HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | EKSODOSY 29-30
Fanomezana ho An’i Jehovah
Nanana tombontsoa hanao fanomezana hanohanana ny fivavahana amin’i Jehovah ny Israelita tsirairay, rehefa naorina ny tranolay masina. Afaka nanao an’izany na ny mahantra na ny manankarena. Inona kosa no azontsika atao amin’izao? Azontsika atao, ohatra, ny manome vola mba hanorenana na hikojakojana Efitrano Fanjakana, Efitrano Fivoriambe, biraon’ny fandikan-teny mitokana, tranon’ny sampana, ary trano hafa ampiasaina amin’ny fanompoana an’i Jehovah.
Inona no ianarantsika avy amin’ireto andinin-teny ireto, raha te hanome vola hanohanana ny fivavahana marina isika?