Alahady 14 Septambra
[Miezaha mba hahazo] tsara ... ny sakany sy halavany sy haavony ary halaliny.—Efes. 3:18.
Rehefa manapa-kevitra ny hividy trano ianao, dia ho tianao ny handinika mivantana ny tsipiriany rehetra momba an’ilay trano tianao hipetrahana amin’ny hoavy. Afaka manao hoatr’izany koa isika rehefa mamaky sy mianatra Baiboly. ‘Ny zavatra fototra avy amin’ny teny masin’Andriamanitra’ ihany no ho hainao, raha vakinao maimaika fotsiny izy io. (Heb. 5:12) Manaova kosa hoatran’ilay nividy trano teo, ka “midira” lalindalina dia diniho ny tsipiriany amin’ilay izy. Ahoana no fomba tsara indrindra ianarana Baiboly? Azonao jerena, ohatra, hoe ahoana no ifandraisan’ny hevitra iray amin’ny hevitra hafa ao. Iezaho ho azo hoe inona ny fahamarinana inoanao, nefa aza mianina amin’izany. Fantaro koa hoe nahoana ianao no mino azy ireny. Tsy maintsy mianatra ny fahamarinana lalina ao amin’ny Baiboly isika, raha te hahazo tsara azy io. Nampirisika ny rahalahy sy anabaviny kristianina ny apostoly Paoly mba hianatra tsara ny Tenin’Andriamanitra, amin’izay ‘ho azon’izy ireo tsara ny fahamarinana, izany hoe ny sakany sy halavany sy haavony ary halaliny.’ Hanampy azy ireo “hamaka tsara sy hiorina mafy” kokoa ao amin’ny finoana izany. (Efes. 3:14-19) Mila manao hoatr’izany koa isika. w23.10 44:1-3
Alatsinainy 15 Septambra
Ry rahalahy, ataovy modely ny mpaminany niteny tamin’ny anaran’i Jehovah, satria niaritra fampijaliana sy nanam-paharetana izy ireo.—Jak. 5:10.
Misy olona be dia be resahin’ny Baiboly hoe nanam-paharetana. Maninona raha mianatra momba an’ireny? Mbola kely, ohatra, i Davida dia efa nohosorana ho mpanjakan’ny Israely. Tsy maintsy niandry taona maro anefa izy vao tena lasa mpanjaka. Tsy nivadika tamin’i Jehovah koa i Simeona sy Ana rehefa niandry an’ilay Mesia nampanantenaina. (Lioka 2:25, 36-38) Rehefa mianatra an’ireny tantara ireny ianao, dia tadiavo ny valin’ireto: ‘Inona no mety ho nanampy an’io olona io hanam-paharetana? Inona ny soa noraisiny noho izy nanam-paharetana? Ahoana no anahafako azy?’ Mety hahasoa anao koa ny mianatra momba an’ireo olona tsy nanam-paharetana. (1 Sam. 13:8-14) Saintsaino izao: ‘Inona no mety ho nahatonga azy tsy hanam-paharetana? Dia inona ny vokatr’izany?’ w23.08 35:15
Talata 16 Septambra
Mino izahay sady mahafantatra fa ianao Ilay Masin’Andriamanitra.—Jaona 6:69.
Tsy nivadika ny apostoly Petera. Tsy nisy navelany hahatonga azy hilavo lefona tanteraka. Noporofoiny, indray mandeha, hoe tsy nivadika izy, rehefa nilaza zavatra tsy azon’ny mpianany i Jesosy. (Jaona 6:68) Tsy mba nanontany ny maro tamin’ny mpianany, fa tonga dia tsy nanara-dia an’i Jesosy intsony. Tsy hoatr’izany anefa i Petera. Niaiky izy hoe ny ‘teny lazain’i Jesosy’ ihany “no hahazoana fiainana mandrakizay.” Fantatr’i Jesosy hoe handao azy i Petera sy ny apostoly hafa, ny alina talohan’ny nahafatesany. Na izany aza, dia nilaza taminy i Jesosy fa natoky izy hoe ho tafarina i Petera, ary hahavita tsy hivadika mihitsy. (Lioka 22:31, 32) Azony mantsy hoe “mazoto ihany ny saina, saingy ny nofo no malemy.” (Mar. 14:38) Tsy nanary an’i Petera àry i Jesosy, na dia nanda ho tsy nahafantatra azy aza izy. Niseho taminy i Jesosy rehefa avy natsangana tamin’ny maty, ary azo inoana hoe i Petera irery no teo. (Mar. 16:7; Lioka 24:34; 1 Kor. 15:5) Tsy maintsy hoe nampahery an’io apostoly efa torotoro fo io izany! w23.09 40:9-10