NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA
Misaotra An’i Jehovah Izahay Noho ny Fitiavanareo
Nampiseho fitiavana tamin’ny Kristianina hafa ny fiangonana tany Tesalonika na dia niatrika olana aza. (2Te 1:3, 4) Mampiseho ny fitiavantsika ny mpiara-manompo eran-tany koa isika amin’izao. Manampy an’ireo rahalahintsika amin’izao fotoan-tsarotra izao ny fanomezana ataonareo. Izany no asongadin’ilay andian-dahatsoratra ao amin’ny jw.org hoe “Fomba Ampiasana ny Fanomezanao.” Misaotra betsaka fa be fitiavana sy malala-tanana ianareo.
JEREO ILAY VIDEO HOE “MISAOTRA AN’ANDRIAMANITRA MANDRAKARIVA NOHO NY AMINAREO IZAHAY.” VALIO IRETO AVY EO:
• Milazà zavatra sasany ataontsika izay tohanana amin’ny fanomezana an-tsitrapo
• Ahoana no fomba tsara indrindra hanampiana ny mpiara-manompo sahirana? Jereo koa ilay lahatsoratra ao amin’ny jw.org hoe “Nameno ny Tsy Ampy ny Ambim-bavan’izy Ireo”