HIRA 39
Miezaha ho Tsara Laza eo Imason’i Jehovah
Endrika Sary
1. Mandalo tsy tana Ny andro tsirairay,
Ka ampiasao mba Hideranao ny Ray.
Ampifalio ny fony, Ny marina hazòny,
Dia tanteraho koa Ny sitrapony.
2. Harena sa laza No mahavariana etỳ?
Madiva ho rava Ity tontolo ity!
Raha ’zao tontolo izao No lasa namanao,
Jehovah tsy mba Ho tia anao.
3. Ny anaranao koa Soratany ao am-po,
Ianao ho tsaroany, Homeny valisoa.
Raha tsara laza ianao Dia ho voasoratra ao
Mandrakizay ny Anaranao.
(Jereo koa ny Gen. 11:4; Ohab. 22:1; Mal. 3:16; Apok. 20:15.)