Loharanon-kevitra ao Amin’ny Tari-dalana ho An’ny Fiainantsika sy ny Fanompoana
© 2024 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
6-12 JANOARY
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | SALAMO 127-134
Ry Ray Aman-dreny, Karakarao Tsara Foana Ilay Lova Sarobidy Nomena Anareo
w19.12 26 § 20
Ampianaro ho Tia An’i Jehovah ny Zanakareo
20 Miezaha hahafantatra azy tsara. Ampitahaina amin’ny zana-tsipìka ny zanaka ao amin’ny Salamo faha-127. (Vakio ny Salamo 127:4.) Samy hafa ny zana-tsipìka satria tsy mitovy ny habeny sy ny akora nanamboarana azy. Samy manana ny maha izy azy koa ny ankizy. Mila fantarin’ny ray aman-dreny àry hoe ahoana no hampiofanany ny zanany tsirairay. Nahavita nitaiza tsara ny zanany mianadahy ny mpivady iray any Israely, ka lasa mpanompon’i Jehovah izy ireo izao. Inona no nanampy azy mivady? Izao no noteneniny: “Tsy nampiarahinay izy mianadahy rehefa nampianarinay Baiboly.” Mazava ho azy fa anjaran’ny loham-pianakaviana ny mandinika hoe mila ampianarina tsirairay ve ny ankizy ary ho araka ve izany.
13-19 JANOARY
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | SALAMO 135-137
“Ambony Noho ny Andriamanitra Rehetra ny Tompontsika”
it-1 1127 § 4-5
Herin’Andriamanitra
Voafehin’Andriamanitra ny herin’ny natiora. Azon’i Jehovah atao ny mampiseho fa voafehiny ny herin’ny natiora, mba hanaporofoana fa izy no tena Andriamanitra sy mba hampahalaza ny anarany. (Sl 135:5, 6) Efa fahita foana anefa ny hoe mifamoivoy tsy tapaka ny masoandro, volana, planeta sy kintana; misy lalàna mifehy ny atmosfera manodidina ny tany (mahatonga ny rivotra sy orana ary zavatra hafa); manao andiany ny valala; ary mifindra monina ny vorona. Tsy ampy hanamasinana ny anaran’Andriamanitra eo anatrehan’ny mpanohitra sy ny mpanompo sampy àry ireo rehetra ireo sy ny zavatra hafa mpitranga eo amin’ny natiora.
Azon’i Jehovah ampiasaina amin’ny fomba miavaka sy amin’ny fotoana voatondrony anefa ny zavaboary sy ny herin’ny natiora, mba hanatanterahana ny fikasany sy hanaporofoana fa izy no tena Andriamanitra. Mety ho fahita ny hain-tany sy ny oram-baratra ary ny toy izany, nefa miavaka izy ireny rehefa manatanteraka ny faminanian’i Jehovah. (Ampit. 1Mp 17:1; 18:1, 2, 41-45.) Vao mainka anefa izy ireny mahagaga rehefa be dia be (Ek 9:24), na mbola tsy nisy hoatran’izany mihitsy taloha, na tonga tamin’ny fotoana tsy nampoizina.—Ek 34:10; 1Sa 12:16-18.
20-26 JANOARY
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | SALAMO 138-139
Aza Avela Hisakana Anao ny Tahotra
w19.01 10 § 10
Miderà An’i Jehovah Rehefa any Am-pivoriana
10 Midobodoboka be ve ny fonao raha vao mieritreritra fotsiny hoe hanangan-tanana? Tsy ianao irery no hoatr’izany. Somary matahotra daholo mantsy ny ankamaroantsika rehefa hamaly. Mila fantarinao anefa aloha izay tena mampatahotra anao, izay ianao vao ho afaka handresy an’ilay izy. Matahotra ve ianao sao tsy hotadidinao izay tianao hotenenina? Sa ianao mieritreritra hoe: ‘Aza hitako ka diso ity valin-teniko ity?’ Manahy ve ianao hoe tsy ho tsara be hoatran’ny an’ny olon-kafa ilay izy? Tsy voatery ho ratsy ny tahotra hoatr’izany. Hita amin’izany mantsy hoe manetry tena ianao, ary mihevitra ny hafa ho ambony noho ianao. Tena tian’i Jehovah izany toetra izany. (Sal. 138:6; Fil. 2:3) Tiany hidera azy sy hampahery ny mpiara-manompo koa anefa ianao rehefa any am-pivoriana. (1 Tes. 5:11) Tiany be ianao ary hampiany mba ho sahy hanome valin-teny.
Vatosoa Ara-panahy
it-1 573 § 2
Famelan-keloka
Tsy maintsy mamela ny helok’izay nanao fahadisoana taminy ny Kristianina, na impiry izany na impiry. (Lk 17:3, 4; Ef 4:32; Kl 3:13) Tsy mamela an’izay tsy mety mamela ny hafa Andriamanitra. (Mt 6:14, 15) Na izay nanao fahotana lehibe aza ka voaroaka tsy ho anisan’ny fiangonana satria “mpanao ratsy”, dia mety ho voavela heloka any aoriana any, raha tena mibebaka. Afaka manaporofo ny fitiavany azy ny rehetra eo anivon’ny fiangonana amin’izay fotoana izay. (1Ko 5:13; 2Ko 2:6-11) Tsy voatery kosa ny Kristianina hamela ny heloky ny olona zatra manota an-tsitrapo mba hahavoa ny hafa, raha tsy mibebaka ilay olona. Lasa fahavalon’Andriamanitra mantsy ny olona toy izany.—He 10:26-31; Sl 139:21, 22.
27 JANOARY–2 FEBROARY
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | SALAMO 140-143
Manaova Zavatra Mifanaraka Amin’ny Vavaka Ataonao
w15 15/3 32 § 2
Mbola Azo Atao Ihany ve ny Manambady “ao Amin’ny Tompo”?
Mety hitovy fihetseham-po amin’i Davida mpanao salamo ianao indraindray. Hoy izy: “Valio haingana aho, Jehovah ô! Efa ho tapitra ny aiko. Aza manafina ny tavanao amiko.” (Sal. 143:5-7, 10) Manàna faharetana raha izany no tsapanao, ka avelao ilay Rainao any an-danitra hampiseho hoe inona no tiany hatao ho anao. Ho vitanao izany raha mamaky ny Teniny sy misaintsaina izay vakinao ianao. Ho azonao tsara ny didiny amin’izay, ary ho hainao hoe ahoana no nanampiany ny vahoakany fahiny. Raha mihaino azy ianao, dia vao mainka hatoky fa fahendrena ny mankatò azy.
3-9 FEBROARY
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | SALAMO 144-146
“Sambatra Izay Vahoaka Manana An’i Jehovah ho Andriamaniny!”
w18.04 32 § 3-4
Fanontanian’ny Mpamaky
2. Mifanaraka amin’ny andininy hafa ao amin’ilay salamo ilay fanovana. Ho an’ny olo-marina ny fitahiana resahin’ny Salamo 144:12-14, izany hoe ho an’ireo mangataka ny ‘hafahana sy avotana’ amin’ny ratsy fanahy (andininy 11). Izany no antony nampiasana an’ilay hoe “amin’izay” eo amin’ny andininy 12, ao amin’ilay fandikan-teny nohavaozina. Misy vokany eo amin’ny andininy 15 koa io fanitsiana io. Lasa mifameno izao ireo fehezanteny roa ao, izay samy misy an’ilay teny hoe “sambatra.” Tsy samy hafa àry ny olona resahin’ireo fehezanteny roa ireo. Tsy ny ratsy fanahy izy ireo, fa ireo “olona manana an’i Jehovah ho Andriamaniny.” Tsara homarihina koa fa tsy nisy mari-piatoana, toy ny farango sosona, io Salamo 144 io tamin’ny teny hebreo nanoratana azy voalohany. Anjaran’ny mpandika teny àry ny mamaritra ny tena dikan’ilay izy, ka mila eritreretiny ny fomba fanoratry ny Hebreo poezia, ny teny manodidina, ary ny andinin-teny hafa mifandray amin’ilay izy.
3. Mifanaraka amin’ny andininy hafa momba ny fitahiana ampanantenain’i Jehovah an’izay tsy mivadika ilay fanovana. Rehefa novana ny fomba nandikana an’ilay teny hebreo hoe asher, dia lasa hita tsara ao amin’io salamo nosoratan’i Davida io ny fanantenany. Tsy inona izany fa ilay hoe hanafaka ny Israelita amin’ny fahavalony Andriamanitra, ka hiadana sy ho sambatra izy ireo. (Lev. 26:9, 10; Deot. 7:13; Sal. 128:1-6) Milaza, ohatra, ny Deoteronomia 28:4 hoe: “Hotahina izay aloaky ny kibonao, sy ny vokatry ny taninao, ary ny zanaky ny biby fiompinao, na ny omby na ny ondry aman’osy.” Niadana sy sambatra tsy nisy hoatr’izany tokoa ny Israelita nandritra ny fitondran’i Solomona zanak’i Davida. Hoatran’ny tamin’ny andron’i Solomona koa ny zavatra sasany hitranga rehefa hitondra ny Mesia.—1 Mpanj. 4:20, 21; Sal. 72:1-20.
w18.01 26 § 19-20
Inona no Karazana Fitiavana Tena Mahasambatra?
19 Efa 6 000 taona teo ho eo izay ny tontolon’i Satana no nampijaly ny olona, ary kely sisa dia hifarana izy io. Be dia be ny olona tia tena, tia vola, ary tia fahafinaretana. Izay hahazoany tombony no masaka ao an-tsainy, ary izay hanatanterahana ny faniriany no zava-dehibe indrindra aminy. Tsy tena ho sambatra mihitsy ny olona hoatr’izany. Hoy kosa ny Baiboly: “Sambatra izay manana an’Andriamanitr’i Jakoba ho mpanampy azy sady manantena an’i Jehovah Andriamaniny.”—Sal. 146:5.
20 Vao mainka tia an’i Jehovah isika mpanompony, ary mihamitombo ny isantsika isan-taona. Porofo izany hoe efa manjaka ny Fanjakan’Andriamanitra, ary kely sisa izy io dia hitondra fitahiana ho an’ny tany. Tsy ho azontsika sary an-tsaina mihitsy izany fitahiana izany. Rehefa manao ny sitrapon’Andriamanitra ihany isika vao tena ho faly, satria fantatsika hoe mampifaly an’ilay Tompo Fara Tampony isika amin’izany. Ho sambatra mandrakizay izay tia an’i Jehovah. Ho hitantsika ao amin’ny lahatsoratra manaraka ny toetra ratsy lasa ananan’ny olona rehefa tia tena izy. Ho hitantsika koa fa tsy hoatr’izany ny mpanompon’i Jehovah.
10-16 FEBROARY
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | SALAMO 147-150
Manana Antony Be dia Be Hiderana An’i Jah Isika
w17.07 18 § 5-6
Nahoana Isika no Tokony ‘Hidera An’i Jah’?
5 Tsy ny firenen’Israely ihany no nampaherezin’i Jehovah, fa ny Israelita tsirairay koa. Hoatr’izany koa no ataony amin’izao. Milaza ny mpanao salamo fa “manasitrana an’ireo torotoro fo izy, ary manisy fehy ny ratran’izy ireo.” (Sal. 147:3) Raha marary àry isika na kivy, dia azo antoka fa hikarakara antsika i Jehovah. Tena vonona hampahery antsika foana izy ary te hanasitrana ny ratram-pontsika. (Sal. 34:18; Isaia 57:15) Omeny fahendrena sy hery isika mba hahavitantsika hiatrika an’izay olana mahazo antsika.—Jak. 1:5.
6 Nijery ny lanitra ilay mpanao salamo avy eo. Nilaza izy fa “manisa ny kintana” i Jehovah, ary ‘miantso azy rehetra amin’ny anarany avy.’ (Sal. 147:4) Be dia be ny kintana hitan’ilay mpanao salamo, saingy tsy fantany ny isany. Ny mpahay siansa amin’izao kosa mahafantatra fa misy kintana an’arivony tapitrisa ao amin’ny vahindanitra misy ny tany. Mety ho an-tapitrisa tapitrisany anefa ny vahindanitra eran’izao rehetra izao. Tsy ho voaisantsika mihitsy àry ny kintana. Ny Mpamorona anefa mahavita an’izany. Fantany tsara ny kintana tsirairay, ary nomeny anarana mampiavaka azy izy rehetra. (1 Kor. 15:41) Fantany foana koa izay misy ny tsirairay amin’izy ireny. Ary isika olombelona? Fantany tsara isika tsirairay: Fantany hoe aiza no misy anao, inona no ao am-ponao, ary inona no ilainao.
w17.07 18 § 7
Nahoana Isika no Tokony ‘Hidera An’i Jah’?
7 Tsy hoe mahafantatra an’izay manjo anao fotsiny i Jehovah, fa miara-ory aminao koa ary manana hery hanampiana anao. (Vakio ny Salamo 147:5.) Mety hieritreritra ianao hoe mafy loatra ny manjo anao, ka tsy ho vitanao ny hiatrika an’ilay izy. Fantatr’Andriamanitra anefa hoe inona no ho vitantsika sy tsy ho vitantsika, satria “tsaroany fa vovoka ihany isika.” (Sal. 103:14) Tsy lavorary isika ka mamerina foana ny fahadisoana efa nataontsika. Mety hiteniteny foana isika na hieritreri-dratsy na hialona, ka hanenina tongotra aman-tanana. Tsy manao fahadisoana hoatr’izany i Jehovah, nefa azony tsara izay ao am-pontsika amin’ireny fotoana ireny.—Isaia 40:28.
w17.07 21 § 18
Nahoana Isika no Tokony ‘Hidera An’i Jah’?
18 Fantatry ny mpanao salamo fa ny firenen’Israely irery no nofidin’i Jehovah ho vahoakany. Izy ireo irery no nilazany ‘ny teniny sy ny fitsipiny ary ny didim-pitsarany.’ (Vakio ny Salamo 147:19, 20.) Isika irery koa ankehitriny no mitondra ny anaran’Andriamanitra, ary voninahitra lehibe izany. Lasa mifandray akaiky aminy isika, satria mahafantatra azy sady manana ny Teniny mba hitari-dalana antsika. Manana antony be dia be ‘hiderana an’i Jah’ sy hampirisihana ny hafa hanao an’izany àry ianao, toa an’ilay mpanoratra ny Salamo faha-147.
17-23 FEBROARY
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | OHABOLANA 1
Ry Tanora, Iza no Hohenoinareo?
w17.11 29 § 16-17
Aza Avela Hisy Hahasakana Anao Tsy Hahazo An’ilay Loka!
16 Ahoana indray raha tanora ianao, ary hoatran’ny tsy mahatakatra tsara ny hevitrao sy ny fihetseham-ponao ny dada sy mamanao, na hentitra be loatra aminao? Mety ho sosotra ianao ka hieritreritra hoe aleo tsy manompo an’i Jehovah. Inona anefa no hitranga raha miala amin’i Jehovah ianao? Tsy maintsy ho tonga saina ianao hoe tsy misy tena tia anao mihoatra noho ny ray aman-dreninao sy ny fiangonana.
17 Eritrereto koa izao: Azo lazaina hoe tena tia anao ve ny dada sy mamanao, raha tsy manitsy anao mihitsy? (Heb. 12:8) Mety tsy ho izany anefa no mahasosotra anao, fa ny fomba anitsiany anao. Miezaha àry mba tsy hiasa saina be amin’izany. Eritrereto hoe misy antony angamba matoa izy ireo manao an’izany. Miezaha ho tony, ary aza entim-po be raha misy zavatra itenenany anao. Hoy ny Baiboly: “Manana ny tena fahalalana ny olona mahafehy ny vavany, ary tony ny olona mahay manavaka.” (Ohab. 17:27) Ataovy tanjona ny ho lasa matotra tsara, ka ho tony rehefa toroana hevitra, ary tsy hiady saina be amin’izay fomba nanomezana an’ilay izy fa handray lesona. (Ohab. 1:8) Tombontsoa be ny manana ray aman-dreny tena tia an’i Jehovah. Azo antoka fa te hanampy anao hahazo an’ilay loka izy ireo.
w05 15/2 19-20 § 11-12
Ataovy Foana Izay Hahafantarana Anao ho Kristianina
11 Mitadiava sitraka amin’Andriamanitra, fa tsy amin’olona. Ara-dalàna raha maniry ho tian’ny hafa isika. Mila namana daholo isika rehetra, ary mahatsiaro faly sy milamin-tsaina rehefa eken’ny hafa. Tena mahery ny faneren’ny namana mandritra ny fahatanorana, na rehefa lehibe kokoa, ka manjary irintsika mafy ny hanahaka azy ireo na hampifaly azy. Tsy mitady izay hahasoa antsika foana anefa ny namana sy ireo mitovy taona amintsika. Mitady namana hiara-manao ratsy aminy fotsiny izy ireo indraindray. (Ohabolana 1:11-19) Matetika ny Kristianina no manafina ny maha izy azy, rehefa resin’ny faneren’ny namana. (Salamo 26:4) Nampitandrina toy izao anefa ny apostoly Paoly: “Aza manaraka ny fanaon’izao tontolo izao.” (Romana 12:2, Fandikan-teny Protestanta) Omen’i Jehovah antsika ny hery ilaina mba hanoherana ny fanerena hitovy amin’ny hafa.—Hebreo 13:6.
12 Mety hanery antsika hanafina ny maha Kristianina antsika ny hafa. Tokony hotadidintsika anefa, fa sarobidy kokoa noho izay tian’ny besinimaro ny tsy fivadihantsika amin’Andriamanitra. Manampy antsika amin’izany ny toro lalana ao amin’ny Eksodosy 23:2 hoe: “Aza manaraka ny maro hanao ratsy.” Nisalasala ny ankamaroan’ny Israelita, raha afaka manatanteraka ny fampanantenany i Jehovah na tsia. Tsy nanara-drian-drano anefa i Kaleba. Azony antoka fa mendri-pitokisana ny fampanantenan’Andriamanitra. Nandray valisoa tondraka izy noho izany. (Nomery 13:30; Josoa 14:6-11) Irinao koa ve ny hanohitra ny faneren’ny besinimaro, mba hiarovanao ny fifandraisanao amin’Andriamanitra?
24 FEBROARY–2 MARTSA
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | OHABOLANA 2
Nahoana Ianao no Tokony Hazoto Hianatra Samirery?
w16.09 23 § 2-3
Ry Tanora, Hatanjaho ny Finoanareo
2 Mety ho tanora manompo an’i Jehovah ianao na vao mianatra momba azy. Mahatsiaro ve ianao hoe voatery manaiky ny zavatra inoan’ny olona, ohatra hoe ny evolisiona (na fiovana miandalana), fa tsy hino hoe misy ny Mpamorona? Misy zavatra azonao atao mba hampahatanjaka foana ny finoanao. Mila mampiasa ny sainao ianao satria “hiambina anao” izany. Hiaro anao tsy hanaraka hevi-diso izany, ka tsy hihena ny finoanao.—Vakio ny Ohabolana 2:10-12.
3 Mila mahalala tsara an’Andriamanitra ianao raha te hanana finoana matanjaka. (1 Tim. 2:4) Aza maika ny hahavita fotsiny àry rehefa mianatra ny Baiboly sy ny bokintsika. Saintsaino tsara izay vakinao mba ho ‘azonao ny heviny.’ (Mat. 13:23) Ho hitantsika ato fa raha manao an’izany ianao, dia vao mainka hino hoe Andriamanitra no Mpamorona ary avy aminy ny Baiboly. Betsaka mantsy ny “porofo mazava” momba an’ireo.—Heb. 11:1.