NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA
Nampianarin’i Jehovah Hahay Hitaiza Izahay
Inona no modely omen’ilay Raintsika any an-danitra, ka manampy ny ray aman-dreny hahay hitaiza? Jereo ilay video hoe Nampianarin’i Jehovah Hahay Hitaiza Izahay, ary valio ireto:
Nanampy an’i Abilio sy Ulla Amorim hahay hitaiza ve ny zavatra niainany tamin’ny mbola kely?
Inona no zavatra tsara tadidin’ny zanak’izy ireo momba ny fahazazany?
Ahoana no nampiharan’i Abilio sy Ulla ny Deoteronomia 6:6, 7?
Nahoana izy ireo no tsy nibaikobaiko ny zanany?
Ahoana no nanampian’izy ireo ny zanany mba handray fanapahan-kevitra tsara?
Fantatr’izy mivady hoe nisy zavatra mety hafoiny, rehefa nampirisika ny zanany hanompo manontolo andro izy ireo. Inona izany? (bt 178 § 19)