HIRA 39
Miezaha ho Tsara Laza eo Imason’i Jehovah
Endrika Sary
	- 1. Mandalo tsy tana Ny andro tsirairay, - Ka ampiasao mba Hideranao ny Ray. - Ampifalio ny fony, Ny marina hazòny, - Dia tanteraho koa Ny sitrapony. 
- 2. Harena sa laza No mahavariana etỳ? - Madiva ho rava Ity tontolo ity! - Raha ’zao tontolo izao No lasa namanao, - Jehovah tsy mba Ho tia anao. 
- 3. Ny anaranao koa Soratany ao am-po, - Ianao ho tsaroany, Homeny valisoa. - Raha tsara laza ianao Dia ho voasoratra ao - Mandrakizay ny Anaranao. 
(Jereo koa ny Gen. 11:4; Ohab. 22:1; Mal. 3:16; Apok. 20:15.)