’i Jesosy natao ny nanangana azy avy any lavitra any. Naleony anefa nankany Betania mba hiaraka tamin’ny namany, izany hoe i Maria sy Marta. Ianao koa ve manana namana tsy miandry iangaviana fa tonga dia manampy? Raha izany, dia matoky ianao hoe azonao ianteherana izy amin’ny “fotoan-tsarotra.” (Ohab. 17:17) Namana hoatr’izany i Jesosy. Enga anie ianao mba hanahaka azy! w23.04 16:10-11
Zoma 3 Janoary
Tsy mba mivadika amin’ny teniny ilay nampanantena.—Heb. 10:23.
Rehefa ao anatin’ny fitsapana isika, dia mety hieritreritra hoe tsy ho tonga mihitsy ny tontolo vaovao. Midika ve izany fa malemy finoana isika? Tsy voatery. Eritrereto ity ohatra ity: Rehefa ao anaty ririnina mamirifiry isika, dia mety hieritreritra hoe tsy ho tonga mihitsy ny lohataona. Tsy maintsy ho tonga anefa ilay izy. Hoatr’izany koa rehefa kivy be isika. Mety hieritreritra isika hoe tsy ho tonga mihitsy ny tontolo vaovao. Raha matanjaka anefa ny finoantsika, dia fantatsika fa tsy maintsy ho tanteraka ny fampanantenan’Andriamanitra. (Sal. 94:3, 14, 15; Heb. 6:17-19) Rehefa feno toky hoatr’izany isika, dia ny fanompoana an’i Jehovah foana no ataontsika voalohany eo amin’ny fiainantsika. Rahoviana koa isika no mila manana finoana matanjaka? Rehefa mitory. Betsaka ny olona misalasala rehefa maheno ny ‘vaovao tsara’ momba an’ilay tontolo vaovao ho avy ampanantenain’Andriamanitra. Tsara loatra, hono, izany ka sarotra inoana. (Mat. 24:14; Ezek. 33:32) Aza avela hisy vokany amintsika izany toe-tsaina izany. Inona àry no tokony hataontsika? Tsy maintsy manatanjaka ny finoantsika foana isika. w23.04 19:6-7, 14
Asabotsy 4 Janoary
Fantatsika fa tena ho azontsika izay angatahintsika, satria nangatahintsika taminy.—1 Jaona 5:15.
Efa lasa saina ve ianao raha mamaly ny vavaka ataonao i Jehovah? Tsy ianao irery no hoatr’izany. Rahalahy sy anabavy maro no lasa saina tamin’izany koa, indrindra rehefa tao anatin’ny fotoan-tsarotra ry zareo. Mety ho sarotra kokoa amintsika koa ny hahita ny fomba amalian’i Jehovah ny vavaka ataontsika, rehefa miatrika ny mafy isika. Nahoana isika no afaka matoky fa mamaly ny vavaky ny mpanompony i Jehovah? Manome toky antsika ny Soratra Masina hoe tena tia antsika i Jehovah ary sarobidy aminy isika. (Hag. 2:7; 1 Jaona 4:10) Izany no mahatonga azy hanasa antsika hangataka fanampiana aminy amin’ny alalan’ny vavaka. (1 Pet. 5:6, 7) Te hanampy antsika hifandray akaiky aminy foana izy. Tiany hahavita hiatrika ny zava-tsarotra mianjady amintsika koa isika. Matetika no hitantsika ao amin’ny Baiboly hoe namaly ny vavaky ny mpanompony i Jehovah. Ny an’iza izao no tadidinao? w23.05 21:1-4
Alahady 5 Janoary
Hoy i Maria: “Mankalaza an’i Jehovah aho.”—Lioka 1:46.
I Maria mihitsy no nifandray akaiky tamin’i Jehovah, fa tsy niankina tamin’izay nataon’i Josefa ny finoany. Nahay tsara ny Soratra Masina izy. Nanokana fotoana hisaintsainana koa izy. (Lioka 2:19, 51) Azo antoka hoe ny fifandraisan’i Maria tamin’i Jehovah no nahatonga azy ho vady tena tsara. Be dia be koa ny vehivavy manambady amin’izao no miezaka manao hoatran’i Maria. Izao, ohatra, no noresahin’ny anabavy atao hoe Emiko: “Nanana ny fahazarako ara-panahy aho tamin’izaho mbola mpitovo. Rehefa nanambady anefa aho, dia tonga saina hoe niankina be tamin’izay nataon’ny vadiko ny finoako. Izy mantsy no nisolo tena anay rehefa nivavaka sady nitarika rehefa nanao zavatra ara-panahy izahay. Hitako anefa hoe nila nanao ny anjarako koa aho, satria ny fifandraisako tamin’i Jehovah no voakasika. Manokana fotoana hiarahana irery amin’ilay Andriamanitro àry aho izao. Mivavaka sy mamaky ny Soratra Masina aho, ary misaintsaina ny heviny.” (Gal. 6:5) Ry vehivavy manambady, inona no ho vokany rehefa miezaka foana ianareo hinamana bebe kokoa amin’i Jehovah? Vao mainka hanana antony hiderana sy hitiavana anareo ny vadinareo!—Ohab. 31:30. w23.05 23:6
Alatsinainy 6 Janoary
Hampianariko hatahotra an’i Jehovah ianareo.—Sal. 34:11.
Tsy hoe vao teraka isika dia efa matahotra an’i Jehovah, fa tsy maintsy ianarana izany. Inona, ohatra, no hanampy antsika hanao an’izany? Diniho ny zavaboary. Vao mainka isika ho tia sy hanaja an’i Jehovah, arakaraka ny ahitantsika amin’ny “zavatra nataony” hoe hendry sy mahery ary tena tia antsika izy. (Rom. 1:20) Manampy antsika hatahotra kokoa an’Andriamanitra koa ny mivavaka tsy tapaka. Vao mainka tena misy amintsika i Jehovah, arakaraka ny hivavahantsika aminy. Isaky ny mangataka hery aminy isika mba hiaretana fitsapana, dia mampahatsiahy antsika izany hoe tena mahery izy. Rehefa misaotra azy indray isika noho izy nanome ny Zanany, dia lasa tadidintsika hoe tia antsika izy. Ary ahoana indray rehefa mitalaho aminy isika mba hanampy antsika hamaha olana? Mampahatsiahy antsika izany hoe tena hendry izy. Mahatonga antsika hanaja kokoa an’i Jehovah ny vavaka hoatr’izany. Vao mainka koa isika ho tapa-kevitra ny tsy hanao zavatra mety hanimba ny fifandraisantsika aminy. w23.06 27:6-7
Talata 7 Janoary
I Jehovah no Mpanao Lalàna ho antsika.—Isaia 33:22.
Ataon’i Jehovah mazava tsara amin’ny vahoakany foana ny lalàny. Nilaza, ohatra, ny filan-kevi-pitantanana tamin’ny taonjato voalohany, fa tsy maintsy manaraka an’ireto ny Kristianina: 1) Tsy hanaiky hanompo sampy fa hanompo an’i Jehovah irery ihany, 2) hanaja ny fahamasinan’ny ra, ary 3) hankatò foana ny fitsipiky ny Baiboly momba ny fitondran-tena. (Asa. 15:28, 29) Ahoana no ampisehoan’ny Kristianina amin’izao hoe manaraka an’ireo zavatra telo ireo foana izy, ka tsy hiovaova mihitsy? Manao an’izany isika raha manompo sy mankatò an’i Jehovah. Nandidy ny Israelita Andriamanitra mba hanompo azy irery ihany. (Deot. 5:6-10) Rehefa nalain’ny Devoly fanahy koa i Jesosy, dia nataony mazava tsara hoe i Jehovah irery no tsy maintsy tompointsika. (Mat. 4:8-10) Tsy manompo an’ireny sarivongana ampiasaina amin’ny fivavahana ireny àry isika. Tsy ataontsika hoatran’ny andriamanitra kely koa ny olona, na mpitondra fivavahana izy, na mpanao politika, na mpanao spaoro na mpanakanto malaza. Ilay “namorona ny zava-drehetra” ihany no tompointsika.—Apok. 4:11. w23.07 31:3-4
Alarobia 8 Janoary
Izay matahotra an’i Jehovah dia miala amin’ny ratsy.—Ohab. 16:6.
Adalam-piraisana ny tontolon’i Satana sady adalana sary sy boky ary video vetaveta. (Efes. 4:19) Tsy maintsy matahotra an’Andriamanitra sy miala amin’ny ratsy àry isika. Oharina amin’ny vehivavy roa ny fahendrena sy ny hadalana ao amin’ny Ohabolana toko faha-9. Resahina ao hoe manasa an’izay tsy dia nahita fiainana na “tsy ampy saina” ireo vehivavy ireo. Hoatran’ny samy milaza ry zareo hoe: ‘Mandroso an-trano, dia andao hisakafo!’ (Ohab. 9:1, 4-6) Mifanipaka hoatran’ny atsimo sy avaratra anefa ny manjo an’izay manaiky ny fanasan-dry zareo. Andao hodinihintsika ny fanasan’ilay “vehivavy tsisy saina.” (Ohab. 9:13-18.) Tsy menatra mihitsy izy miantsoantso an’ireo tsy ampy saina hoe “tongava atỳ” dia andao hihinana sakafo matsiro. Inona anefa no vokatr’izany? Izay ‘maty tsy mahavita na inona na inona no any.’ Mampitandrina antsika amin’ny “vehivavy maditra” sy “ratsy fitondran-tena” ny bokin’ny Ohabolana. Hoy izy io: “Milentika ho any amin’ny fahafatesana ny tranony.” (Ohab. 2:11-19) Milaza koa ny Ohabolana 5:3-10 fa tokony hitandrina amin’ny “vehivavy maditra” hafa isika. “Midina mankany amin’ny fahafatesana ny tongony.” w23.06 28:6-7
Alakamisy 9 Janoary
Ataovy fantatry ny olona rehetra hoe mahay mandanjalanja ianareo.—Fil. 4:5.
Modely ny anti-panahy, ka tsy maintsy miezaka ny hahay handanjalanja. (1 Tim. 3:2, 3) Tsy tokony hieritreritra, ohatra, ny anti-panahy iray hoe ny heviny foana no arahina, satria fotsiny hoe izy no zokiny indrindra amin’ny anti-panahy. Miaiky kosa izy fa afaka miasa amin’ny anti-panahy rehetra ny fanahin’i Jehovah mba hahatonga ny anti-panahy hafa haneho hevitra, amin’izay ry zareo mandray fanapahan-kevitra tsara. Ahoana koa no ahitana hoe mahay mandanjalanja ny anti-panahy iray, na dia tsy azoazony aza ny fanapahan-kevitra tapaky ny ankamaroan’ny anti-panahy? Vonona hanohana an’ilay fanapahan-kevitra izy, raha tsy mifanipaka amin’ny torolalan’ny Baiboly ilay izy. Mandray soa be dia be ny Kristianina rehefa mahay mandanjalanja. Mifandray kokoa amin’ny rahalahy sy anabavy, ohatra, isika, moa ny fiangonana koa mihavana tsara. Mahafinaritra antsika mihitsy aza ny mahita hoe samihafa toetra sy kolontsaina ny vahoakan’i Jehovah, nefa miray saina manompo azy. Ny tsara indrindra anefa dia hoe afa-po isika mahalala fa manahaka an’i Jehovah, ilay Andriamanitra mahay mandanjalanja. w23.07 32:16-17
Zoma 10 Janoary
Izay lalin-tsaina ... no hahazo [ny dikan’izany].—Dan. 12:10.
Te hahafantatra ny marina i Daniela. Nanetry tena koa izy. Niaiky mantsy izy hoe hampian’i Jehovah hahazo ny faminaniana izay tia azy sy manaraka ny fitsipiny. (Dan. 2:27, 28) Hita hoe nanetry tena i Daniela rehefa niantehitra tamin’i Jehovah mba hahazoana fanampiana. (Dan. 2:18) Nandalina tsara koa izy. Nanao fikarohana tamin’izay Soratra Masina nananany tamin’izany izy. (Jer. 25:11, 12; Dan. 9:2) Ahoana no anahafanao an’i Daniela? Diniho ny antony ianaranao faminaniana. Mianatra ny faminanian’ny Baiboly ve ianao satria tena te hahafantatra ny marina? Raha izany, dia hanampy anao i Jehovah. (Jaona 4:23, 24; 14:16, 17) Manao an’izany ny sasany, satria te hahita porofo hoe tsy avy amin’Andriamanitra ny Baiboly. Tiany hoporofoina mantsy hoe izy ihany dia efa afaka mamaritra ny tsara sy ny ratsy, ary afaka manao izay tiany izy. Tokony ho antony tsara anefa no ianarantsika. w23.08 34:7-8
Asabotsy 11 Janoary
Raha kivy ianao ..., dia ho kely ny herinao.—Ohab. 24:10.
Manantena zavatra tsy hisy isika rehefa mampitaha tena amin’ny hafa. Hanavesatra antsika izany. (Gal. 6:4) Raha manao an’izany isika, dia mety hialona azy na hifaninana aminy. (Gal. 5:26) Mety mba te hanatratra an’izay vitan’ny hafa isika, dia manezakezaka manao zavatra tsy haintsika na tsy mifanaraka amin’ny zavatra iainantsika. Milaza ny Baiboly hoe “marary ny fo raha ela be vao tanteraka ny zavatra antenaina”, mainka moa fa zavatra tsy hisy mihitsy no antenaintsika. Vao mainka hankarary fo izany! (Ohab. 13:12) Handany tsikelikely ny herintsika izany sady hahatonga antsika hiadam-pamindra amin’ilay hazakazaka ho amin’ny fiainana. Aza mitaky amin’ny tenanao mihoatra noho izay takin’i Jehovah. Tsy manantena mihitsy izy hoe hanome an’izay tsy anananao ianao. (2 Kor. 8:12) Matokia fa tsy mampitaha an’izay ataonao amin’ny an’ny hafa i Jehovah. (Mat. 25:20-23) Tena tiany rehefa manompo azy amin’ny fo manontolo ianao, sady tsy mivadika aminy, ary miaritra. w23.08 36:10-11
Alahady 12 Janoary
Avelanao ho fatin’ny hetaheta ve aho?—Mpits. 15:18.
Nihaino ny antso vonjin’i Samsona i Jehovah. Nanao fahagagana àry izy, ka lasa nisy loharano. Rehefa nisotro tamin’ilay izy i Samsona, dia “nody ny heriny ka velombelona izy.” (Mpits. 15:19, f.a.p.) Azo inoana hoe mbola nisy io loharano io taona maro tatỳ aoriana, rehefa nahazo fanahy masina i Samoela mpaminany mba hanoratra ny bokin’ny Mpitsara. Inona no mety ho tonga tao an-tsain’izay Israelita nahita an’io rano io? Hoe afaka miantehitra amin’i Jehovah foana ny mpanompony tsy mivadika, amin’ny fotoana ilany fanampiana. Mila ny fanampian’i Jehovah koa isika, na inona na inona talenta na fahaizana ananantsika, ary na dia efa nahavita be tamin’ny fanompoana aza. Tokony hiaiky isika hoe voafetra ihany ny vitantsika, ary rehefa miantehitra amin’i Jehovah ihany isika vao tena hahomby. Efa hitantsika teo fa nahazo hery i Samsona rehefa nisotro an’ilay rano nomen’i Jehovah. Hahazo hery koa isika rehefa manararaotra ny fandaharana rehetra ataon’i Jehovah ho antsika.—Mat. 11:28. w23.09 37:8-10
Alatsinainy 13 Janoary
Mampitony hatezerana mafy ny valin-teny malefaka, fa ny teny henjana kosa vao mainka mampahatezitra.—Ohab. 15:1.
Ahoana raha misy mila ady amintsika, ohatra hoe manala baraka ny anaran’Andriamanitsika na manao tsinontsinona ny Baiboly? Tokony hangataka amin’i Jehovah ny fanahiny sy ny fahendreny isika, mba halemy fanahy rehefa mamaly an’ilay olona. Ahoana anefa raha tsapantsika atỳ aoriana hoe tsy tena nahavita tsara an’izany isika? Afaka mivavaka momba an’ilay izy indray isika, dia mieritreritra hoe inona no azontsika hatsaraina amin’ny manaraka. Hanome antsika ny fanahiny masina i Jehovah, amin’izay isika hahavita hifehy ny hatezerantsika sady halemy fanahy. Misy andinin-teny afaka manampy antsika hitandrina an’izay lazaintsika, rehefa sarotra amintsika ny halemy fanahy. Afaka manampy antsika hahatsiaro azy ireny ny fanahin’Andriamanitra. (Jaona 14:26) Hanampy antsika halemy fanahy, ohatra, ny torolalana ao amin’ny Ohabolana. (Ohab. 15:18) Resahina ao koa hoe inona ny soa azontsika raha mahafehy tena isika, rehefa misy mahasosotra antsika.—Ohab. 10:19; 17:27; 21:23; 25:15. w23.09 39:6-7
Talata 14 Janoary
Vonona hampahatsiahy anareo foana an’izany zavatra izany [aho].—2 Pet. 1:12.
Fantatry ny apostoly Petera hoe kely sisa izy dia ho faty. Efa am-polony taona izy no nanompo an’i Jehovah sy tsy nivadika taminy. Nandeha niaraka tamin’i Jesosy izy, nanokatra faritany vaovao hitoriana, ary anisan’ny filan-kevi-pitantanana. Tsy tapitra hatreo anefa ny fanompoany. Nahazo fanahy masina izy, dia nanoratra taratasy roa tamin’ny taona 62-64 tany ho any. Inona izany? Ny boky ao amin’ny Baiboly hoe Petera Voalohany sy Faharoa. (2 Pet. 1:13-15) “Niaritra fitsapana samihafa” ny mpiara-manompo tamin’i Petera, tamin’izy nanoratra an’ireo taratasy ireo. (1 Pet. 1:6) Nisy olon-dratsy niezaka nampianatra zavatra diso sy nitarika ny tao amin’ny fiangonana haloto fitondran-tena. (2 Pet. 2:1, 2, 14) Tsy izay ihany, fa hiatrika “ny faran’ny zava-drehetra” ny Kristianina tao Jerosalema, tsy ela taorian’izay. Horavan’ny Romanina mantsy io tanàna io sy ny tempoly. (1 Pet. 4:7) Azo antoka hoe nanampy ny Kristianina tamin’izany ny taratasin’i Petera. Lasa hitan-dry zareo hoe inona no azony natao mba hiatrehana an’izay fitsapana efa teo sy hiomanana amin’izay mbola ho avy. w23.09 41:1-2
Alarobia 15 Janoary
Nianatra nankatò avy tamin’ny zavatra niaretany [i Kristy].—Heb. 5:8.
Matetika isika no mianatra mankatò rehefa miatrika ny mafy, hoatran’i Jesosy. Vao nanomboka kelikely, ohatra, ny COVID-19, dia nilazana isika hoe tsy tokony hivory any amin’ny Efitrano Fanjakana intsony, ary hajanona ny fitoriana isan-trano. Sarotra taminao ve ny nanaraka an’izany? Voaro anefa ianao rehefa nankatò. Nanampy ny mpiara-manompo hiray saina koa izany, sady nampifaly an’i Jehovah. Vonona kokoa àry isika rehetra amin’izao hankatò an’izay toromarika ho voaraintsika mandritra ny fahoriana lehibe. Mety hiankinan’ny aintsika mantsy izany! (Joba 36:11) Inona anefa no tena mahatonga antsika hifidy hankatò an’i Jehovah? Satria tiantsika izy ary te hampifaly azy isika. (1 Jaona 5:3) Tsy ho voavalintsika mihitsy izay rehetra nataony ho antsika. (Sal. 116:12) Afaka mankatò azy sy ireo nomeny fahefana hiandraikitra antsika anefa isika. Asehontsika hoe hendry isika raha manao an’izany. Ary rehefa hendry isika, dia mampifaly ny fon’i Jehovah.—Ohab. 27:11. w23.10 42:18-19
Alakamisy 16 Janoary
Mivavaha amin’Ilay nanao ny lanitra sy ny tany.—Apok. 14:7.
Eritrereto hoe misy anjely miresaka aminao. Hihaino an’izay lazainy ve ianao? Raha ny marina, dia misy anjely miresaka “amin’ny firenena sy foko sy olona samy hafa fiteny ary vahoaka rehetra” amin’izao. Inona no lazainy? Hoy izy: “Matahora an’Andriamanitra dia omeo voninahitra izy, ... dia mivavaha amin’Ilay nanao ny lanitra sy ny tany.” (Apok. 14:6, 7) I Jehovah, ilay tena Andriamanitra, ihany no tokony hivavahana na hotompoin’ny olona rehetra. Faly isika fa nomeny an’ilay tombontsoa sarobidy hanompo azy ao amin’ilay tempoliny ara-panahy lehibe! Inona marina moa ilay tempoly ara-panahy, ary aiza no tena manazava momba azy io? Tsy trano ara-bakiteny izy io. Ny tempoly ara-panahy kosa dia ny fandaharana nataon’i Jehovah, mba hahafahan’ny olona hanompo azy araka ny itiavany azy, miorina amin’ny sorom-panavotana nataon’i Jesosy. Nanazava momba an’izany ny apostoly Paoly, ao amin’ilay taratasy nosoratany tamin’ny taonjato voalohany ho an’ny Kristianina hebreo tany Jodia. w23.10 45:1-2
Zoma 17 Janoary
“Tsy amin’ny alalan’ny tafika, na ny hery, fa amin’ny alalan’ny fanahiko”, hoy i Jehovah.—Zak. 4:6.
Vitan’ny fahavalon’ny Jiosy ny nandrara ny fanorenana indray ny tempolin’i Jehovah, tamin’ny 522 T.K. Nanome toky ny Jiosy anefa i Zakaria fa hampiasa ny fanahiny mahery i Jehovah, mba hanesorana an’izay mety ho sakantsakana. Nofoanan’i Dariosy Mpanjaka ilay didy nandrara ny fanorenana ny tempoly, tamin’ny 520 T.K. Nanome vola ny Jiosy mihitsy aza izy ary nandidy ny manam-pahefana mba hanampy an-dry zareo. (Ezra 6:1, 6-10) Nampanantena ny vahoakany i Jehovah fa hanohana an-dry zareo izy, raha ny fanorenana ny tempoly aloha no ataon-dry zareo voalohany. (Hag. 1:8, 13, 14; Zak. 1:3, 16) Nampahery ny Jiosy ireo mpaminany ireo, dia nanohy nanorina ny tempoly indray ry zareo tamin’ny 520 T.K. Tsy ampy dimy taona taorian’izay, dia vita ilay izy. Nanampy ny Jiosy i Jehovah, satria ny sitrapon’Andriamanitra no tena nifantohan-dry zareo, na dia sarotra aza ny fiainana. Lasa falifaly àry ny Jiosy nanompo azy.—Ezra 6:14-16, 22. w23.11 48:6-7
Asabotsy 18 Janoary
[Asehoy] amin’ny fomba [fiainanao] hoe manana finoana hoatran’ny an’i Abrahama raintsika [ianao].—Rom. 4:12.
Maro ny olona efa nahenoheno an’izany Abrahama izany, nefa zara raha mahalala azy ny ankamaroany. Ianao kosa mahalala betsaka momba azy. Fantatrao, ohatra, fa nantsoina hoe “rain’izay rehetra manam-pinoana” izy. (Rom. 4:11) Mety ho lasa saina anefa ianao hoe: ‘Ho vitako ve ny hampiseho amin’ny fomba fiainako fa manana finoana hoatran’ny an’i Abrahama aho?’ Ie, vitanao izany! Afaka mianatra ny modelin’i Abrahama, ohatra, isika raha te hanam-pinoana hoatran’ny azy. Nomen’Andriamanitra baiko izy, dia nifindra tany an-tany lavitra, nipetraka tao anaty tranolay am-polony taona, ary vonona hanao sorona an’i Isaka zanany malala. Hita amin’ireo hoe nanana finoana matanjaka izy. Nankasitrahan’Andriamanitra izy ka lasa namany, satria nanam-pinoana sy nampiseho an’izany tamin’ny nataony. (Jak. 2:22, 23) Tian’i Jehovah hahazo an’izany fitahiana izany koa isika, anisan’izany ianao. Nanome fanahy masina an’i Paoly sy Jakoba àry izy, mba hahatonga azy ireo hanoratra ny ohatr’i Abrahama ao amin’ny Baiboly. w23.12 50:1-2
Alahady 19 Janoary
Aoka ny olona rehetra ho vonona hihaino, sady tsy ho maimaika hiteny.—Jak. 1:19.
Ry anabavy, miezaha hahay hifampiresaka amin’ny hafa. Mila mahay an’izany ny Kristianina. Nanome torohevitra mahasoa antsika i Jakoba mpianatra, eo amin’ireo teniny eo ambony ireo. Hahay ‘hiara-ory’ amin’ny hafa ianao raha mihaino tsara rehefa miteny izy. (1 Pet. 3:8) Ahoana anefa raha tsy tena azonao ny tiany holazaina na ny fihetseham-pony? Mametraha fanontaniana mety tsara, dia avadibadiho impito ny lela vao miteny. (Ohab. 15:28) Saintsaino izao: ‘Marina ve ilay zavatra tiako holazaina sady mampahery? Tsy mivantambatana ve ilay izy fa tsara fanahy?’ Mianara avy amin’ireo anabavy matotra mahay miresaka tsara amin’ny hafa. (Ohab. 31:26) Henoy tsara izay lazainy sy ny fomba ilazany azy. Hihatsara ny fifandraisanao amin’ny hafa, arakaraka ny hahaizanao mifampiresaka aminy. w23.12 52:12
Alatsinainy 20 Janoary
[Lavin’izay mitokantokana] daholo rehefa mety ho fahendrena.—Ohab. 18:1.
Mety hampiasa ny fianakaviantsika, ny namantsika, na ny anti-panahy i Jehovah amin’izao mba hanohanana antsika. Mety tsy te hifandray na amin’iza na amin’iza mihitsy anefa isika fa te ho irery, rehefa kivy be. Ara-dalàna izany. Inona àry no azo atao mba hahazoana ny fanampian’i Jehovah? Aza manaiky hitokantokana. Rehefa mitokantokana mantsy isika, dia matetika no lasa tsy mieritreritra afa-tsy ny tenantsika sy ny olana mahazo antsika. Mety hisy vokany amin’ny fanapahan-kevitra raisintsika anefa izany. Mazava ho azy fa mba mila mihataka kely amin’ny hafa isika indraindray, indrindra rehefa manana olana lehibe. Raha mitokantokana mandritra ny fotoana ela be anefa isika, dia lasa hoatran’ny hoe isika indray no manilika an’ilay fanampiana omen’i Jehovah. Raiso àry ny fanampiana omen’ny fianakavianao sy ny namanao ary ny anti-panahy. Aza hadinoina hoe ry zareo ireo no ampiasain’i Jehovah mba hanohanana anao.—Ohab. 17:17; Isaia 32:1, 2. w24.01 3:12-13
Talata 21 Janoary
Tsy tokony hotapahina ny volony.—Nom. 6:5.
Nanao voady ny Nazirita hoe tsy hanapa-bolo. Nasehony tamin’izany fa nanaiky tanteraka ny sitrapon’i Jehovah izy. Nampalahelo anefa fa nisy fotoana ny Israelita tsy nankasitraka na nanohana ny Nazirita. Tsy maintsy be herim-po àry ny Nazirita indraindray, mba hahafahany hitana ny voady nataony sy hiavaka foana. (Amosa 2:12) Miavaka amin’ny manodidina antsika koa isika, satria mifidy ny hanaiky ny sitrapon’i Jehovah. Mila herim-po isika na any am-piasana na any am-pianarana, mba hampahafantarana ny hafa hoe Vavolombelon’i Jehovah isika. Miharatsy koa izao ny toe-tsaina sy ny fitondran-tenan’ny olona, dia vao mainka mety ho sarotra ny hanaraka ny fitsipiky ny Baiboly sy hiresaka ny vaovao tsara. (2 Tim. 1:8; 3:13) Tadidio foana anefa hoe ‘mampifaly ny fon’i’ Jehovah isika, rehefa be herim-po ka miavaka amin’ireo tsy manompo azy.—Ohab. 27:11; Mal. 3:18. w24.02 7:7, 9
Alarobia 22 Janoary
Raiso tsara ... ny hafa.—Rom. 15:7.
Diniho ny fiangonana tany Roma. Samihafa be ny olona tao. Tsy hoe Jiosy nampianarina hankatò ny Lalàn’i Mosesy hatramin’ny mbola kely fotsiny no tao, fa nisy hafa firenena koa. Hafa mihitsy ny fomba nanabeazana an-dry zareo. Azo inoana hoe andevo ny Kristianina sasany, fa ny hafa olona afaka. Ny sasany aza angamba nanana andevo mihitsy! Inona no nanampy an’ireny Kristianina ireny hifankatia kokoa, na dia tsy nitovy aza? Nampirisika an-dry zareo ny apostoly Paoly mba ‘handray tsara’ ny hafa. Inona no tiany hotenenina? Ilay teny nadika hoe ‘mandray tsara’ eo, dia midika hoe tsara fanahy amin’ny hafa na mandray azy ao an-trano, na manaiky azy ho namana. Nilaza tamin’i Filemona, ohatra, i Paoly hoe ahoana no tokony handraisany an’i Onesimosy. Andevon’i Filemona mantsy izy io fa nitsoaka. Hoy i Paoly taminy: “Raiso tsara izy.” (Filem. 17) Nandray tsara an’i Apolosy koa i Prisila sy Akoila, ka nitondra azy “niaraka taminy.” (Asa. 18:26) Tsy dia nahafantatra ny Fivavahana Kristianina mantsy i Apolosy, raha noharina tamin’izy mivady. Na dia samihafa aza ireny Kristianina ireny, dia tsy navelan-dry zareo hampisaratsaraka azy izany, fa noraisin-dry zareo tsara ny hafa. w23.07 29:13
Alakamisy 23 Janoary
Hanefa ny voadiko amin’i Jehovah aho.—Sal. 116:14.
Inona no tena mahatonga anao hanokan-tena ho an’i Jehovah? Satria tianao izy. Tsy fihetseham-po fotsiny ny fitiavanao, fa nihatia azy kosa ianao satria lasa ‘fantatrao tsara’ izy sy ny fikasany. (Kol. 1:9) Nianatra ny Soratra Masina ianao, ka resy lahatra hoe 1) tena misy i Jehovah, 2) izy no nampanoratra ny Baiboly, ary 3) mampiasa ny fandaminany izy mba hanatanterahana ny sitrapony. Tokony hahalala ny fampianarana fototra ao amin’ny Tenin’Andriamanitra ireo nanokan-tena ho an’i Jehovah, sady tokony hampihatra ny fitsipika voalaza ao. Manao izay vitany koa ry zareo mba hiresahana ny finoany amin’ny hafa. (Mat. 28:19, 20) Nihatia an’i Jehovah ry zareo, dia lasa te hanompo azy irery ihany. Izany koa ve no tsapanao? w24.03 9:6-8
Zoma 24 Janoary
Ho nofo iray ihany izy roa.—Gen. 2:24.
Nanambady an’i Nabala i Abigaila. Milaza ny Baiboly hoe lehilahy masiaka sy ratsy toetra io vadiny io. (1 Sam. 25:3) Tsy mora tamin’i Abigaila izao ny niara-nipetraka tamin’ny lehilahy hoatr’izany. Mety ho nahita fomba tsotra hialana taminy ve izy? Ie, nisy hirika azony nanaovana an’izany. Tonga hamono an’i Nabala mantsy i Davida, ilay ho mpanjakan’ny Israely, satria i Nabala nanambanimbany azy sy ny miaramilany. (1 Sam. 25:9-13) Azon’i Abigaila natao ny nandositra, dia namela an’i Davida hanatanteraka ny fikasany. Tsy nanao an’izany anefa izy, fa naleony nandresy lahatra an’i Davida mba tsy hamono an’i Nabala. (1 Sam. 25:23-27) Nahoana izy no nanao an’izany? Tia an’i Jehovah i Abigaila, dia nanaja ny fitsipiny momba ny fanambadiana. Hainy hoe masina amin’i Jehovah ny fanambadiana. Te hampifaly azy izy, dia nanao izay rehetra azony natao mba hamonjena ny ankohonany, anisan’izany ny vadiny. Nanao zavatra haingana izy mba hisakanana an’i Davida tsy hamono an’i Nabala. w24.03 11:9-10
Asabotsy 25 Janoary
Milaza teny mankahery anareo [aho].—Joba 16:5.
Misy mpiara-manompo miezaka manatsotra fiainana ve ao amin’ny fiangonanareo, mba hanompoana bebe kokoa? Mahafantatra tanora sahy miavaka amin’ny mpiara-mianatra aminy ve ianao, na dia sarotra aminy aza izany? Ary ahoana ny amin’ireo miady mafy mba tsy hivadika, na dia manohitra aza ny fianakaviany? Enga anie isika hanararaotra hanao teny mampahery amin’ireny mpiara-manompo malalantsika ireny. Lazaintsika aminy hoe ankasitrahantsika izy, satria mahafoy tena sady be herim-po. (Filem. 4, 5, 7) Matoky i Jehovah fa tena maniry hampifaly azy isika, ary vonona hanao sorona mba hahafahantsika mitana ny voady nataontsika tamin’isika nanokan-tena. Manome voninahitra antsika izy, ka isika tsirairay no avelany hifidy hoe ahoana no ampisehoantsika ny fitiavantsika azy. (Ohab. 23:15, 16) Enga anie isika ho tapa-kevitra hanompo an’i Jehovah foana sady ho vonona hanome azy ny tsara indrindra avy amintsika! w24.02 7:14, 16
Alahady 26 Janoary
Nandeha eran’ilay faritra [izy, ary] nanao soa sy nanasitrana.—Asa. 10:38.
Faramparan’ny taona 29 tamin’izay, ary vao nanomboka ny fanompoany i Jesosy. Nisy fampakaram-bady tao Kana, dia voasa tamin’ilay fanasambe izy sy Maria reniny. Angamba i Maria nanampy nikarakara ny vahiny nasaina. Nisy olana anefa rehefa nandeha ilay fety. Lany ny divay! Nandeha haingana tany amin’ny zanany i Maria, dia nilaza taminy hoe: “Tsy manana divay intsony ry zareo.” (Jaona 2:1-3) Dia inona no nataon’i Jesosy? Nanao fahagagana izy, ka nanova ny rano ho “divay tsara.” (Jaona 2:9, 10) Mbola nanao fahagagana be dia be i Jesosy nandritra ny fanompoany. Nampiasa ny heriny izy mba hanampiana olona an’aliny. Tamin’ny roa tamin’ny fahagagana nataony fotsiny, ohatra, dia nanome sakafo ho an’ny lehilahy 5 000 izy, ary ho an’ny lehilahy 4 000 tamin’ilay faharoa. Raha isaina aza ny zaza amam-behivavy tamin’izay, dia mety ho nahatratra 27 000 mahery ny fitambarany. (Mat. 14:15-21; 15:32-38) Nanasitrana marary be dia be koa i Jesosy tamin’ireo fotoana ireo.—Mat. 14:14; 15:30, 31. w23.04 15:1-2
Alatsinainy 27 Janoary
Izaho Jehovah Andriamanitrao no mitazona anao mafy amin’ny tananao ankavanana, dia Ilay milaza aminao hoe: “Aza matahotra fa hanampy anao aho.”—Isaia 41:13.
Rehefa misy zava-dratsy mitranga, dia misy fotoana ianao mety hahatsiaro ho reraka na ara-batana na ara-pihetseham-po. Mahatsapa hoatran’i Elia angamba ianao, ka mafy aminao ny miarina fa satrinao hatory. (1 Mpanj. 19:5-7) Mety hila fanampiana isika, mba hahavita hanompo an’i Jehovah foana. Amin’ireny fotoana ireny i Jehovah no manome toky antsika hoe hanampy antsika, araka ny resahin’ny andinin-teny androany. Nahatsapa an’izany i Davida Mpanjaka. Rehefa niatrika fitsapana sy nenjehin’ny fahavalo izy, dia nilaza tamin’i Jehovah hoe: “Manohana ahy ny tananao ankavanana.” (Sal. 18:35) Matetika i Jehovah no mandrisika ny hafa mba hanampy antsika. Nisy fotoana, ohatra, i Davida kivy dia tonga nitsidika azy i Jonatana namany mba hanohana sy hampahery azy. (1 Sam. 23:16, 17) Hoatr’izany koa fa nifidy an’i Elisa i Jehovah mba hanampy an’i Elia.—1 Mpanj. 19:16, 21; 2 Mpanj. 2:2. w24.01 3:10-12
Talata 28 Janoary
I Jehovah mihitsy no manome fahendrena, ary avy amin’ny vavany ny fahalalana sy ny fahaiza-mandinika.—Ohab. 2:6.
Malala-tanana i Jehovah sady manome zavatra tsara be dia be. Hita amin’ny ataon’ilay vehivavy oharin’ny Ohabolana toko faha-9 amin’ny “tena fahendrena” ireo toetra ireo. Resahin’ilay fitantarana mantsy hoe nokarakarainy tsara ny hena, dia nasiany fangarony ny divainy, ary nataony vonona ny latabatra tao an-tranony. (Ohab. 9:2) Izao koa no resahin’ny andininy faha-4 sy faha-5: ‘Hoy izy amin’ny tsy ampy saina: “Avia hihinana ny mofo nokarakaraiko.”’ Maninona isika no tokony ho any an-tranon’ny tena fahendrena, ary hihinana ny sakafo arosony? Satria tian’i Jehovah ho hendry sy ho voaro amin’ny loza isika zanany. Marina hoe ‘soa lavo hahay hamindra’, nefa tsy hoatr’izany no tiany handraisantsika lesona. Tsy tiany hokaikerin’ny nenina koa isika. Izany no mahatonga an’i Jehovah ‘hitahiry fahendrena ho an’ny olo-marina.’ (Ohab. 2:7) Rehefa matahotra azy isika, dia lasa te hampifaly azy. Mihaino ny torohevitra feno fahendrena omeny isika ary faly mampihatra an’izany.—Jak. 1:25. w23.06 28:14-15
Alarobia 29 Janoary
Tsy mba manao ny tsy rariny mantsy Andriamanitra, ka hanadino an’izay nataonareo.—Heb. 6:10.
Voafetra ve ny azonao atao eo amin’ny fanompoana an’Andriamanitra? Matokia fa mankasitraka ny ezaka mafy ataonao i Jehovah mba hampifaliana azy. Ahoana no ahalalantsika an’izany? Nangataka an’i Zakaria mpaminany i Jehovah mba hanamboatra satroboninahitra avy tamin’ny volamena sy volafotsy nalefan’ireo natao sesitany tany Babylona. (Zak. 6:11) Natao io “satroboninahitra tsara tarehy” io “mba tsy hanadinoana” an’ireo fanomezana be dia be avy amin-dry zareo. (Zak. 6:14, f.a.p.) Afaka matoky àry isika fa tsy hohadinoin’i Jehovah mihitsy ny ezaka mafy ataontsika hanompoana azy ao anatin’ny sarotra. Azo antoka fa mbola hiatrika zava-tsarotra isika amin’izao andro farany izao, ary vao mainka mety hiharatsy ny fiainana amin’ny hoavy. (2 Tim. 3:1, 13) Tsy mila manahy be loatra anefa isika. Tadidio ny tenin’i Jehovah tamin’ny vahoakany tamin’ny andron’i Hagay hoe: “Manampy anareo aho ... Aza matahotra.” (Hag. 2:4, 5) Afaka matoky koa isika fa hanampy antsika i Jehovah, raha mbola manao izay tsara indrindra vitantsika isika mba hanaovana ny sitrapony. w23.11 48:20-21
Alakamisy 30 Janoary
Mpanota aho.—Lioka 5:8.
Tsy voatery nosoratana ao amin’ny Baiboly ny fahadisoan’ny apostoly Petera. Nasain’Andriamanitra nosoratana tao anefa izany, mba ho fianarana ho antsika. (2 Tim. 3:16, 17) Nanana fahalemena sy fihetseham-po hoatran’ny antsika i Petera. Rehefa mianatra momba azy àry isika, dia ho hitantsika fa tsy mitaky fahalavorariana amintsika i Jehovah. Tiany kosa isika hikiry, na hoe hiezaka foana, na dia manana fahalemena aza. Maninona isika no mila mikiry foana? Na dia efa nandresy fahalemena sasany aza isika, dia mety ho resy ihany indraindray. Mila miezaka foana anefa isika. Milaza sy manao zavatra anenenantsika daholo isika. Na izany aza, dia hanampy antsika handroso i Jehovah, raha tsy manaiky hilavo lefona isika. (1 Pet. 5:10) Nangoraka an’i Petera i Jesosy, na dia nanao zavatra tsy nety aza izy. Handrisika antsika hanohy hanompo an’i Jehovah foana ny misaintsaina an’izany. w23.09 40:2-3
Zoma 31 Janoary
Tompo ô, raha teto ianao dia tsy maty ny anadahiko.—Jaona 11:21.
Afaka nanasitrana an’i Lazarosy i Jesosy, araka ny nolazain’i Marta amin’ny andinin-teny anio. Te hanao zavatra miavaka noho izany anefa izy. Nampanantena izy hoe: “Ao fa hitsangana ny anadahinao.” Hoy koa izy: “Izaho no fananganana ny maty sy fiainana.” (Jaona 11: 23, 25) Efa nomen’Andriamanitra hery hananganana ny maty tokoa i Jesosy. Nanangana ankizivavikely tamin’ny maty izy talohan’izay, ary tsy ela taorian’ny nahafatesan’izy io no nanaovany an’izany. Efa nanangana tovolahy iray koa izy, angamba tamin’ny andro nahafatesan’ilay tovolahy. (Lioka 7:11-15; 8:49-55) Ho vitan’i Jesosy anefa ve ny hanangana olona efa maty efatra andro, sady efa manomboka simba ny vatany? Nandeha nitsena an’i Jesosy koa i Maria, ilay anabavin’i Lazarosy anankiray. Izay notenenin’ilay rahavaviny ihany no naveriny. Hoy izy: “Tompo ô, raha teto ianao dia tsy maty ny anadahiko.” (Jaona 11:32) Hontsa ny fon’i Jesosy rehefa nahita sy naheno an’i Maria sy ny olon-kafa nitomany. Tena nangoraka ny namany izy ka nirotsaka ny ranomasony. Tsapany hoe mafy izany mamoy olona akaiky izany. Azo antoka àry fa tsy andriny ny hanala an’ilay antony nahatonga an-dry zareo nitomany! w23.04 16:12-13