HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | LEVITIKOSY 1-3
Ny Tanjona Tamin’ireo Fanatitra
Nampifaly an’i Jehovah ny fanatitra na sorona nataon’ny Israelita fahiny, ary mifanitsy amin’i Jesosy sy ny sorona nataony na ny soa entin’izany.—He 8:3-5; 9:9; 10:5-10.
Biby tsy nisy kilema no natao sorona. Vatana lavorary sy tsy nisy kilema koa no nataon’i Jesosy sorona.—1Pe 1:18, 19
Natolotra manontolo ho an’Andriamanitra ny fanatitra dorana. Ny vatany manontolo koa no nomen’i Jesosy ho an’i Jehovah
Nihavana tamin’Andriamanitra ireo nanolotra sorona iombonana. Mihavana amin’Andriamanitra koa ireo voahosotra mihinana amin’ny Sakafo Harivan’ny Tompo