FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2026)
Hiala
Hiditra
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tonga soa.
Fitaovana natao hikarohana ao amin'ireo boky amin’ny fiteny samihafa navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah izy ity.
Jereo ao amin'ny jw.org raha te haka boky.
  • Androany

Talata 2 Septambra

Ny fanahy ... mikaroka ao anatin’ny zava-drehetra, na dia ny zava-dalin’Andriamanitra aza.​—1 Kor. 2:10.

Raha ao amin’ny fiangonana lehibe ianao, dia matetika ianao no tsy voatondro. Angamba ianao tsy te hanangan-tanana intsony. Aza milavo lefona anefa. Inona no azonao atao? Manomàna valin-teny maromaro isaky ny fivoriana. Amin’izay rehefa tsy voatondro ianao any am-piandohan’ny fianarana, dia mety mbola ho afaka hamaly ihany any aoriana. Rehefa manomana ny Fianarana Ny Tilikambo Fiambenana ianao, dia saintsaino hoe inona no ifandraisan’ny fehintsoratra tsirairay amin’ny foto-kevitr’ilay lahatsoratra. Ho afaka hanome valin-teny tsara foana ianao amin’izay, mandritra an’ilay fianarana. Ankoatra izay, dia miomàna mba hamaly amin’ireo fehintsoratra miresaka fahamarinana lalina sarotsarotra hazavaina. Mety ho vitsy kokoa mantsy no manangan-tanana amin’ireny. Ahoana anefa raha mbola tsy voatondro ihany ianao mandritra ny fivoriana maromaro? Manatòna an’ilay mpitarika alohan’ny anombohan’ny fivoriana, dia resaho aminy hoe aiza ho aiza ianao no te hamaly. w23.04 18:9-10

Fandinihana ny Soratra Masina Isan’andro—2025

Alarobia 3 Septambra

Nanao an’izay nasain’ilay anjelin’i Jehovah nataony [i Josefa], dia nentiny tany an-tranony ny vadiny.​—Mat. 1:24.

Tonga dia nampihatra ny tari-dalan’i Jehovah i Josefa, ka lasa vady tsara kokoa. Intelo izy, fara fahakeliny, no nahazo toromarika avy amin’Andriamanitra momba ny fianakaviany. Tonga dia nankatò foana izy, na dia tsy maintsy nisy fiovana lehibe nataony aza. (Mat. 1:20; 2:13-15, 19-21) Rehefa nanaraka ny tari-dalan’Andriamanitra izy, dia nahavita niaro an’i Maria, nikarakara azy, ary nanome an’izay nilainy. Azo antoka fa vao mainka lasa tia sy nanaja azy i Maria! Manahaka an’i Josefa ianareo ry lehilahy manambady, raha mikaroka torohevitra avy ao amin’ny Baiboly rehefa mikarakara ny fianakavianareo. Asehonareo hoe tia ny vadinareo ianareo sady manamafy ny tokantranonareo, rehefa mampihatra an’izany torohevitra izany, na dia misy fiovana lehibe tsy maintsy ataonareo aza. Izao no nolazain’ny anabavy iray avy any Vanuatu, izay efa nanambady nandritra ny 20 taona mahery: “Rehefa mikaroka ny tari-dalan’i Jehovah ny vadiko sady mampihatra an’izany, dia lasa manaja kokoa azy aho. Milamin-tsaina aho sady matoky hoe mety ny fanapahan-keviny.” w23.05 23:5

Fandinihana ny Soratra Masina Isan’andro—2025

Alakamisy 4 Septambra

Hisy lalambe any, dia lalana hatao hoe Lalan’ny Fahamasinana.​—Isaia 35:8.

Ho lasa “vahoaka masina” ho an’ny Andriamaniny ireo Jiosy tafaverina tany an-tanindrazany. (Deot. 7:6) Midika ve izany hoe tsy nila nanao fanovana izy ireo mba hampifaliana an’i Jehovah? Teraka tany Babylona ny ankamaroan’ny Jiosy, ary toa lasa zatra ny fomba fisainana babylonianina sy izay noheverin’izy ireny ho zava-dehibe. Am-polony taona taorianan’ny niverenan’ny Jiosy voalohany tany Israely, dia gaga be i Nehemia Governora, satria tsy nianatra ny fiteny jiosy akory ny zaza teraka tao Israely. (Deot. 6:6, 7; Neh. 13:23, 24) Ahoana moa no hianaran’ireny ankizy ireny ho tia sy hanompo an’i Jehovah, nefa ny teny hebreo aza tsy azony? Ny teny hebreo mantsy no tena nanoratana ny Tenin’Andriamanitra. (Ezra 10:3, 44) Nila nanao fiovana lehibe àry ireo Jiosy ireo. Ho mora kokoa aminy anefa ny hanao an’izany satria efa tany Israely ry zareo, sady efa naverina tamin’ny laoniny tsikelikely ny fivavahana madio tany.​—Neh. 8:8, 9. w23.05 22:6-7

Fandinihana ny Soratra Masina Isan’andro—2025
Tonga soa.
Fitaovana natao hikarohana ao amin'ireo boky amin’ny fiteny samihafa navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah izy ity.
Jereo ao amin'ny jw.org raha te haka boky.
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara