NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA
Ny Fitiavana no Ahafantarana ny Tena Kristianina: Aza Tia Tena na Mora Tezitra
NAHOANA IZANY NO TENA ILAINA? Nampianatra i Jesosy hoe ny fitiavana no hahafantarana ny mpianany. (Jn 13:34, 35) Raha be fitiavana hoatran’i Kristy isika, dia hitady izay hahasoa ny hafa sady tsy ho mora tezitra.—1Ko 13:5.
AHOANA NO HANAOVANA AZY?
Aza tonga dia mamaly rehefa misy miteny na manao zavatra mampalahelo anao. Diniho aloha hoe inona no mety ho nahatonga an’ilay izy, ary inona no mety ho vokatr’izay havalinao.—Oh 19:11
Tadidio hoe tsy lavorary daholo isika ka mety hilaza na hanao zavatra hanenenantsika
Alamino haingana ny olana eo aminao sy ny mpiara-manompo
JEREO ILAY VIDEO HOE ‘MIFANKATIAVA’: AZA TIA TENA NA MORA TEZITRA, ARY VALIO IRETO:
Ahoana no ahitana hoe mora nentim-po ny Rahalahy Thierry?
Nahoana ny Rahalahy Henri no nahavita nifehy ny hatezerany?
Nahoana ny valin-tenin’ny Rahalahy Henri no namaha an’ilay olana?
Inona ny soa horaisin’ny fiangonana raha tsy mora tezitra isika?