Alahady 7 Septambra
Nanomboka nitady an’ilay Andriamanitr’i Davida razambeny izy. ... Mbola ankizilahy izy tamin’izay.—2 Tan. 34:3.
Mbola tanora i Josia Mpanjaka tamin’izy nanomboka nitady an’i Jehovah. Te hianatra momba an’i Jehovah sy hanao ny sitrapony mantsy izy. Tsy mora anefa ny fiainan’io mpanjaka tanora io. Nila sahy niaro ny fivavahana marina izy, nefa ny ankamaroan’ny olona nanaraka fivavahan-diso. Dia vitany ve izany? Ie! Tsy ampy 20 taona akory izy, dia efa nanomboka nanala ny fivavahan-diso tao amin’ilay tany. (2 Tan. 34:1, 2) Na mbola kely aza ianao, dia efa afaka manahaka an’i Josia, ka manapa-kevitra hitady an’i Jehovah sy hianatra momba ny toetrany. Lasa te hanokan-tena ho an’azy ianao amin’izay. Ary rehefa manokan-tena ianao, dia inona no vokatr’izany eo amin’ny fiainanao andavanandro? Eritrereto i Luke, rahalahy natao batisa tamin’izy 14 taona. Izao no nolazainy rehefa nanokan-tena ho an’i Jehovah izy: “Ny fanompoana an’i Jehovah no hataoko voalohany eo amin’ny fiainana manomboka izao, dia hiezaka aho mba hampifaly azy.” (Mar. 12:30) Te hanao hoatr’izany koa ve ianao? Tena mahafinaritra izany! w23.09 38:12-13
Alatsinainy 8 Septambra
Mba hajao izay miasa mafy eo aminareo, sy mitarika anareo eo amin’ny asan’ny Tompo—1 Tes. 5:12.
Mbola tsy ampy herintaona ny fiangonana tany Tesalonika tamin’ny apostoly Paoly nanoratra an’io taratasy io. Azo inoana àry hoe mbola tsy ampy traikefa ireo rahalahy voatendry tao, ary mety ho nanao fahadisoana. Mendrika ny hohajaina anefa ry zareo. Mihamanakaiky ny fahoriana lehibe, ka mety hoe mila miantehitra amin’ny anti-panahy ao amin’ny fiangonantsika mihoatra noho ny hatramin’izay isika, mba hahazoana tari-dalana. Mety tsy ho afaka hifandray amin’ny Foibe sy ny biraon’ny sampana intsony mantsy isika. Tena ilaina àry ny mianatra ho tia sy hanaja ny anti-panahy ao amin’ny fiangonantsika dieny izao. Na inona na inona mitranga, dia andao isika hisaina tsara foana ka tsy hifantoka amin’izay tsy mety ataony, fa hifantoka amin’ny hoe mitarika an’ireo lehilahy manam-pinoana ireo i Jehovah amin’ny alalan’i Kristy. Niaro ny lohan’ny miaramila ny fiarovan-doha. Miaro ny saintsika koa ny fanantenana famonjena. Tsapantsika hoe tsy misy dikany izay atolotr’ity tontolo ity. (Fil. 3:8) Manampy antsika ho tony sy hilamin-tsaina ny fanantenantsika. w23.06 26:11-12
Talata 9 Septambra
Petsam-bava ny vehivavy tsisy saina, dondrona izy.—Ohab. 9:13.
Misy safidy tsy maintsy ataon’izay maheno an’ilay “vehivavy tsisy saina”: Hanaiky ny fanasany ve sa handa? Misy antony tsara maromaro mahatonga antsika hanalavitra ny fitondran-tena ratsy. Milaza ilay “vehivavy tsisy saina” hoe “mamy ny rano nangalarina.” (Ohab. 9:17) Inona izany? Oharin’ny Baiboly amin’ny rano mamelombelona ny firaisana ataon’ny mpivady. (Ohab. 5:15-18) Afaka mahazo fahafinaretana amin’izany ry zareo, raha mpivady ara-dalàna. Hafa kosa ny “rano nangalarina.” Firaisana tsy ara-dalàna angamba no tiana horesahina amin’izany. Matetika no afenimpenina izy ireny, hoatran’ny ataon’ny mpangalatra. Toa mamy ilay “rano nangalarina”, indrindra raha mieritreritra ilay nanota hoe ho afa-maina. Diso be anefa izany! Mahita ny zava-drehetra mantsy i Jehovah. Tsy misy mangidy noho ny hoe tsy ankasitrahany intsony, ka inona moa no ‘mahamamy’ an’izany?—1 Kor. 6:9, 10. w23.06 28:7-9