NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA
Tian’i Jehovah ny Mpanome Amim-pifaliana
Hoy ny 2 Korintianina 9:7: “Aoka ny tsirairay samy hanao araka izay fanapahan-keviny tao am-pony, tsy amin’alahelo na an-tery, fa ny mpanome amim-pifaliana no tian’Andriamanitra.” Misy fomba isan-karazany azo anaovana fanomezana ao amin’ny Internet. Afaka mifidy amin’izy ireny isika, raha te hanohana ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah eto an-toerana na maneran-tany.
JEREO ILAY VIDEO HOE AHOANA NO HATAO RAHA HANAO FANOMEZANA AO AMIN’NY INTERNET?, ARY VALIO IRETO:
Ahoana no hahitana ny fanazavana momba ny fanaovana fanomezana?
Inona ny soa noraisin’ny rahalahy sy anabavy sasany, rehefa nanao fanomezana tamin’ny alalan’ny Internet izy ireo?
Inona ny fomba sasany azontsika anaovana fanomezana?
Inona no azontsika atao raha te hanao fanomezana amin’ny alalan’ny Internet isika, nefa tsy mahay?