FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2026)
Hiala
Hiditra
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tonga soa.
Fitaovana natao hikarohana ao amin'ireo boky amin’ny fiteny samihafa navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah izy ity.
Jereo ao amin'ny jw.org raha te haka boky.
  • Androany

Alakamisy 21 Aogositra

Ny fiaretana ... mahatonga antsika hankasitrahan’Andriamanitra, ny fankasitrahan’Andriamanitra kosa mahatonga antsika hanana fanantenana.​—Rom. 5:4.

Mahatonga antsika “hankasitrahan’Andriamanitra” ny fiaretana. Tsy midika izany hoe faly i Jehovah rehefa miatrika fitsapana ianao na mahita olana. Ianao kosa no ankasitrahany. Rehefa miaritra ianao, dia mahazo sitraka aminy. Fitahiana miavaka izany! (Sal. 5:12) Tadidio fa niaritra fitsapana i Abrahama, ka lasa nankasitrahan’Andriamanitra. Noraisin’i Jehovah ho namany izy, ary nekeny ho olo-marina. (Gen. 15:6; Rom. 4:13, 22) Afaka ny ho hoatr’izany koa isika. Mety hoe mahavita be eo amin’ny fanompoana isika, na manana tombontsoam-panompoana. Tsy miankina amin’izany anefa ny fankasitrahan’Andriamanitra. Ankasitrahany kosa isika rehefa tsy mivadika sady miaritra. Afaka miaritra daholo isika, na firy taona na firy taona, ary na inona na inona zavatra iainantsika na fahaizantsika. Miatrika fitsapana ve ianao amin’izao nefa tsy mivadika? Mahereza fa ankasitrahan’Andriamanitra ianao. Afaka ny hisy vokany be aminao ny fahalalana an’izany. Mety hanamafy orina ny fanantenanao izany. w23.12 51:13-14

Fandinihana ny Soratra Masina Isan’andro—2025

Zoma 22 Aogositra

Asehoy hoe tena lehilahy ianao.​—1 Mpanj. 2:2.

Tsy maintsy mianatra mifampiresaka amin’olona ny lehilahy kristianina. Hahay an’izany izy raha mihaino tsara, dia mahazo an’izay any an-tsain’ny olona sy ny fihetseham-pony. (Ohab. 20:5) Hainy ny mamantatra ny fihetseham-pon’ilay olona amin’ny alalan’ny toe-peony, ny endriny, ary ny fihetsiny. Tsy hahay an’izany mihitsy anefa ianao, raha tsy manokana fotoana hiarahana matetika amin’olona. Raha fitaovana elektronika foana no ampiasainao mba hifandraisana amin’ny hafa, ohatra hoe amin’ny alalan’ny e-mail sy SMS, dia vao mainka ianao tsy hahay hifampiresaka mivantana. Mitadiava àry hirika hifampiresahana mivantana amin’ny hafa. (2 Jaona 12) Tsy maintsy mahavita mamelona ny tenany sy ny fianakaviany koa ny lehilahy kristianina matotra. (1 Tim. 5:8) Tsara foana ny mianatra fahaizana hanampy anao hahita asa any aoriana any. (Asa. 18:2, 3; 20:34; Efes. 4:28) Miasa mafy sy mamita asa hatramin’ny farany ve no ahalalana anao? Miezaha mba ho hoatr’izany. Ho mora kokoa aminao amin’izay ny hahita asa sy hateza amin’izany. w23.12 53:12-13

Fandinihana ny Soratra Masina Isan’andro—2025

Asabotsy 23 Aogositra

Ho avy hoatran’ny mpangalatra amin’ny alina ny andron’i Jehovah.​—1 Tes. 5:2.

Ilay fotoana hitsaran’i Jehovah ny fahavalony sy hamonjeny ny vahoakany no atao hoe “andron’i Jehovah” ao amin’ny Baiboly. Efa nampihatra ny didim-pitsarany izy taloha. (Isaia 13:1, 6; Ezek. 13:5; Zef. 1:8) Mbola misy “andron’i Jehovah” koa amin’izao. Hanomboka izy io rehefa ringanina i Babylona Lehibe, ary hifarana amin’ny ady Aramagedona. Mila miomana dieny izao isika raha te ho tafavoaka velona amin’io “andro” io. Tsy ampy anefa ny miomana ho amin’ny “fahoriana lehibe.” Nampianarin’i Jesosy koa hoe tsy maintsy “vonona foana” isika hiatrika azy io. (Mat. 24:21; Lioka 12:40) Nampiasa fanoharana maromaro ny apostoly Paoly ao amin’ny taratasiny voalohany ho an’ny Tesalonianina, mba hanampiana ny Kristianina ho vonona foana ho amin’ilay andro lehibe hampiharan’i Jehovah ny didim-pitsarany. Fantatr’i Paoly hoe tsy ho tonga tamin’izany io andro io. (2 Tes. 2:1-3) Nampirisika an’ireo rahalahiny anefa izy mba hiomana, ka hihevitra azy io ho hoatran’ny hoe ho tonga rahampitso. Tokony hampihatra an’io torohevitra io koa isika. w23.06 26:1-2

Fandinihana ny Soratra Masina Isan’andro—2025
Tonga soa.
Fitaovana natao hikarohana ao amin'ireo boky amin’ny fiteny samihafa navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah izy ity.
Jereo ao amin'ny jw.org raha te haka boky.
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara