HIRA 74
Andao Hihira Momba Ilay Fanjakana!
- 1. ’Ty hira ity dia hiram-pifaliana, - Ho fiderana an’i Jehovah Ray. - Ny Fanjakany hitondra fitahiana. - Andao hihira hiaraka aminay! - (FIVERENANA) - ‘Jehovah Ray no ivavaho, - Ka ny anarany derao. - ’Zao hira izao no asainay hataonao; - ’Lay Fanjakany re no mba hirao.’ 
- 2. Hira vaovao tokoa no ambaranay ’zao, - Satria Kristy dia hitondra ny tany. - Mihira koa ’lay firenena vaovao, - Mpiara-mandova an’ilay Fanjakany. - (FIVERENANA) - ‘Jehovah Ray no ivavaho, - Ka ny anarany derao. - ’Zao hira izao no asainay hataonao; - ’Lay Fanjakany re no mba hirao.’ 
- 3. Io hira io dia hira tsotra ihany; - Izay manetry tena dia mahay. - Koa maro be no mianatra an’izany, - Ary manasa ny olon-kafa indray. - (FIVERENANA) - ‘Jehovah Ray no ivavaho, - Ka ny anarany derao. - ’Zao hira izao no asainay hataonao; - ’Lay Fanjakany re no mba hirao.’ 
(Jereo koa ny Sal. 95:6; 1 Pet. 2:9, 10; Apok. 12:10.)