HIRA 28
Te ho Namanao Izahay, Jehovah
Endrika Sary
	- 1. Iza, Jehovah ô, - Iza no fidinao - Mba hivahiny ao an-tranonao? - Iza no namanao? - ’Zay tena mino anao, - Ny Teninao no tiany; - Manao ny rariny, azo itokiana, - Dia ’zay tsy misy tsiny. 
- 2. Iza, Jehovah ô, - Iza no ekenao? - Iza no tianao ho namanao - Akaikin’ny fonao? - ’Zay tia ny anaranao, - Tsotra, madio am-po, - Tsy mba mandainga, miantra ny ory - Sy vonona hankatò. 
- 3. ’Zahay, Jehovah ô, - Mba te ho akaiky anao. - ’Zay ao am-ponay, ny fiainanay, - Zarainay aminao. - Namana tsara ianao, - Tsara indrindra ho anay. - Fanirianay ny ho namanao, - Eny, mandrakizay. 
(Jereo koa ny Sal. 139:1; 1 Pet. 5:6, 7.)