NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA
Afaka Mahavita Zavatra Tsara Ianao na dia Manana “Tsilo ao Amin’ny Nofo” Aza
Miaina amin’ny andro farany tsy mora setraina isika rehetra, ka mety hiatrika olana lehibe. (2Ti 3:1) Mila miantehitra amin’i Jehovah isika raha te hahavita hiatrika azy ireny. Nanao an’izany, ohatra, i Talita Alnashi sy ny ray aman-dreniny. Jereo ilay video hoe “Hampahiratina ny Mason’ny Jamba”, ary valio ireto:
Manana “tsilo ao amin’ny nofo” i Talita. Inona ilay izy?
Inona ny fampanantenan’ny Baiboly manampy an’i Talita sy ny ray aman-dreniny tsy ho kivy?
Ahoana no nampisehoan’ny ray aman-drenin’i Talita fa niantehitra tamin’i Jehovah izy ireo, taoriana kelin’ilay fandidiana?
Ahoana no ampiasan’ny ray aman-drenin’i Talita ny zavatra navoakan’ny fandaminana, mba hanampiana azy ho tia an’Andriamanitra?
Ahoana no ahitana hoe miezaka ny ho akaiky an’i Jehovah foana i Talita, na eo aza ilay ‘tsilo ao amin’ny nofony’?
Nahoana no mampahery anao ny modely omen’i Talita?