HIRA 8
Jehovah no Fialofantsika
Endrika Sary
1. Jehovah no ampinga,
’Zay azo itokiana;
Ka izy no antsoina
Raha mila fanampiana.
Fialofana izy, miaro anao;
Koa matokia f’aza miala ao.
Jehovah toy ny manda,
Tsy mandao na oviana na oviana.
2. Na misy an’arivo
Hianjera sy ho lavo,
Jehovah hiaro antsika,
Toy ny andry tena avo.
’Zay loza mety hampahory,
Tsy hanakaiky antsika akory.
Jehovah Vatolampy,
Ny fiarovany àry tadiavo.
3. Tsy misy mety hahomby
’Zay fandrika hisesy.
Na maro ny fiadiana,
Jehovah no hamefy.
Na lefona, na hoe tsipìka,
Ambenan’i Jehovah isika.
Fa izy ’Lay Mahery,
Ny vahoakany tsy ho resy.
(Jereo koa ny Sal. 97:10; 121:3, 5; Isaia 52:12.)