FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • mwb25.1 8
  • 24 Febroary–2 Martsa

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • 24 Febroary–2 Martsa
  • Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana: Tari-dalana ho An’ny Fivoriana—2025
Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana: Tari-dalana ho An’ny Fivoriana—2025
mwb25.1 8

24 FEBROARY–2 MARTSA

OHABOLANA 2

Hira 35 sy Vavaka | Teny Fampidirana (1 min.)

HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA

1. Nahoana Ianao no Tokony Hazoto Hianatra Samirery?

(10 min.)

Asehonao amin’izany hoe sarobidy aminao ny fahamarinana (Oh 2:3, 4; w22.08 34:16)

Manampy anao hahay hanapa-kevitra izany (Oh 2:5-7; w22.10 43:3-4)

Manatanjaka ny finoanao izany (Oh 2:11, 12; w16.09 23 § 2-3)

Lehilahy israelita anankiray ao anaty lavabato, mampiasa lapika.

SAINTSAINO IZAO: ‘Ahoana no azoko anatsarana ny fahazarako mianatra samirery?’

2. Vatosoa Ara-panahy

(10 min.)

  • Oh 2:4-6: Inona no fomba fianatra hitanao hoe mandaitra? (w22.08 34:16)

  • Inona ny vatosoa ara-panahy hitanao tamin’ny famakiana Baiboly tamin’ity herinandro ity?

3. Famakiana Teny

(4 min.) hf 9:5, 6 (th 12)

FAMPIOFANANA AMIN’NY FANOMPOANA

4. Miresadresaha Aloha

(4 min.) ISAN-TRANO. Asehoy an’ilay olona hoe ahoana no hahitana fanazavana mahasoa ny mpivady ao amin’ny jw.org. (lmd 1:3)

5. Rehefa Miverina Mitsidika

(3 min.) TSY ARA-POTOANA. Manomeza gazety miresaka momba ny zavatra nahaliana an’ilay olona tamin’ianareo nihaona farany. (lmd 9:3)

6. Lahateny

(5 min.) lmd Fanazavana Fanampiny A, hevitra 8: Foto-kevitra: Tsy Tokony Hivadika Amin’ny Vadiny ny Olona Manambady. (th 13)

NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA

Hira 96

7. Mpikaroka Harena Miafina ve Ianao?

(15 min.) Fiaraha-midinika.

Rankizy, ianareo ve tia mikaroka harena miafina? Raha izany, dia tadidio fa manasa anareo hikaroka an’ilay harena sarobidy indrindra eran’izao tontolo izao ny Baiboly. Inona izany? “Ny fahalalana an’Andriamanitra.” (Oh 2:4, 5) Hahita azy io ianareo raha manokana fotoana hamakiana Baiboly tsy tapaka sady mikaroka momba an’izay vakinareo. Ho hitanareo fa mahafinaritra izany sady mahasoa!

  • Inona avy ny fanontaniana azonao eritreretina rehefa mamaky Baiboly? (w24.02 32 § 2-3)

  • Inona avy ny fitaovana azonao ampiasaina mba hahitana ny valin’ireo?

Ankizilahy manao akanjona mpitrandraka harena miafina. Mientanentana erỳ izy manokatra vata feno zavatra sarobidy.

Afaka manampy anao hisaintsaina an’izay vakinao ao amin’ny Baiboly ilay video mifampitohy hoe Andao Hianatra avy Amin’ny Naman’i Jehovah.

Rahalahy tanora mianatra samirery. Misy an’ilay bokikely hoe “Nisy Namorona ve Izao Rehetra Izao?” eo ambony latabany.

Alefaso ilay VIDEO hoe Andao Hianatra avy Amin’ny Naman’i Jehovah: Abela.

Vakio ny Genesisy 4:2-4 sy ny Hebreo 11:4. Iaraho midinika ireto avy eo:

  • Ahoana no nampisehoan’i Abela hoe naman’i Jehovah izy?

  • Inona no nataon’i Abela mba hahatonga azy hino kokoa an’i Jehovah?

  • Inona no azonao atao mba hanam-pinoana kokoa ianao?

MBA ANDRAMO IZAO:

Rehefa mamaky Baiboly ianao, dia manaova fikarohana momba ny olona na toerana na zavatra resahina ao, na dia mieritreritra aza ianao hoe efa fantatrao tsara ilay izy. Ho hoatran’ny hoe iainanao mihitsy amin’izay ilay zavatra vakinao!

8. Fianarana Baiboly

(30 min.) w22.04 15:12-20

Teny Famaranana (3 min.) | Hira 121 sy Vavaka

    Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Tenin’ny Tanana Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara