LAHATSORATRA FIANARANA 23
HIRA 2 Jehovah no Anaranao
Ahoana no Tokony ho Fiheverantsika ny Anaran’i Jehovah?
“‘Ianareo no vavolombeloko’, hoy i Jehovah.”—ISAIA 43:10.
HEVITRA HODINIHINA
Inona no azontsika atao mba hanamasinana sy hanamarinana ny anaran’i Jehovah?
1-2. Ahoana no ahafantarantsika hoe zava-dehibe amin’i Jesosy ny anaran’i Jehovah?
NY ANARAN’I Jehovah no zava-dehibe indrindra amin’i Jesosy. Izy no tena miaro ny anaran’ny Rainy. Nohazavain’ny lahatsoratra teo aloha hoe vonona ho faty izy mba hanaporofoana hoe masina ny anaran’i Jehovah ary ara-drariny daholo ny ataony. (Mar. 14:36; Heb. 10:7-9) Vonona hamerina ny fahefana rehetra amin’ny Rainy koa izy, rehefa tapitra ny Fanjakany Arivo Taona, mba hanamasinana ny anaran’i Jehovah. (1 Kor. 15:26-28) Hita amin’ny fitiavan’i Jesosy ny anaran’ny Rainy koa hoe tena tiany Ilay mitondra an’io anarana io.
2 Tonga tetỳ an-tany tamin’ny anaran’ny Rainy i Jesosy. (Jaona 5:43; 12:13) Nampahafantatra ny anaran’ny Rainy tamin’ny mpanara-dia azy izy. (Jaona 17:6, 26) Nampianatra sy nanao fahagagana tamin’ny anaran’i Jehovah koa izy. (Jaona 10:25) Rehefa nangataka an’i Jehovah mba hiaro ny mpianany izy, dia niteny mihitsy hoe “arovy izy ireo noho ilay anaranao.” (Jaona 17:11) Raha hoatr’izany no fiheveran’i Jesosy ny anaran’i Jehovah, dia ahoana no ilazan’ny olona iray hoe tena mpanara-dia an’i Kristy izy raha tsy fantany sy tsy ampiasainy akory ny anaran’ny Rain’i Jesosy?
3. Inona no hodinihintsika ato?
3 Miezaka manara-dia an’i Jesosy isika Kristianina dia sarobidy amintsika koa ny anaran’ny Rainy. (1 Pet. 2:21) Ho hitantsika ato hoe nahoana no antsoina amin’ny anaran’i Jehovah ireo mitory ny “vaovao tsaran’ilay Fanjakana.” (Mat. 24:14) Hodinihintsika koa hoe ahoana no tokony hiheverantsika tsirairay ny anaran’i Jehovah.
‘OLONA HITONDRA NY ANARANY’
4. a) Inona no andraikitra nankinin’i Jesosy tamin’ny mpianany, talohan’ny niakarany tany an-danitra? b) Inona no fanontaniana mipoitra vokatr’izany?
4 Taloha kelin’ny niakaran’i Jesosy tany an-danitra, dia niteny tamin’ny mpianany izy hoe: “Hahazo hery ... ianareo rehefa tonga aminareo ny fanahy masina, ka ho vavolombeloko any Jerosalema sy eran’i Jodia sy Samaria ary any amin’ny faritra lavitra indrindra eto an-tany ianareo.” (Asa. 1:8) Tsy any Israely ihany àry no hitoriana ny vaovao tsara, fa afaka ny ho lasa mpanara-dia an’i Jesosy daholo ny olona any amin’ny firenena rehetra. (Mat. 28:19, 20) Mariho ilay tenin’i Jesosy hoe: “Ho vavolombeloko ... ianareo.” Ho vavolombelon’i Jesosy fotsiny ve ireo mpianatra vaovao ireo sa mila mahafantatra ny anaran’i Jehovah koa? Diniho ny zava-nitranga resahin’ny Asan’ny Apostoly toko faha-15.
5. Ahoana no nampisehoan’ny apostoly sy ny anti-panahy tany Jerosalema hoe mila mahafantatra ny anaran’i Jehovah ny olon-drehetra? (Jereo koa ny sary.)
5 Nivory ny apostoly sy ny anti-panahy tany Jerosalema tamin’ny taona 49. Nodinihin-dry zareo hoe inona no nila nataon’ny hafa firenena tsy voafora raha te ho lasa Kristianina ry zareo. Hoy i Jakoba rahalahin’i Jesosy, teo am-pifaranan’ilay fivoriana: “Notantarain’i [Petera] tamin’ny an-tsipiriany teo hoe vao voalohany Andriamanitra no nanaiky an’ireo hafa firenena, mba hakany olona avy amin’izy ireo hitondra ny anarany.” Anaran’iza ilay tian’i Jakoba holazaina? Nanonona ny tenin’i Amosa mpaminany izy dia nilaza hoe: “Amin’izay dia hazoto hitady an’i Jehovah ny olona sisa tavela, miaraka amin’ireo avy amin’ny firenena rehetra, dia ireo olona antsoina amin’ny anarako, hoy i Jehovah.” (Asa. 15:14-18) Hianatra momba an’i Jehovah àry ireo mpianatra vaovao ireo sady ‘hantsoina amin’ny anarany.’ Midika izany hoe hitondra ny anaran’Andriamanitra ry zareo, ary io anarana io no hahafantarana azy ireo.
Miara-mivory ny filan-kevi-pitantanana tamin’ny taonjato voalohany, ary takatr’izy ireo tsara hoe tsy maintsy mitondra ny anaran’Andriamanitra ny Kristianina (Fehintsoratra 5)
6-7. a) Nahoana i Jesosy no tonga tetỳ an-tany? b) Inona no antony lehibe kokoa nahatongavan’i Jesosy tetỳ an-tany?
6 “I Jehovah dia Famonjena” no dikan’ny anaran’i Jesosy, ary izy tokoa no nampiasain’i Jehovah mba hamonjena an’izay maneho finoana. Tonga tetỳ an-tany izy mba hanome ny ainy ho an’ny olombelona. (Mat. 20:28) Naloany ny vidim-panavotana, dia lasa azo avotana ny olombelona ary afaka ny hahazo fiainana mandrakizay.—Jaona 3:16.
7 Fa maninona moa ny olombelona no mila avotana? Tadidio izay nitranga tao amin’ny zaridainan’i Edena. Nikomy tamin’i Jehovah i Adama sy Eva, ray aman-drenintsika voalohany, ka tsy afaka ny hiaina mandrakizay intsony, araka ny lahatsoratra teo aloha. (Gen. 3:6, 24) Mila avotana àry ny olombelona mpanota. Mbola zava-dehibe kokoa noho izany anefa ilay hoe mila hamasinina ny anaran’i Jehovah satria nohosoram-potaka koa izy io tany Edena. (Gen. 3:4, 5) Mifandray àry ny fanavotana ny taranak’olombelona sy ny fanamasinana ny anaran’i Jehovah. I Jesosy no tena nandray anjara be tamin’ny fanamasinana ny anaran’i Jehovah satria nisolo tena Azy izy sady nitondra ny Anarany.
Ahoana no ilazan’ny olona iray hoe tena mpanara-dia an’i Kristy izy raha tsy fantany sy tsy ampiasainy akory ny anaran’ny Rain’i Jesosy?
8. Inona no nila neken’izay rehetra nino an’i Jesosy?
8 Nila neken’izay rehetra haneho finoana an’i Jesosy hoe i Jehovah Andriamanitra, ilay Rain’i Jesosy, no tena mamonjy azy ireo, na Jiosy izy na hafa firenena. (Jaona 17:3) Hoatran’i Jesosy, dia ny anaran’i Jehovah no hamantarana an-dry zareo. Nila neken-dry zareo koa hoe zava-dehibe ny fanamasinana an’io anarana io. Niankinan’ny ain-dry zareo izany. (Asa. 2:21, 22) Nila nianatra momba an’i Jehovah sy Jesosy àry ny mpanara-dia an’i Jesosy tsy nivadika rehetra. Tsy mahagaga raha izao no namaranan’i Jesosy an’ilay vavaka ao amin’ny Jaona toko faha-17: “Efa nampahafantariko azy ny anaranao ary mbola hampahafantariko ihany, mba ho hoatran’ny nitiavanao ahy no hitiavan’izy ireo ny hafa, ary mba ho tafaray amin’izy ireo koa aho.”—Jaona 17:26.
“IANAREO NO VAVOLOMBELOKO”
9. Ahoana no ampisehoantsika hoe zava-dehibe amintsika ny anaran’i Jehovah?
9 Tsy maintsy manamasina ny anaran’i Jehovah daholo ny tena mpanara-dia an’i Jesosy. (Mat. 6:9, 10) Ny anaran’i Jehovah no tokony ho zava-dehibe indrindra amin-dry zareo, ary mila asehon-dry zareo amin’ny ataony izany. Misy azontsika atao ve mba hanamasinana ny anaran’i Jehovah sy hanaporofoana hoe diso ny fanendrikendrehan’i Satana?
10. Inona ilay raharaha ara-pitsarana an’ohatra resahin’ny Isaia toko faha-42-44? (Isaia 43:9; 44:7-9) (Jereo koa ny sary.)
10 Asongadin’ny Isaia toko faha-42 hatramin’ny faha-44 fa zava-dehibe izay ataontsika mba hanamasinana ny anaran’i Jehovah. Miresaka raharaha ara-pitsarana an’ohatra ireo toko ireo: Asain’i Jehovah manome porofo izay milaza ny tenany ho andriamanitra hoe tena Andriamanitra tokoa ry zareo. Asainy mijoro ho vavolombelona koa izay mahavita miaro an’ireo andriamanitra ireo. Tsy nisy anefa!—Vakio ny Isaia 43:9; 44:7-9.
Asehontsika amin’ny ataontsika sy lazaintsika hoe momba an’iza isika amin’ilay raharaha ara-pitsarana an’ohatra (Fehintsoratra 10-11)
11. Inona no lazain’i Jehovah amin’ny vahoakany, araka ny Isaia 43:10-12?
11 Vakio ny Isaia 43:10-12. Milaza amin’ny vahoakany i Jehovah hoe: “Ianareo no vavolombeloko, ... ary izaho no Andriamanitra.” Asainy mamaly an’ity fanontaniana ity ry zareo: “Misy Andriamanitra hafa ankoatra ahy ve?” (Isaia 44:8) Manana tombontsoa hamaly an’izany isika. Porofointsika amin’ny ataontsika sy lazaintsika hoe i Jehovah ihany no tena Andriamanitra. Ny anarany no ambony indrindra amin’ny anarana rehetra. Asehontsika amin’ny fiainantsika hoe tena tiantsika i Jehovah ary tsy mivadika aminy isika, na inona na inona ataon’i Satana. Mandray anjara amin’ny fanamasinana ny anaran’i Jehovah isika raha manao an’izany.
12. Ahoana no nahatanterahan’ilay faminaniana ao amin’ny Isaia 40:3, 5?
12 Nilaza mialoha koa i Isaia hoe hisy olona ‘hanomana ny lalana halehan’i Jehovah.’ (Isaia 40:3) Ahoana no nahatanterahan’izany? Nomanin’i Jaona Mpanao Batisa ny lalana halehan’i Jesosy, izay tonga tamin’ny anaran’i Jehovah sady niteny tamin’ny anaran’i Jehovah. (Mat. 3:3; Mar. 1:2-4; Lioka 3:3-6) Hoy ihany io faminaniana io: “Hiharihary ny voninahitr’i Jehovah.” (Isaia 40:5) Ahoana izany? Rehefa tonga tetỳ an-tany i Jesosy dia vitany tsara mihitsy ny nisolo tena an’i Jehovah, ka hoatran’ny hoe i Jehovah mihitsy no tonga tetỳ. (Jaona 12:45) Manahaka an’i Jesosy Kristy isika rehefa miaro ny anaran’i Jehovah, na ny lazany.
13. Ahoana no azontsika anahafana an’i Jesosy?
13 Vavolombelon’i Jehovah koa isika, hoatran’i Jesosy. Mitondra ny anaran’i Jehovah isika sady resahintsika amin’ny olona ny zavatra tsara be nataony. Mba hahavitantsika tsara an’izany anefa, dia tsy maintsy ampahafantarintsika ny olona daholo izay nataon’i Jesosy mba hanamasinana ny anaran’i Jehovah. (Asa. 1:8) I Jesosy no Vavolombelon’i Jehovah miavaka indrindra ary manahaka azy isika. (Apok. 1:5) Ahoana anefa no tokony hiheverantsika tsirairay ny anaran’i Jehovah?
AHOANA NO FIHEVERANTSIKA NY ANARAN’I JEHOVAH?
14. Ahoana no fiheverantsika ny anaran’i Jehovah, araka ny Salamo 105:3?
14 Reharehantsika ny anaran’i Jehovah. (Vakio ny Salamo 105:3.) Faly be i Jehovah rehefa mirehareha amin’ny anarany isika. (Jer. 9:23, 24; 1 Kor. 1:31; 2 Kor. 10:17) Ny hoe ‘manao an’i Jehovah ho rehareha’ dia midika hoe mirehareha satria izy no Andriamanitsika. Raisintsika ho tombontsoa ny manome voninahitra ny anarany sy miaro ny lazany. Tsy tokony ho menatra mihitsy isika hilaza hoe Vavolombelon’i Jehovah, ohatra hoe amin’ny mpiara-miasa, na mpiara-mianatra, na mpiray tanàna. Te hanakana antsika tsy hiresaka momba an’i Jehovah ny Devoly. (Jer. 11:21; Apok. 12:17) Ny olona aza tian’i Satana sy ny mpaminaniny hanadino ny anaran’i Jehovah. (Jer. 23:26, 27) Mifaly amin’ny anaran’i Jehovah foana anefa isika “tontolo andro” satria tiantsika ny anarany.—Sal. 5:11; 89:16.
15. Inona no dikan’ny hoe miantso ny anaran’i Jehovah?
15 Miantso ny anaran’i Jehovah foana isika. (Joela 2:32; Rom. 10:13, 14) Tsy hoe mahafantatra sy mampiasa ny anaran’i Jehovah fotsiny no dikan’izany. Lasa fantatsika tsara koa izy, dia matoky azy isika, ary miantehitra aminy rehefa mila fanampiana sy tari-dalana. (Sal. 20:7; 99:6; 116:4; 145:18) Ampahafantarintsika ny olona koa ny anarany sy ny toetrany, dia ampirisihintsika ry zareo mba hibebaka sy hiova, amin’izay hankasitrahan’i Jehovah.—Isaia 12:4; Asa. 2:21, 38.
16. Ahoana no azontsika anaporofoana hoe mpandainga i Satana?
16 Vonona hijaly ho an’ny anaran’i Jehovah isika. (Jak. 5:10, 11) Raha tsy mivadika amin’i Jehovah mihitsy isika rehefa miaritra fijaliana, dia manaporofo hoe mpandainga i Satana. Tamin’ny andron’i Joba mantsy, dia izao no nolazain’i Satana momba ny olona manompo an’i Jehovah: “Hanome an’izay ananany rehetra ny olona mba hiarovana ny ainy.” (Joba 2:4) Hanompo an’i Jehovah, hono, ny olona rehefa milamindamina ny fiainany, fa hahafoy azy kosa rehefa ao anatin’ny sarotra. Tsy nivadika i Joba dia noporofoiny hoe diso izany. Manana tombontsoa koa isika hanaporofo hoe na inona na inona ataon’i Satana amintsika, dia tsy hivadika amin’i Jehovah mihitsy isika. Afaka matoky tanteraka isika hoe harovan’i Jehovah foana, noho ny anarany.—Jaona 17:11.
17. Inona koa no azontsika atao mba hanomezana voninahitra ny anaran’i Jehovah, araka ny 1 Petera 2:12?
17 Asehontsika hoe manaja ny anaran’i Jehovah isika. (Ohab. 30:9; Jer. 7:8-11) Misolo tena an’i Jehovah isika sady mitondra ny anarany, dia mety hanome voninahitra na hanala baraka ny anarany izay ataontsika. (Vakio ny 1 Petera 2:12.) Te hanao an’izay azontsika atao àry isika mba hiderana an’i Jehovah amin’ny tenintsika sy ny fitondran-tenantsika. Hanome voninahitra ny anarany isika amin’izay, na dia tsy lavorary aza.
18. Ahoana koa no azontsika anaporofoana hoe zava-dehibe amintsika ny anaran’i Jehovah? (Jereo koa ny fanamarihana ambany pejy.)
18 Ny anaran’i Jehovah no zava-dehibe kokoa amintsika noho ny lazantsika. (Sal. 138:2) Nahoana isika no tena mila mitadidy an’izany? Satria mety ho ratsy laza isika noho isika tia ny anaran’i Jehovah.a Nahamenatra be, ohatra, ny fomba nahafatesan’i Jesosy satria nomelohina hoatran’ny mpanao heloka bevava izy. Vonona hiaritra an’izany anefa izy mba hanomezana voninahitra ny anaran’i Jehovah. “Tsy nampaninona azy ny ho afa-baraka”, izany hoe tsy niady saina be tamin’izay noeritreretin’ny hafa momba azy izy. (Heb. 12:2-4) Ny hanao ny sitrapon’Andriamanitra no nifantohany.—Mat. 26:39.
19. Ahoana no fiheveranao ny anaran’i Jehovah, ary nahoana?
19 Reharehantsika ny anaran’i Jehovah ary voninahitra be ilay antsoina hoe Vavolombelon’i Jehovah. Vonona hiaritra isika na dia haratsin’ny olona amin’izany aza. Ny anaran’i Jehovah mantsy mbola zava-dehibe kokoa noho ny lazantsika. Andao àry hidera ny anaran’i Jehovah foana, na inona na inona ataon’i Satana amintsika. Manahaka an’i Jesosy Kristy isika amin’izany, ka manaporofo hoe ny anaran’i Jehovah no zava-dehibe indrindra amintsika.
HIRA 10 Derao i Jehovah Andriamanitsika!
a Tsy nivadika i Joba nefa na izy aza nanomboka nifantoka tamin’ny lazany rehefa nokianin’ireo namany telo lahy. “Tsy nanota i Joba sady tsy nanome tsiny an’Andriamanitra mihitsy”, tamin’ny voalohany, rehefa maty ny zanany ary fongana ny fananany. (Joba 1:22; 2:10) “Nirediredy” anefa izy rehefa nendrikendrehina hoe nanao ratsy. Ny hiaro ny lazany indray no zava-dehibe taminy fa tsy ny hanamasina ny anaran’Andriamanitra.—Joba 6:3; 13:4, 5; 32:2; 34:5.