FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • lff fizarana 1
  • Famerenana ny Fizarana 1

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Famerenana ny Fizarana 1
  • Ankafizo Mandrakizay ny Fiainana!—Fianarana Baiboly Natao ho Anao
  • Mitovitovy Aminy
  • Famerenana ny Fizarana 2
    Ankafizo Mandrakizay ny Fiainana!—Fianarana Baiboly Natao ho Anao
  • Famerenana ny Fizarana 3
    Ankafizo Mandrakizay ny Fiainana!—Fianarana Baiboly Natao ho Anao
  • Famerenana ny Fizarana 4
    Ankafizo Mandrakizay ny Fiainana!—Fianarana Baiboly Natao ho Anao
  • Fizarana 1
    Ankafizo Mandrakizay ny Fiainana!—Fianarana Baiboly Natao ho Anao
Hijery Hafa
Ankafizo Mandrakizay ny Fiainana!—Fianarana Baiboly Natao ho Anao
lff fizarana 1

Famerenana ny Fizarana 1

Endrika Sary

Iaraho midinika ireto fanontaniana ireto:

Tovolahy iray mianatra Baiboly miaraka amin’ny Vavolombelon’i Jehovah.
  1. Inona ny fampanantenan’ny Baiboly tena tianao? Nahoana?

    ( Jereo ny Lesona 02.)

  2. Nahoana ianao no mino fa Tenin’Andriamanitra ny Baiboly?

    ( Jereo ny Lesona 03 sy 05.)

  3. Nahoana no zava-dehibe ny mampiasa an’ilay anarana hoe Jehovah?

    ( Jereo ny Lesona 04.)

  4. Milaza ny Baiboly fa Andriamanitra no “namorona ny zava-drehetra.” (Apokalypsy 4:11) Mino an’izany ve ianao?

    ( Jereo ny Lesona 06.)

  5. Vakio ny Ohabolana 3:32.

    • Nahoana i Jehovah no Namana tsara indrindra?

    • Inona no tian’i Jehovah hataon’ny namany? Sarotra be ve ny zavatra asain’i Jehovah ataontsika, araka ny hevitrao?

      ( Jereo ny Lesona 07 sy 08.)

  6. Vakio ny Salamo 62:8.

    • Inona ny zavatra sasany efa noresahinao tamin’i Jehovah? Inona koa no mbola azonao resahina rehefa mivavaka ianao?

    • Ahoana no amalian’i Jehovah ny vavaka ataontsika?

      ( Jereo ny Lesona 09.)

  7. Vakio ny Hebreo 10:24, 25.

    • Inona no soa horaisinao raha miara-mivory amin’ny Vavolombelon’i Jehovah ianao?

    • Tena tokony hanaovana ezaka ve ilay hoe mivory, araka ny hevitrao?

      ( Jereo ny Lesona 10.)

  8. Nahoana no tena ilaina ny mamaky Baiboly isan’andro? Inona no fotoana nofidinao mba hamakiana Baiboly isan’andro?

    ( Jereo ny Lesona 11.)

  9. Inona tamin’ny fianaranao Baiboly no tena tianao hatreto?

  10. Inona no olana efa natrehinao hatramin’izay nianaranao Baiboly izay? Inona no hanampy anao hianatra Baiboly foana?

    ( Jereo ny Lesona 12.)

    Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Tenin’ny Tanana Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara