NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA
Misy Vokany Tsara ny Fitondran-tena Madio sy ny Fanajana Lalina
Efa nanambady ny vehivavy sasany vao lasa Vavolombelona. Raha tsara fitondran-tena izy, dia mety hanaiky ny fahamarinana ny vadiny. Mety hila hiaritra mandritra ny taona maro anefa aloha ilay anabavy. (1Pe 2:21-23; 3:1, 2) Miezaha handresy ny ratsy amin’ny tsara, raha iharan’ny tsy rariny ianao. (Ro 12:21) Mety hisy vokany kokoa noho ny zavatra lazainao mantsy ny zavatra tsara ataonao.
Miezaha hahatakatra ny heviny. (Fi 2:3, 4) Mahaiza mipetraka eo amin’ny toerany ary miezaha hangoraka. Ataovy tsara koa ny andraikitrao ao an-trano. Hajao izy ary henoy tsara. (Jk 1:19) Manàna faharetana, ary omeo toky izy hoe tena tianao. Mety tsy hanaja na ho tsara fanahy hoatr’anao ny vadinao. Tadidio anefa hoe faly i Jehovah mahita anao tsy mivadika.—1Pe 2:19, 20.
JEREO ILAY VIDEO HOE HANAMPY ANTSIKA I JEHOVAH REHEFA MAFY NY MAHAZO ANTSIKA, ARY VALIO IRETO:
Nanao ahoana ny fiainan’ny Ranabavy Grace Li tamin’izy vao avy nanambady kelikely?
Inona no nahatonga azy ho liana tamin’ny fahamarinana?
Ahoana no niatrehany ny fitsapana nahazo azy taorian’ny batisany?
Inona no nolazain’ny Ranabavy Li, rehefa nivavaka momba ny vadiny izy?
Inona no fitahiana azony noho izy nanana fitondran-tena madio sy nanaja lalina ny vadiny?
Misy vokany tsara ny fitondran-tena madio sy ny fanajana lalina!