HIRA 131
“Nampiraisin’Andriamanitra” ny Mpivady
Endrika Sary
1. Nifanaiky ianareo
Teo anatrehanay,
Ho tady randran-telo
Sy mba ho nofo iray.
(FIVERENANA 1)
Mifankatiava hatrany,
Mahaiza miaraka.
Natambatr’i Jehovah,
Aza misaraka.
2. Jehovah no henoy,
Ekeo amin’ny fo,
Dia hotahiny foana
Ny akaninareo roa.
(FIVERENANA 2)
Hajao àry ilay voady,
’Zay tena miavaka.
Natambatr’i Jehovah,
Aza misaraka.
(Jereo koa ny Gen. 2:24; Mpito. 4:12; Efes. 5:22-33.)